Seminera
Fifehezana fotopampianarana: 3 Nefia 11:10–11—“Efa niaretako ny sitrapon’ny Ray tamin’ny zava-drehetra hatrany am-piandohana”


“Fifehezana fotopampianarana: 3 Nefia 11:10–11—Efa niaretako ny sitrapon’ny Ray tamin’ny zava-drehetra hatrany am-piandohana,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Fifehezana fotopampianarana: 3 Nefia 11:10–11,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Fifehezana fotopampianarana: 3 Nefia 11:10–11

“Efa niaretako ny sitrapon’ny Ray tamin’ny zava-drehetra hatrany am-piandohana”

Sary
I Kristy niresaka tamin’ny Nefita

Tamin’ny fandalinanao ny 3 Nefia 11, dia nianatra momba an’i Jesoa Kristy niseho tamin’ny Nefita ianao. Nolazainy azy ireo fa nahatanteraka ny sitrapon’ny Ray any An-danitra tamin’ny alalan’ny fitondrany teo Aminy ny fahotan’izao tontolo izao Izy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanao tsianjery ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny 3 Nefia 11:10–11, sy hanazava ny fotopampianarana ampianarina ao amin’io andalan-tsoratra masina io ary hampihatra ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Manome fahafahana ny mpianatra hijoro ho vavolombelona. Alaovy antoka fa takatry ny mpianatra fa ny fijoroana ho vavolombelona iray dia tsy voatery hanomboka amina teny efa voafaritra na zaraina amina sehatra ôfisialy ihany. Ampio izy ireo hahafantatra fa mijoro ho vavolombelona izy ireo rehefa mizara fanehoana amin’ny fomba tsotra sy mahitsy ny zavatra inoan’izy ireo ho marina.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanontany olona iray ao amin’ny fianakaviana na mpitarika ao amin’ny Fiangonana mba hanazava amin’izy ireo ny antony nisafidianan’izy ireo hanaraka an’i Jesoa Kristy.

Sahanasa fianarana azo atao

Ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity dia natao hampianarina aorian’ny lesona “3 Nefia 11:1–11,” izay lesona mifandray amin’ny sahan-kevitra ho an’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny 3 Nefia 11:10–11. Raha ohatra ka ilaina ny mamindra ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity amin’ny herinandro hafa dia alaovy antoka fa lesona miresaka sahan-kevitra mifandray amin’izany ihany koa no ampianarina amin’io herinandro io.

Ianaro tsianjery sy hazavao

Ny andian-teny manan-danja ao amin’ny 3 Nefia 11:10–11 dia ny hoe “Efa niaretako ny sitrapon’ny Ray tamin’ny zava-drehetra hatrany am-piandohana.” Mety ho marihinao amin’ny fomba miavaka io ampahany amin’ny andininy 11 io mba hanasongadinana azy amin’ny ambin’ilay andininy.

Ampio ny mpianatra hanao tsianjery ny toko sy andinin-tsoratra masina ary ny andian-teny ao amin’ny 3 Nefia 11:10–11. Fomba iray anaovana izany ny fampisehoana ireto sarin’i Jesoa Kristy manaraka ireto, izay maneho an’i Jesoa Kristy manatanteraka ny sitrapon’ny Ray mitondra ny fahotantsika eo Aminy.

Asao ny mpianatra hitanisa ny toko sy andinin-tsoratra masina ary ny andian-teny manan-danja imbetsaka. Eo am-panaovan’ny mpianatra tsianjery izany dia amporisiho izy ireo tsy hijery ny teny fotsiny fa ireo sary aseho ihany koa. Asao izy ireo hisaintsaina ny hevitry ny tenin’ny Mpamonjy izay ataon’izy ireo tsianjery.

Sary
I Kristy tao Getsemane sy i Kristy teo amin’ny hazofijaliana

Tao amin’ny lesona iray tany aloha, ianareo dia niresaka momba ny fahamarinana hita ao amin’ny 3 Nefia 11:11 hoe Nanao ny sitrapon’ny Ray tamin’ny fitondrany teo Aminy ny fahotan’izao tontolo izao i Jesoa Kristy.

Alaovy sary an-tsaina hoe misy olona iray, izay kely fotsiny no fantany momba an’i Jesoa Kristy, mangataka anao hampianatra ny zavatra fantatrao momba Azy.

  • Amin’ny alalan’ny fampiasana ilay fehezan-teny milaza fahamarinana sy ilay andian-teny ao amin’ny soratra masina, ahoana no hanazavanao ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy ho antsika ary nahoana no manan-danja izany?

Fizàrana mampihatra

Avereno jerena fohifohy ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy ao amin’ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizaràna hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023).

Omeo fahafahana haneho ny fahatakaran’izy ireo ny fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy ny mpianatra. Fomba iray hanaovana izany ny fampisehoana ireo fitsipika telo eny amin’ny solaitrabe sy ny fanasana mpianatra maro hanoratra sy hanazava ireo fitsipika ireo amina fehezan-teny iray.

Ity rafi-tantara manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hizatra hampiasa ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy sy ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny 3 Nefia 11:10–11. Hevero ny hampiseho ity rafi-tantara ity mba hahafahan’ny mpianatra mijery izany mandritra ny ambin’ny lesona.

Nanomboka nandany fotoana misimisy kokoa niaraka tamina vondro-namana vaovao i Jessica. Ireo namana ireo dia tsy manara-dia an’i Jesoa Kristy, saingy tsikariny fa izy ireo dia ohatra an’ny sambatra tsy mahalala an’ Andriamanitra eo amin’ny fiainan’izy ireo. Nampianarina hino sy hanara-dia an’i Jesoa Kristy i Jessica. Nampifandraisiny mandrakariva tamin’ny fahasambarana ny fankatoavana an’i Jesoa Kristy, saingy manomboka manontany tena ny amin’ny maha tena ilaina ny fanarahan-dia Azy izy.

Mety hanampy amina toe-javatra tahaka ny an’i Jessica ny fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy.

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

Mba hanampiana anao hahita ny fomba ahafahan’i Jessica mamakafaka ny ahiahiny amina fomba fijery mibanjina ny mandrakizay, dia adikao ao amin’ny diary fandalinanao ity tabilao manaraka ity. Avy eo dia fenoy ilay tabilao amin’ny alalan’ny fitanisana ny antony sy ny vokany rehetra azonao eritreretina ho an’ireo tsanganana roa. Makà antoka fa tafiditra ny hevitra avy ao amin’ny 3 Nefia 11:10–11 rehefa mameno ilay tsanganana eo ankavanana ianao.

Azon’ny mpianatra atao ny miara-miasa ao anatina vondrona kely hameno ity tabilao manaraka ity, na azonareo iray kilasy atao ny miara-mameno ilay tabilao.

Ampio ny mpianatra hahatsapa fa tsy misy atahorana ny milaza ny hevitr’izy ireo. Raha mila fanampiana amin’ny famenoana ilay tabilao ny mpianatra, dia mety ho azonao atao ny mametraka fanontaniana voafaritra tsara, toy ireto manaraka ireto: Inona no antony mety hananan’i Jessica ka mahatonga azy maniry ny hiaina misimisy kokoa tahaka ireo namany vaovao? Inona avy no vokany tsy maharitra sy ny vokany maharitra aterak’io safidy io? Inona no fantatrao momba an’i Jesoa Kristy ka hahatonga ny fanarahan-dia Azy ho zavatra mendrika hatao? Inona avy no fitahiana mety ho azon’i Jessica amin’ny alalan’ny fisafidianana ny hanara-dia an’i Jesoa Kristy?

Manara-dia ny hafa

Manara-dia an’i Jesoa Kristy

Antony:

Manara-dia ny hafa

Manara-dia an’i Jesoa Kristy

Vokany:

Manara-dia ny hafa

Manara-dia an’i Jesoa Kristy

Rehefa avy nameno ilay tabilao ny mpianatra, dia asao izy ireo hizara ny zavatra nianaran’izy ireo. Ity fanontaniana manaraka ity dia azo ampiasaina ao anatin’io fifanakalozan-kevitra io:

  • Nahoana no nanampy ny fieritreretana ny safidin’i Jesicca tamin’izany fomba izany?

    Ireto fanontaniana manaraka ireto dia afaka manampy ny mpianatra hahita ny fomba ahafahan’ireo fitsipika hafa hahazoana fahalalana ara-panahy manampy amin’ny toe-javatra misy an’i Jessica.

  • Ankoatra ny 3 Nefia 11:10–11, dia inona no loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra hafa afaka manampy an’i Jessica hahatakatra ny lanjan’ny fanarahan-dia an’i Jesoa Kristy?

    Rehefa mifanakalo hevitra momba ilay fanontaniana teo aloha ny mpianatra, dia azon’izy ireo atao ny mampiditra ny hevi-baovao hitan’izy ireo ao amin’ny fizaràna mifanaraka amin’izany ao amin’ny tsanganana faharoa amin’ny tabilaon’izy ireo. Raha mila fanampiana amin’ny fitadiavana loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra ny mpianatra, dia azonao atao ny manoro azy ireo soratra masina toy ny Jaona 14:6; Asa 4:12; ary ny 2 Nefia 25:20.

  • Inona no azon’i Jessica atao mba hampitomboana ny finoany an’i Jesoa Kristy sy ho tonga vonona kokoa hanara-dia Azy?

Eritrereto ny fomba ahafahan’ny zavatra nianaranao androany mitahy ny fiainanao na ny fiainan’ny olona iray fantatrao. Manaova asa araka ny bitsika ara-panahy mety ho azonao nandritra ny lesona.

Famerenana fifehezana fotopampianarana

Mandritra ny lesona iray manaraka dia mampisehoa sary iray na roa maneho ny nisehoan’i Jesoa Kristy tamin’ny Nefita. Angataho ny mpianatra hanao tsianjery ny toko sy andinin’ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra mifandray amin’ilay sary. Raha mila fanampiana ny mpianatra, dia manorata fampahalalana vitsivitsy eny amin’ny solaitrabe mba hamohazana ny fitadidian’izy ireo. Ohatra, azonao soratana ny hoe 3 _______ 11:10– ____: “Efa _______________ ny sitrapon’ny _____________ tamin’ny zava _____ hatrany ________________.”

Hamoaka printy