Seminera
3 Nefia 1: “Ny faminanian’ny mpaminany dia nanomboka ho tanteraka”


“3 Nefia 1: Ny faminanian’ny mpaminany dia nanomboka ho tanteraka,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“3 Nefia 1,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

3 Nefia 1

“Ny faminanian’ny mpaminany dia nanomboka ho tanteraka”

Sary
Ny Nefita nahita ilay kintana vaovao

Mety ho nanao ahoana izany hoe niandry ary nahita ilay kintana izay nanambara ny fahaterahan’i Jesoa Kristy izany? Ny mpino Nefita dia niandry ny fahatongavan’ireo famantarana naminanian’i Samoela ilay Lamanita hoe ho avy (jereo ny Helamàna 14), saingy nandrahona ny hamono azy ireo ny tsy mpino raha tsy niseho ny famantarana. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatsapa fahatokiana lehibe kokoa fa hotanterahin’ny Tompo ny teny rehetra lazainy amin’ny alalan’ny mpaminaniny.

Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Afaka ny hatanjaka ny mpianatra rehefa mizara ny fijoroanao ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ianao. Mitadiava fotoana ahafahana mizara amin’ny mpianatra ny fahatsapanao momba ny Mpamonjy sy ny antony iezahanao manaraka Azy.

Fanomanana ny mpianatra: Azon’ny mpianatra atao ny miomana hizara ohatra iray momba ny hoe amin’ny fomba ahoana ary nahoana no afaka manatanjaka ny olona iray anatina fotoana mampanahy sy mahory ny fananana finoana an’i Jesoa Kristy.

Sahanasa fianarana azo atao

Hamafisin’ny finoana

Ity fanontaniana manaraka ity dia natao hanampiana ny mpianatra hanombana ny tenan’izy ireo. Tsy tokony handrasana hizara ny valintenin’izy ireo ny mpianatra.

  • Amina mari-drefy iray hatramin’ny dimy, ka ny dimy no matanjaka indrindra, dia ahoana no anomezanao naoty ny lentan’ny finoanao na ny fahatokianao fa manatanteraka ny tenin’ny mpaminaniny Andriamanitra? Nahoana?

Rehefa tonga teo amin’ny Nefita i Samoela ilay Lamanita, dia naminany izy fa “mbola hisy dimy taona, ary indro, amin’izay dia ho avy ny Zanak’ Andriamanitra” (Helamàna 14:2). An’arivo taonany no naminany momba ny fahatongavan’i Jesoa Kristy ny mpaminany, ary efa tonga ilay fotoana nandrasana hahaterahany. Ny bokin’ny 3 Nefia dia manomboka any amin’ny fiafaran’ireo dimy taona ireo.

  • Raha anankiray tamin’ireo izay nino an’i Samoela ianao dia inona araka ny eritreritrao no mety ho tsapanao tamin’io fotoana io?

Rehefa mandalina ianao, dia mitadiava fitovitoviana eo amin’ny toe-javatra niainana tao amin’ny 3 Nefia 1 sy ny toe-javatra iainana amin’izao androntsika izao. Azonao atao ny manisy marika ny teny sy ny andian-teny manan-danja izay manamafy ny fahatokianao an’ Andriamanitra sy ny tenin’ny mpaminany.

Ireo mpino Nefita

Any amin’ny fiantombohan’ny 3 Nefia 1, dia ianarantsika fa i Nefia, ilay zanakalahin’i Helamàna, dia nanainga nivoaka ny tany ary i Nefia zanakalahiny no mpaminany teo anivon’ny Nefita tamin’izany.

Vakio ny 3 Nefia 1:4–9, mba hitadiavana ireo zava-tsarotra natrehin’ny mpino Nefita tamin’izany fotoana izany.

  • Inona araka ny eritreritrao no nahafahan’ny sasany “niandry tamim-piaretana tokoa” (andininy 8) na dia teo aza ny fandrahonana ho faty?

Hevero ny hanasa ny mpianatra hamaky ireto fanontaniana manaraka ireto anatina vondrona kely sy hifanakalo hevitra momba izany. Azon’ny mpianatra iray isaky ny vondrona atao avy eo ny manoratra eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ny vondrona misy azy ireo ho an’ny fanontaniana farany.

Vakio ny 3 Nefia 1:10–14 mba hahafantarana ny zavatra nitranga manaraka.

  • Inona araka ny eritreritrao no zavatra tsapan’i Nefia rehefa naheno ny feon’ny Tompo izy?

  • Inona araka ny eritreritrao no tian’ny Tompo ho takatr’i Nefia sy ny olona?

  • Inona avy no fahamarinana hitanao avy amin’ireo andininy ireo?

Ho tanteraka ny tenin’ny mpaminany

Ao anatin’ny fahamarinana maro hita ao amin’ireo andininy ireo, dia ianarantsika fa hotanterahin’ny Tompo ny teny rehetra nolazainy tamin’ny alalan’ny mpaminaniny. Azonao atao ny manisy marika io fahamarinana io ao amin’ny andininy 13.

Ny fahamarinana fanampiny mety ho hitan’ny mpianatra ao amin’ireo andininy ireo dia ahitana ny hoe handre ny vavaka ataontsika ho an’ny hafa ny Tompo na ny hoe tonga tetỳ amin’izao tontolo izao i Jesoa Kristy mba hanao ny sitrapon’ny Ray.

Hevero ny hanasa ny mpianatra hiaraka tsiroaroa hamaky ireto andininy manaraka ireto.

Vakio ny 3 Nefia 1:15–22, hitadiavana ny fihetsika nasetrin’ny olona rehefa tanteraka ilay faminaniana.

Azonareo atao ny mifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto (na fanontaniana hafa eritreretinao) mba hanampiana ny mpianatra hampifandray ny soratra masina amin’ny fiainan’izy ireo manokana.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no fihetsika tsy mitovy mihitsy no nasetrin’ny olona?

  • Ahoana no nahazoan’ny mpino tanjaka nandritra io zavatra niainana io?

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’io zavatra niainana io mampitombo ny fahatokianao ny drafitry ny Tompo ho an’ny fiainanao?

Ny zavatra niainanao

Tahaka ny Nefita ao amin’ny 3 Nefia 1, isika dia miaina ao anatina fotoana izay mety ho feno fanahiana momba ny hoavy raha ny fijery azy. Ahoana no ahafahantsika manana fahatokiana ny Tompo sy ny teniny izay omena amin’ny alalan’ny mpaminany?

Nampianatra toy izao ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Tsy hadalana na firehetam-po amin-javatra iray ny fahatokiana. Fa ny fahatokiana kosa dia ny fametrahana fitokisana amin’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpamonjy antsika Azy, sy amin’ny anarany, ary amin’ny fampanantenany. Rehefa “mibosesika handroso amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy isika, amin’ny fananana fanantenana mamirapiratra sy lavorary omban’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra” [2 Nefia 31:20], dia omena fomba fijery mibanjina ny mandrakizay sy fahatakarana mihoatra lavitra ny fahaizana voafetra ananantsika amin’ny maha-olombelona antsika. Homena fahafahana isika ny “hiaraka hivondrona sy hijoro eo amin’ireo toerana masina” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:22] sy “tsy hoesorina mandra-pahatongan’ny andron’ny Tompo” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87:8]. (David A. Bednar, “Dia hosedraintsika amin’izany izy ireo,” Liahona, nôv. 2020, 11)

Omeo fotoana ampy hisaintsainana ireto manaraka ireto ny mpianatra. raha ilaina dia zarao ny sasany amin’ireo toe-java-misy voatanisa. Mety hanampy ny mpianatra ny firaketany an-tsoratra ny eritreritr’izy ireo ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo. Aoka ianao ho mora mahatsapa sy mahafantatra fa mety hihetsi-po ny mpianatra sasany rehefa mieritreritra ny olana lalovan’izy ireo manokana. Araho ny bitsiky ny Fanahy rehefa mikatsaka ny hampitodika azy ireo amin’ny Mpamonjy ianao.

Eritrereto ny antony mety hanahirana anao eo amin’ny fananana finoana an’ Andriamanitra sy ny fahatsapana fanahiana na tahotra momba ny fiainanao. Ireny antony ireny dia an’ny isam-batan’olona manokana saingy mety hahitana ireto manaraka ireto:

  • Rabirabiana na kianina mafy noho ny finoanao an’i Jesoa Kristy

  • Fananana fifandraisana mikorontana ao amin’ny fianakaviana, ao anatin’izany ny ray aman-dreny misaraka amin’ny alalan’ny fisaraham-panambadiana

  • Fiainana fitaintainana na fahaketrahana

  • Fanahiana momba ireo olona akaiky ny fo izay miaina fifanintonana eo amin’ny samy lasy sy ny samy vavy

  • Mijaly amina fiankinan-doha na miady mafy mba handresy fahazarana manimba

  • Tahotra ny hoe tsy ho azo mihitsy ireo fitahian’ny filazantsara

  • Fahatsapana ho tsy mendrika na tsy voavela heloka

Ao amin’ny Jaona 16:33, i Jesoa Kristy dia nilaza hoe: “Atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao”.

  • Inona no zavatra nambaran’ny mpaminany momba an’i Jesoa Kristy ka afaka mitaona anao hihazona ny finoanao Azy? (Azonao atao ny mamaky ny Almà 7:11–13; Etera 12:27; Isaia 25:8–9.) Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahany manampy anao amin’ny toe-javatra misy anao?

  • Oviana no nanatanjahan’ny Tompo na ny tenin’ny mpaminaniny anao na ny olona iray fantatrao tao anatina fotoana nampanahy na nampatahotra? Ahoana no ahafahan’ny fahatsiarovana izany zavatra niainana izany manampy anao hankasitraka ny fanampiany eo amin’ny fiainanao?

Rehefa bitsihin’ny Fanahy dia azonao atao ny mangataka ny mpianatra hizara ny zavatra nanan-danja tamin’izy ireo androany. Hevero ny hizara ny fijoroanao ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny fahatokianao ny teny faminaniana sy ireo faminaniana momba Azy.

Azonao atao ny mirakitra an-tsoratra ny fahatsapanao momba ny zavatra nianaranao androany. Azonao atao ny mampiditra ireo zavatra atao izay tsapanao fa nobitsihin’ny Fanahy taminao mba hataonao na ny fomba ahazoanao tanjaka amin’ny alalan’ny fahatakarana fa manatanteraka ny teny ambarany amin’ny alalan’ny mpaminaniny Andriamanitra.

Hamoaka printy