Seminera
3 Nefia 1–7: Topimaso ankapobeny


“3 Nefia 1–7: Topimaso ankapobeny,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“3 Nefia 1–7,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

3 Nefia 1–7

Topimaso ankapobeny

Ny mpino Nefita dia niandry ny fahatongavan’ireo famantarana naminanian’i Samoela ilay Lamanita hoe ho avy (jereo ny Helamàna 14), saingy nandrahona ny hamono azy ireo ny tsy mpino raha tsy niseho ny famantarana. Nitalaho tamin’ Andriamanitra i Nefia mpaminany, ary tanteraka tamin’izay alina izay ilay faminaniana. Tatỳ aoriana, ny jirik’i Gadiantôna dia nanandrana namotika ny Nefita. Na izany aza, ny Nefita dia “niomana … hifanandrina taminy … tamin’ny herin’ny Tompo” (3 Nefia 4:10). Niverina tany amin’ny tranony ny Nefita ary nanomboka nanorina indray ny fiainany. Tamin’ny alalan’ny avonavona sy ny fizarazarana no nitarihan’i Satana ny olona hikomy tamin’ Andriamanitra. Tena goavana ny vokatr’izany ka nirodana ny fitondram-panjakana ary voazara ho foko ny olona.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

3 Nefia 1

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hahatsapa fahatokiana lehibe kokoa fa hotanterahin’ny Tompo ny teny rehetra lazainy amin’ny alalan’ny mpaminaniny.

  • Fanomanana ny mpianatra: Azon’ny mpianatra atao ny miomana hizara ohatra iray momba ny hoe amin’ny fomba ahoana ary nahoana no afaka manatanjaka ny olona iray anatina fotoana mampanahy sy mahory ny fananana finoana an’i Jesoa Kristy.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visioconférence: Hevero ny hampiseho lisitry ny toe-javatra izay mety hahatonga ny olona hahatsapa fanahiana sy tahotra. Izany dia afaka manampy ny mpianatra hisaintsaina ny fomba ahafahan’izy ireo manana finoana an’i Jesoa Kristy rehefa maneho ny heviny manoloana ny toe-javatra toy izany

3 Nefia 2–5

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra handray ny herin’ny Tompo amin’ny alalan’ny fahavononana ara-panahy sy ara-nofo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra amin’olona ao amin’ny fianakaviana na ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana momba ireo fitahiana izay tonga avy amin’ny fahavononana ara-nofo na ara-panahy.

  • Horonantsary:Documentation pour la préparation temporelle” (3:09)

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visioconférence: Rehefa asaina mitanisa ny fiomanan’ny Nefita ny mpianatra ary avy eo mitanisa ny zavatra maoderina mifanindran-dalana amin’izany, dia hevero ny hampiasa ny fiasa solaitrabe fotsy mba hamelana azy ireo hizara ny valim-panontanian’izy ireo.

3 Nefia 6–7

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra tsara kokoa ny vokatry ny avonavona sy ny fomba handresena ny avonavona amin’ny alalan’ny fanarahana ny Mpamonjy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao hivavaka ny mpianatra ary hangataka ny Ray any An-danitra hanampy azy ireo hahafantatra bitsika ara-panahy rehefa mandalina ny soratra masin’izy ireo.

  • Lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana: Voan-katsaka, poakatsaka maromaro, ary rano eraky ny lovia baolina

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visioconférence: Ho an’ilay rafi-tantara momba an’i Jim dia mety ho azonao atao ny mizara ny mpianatra amina salle de petits groupes izay ahitana mpianatra roa na telo mba hifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana. Alaivo antoka fa nomena toromarika mazava mialoha izy ireo, ao anatin’izany ny faharetan’ny fotoana ananan’izy ireo hanaovana ny fifanakalozan-kevitra.

Tombano ny fianaranao 7

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsiaro sy hanombana ny fomba nanampiana azy ireo hitombo ara-panahy tamin’ny alalan’ny zavatra niainany tamin’ny Almà 533 Nefia 7.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamerina hijery ny zavatra nianaran’izy ireo tao anatin’ireo herinandro farany ary ho tonga ao am-pianarana efa vonona hizara fomba iray mety hahafahan’izy ireo mamarana ity fehezan-teny manaraka ity: “Lesona iray avy ao amin’ny Almà 533 Nefia 7 izay heveriko fa zava-dehibe amiko ny mahatsiaro azy ny hoe … satria …”

  • Sary: I Nefia mivavaka eo amin’ny tilikambo; i Samoela ilay Lamanita eo ambony manda

  • Votoatiny haseho: kisarin’ny fitamberimberenan’avonavona; sarin’i Lehôntia eo an-tendrombohitra, tanàna mimanda, ary trano iray eo amina fototra

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visioconférence: Hevero ny hametraka ny mpianatra amina salle de petits groupes mba hanazava ny anjara asan’ny mpaminany. Azon’ny mpianatra atao ny mampiasa ny fiasa chat (resadresaka) mba hizarana ny zavatra nataon’izy ireo hanorenana ny fototra ara-panahin’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy.

Famerenana fifehezana fotopampianarana 19

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hampihatra ny fahamarinana ao amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana manomboka eo amin’ny tapany faharoa amin’ny Bokin’i Môrmôna.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hifantina andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray na roa ary hiezaka hitadidy ny toko sy andininy sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina.

  • Taratasy zaraina: “Mahazo fahavitrihana ara-panahy amin’ny alalan’ny fifehezana fotopampianarana”; “Fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: Almà–Môrônia”

  • Horonan-tsary: Ny herin’ny fahavitrihana ara-panahy (17:17; jereo manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 5:11 hatramin’ny 5:55)

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visioconférence: Hevero ny hampiasa ilay fiasa solaitrabe fotsy mba hanaovana ilay sary ao amin’ny taratasy zaraina hoe “Mahazo fahavitrihana ara-panahy amin’ny alalan’ny fifehezana fotopampianarana”. Asao ny mpianatra hifantina andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay manohana ny iray amin’ireo lafiny telo amin’ny fahazoana fahavitrihana ara-panahy. Amporisiho ny mpianatra hizara ny fiantraikan’ny andalan-tsoratra masina nofantenan’izy ireo teo amin’izy ireo.

Hamoaka printy