Seminera
3 Nefia 8–10: Ny feon’ny Mpamonjy tao amin’ny haizina


“3 Nefia 8–10: Ny feon’ny Mpamonjy tao amin’ny haizina,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“3 Nefia 8–10,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

3 Nefia 8–10

Ny feon’ny Mpamonjy tao amin’ny haizina

Sary
fianakaviana miaraka amina ankizivavy iray jamba izay sambany no nahatsapa ny masoandro hatramin’ireo telo andron’ny haizina taorian’ny fanomboana an’i Jesoa Kristy

Tany Amerika fahiny dia faharavana faratampony sy haizina no nanamarika ny fanomboana ny Mpamonjy tamin’ny hazofijaliana. Nisy fotoana tao anatin’ireo telo andro nisian’ny haizi-mikitroka tsy nandairana hazavana dia niresaka tamin’ny olona i Jesoa Kristy. Tamin’izany sy amin’izao fotoana izao, ny loza voajanahary, ny fijaliana, ary ny fizahan-toetra dia afaka ny ho lala-misokatra hianarana momba an’i Jesoa Kristy sy hitodihana Aminy. Ity lesona ity dia hamantarana ny toetran’i Jesoa Kristy izay afaka manampy anao hahatsapa fitiavana sy fahatokiana Azy lehibe kokoa.

Amporisiho ny mpianatra hifantoka amin’i Jesoa Kristy. Ampio ny mpianatra hampifantoka ny fianaran’izy ireo ny filazantsara amin’i Jesoa Kristy mba hahafahan’ny Fanahy Masina manatanjaka ny fahatakaran’izy ireo sy ny fankasitrahan’izy ireo Azy. Fomba iray hanaovana izany ny fametrahana fanontaniana izay hanampy ny mpianatra hitady ny porofon’ny heriny, ny famindram-pony ary ny iraka fanavotana nataony.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny 3 Nefia 8, ka haka sary an-tsaina ny hoe mety ho nanao ahoana re izany hoe teo nandritra ireo zavatra niseho ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

“Oram-baratra lehibe”

Sary
rambon-danitra goavana mitety ny saha
Sary
oram-baratra
Sary
Namely ny tanana iray ny orana sy ny rivotra nentin’ny rivo-doza

Anontanio ny mpianatra raha efa nisy tratrana oram-baratra mahery vaika mampatahotra na niaina karazana loza voajanahary hafa. Manasà iray na roa hizara ny hoe nanao ahoana ny zavatra niainan’izy ireo, na azonao atao ny mizara zavatra niainanao.

Rehefa nohomboana tany Jerosalema i Jesoa Kristy dia nisy oram-baratra sy horohoron-tany nahatsiravina izay niteraka faharavana lehibe tany Amerika fahiny. Ireny zava-niseho ireny dia nanatanteraka ny faminanian’i Samoela ilay Lamanita momba ireo famantarana ny fahafatesan’ny Mpamonjy (jereo ny Helamàna 14:20–27).

Mba hahalalana ny antsipiriany momba ireny zava-niseho nandravarava ireny, dia vakio ny 3 Nefia 8:5–22.  ChurchofJesusChrist.org

  • Inona no mety ho noeritreretinao na tsapanao raha niaina ireo zavatra ireo ianao?

Tamin’ireo taona nialoha io faharavana io dia niala tamin’ny Tompo ny ankamaroan’ny Nefita ary nandroaka ireo mpaminany nalefan’ Andriamanitra hitory tamin’izy ireo (jereo ny 3 Nefia 7:7–8, 14, 21).

Vakio ny 3 Nefia 8:23–25, hitadiavana ny fihetsika nasehon’ireo izay tafavoaka velona taorian’ny niainan’izy ireo ireny zava-niseho nandravarava ireny.

  • Ahoana no hamaritanao ny fahatsapan’izy ireo?

Fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy

Rehefa nitomany tao amin’ny haizina ny olona, dia naheno ny feon’i Jesoa Kristy niteny tamin’izy ireo. Nanonona anaran-tanàna maro Izy ary nanazava fa ireo tanàna ireo sy ny olona tao dia rava noho ny faharatsian’izy ireo. Avy eo Izy dia nampianatra ny olona fahamarinana manan-danja maro momba ny tenany.

Ankoatra ny fanasana ny mpianatra hamorona ilay lisitra voafaritra ao amin’ity andiam-pehezan-teny manaraka ity, dia hevero ihany koa ny hamorona lisitra izay azo aseho miharihary ho an’ny kilasinao mandritra ny fandalinanareo ny 3 Nefia. Azonao atao ny mampiasa tabilao lehibe fasiana afisy na taratasy hanoratana ny lohateny voalaza eo ambany amin’ny soramandry. Soraty manodidina izany ny zavatra hitan’ny mpianatra momba an’i Jesoa Kristy nandritra ny lesona sy ao amin’ny lesona manaraka.

Mba hanampiana anao handamina ireo fahamarinana ireo, dia mamoròna lohateny ao amin’ny diary fandalinanao hoe: Mianatra momba an’i Jesoa Kristy ao amin’ny 3 Nefia. Azonao atao ny manokana pejy maro ao amin’ny diary fandalinanao mba hahafahanao mampiditra fahamarinana ao amin’io lisitra io mandritra ny fandalinanao ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teo anivon’ny Nefita ao anatin’ireo herinandro vitsivitsy manaraka.

Alaovy antoka fa omena fotoana ampy ny mpianatra mba hiainan’izy ireo zavatra manan-danja amin’ny fandalinana ny tenin’ny Mpamonjy ao amin’ireto andininy manaraka ireto. Mety hitondra vokatsoa ny fandefasana feon-kira maneho fanajana sy ny famelana azy ireo handalina isam-batan’olona.

Azonao atao ihany koa ny mizara ny mpianatra ho vondrona kely mromaro ary manendry ny vondrona tsirairay handalina sy hifanakalo hevitra momba ny iray amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto: 3 Nefia 9:13–18; 3 Nefia 9:19–22; 3 Nefia 10:4–7; ary ny 3 Nefia 10:8–12. Azo asaina ny olona ao amin’ny vondrona tsirairay hizara ny zavatra nianaran’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ireo andininy nohalalinin’izy ireo.

Vakio ny 3 Nefia 9:13–22 sy ny 10:4–12, hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Jesoa Kristy ireo olona ireo momba Azy. Soraty eo ambanin’ny lohateny ao amin’ny diary fandalinanao ireo fahamarinana ireo.

Rehefa avy nomena fotoana ampy handalinana ny mpianatra, dia ifanakalozy hevitra ny zavatra nohalalinin’izy ireo. Omeo fahafahana hizara ny hevi-baovao azon’izy ireo sy ny fahatsapan’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy ny mpianatra maromaro. Mampiasà fanontaniana toy ireto manaraka ireto mba hanampiana amin’ny fitarihana io fifanakalozan-kevitra io.

  • Inona no zavatra nampianarin’ny Mpamonjy momba ny tenany ka nanan-danja indrindra taminao? Nahoana?

    Azon’ny mpianatra atao ny mitady fahamarinana maro momba an’i Jesoa Kristy. Mety ilainao ny maka antoka fa tsikaritry ny mpianatra ireto manaraka ireto: Mitsotra amintsika ny sandrin’ny famindram-pon’i Jesoa Kristy (3 Nefia 9:14); I Jesoa Kristy no fahazavana sy fiainan’izao tontolo izao (3 Nefia 9:18); I Jesoa Kristy dia mangataka ny hanolorantsika fo torotoro sy ny fanahy manenina (3 Nefia 9:20); Maniry ny hanangona sy hiaro antsika i Jesoa Kristy (3 Nefia 10:4–7).

    Hevero ny hanoratra ireo fahamarinana ireo eny amin’ny solaitrabe. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hitady tantara hafa ao amin’ny soratra masina izay anehoan’i Jesoa Kristy ny iray na ny maromaro amin’ireo fahamarinana hitan’izy ireo momba Azy.

    Mba hahitana hevitra amin’ny fomba mety hahafahanao mandany fotoana misimisy kokoa amin’ny sasany amin’ireo fampianarana manokan’ny Mpamonjy avy ao amin’ireo andininy ireo, dia jereo ny fizaràna hoe “Sahanasa fianarana fanampiny”.

  • Inona no mety ho fiantraikan’ireo fahamarinana nianaranao momba an’i Jesoa Kristy amin’ny fitiavanao sy ny fahatokianao Azy?

  • Inona avy no toe-java-nisy efa niainanao na mety hiainanao ka ho zava-dehibe amin’izay fotoana izay ny fahatsiarovana ny iray na maromaro amin’ireo fahamarinana ireo?

Mijoroa ho vavolombelona momba ireo fahamarinana noresahinareo androany. Amporisiho hanohy hitady fahamarinana manan-danja momba an’i Jesoa Kristy ny mpianatra rehefa manohy mandalina ny asa fanompoany teo anivon’ny Nefita.

Hamoaka printy