Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 19: Ampiharo ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana


“Famerenana fifehezana fotopampianarana 19: Ampiharo ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Famerenana fifehezana fotopampianarana 19,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Famerenana fifehezana fotopampianarana 19

Ampiharo ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Sary
zatovovavy mandalina ny soratra masina

Ny fianarana mampihatra ny tenin’ny Tompo ao amin’ny soratra masina dia afaka mitahy anao amin’ny fomba maro. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hampihatra ny fahamarinana ao amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana avy ao amin’ny tapany faharoa amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Mizatra mampihatra ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Omeo fahafahana isan-karazany ny mpianatra hanazava sy hampiharana ny zavatra nianaran’izy ireo tamin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Ampio hahita ny zavatra ifandraisan’ny tenan’izy ireo manokana amin’ireo andalan-tsoratra masina ny mpianatra ary amporisiho hiaina ireo fitsipika ampianarina.

Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hifantina andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray na roa ary hiezaka hitadidy ny toko sy andininy sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina.

Sahanasa fianarana azo atao

Azo ampianarina eo amin’ny toeran’ity lesona famerenana ity ny lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana anankiray. Jereo ny fandaharam-potoana izay nomen’ny tale na mpandrindra eo anivon’ny vondromparitra na ny faritra mba hahazoana antoka fa ampianarina avokoa ireo lesona momba ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra mandritra ny fotoana ampianarana seminera.

Hafainganam-pikisaka

Sary
zatovovavy mankafỳ mitaingina bisikileta

Hanombohana ny fotoam-pianarana dia eritrereto ny hanasa ny mpianatra hampisosa baolina na fiara kely kilalao eo anoloan’ny iray kilasy. Hevero ny hanao solampy iray ahafahan’ilay baolina mikorisa midina mba hanehoana fitomboan’ny hafainganam-pikisaka.

Alaovy sary an-tsaina hoe manosika na mandaka baolina iray ianao. Inona no hery afaka mitondra fiantraikany amin’ny halavirana na ny hafainganam-pandeha azon’ilay baolina hikisahana?

Ny hafainganam-pikisaka dia fomba iray hamaritana ny tanjaka na ny herin’ny zavatra mihetsika iray. Ohatra, ny bisikileta iray dia voahetsika rehefa mivoy ny mpitaingina ary mihazona hafainganam-pikisaka izany raha mihazona fifandanjana ilay mpitondra ary manohy mivoy. Mitombo ny hafainganam-pikisak’ilay bisikileta rehefa mampitombo ny ezaka ataony amin’ny fivoizana ilay mpitaingina na rehefa miraika midina ilay làlana.

  • Inona avy no ohatra hafa sasantsasany amin’ny hafainganam-pikisaka na ny fahavitrihana tsara?

Azonao atao ny mampiseho ity teny nambara manaraka ity. Mety hanampy raha asiana marika ny teny sy andian-teny manan-danja rehefa mifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto ny mpianatra.

Nampianatra toy izao ny Filoha Russell M. Nelson:

Tsy mbola nila ny fahavitrihana ara-panahy amin’ny tsara mihoatra noho ny amin’izao fotoana izao isika, hanoherana ny hafainganan’ny fitombon’ny ratsy ary ireo famantarana andro maloka. Ny fahavitrihana ara-panahy amin’ny tsara dia hampandroso antsika hatrany ao anatin’ny tahotra sy ny fisalasalana vokatry ny valanaretina, ny tafofo-dranomasina mahery sy avo, ny fipoahan’ny vôlkano, ary ny ady. Ny fahavitrihana ara-panahy dia afaka manampy antsika hanohitra ny fanafihan’ny fahavalo izay tsy mitsahatra sy feno haratsiam-panahy ka hanakana ireo ezaka ataony handrodanana ny fototra ara-panahy iorenan’ny tenantsika manokana. (Russell M. Nelson, “Ny herin’ny fahavitrihana ara-panahy,” Liahona, mey 2022, 98)

  • Ahoana no mety hamaritanao ny atao hoe fahavitrihana ara-panahy ary nahoana no mila izany isika?

    Mety hanampy ny mpianatra ny firaketany an-tsoratra ny eritreritr’izy ireo momba ireto fanontaniana fanombanan-tena manaraka ireto. Araka izay bitsihin’ny Fanahy dia hevero ny hanasa ny mpianatra hizara ny hevitra takatr’izy ireo.

  • Amin’ny sehatra inona eo amin’ny fiainanao no heverinao fa ilanao fahavitrihana ara-panahy misimisy kokoa? Inona avy no tombontsoa eritreretinao mialoha fa horaisina?

Fampitomboana ny fahavitrihana ara-panahy

Ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana dia mampianatra fotopampianarana marina izay manampy antsika hianatra momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Rehefa manaraka azy amim-pinoana isika, dia afaka mamorona sy mampitombo fahavitrihana ara-panahy eo amin’ny fiainantsika.

Omeo fotoana ampy tsara ny mpianatra hamitana ity sahanasa manaraka ity. Azonao atao ny mamela ny mpianatra izay manana zavatra mila ianarana hiasa miaraka amina namana iray. Hevero ny hanao tahadikan’ny taratasy zaraina nomena mba hampiasain’ny mpianatra mandritra ilay sahanasa.

Raha misafidy ny tsy hampiasa ilay taratasy zaraina ianao, dia azonao atao ny manao ity sary manaraka ity eny amin’ny solaitrabe.

Mahazo fahavitrihana ara-panahy amin’ny alalan’ny fifehezana fotopampianarana

Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)—“Famerenana fifehezana fotopampianarana 19: Ampiharo ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana”

Sary
sarin’olona mitaingina bisikileta eo amin’ny lalana iray misy sakana sy vohitra

Alaovy sary an-tsaina hoe ianao ilay mpitondra bisikileta ary ilay lalana dia maneho ny fiainanao. Mety ho tsikaritrao ny fahitsian’ny ampahany voalohany amin’ny lalanao, saingy avy eo ianao dia mifanehitra amina sakana sy firaika izay mitaky ezaka be kokoa ny fandresena azy. Eritrereto ilay fahavitrihana ara-panahy ilainao hihetsehana amim-pahombiazana eo amin’ny fiainana sy ireo sakana sy zava-tsarotra mety iainanao.

Halalino ilay andian-teny manan-danja fifehezana fotopampianarana nianaranao, ka mitadiava andininy izay mifandray amin’ny dianao manokana. Soraty eo akaikin’ny tarehimarika mifandray aminy eo amin’ny sary nataonao ny toko sy andininy amin’ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay nanampy na afaka manampy anao:

  1. Mihazòna fahavitrihana sy fandrosoana ara-panahy isan’andro.

  2. Ialao na reseo ny sakana iray rehefa mino sy mampihatra ilay fahamarinana ampianarin’ilay andalan-tsoratra masina ianao.

  3. Ampiasao ny herin’ny Mpamonjy ary mitsangàna hanatratra ny tanjonao ara-panahy.

Ho an’ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana tsirairay nosafidianao sy nampidirinao tao amin’ny sary nataonao, dia raketo an-tsoratra ny eritreritrao momba ny iray farafahakeliny amin’ireto hevitra manaraka ireto:

  • Zavatra niainana iray nahatsapanao ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ilay andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.

  • Ny fomba ahafahanao mampihatra tsara kokoa ny fotopampianarana na ny fitsipika ao amin’ilay andalan-tsoratra masina eo amin’ny fiainanao.

  • Ny antony ahatsapanao fa hanome anao ny herin’ny Mpamonjy sy hampitombo ny fahavitrihanao ara-panahy io andalan-tsoratra masina io.

  • Ny fomba nampitomboan’ilay fotopampianarana ny fitiavanao ny Ray Any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Mba hanampiana ny mpianatra hatoky tena hiasa samirery, dia hevero ny hanome azy ireo ohatra iray amin’ny alalan’ny fanoratana toko sy andinin-tsoratra masina iray eo akaikin’ny tarehimarika mifanaraka amin’izany sy ny fifanakalozan-kevitra amin’ny mpianatra momba ny fomba ahafahan’ilay andalan-tsoratra masina mihatra amin’izany sehatra izany.

Hevero ny hampiseho na hanome ny mpianatra ity tabilao manaraka ity mba ho loharanon-kevitra rehefa manohy mandalina io lesona io izy ireo.

Fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: Almà–Môrônia

Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

Toko sy andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 7:11–13

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 34:9–10

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy maintsy misy sorompanavotana atao, … sorona tsisy fetra sady mandrakizay.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 39:9

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy handehananao intsony araka ny fitsiriritan’ny masonao.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 41:10

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Helamàna 5:12

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika … no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 11:10–11

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Efa niaretako ny sitrapon’ny Ray tamin’ny zava-drehetra hatrany am-piandohana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 12:48

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ho tanteraka tahaka Ahy, na ho tanteraka tahaka ny Rainareo izay any an-danitra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 27:20

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Mankanesa atỳ amiko ary aoka hatao batisa … mba hahazoana manamasina anareo amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Etera 12:6

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy mandray fijoroana ho vavolombelona ianareo raha tsy aorian’ny fizahan-toetra ny finoanareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Etera 12:27

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Raha manatona Ahy ny olona, … amin’izany, ny zavatra malemy dia hataoko tonga matanjaka ho azy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môrônia 7:45–48

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ny fiantrana … dia ny fitiavana madion’i Kristy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môrônia 10:4–5

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Manontany amin-kitsimpo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’ i Kristy … [ary] amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra.”

Rehefa vitan’ny mpianatra izany, dia hevero ny hanasa azy ireo hizara ireo andalan-tsoratra masina izay nisy akony lalina tamin’izy ireo. Mihainoa tsara ary mametraha fanontaniana fanaraha-maso ny fivoarana mba hanampiana ny mpianatra hampitombo ny fankasitrahan’izy ireo ny fomba ahafahan’ny Tompo manampy azy ireo hampitombo ny fahavitrihan’izy ireo ara-panahy. Amporisiho izy ireo hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny Tompo sy ny fomba ahatongavan’izy tahaka Azy kokoa.

Hamoaka printy