Seminera
3 Nefia 8–11: Topimaso ankapobeny


“3 Nefia 8–11: Topimaso ankapobeny,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“3 Nefia 8–11,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

3 Nefia 8–11

Topimaso ankapobeny

Tany Amerika fahiny dia faharavana faratampony sy haizina no nanamarika ny fanomboana ny Mpamonjy tamin’ny hazofijaliana. Nisy fotoana tao anatin’ireo telo andro nisian’ny haizi-mikitroka tsy nandairana hazavana dia niresaka tamin’ny olona i Jesoa Kristy. “Nidina Izy sy nijoro teo afovoany” (3 Nefia 11:8). Nampianatra azy ireo ny iraka nampanaovina Azy sy ny zavatra nataony ho azy ireo Izy. Nasainy hanatri-maso ny vahoaka fa efa novonoina noho ny fahotan’izao tontolo izao Izy. Nanatona Azy tsirairay izy ireo ary nitsapa ny holatra teo amin’ny lanivoany sy ny diam-pantsika teo amin’ny tanany sy ny tongony. Avy eo dia nanambara ny fotopampianarany tamin’izy ireo Izy.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

3 Nefia 8–10

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hamantarana ny toetran’i Jesoa Kristy izay afaka manampy ny mpianatra hahatsapa fitiavana sy fahatokiana Azy lehibe kokoa.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny 3 Nefia 8, ka haka sary an-tsaina ny hoe mety ho nanao ahoana izany hoe teo nandritra ireo zavatra niseho ireo.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visioconférence: Ao amin’ity lesona ity ny mpianatra dia hanomboka hanoratra ny lisitr’ireo zavatra ianaran’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy. Io lisitra io dia hitombo rehefa manohy mandalina ny asa fanompoany tany Amerika fahiny izy ireo. Hevero ny hamorona lisitra iombonan’ny kilasy izay azo ampiasaina mandritra ireo lesona manaraka. Mety ho tahirin-kevitra elektrônika izany na fifanesen-dresaka an-jotra azon’ny mpianatra idirana sy ampidirana zavatra.

3 Nefia 11:1–11

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy amin’ny fampitomboana ny fitiavan’ny mpianatra sy ny fankasitrahan’izy ireo an’i Jesoa Kristy noho ny maha-Izy Azy na ny zavatra nataony ho azy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitady soratra masina iray na teny nambara iray avy amina mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay manampy azy ireo hahatakatra misimisy kokoa momba ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy ho azy ireo.

  • Votoatiny haseho: Toko sy andinin-tsoratra masina hohalalinin’ny mpianatra any amin’ny fiafaran’ny lesona

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visioconférence: Hevero ny hampiasa ny fiasa solaitrabe fotsy mba hitanisana ny zavatra nianaran’ny mpianatra momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ny fandalinana ny 3 Nefia 11:1–11. Izany dia afaka manampy ny mpianatra hanampy zavatra ao amin’ny lisitra nasaina natombok’izy ireo tao amin’ny lesona teo aloha.

Fifehezana fotopampianarana: 3 Nefia 11:10–11

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hitadidy ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andian-teny manan-danja ao amin’ny 3 Nefia 11:10–11, sy hanazava ny fotopampianarana ampianarina ao amin’io andininy io, ary hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanontany olona iray ao amin’ny fianakaviana na mpitarika ao amin’ny Fiangonana mba hanazava ny antony nisafidianan’izy ireo hanara-dia an’i Jesoa Kristy.

  • Sary: I Jesoa Kristy miseho ao amin’ny tempoly

  • Votoatiny haseho: Tabilao momba ny fanarahan-dia ny hafa na ny fanarahan-dia an’i Jesoa Kristy

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visioconférence: Ankoatra ny fizarana antony avy amin’ilay tabilao hanampiana an’i Jessica hanapa-kevitra hanara-dia an’i Jesoa Kristy, dia azo atao ny mangataka ny mpianatra hampiasa ny zavatra manodidina azy ireo. Hevero ny hanasa azy ireo hampiseho zavatra iray ao an-tranon’izy ireo izay manampy azy ireo hahatsiaro ny fanoloran-tenan’izy ireo hanara-dia an’i Jesoa Kristy sy ireo fitahiana raisin’izy ireo amin’ny alalan’ny fanaovana izany.

3 Nefia 11:12–17

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahazo na hampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy azy ireo manokana.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny 3 Nefia 11:12–17 ary haka sary an-tsaina ny zavatra mety ho tsapan’izy ireo raha manana io fifaneraserana manokana amin’i Jesoa Kristy io izy ireo.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visioconférence: Mandritra ny lesona dia hevero ny hanasa ny mpianatra haka sary an-tsaina ireo zava-nitranga voarakitra ao amin’ny 3 Nefia 11:12–15. Amporisiho izy ireo tsy hanisy feo ny mikrô-n’izy ireo sy hamono ny fakantsarin’izy ireo mba hahafahan’izy ireo mandray anjara tsara amin’ilay sahanasa sy hahatsapa ho mahazo aina kokoa. Rehefa afaka kelikely dia asao izy ireo handefa ny mikrô sy ny fakantsarin’izy ireo indray ary hizara ny eritreritra sy fahatsapana ananany.

3 Nefia 11:18–41

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra tsara kokoa sy hanazava ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hianatra momba ny fotopampianaran’i Kristy alohan’ny fotoam-pianarana. Azon’izy ireo atao ny mandalina ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia 11:31–41 na mamakafaka ny “fotopampianaran’i Kristy” ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile na ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  • Taratasy zaraina: “Drafitry ny lesona Ny fotopampianaran’i Kristy”

  • Votoatiny haseho: Fanontaniana fanombanan-tena any amin’ny fiafaran’ny lesona

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visioconférence: Azo atao ny manasa ireo mpianatra manana fahavononana mba hizara ny leson’izy ireo amin’ny kilasy manontolo. Azonao atao ihany koa ny mampiasa salle de petits groupes sy manasa ny mpianatra hampianatra ny leson’izy ireo amina vondrona kely.

Hamoaka printy