Seminera
3 Nefia 6–7: Mitarika mankamin’ny fizarazarana sy ny faharavana ny avonavona


“3 Nefia 6–7: Mitarika mankamin’ny fizarazarana sy ny faharavana ny avonavona,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“3 Nefia 6–7,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

3 Nefia 6–7

Mitarika mankamin’ny fizarazarana sy ny faharavana ny avonavona

Sary
zatovo tezitra mipetraka eo amin’ny seza

Efa nahatsikaritra ve ianao fa na dia aorian’ny zavatra mahafinaritra iainana miaraka amin’ Andriamanitra aza, dia miala Aminy ny olona sasany any aoriana? Taorian’ny niarovan’ Andriamanitra ny Nefita tamin’ny jirik’i Gadiantôna dia niverina nody izy ireo ary nanomboka nanorina indray ny fiainan’izy ireo. Tamin’ny alalan’ny avonavona sy ny fizarazarana no nitarihan’i Satana ny olona hikomy tamin’ Andriamanitra. Tena goavana ny vokatr’izany ka nirodana ny fitondram-panjakana ary voazara ho foko ny olona. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra tsara kokoa ny vokatry ny avonavona sy ny fomba handresena izany amin’ny alalan’ny fanarahana ny Mpamonjy.

Manampy ny mpianatra hahatakatra ny sahan-kevitra sy ny votoatiny. Ny fahatakarana ny sahan-kevitra sy ny votoatin’ny soratra masina dia manomana ny mpianatra hahafantatra ireo hafatra nentanim-panahy nosoratan’ny mpanoratra. Ny sahan-kevitra sy ny votoaty dia manazava sy maneho ny fotopampianarana sy fitsipika voarakitra ao amin’ireo zavatra niainana. Fantaro am-pahendrena hoe ahoana no hanasongadinana sahan-kevitra sy votoaty mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra feno kokoa ireo fahamarinana ampianarin’ny soratra masina.

Fanomanana ny mpianatra: Asao hivavaka ny mpianatra ary hangataka ny Ray any An-danitra hanampy azy ireo hahafantatra bitsika ara-panahy rehefa mandalina ny soratra masin’izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Fomba iray hanombohana ny fotoam-pianarana ny fitondrana voan-katsaka, poakatsaka maromaro (tsy asiana dibera satria ny dibera dia manakana ny rano), ary rano eraky ny lovia baolina. Asao ny mpianatra hilaza mialoha ny zavatra hitranga rehefa ataonao ao anaty rano ilay voan-katsaka sy poakatsaka. Arotsahy ao anaty rano ilay voan-katsaka sy poakatsaka (tsy hiova ilay voan-katsaka fa ilay poakatsaka kosa hanomboka ho levona). Lazao an’ny mpianatra fa ilay rano dia maneho ny ratsy, ary ilay voan-katsaka na poakatsaka dia mety haneho ny tsirairay avy amintsika. Rehefa mandalina izy ireo, dia azon’izy ireo atao ny mitady lesona izay mifandray amin’ilay lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana sy ny tenan’izy ireo. Hevero ny hanome ny mpianatra tsirairay voan-katsaka iray mba hojeren’izy ireo eo am-pandalinan’izy ireo.

Asao ny mpianatra hanazava ny valitenin’izy ireo amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Moa ve ny olona iray afaka ny ho:

  • Mpanankarena sady manetry tena?

  • Mahantra sady miavonavona?

  • Manam-pahalalàna sady manetry tena?

  • Tsy manam-pahalalàna sady miavonavona?

Eritrereto ny zavatra mitarika ny olona sasany ho mpiavonavona amin’izao androntsika izao. Inona no fiantraikan’’ny fiavonavonana eo aminao sy ny hafa ary ny fiarahamonina? Rehefa mandalina ianao, dia saintsaino ny fomba mety hahafahan’ity lesona ity mihatra amin’ny fiainanao sy ny toe-javatra iainanao.

Ny fakam-panahy mitohin’i Satana

Rehefa avy nandresy an’i Gidiania sy ny jirik’i Gadiantôna tamin’ny fanampian’ny Tompo ny Nefita, dia “nasiany farany … ireo tsikombakomba ratsy sy miafina ary vetaveta rehetra” (3 Nefia 5:6). Niverina tany amin’ny tranony izy ireo ary nanomboka nanorina indray ny fiainan’izy ireo. Saingy niasa mandrakariva mba hamitaka ny olona hanaraka azy i Satana. Tao anatina fotoana fohy dia niova ny Nefita. Ao amin’ny 3 Nefia 6–7, i Môrmôna dia nanampy antsika hahatakatra ny zavatra nataon’ny olona izay nahatonga ny maro tamin’izy ireo ho faty tao anatin’ny famongorana izay nialoha ny fahatongavan’ny Mpamonjy tao Amerika tamin’ny farany (jereo ny 3 Nefia 8). Ireo fampianarana ireo ihany koa dia manazava ny antony nahavonona ny hafa tamin’ny fisehoan’i Kristy tao amin’ny tempoly tao amin’ny tanin’i Soafeno (jereo ny 3 Nefia 11).

Ity tabilao manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hahita ny fiovana teo amin’ny Nefita tao anatina fotoana fohy toy izany. Fomba iray hafa azo amenoana ilay tabilao ny fanaovan’ny mpianatra sary tsotra izay maneho ny toe-javatra nisy ny olona ao amin’ny andian’andininy tsirairay.

Manaova tabilao mitovy amin’ity manaraka ity. Vakio ireo andalan-tsoratra masina ary fenoy ny zavatra ianaranao momba ny toe-javatra misy ny olona.

Ny faha-26 taona (3 Nefia 6:4–9)

Ny faha-29 taona (3 Nefia 6:10–18)

Ny faha-26 taona (3 Nefia 6:4–9)

Ny faha-29 taona (3 Nefia 6:10–18)

  • Inona no nahatonga ilay fiovana tao anatin’ny fotoana fohy toy izany?

  • Inona avy no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ireo ohatra ireo?

Fahamarinana iray mety ho hitanao ny hoe rehefa miavonavona isika, dia manome fahefana lehibe kokoa an’i Satana haka fanahy antsika sy hitarika antsika amin’ny faharatsiana.

Eritrereto ny dikan’ny hoe miavonavona. Mitadiava hevi-baovao ato amin’ity teny nambaran’ny Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994) manaraka ity.

Ny tena fototry ny avonavona dia ny fandrafiana— fandrafiana an’Andriamanitra sy fandrafiana ny mpiara-belona amintsika. Ny Fandrafiana dia midika hoe “fankahalana an’i, tsy fitiavana an’i, na fanoherana.” Io no hery tian’i Satana hanjakana amintsika. (Ezra Taft Benson, “Beware of Pride,” Ensign, May 1989, 4)

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no mamela an’i Satana hanana hery mitarika lehibe kokoa eo amintsika ny fiavonavonana?

  • Inona no maha-samy hafa an’izany amin’ny fomba ampaherezan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy antsika?

Vokatry ny avonavona tamin’izany sy amin’izao

Noho ny avonavon’ny olona dia nanomboka voakasik’izany ny ampahany rehetra teo amin’ny fiarahamonina. Vakio ny 3 Nefia 6:20–30 na ny 7:1–14, hitadiavana ohatra amin’ny fomba niantraikan’ny avonavona tamin’ny isam-batan’olona sy ny fiarahamonina.

Hevero ny hampamaky ny antsasaky ny kilasy ny 3 Nefia 6:20–30 ary hampamaky ny antsasany hafa ny 3 Nefia 7:1–14 ao anatina vondrona kely. Na asao ny mpianatra hisafidy ny iray amin’ireo andalan-tsoratra masina, hamaky izany, ary hiomana hanao tatitra momba ny zavatra hitan’izy ireo.

Asao ny mpianatra hanoratra ny valin’izany eny amin’ny solaitrabe. Mety hahita zavatra toy ny fizarazarana, asa miafina izay ratsy, mitsikombakomba hanohitra ny marina, ary mampatezitra amin’ny zavatra tsara ny mpianatra.

  • Inona avy no ohatra amin’ny vokatry ny avonavona hitanao tao amin’ireo andininy ireo?

  • Amin’ny fomba ahoana no ampiasan’i Satana ny avonavona hitarihana ny olona ho amin’ny faharatsiana amin’izao androntsika izao?

Mandresy ny avonavona

Eritrereto ny fomba iantraikan’ny avonavonao na ny avonavon’ny hafa aminao sy ny fomba azonao handresena ny avonavona sy ny vokany.

Na dia nahatonga faharavana be aza ny avonavona, dia nihaino ny tenin’ny mpaminany ny olona sasany ary nanohy nanara-dia ny Mpamonjy.

Vakio ny 3 Nefia 7:15–26 hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Nefia ny olona sy ny fiantraikan’izany tamin’izy ireo. Mety hanampy raha asiana marika ny fotoana tsirairay anononana ny Mpamonjy.

Azon’ny mpianatra atao ny manoratra eny amin’ny solaitrabe ny valin’ity fanontaniana manaraka ity. Eo am-panoratan’izy ireo ny valintenin’izy ireo, dia azon’izy ireo tsipihina eo amin’ny solaitrabe ny vokatry ny avonavona izay azo resena amin’ny alalan’ny valinteny tanisain’izy ireo.

Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny mitady andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay maneho fomba hafa handresena ny avonavona.

  • Inona avy no ohatra hitanao tao amin’ireo andininy ireo momba ny fomba nanampian’ny Mpamonjy sy ny filazantsarany ny olona sasany handresy ny avonavona sy ny faharatsiana?

Ireto rafi-tantara sy fanontaniana manaraka ireto dia natao hanomezana fahafahana ny mpianatra haneho fa izy ireo dia mahafantatra fomba samihafa ahafahan’ny avonavona miantraika amin’izy ireo, saingy eo ihany koa ny fomba ahafahan’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy manampy azy ireo handresy ny avonavona. Mety ho azonao atao ny misafidy ny hanamboatra ilay rafi-tantara amina fomba izay mety hampanan-danja kokoa izany amin’ny mpianatra.

Sary
zatovolahy hita ho tsy miraharaha

I Jim io. Tsy mbola fantany fa manana olana amina resaka avonavona izy.

  • Inona no porofo andrasanao ho hita eo amin’ny fiainan’i Jim fa manana olana amina resaka avonavona izy?

Mety hahita zavatra mifandray amin’ny 3 Nefia 6–7 ny mpianatra. Ohatra, sokajiny ho vondrona ao an-tsainy ny olona—vondrona tsara sy vondrona ratsy. Manao zavatra hitany fa tsy mety ihany koa izy ary mihazona izany ho tsiambaratelo. Fahasosorana no amaliany ny olona izay mamporisika azy hiova. Manakiana matetika ny ray aman-dreniny sy ny evekany amin’ny zavatra izay angatahin’izy ireo hataony izy.

Rehefa tonga saina ny amin’ny olana ananany izy ary miaiky fa vokatry ny avonavony ny maro tokoa amin’ireo fahasorenana lehibe indrindra eo amin’ny fiainany, dia te hahazo valiny mikasika ny fomba ialana amin’ny avonavona izy.

  • Inona avy no vahaolana harosonao mba hanampiana an’i Jim handresy ny avonavona?

Hevero ny hanasa ny mpianatra hanatona olona iray fantatr’izy ireo mba hanontaniana ny soso-kevitr’izy ireo momba ny fomba handresena ny avonavona. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny herin’ny Mpamonjy mba hanampiana antsika handresy ny avonavona sy ny faharatsiana.

Hamoaka printy