Seminera
3 Nefia 2–5: “Efa niomana … tamin’ny herin’ny Tompo”


“3 Nefia 2–5: Efa niomana … tamin’ny herin’ny Tompo,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“3 Nefia 2–5,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

3 Nefia 2–5

“Efa niomana … tamin’ny herin’ny Tompo”

Sary
ny Nefita nanangona ny olony, ny fananany ary ny biby fiompin’izy ireo rehetra tamina toerana iray mba hiomanana amin’ny ady ho avy

Minerva Teichert (1888-1976), The Answer of Lachoneus [Ny valintenin’i Lakôneo], 1949-1951, hoso-doko an-damba mampiasa menaka apetaka amina masônita, 91.4 sm x 122 sm. Tranom-bakoky ny Zava-kanto ao amin’ny Brigham Young University.

Tahaka ny iatrehantsika ireo olana izay mitarika mankamin’ny fiverenan’ny Mpamonjy, ny Nefita dia niatrika olana tao anatin’ireo taona maro talohan’ny nahatongavany teo amin’izy ireo. Nandrahona ny hamotika ny Nefita ny jirik’i Gadiantôna. Na izany aza, ny Nefita dia “niomana … hifanandrina taminy … tamin’ny herin’ny Tompo” (3 Nefia 4:10). Tahaka ny Nefita, isika dia afaka mandresy ireo olana amin’ny alalan’ny fiomanana. Ity lesona ity dia afaka manampy anao handray ny herin’ny Tompo amin’ny alalan’ny fahavononana ara-panahy sy ara-nofo.

Manasa ny mpianatra hanao asa marina mahomby. Rehefa mandalina ny soratra masina ny mpianatra dia ampio izy ireo hahafantatra ny vokatr’ireo safidy sy zavatra natao voarakitra ao amin’ilay tantara. Amporisiho ny mpianatra hampifandray ireo lesona ireo amin’ny fiainan’izy ireo ary hamantatra ny fomba ahafahan’izy ireo manaraka amim-pahatokiana ny Mpamonjy.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra amin’olona ao amin’ny fianakaviana na ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana momba ireo fitahiana izay tonga avy amin’ny fahavononana ara-nofo na ara-panahy.

Sahanasa fianarana azo atao

Aoka ianao ho vonona.

Ny tanjon’ity sahanasa ity dia ny hanampy ny mpianatra hahita ny maha-zava-dehibe ny hoe niomana. Ampio ny mpianatra hieritreritra toe-javatra iainana izay tokony hiomanan’izy ireo. Hevero ny hizara mombana fotoana iray izay nitahiana anao noho ny fiomananao na fotoana izay nanahirana anao mafy satria tsy niomana ianao.

Mieritrereta fotoana iray teo amin’ny fiainanao izay nahatsapanao ho vonona na tsy vonona.

  • Inona no toe-javatra nisy ary nahoana ianao no nahatsapa ho vonona na tsy vonona?

  • Raha nahatsapa ho tsy vonona ianao, dia inona no nataonao mba hiomanana tsara kokoa amin’ny hoavy?

  • Inona no nataonao mba hiomanana ara-panahy amin’ireo olana atrehinao na mety hatrehinao amin’ny hoavy?

Rehefa mandalina ny 3 Nefia 2–5 ianao dia katsaho ny fitarihan’ny Fanahy mba hahafantarana ny zavatra azonao atao mba hanomanana ara-nofo sy ara-panahy ny tenanao amin’ny hoavy.

Ny fiomanan’i Lakôneo

I Samoela mpaminany dia naminany fa hisy alina tsy misy haizina ho famantarana ny fahaterahan’i Jesoa Kristy. Rehefa tanteraka io faminaniana io (jereo ny 3 Nefia 1:15–19), “ny ankamaroan’ny olona dia nino sy niova fo ho an’ny Tompo” (3 Nefia 1:22). Na izany aza, rehefa afaka taona vitsy, dia nanomboka tsy nino ny sasany.

Amin’ity sahanasa manaraka ity dia azonao atao ny mizara ny kilasy ho roa misasaka tsara na mampiaraka ny mpianatra ho tsiroaroa. Azon’ny antsasaky ny mpianatra atao ny mamaky ny iray amin’ireto andininy manaraka ireto sy mitatitra ny zavatra hitan’izy ireo amin’ny iray kilasy na ny naman’izy ireo.

Vakio ny 3 Nefia 1:27–30 sy ny 3 Nefia 2:1–3, hitadiavana ireo antony nahatonga ny olona sasany niala tamin’ny Tompo.

  • Inona avy no lesona azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo ka afaka manampy antsika hitoetra ho mahatoky amin’ny Tompo amin’izao androntsika izao?

Nitombo isa ny jirik’i Gadiantôna ary niady tamin’ny Nefita. Ho setrin’izany, “ny Lamanita rehetra izay efa nanjary niova fo ho an’ny Tompo dia nitambatra tamin’ny Nefita rahalahiny” (3 Nefia 2:12). I Gidiania mpitarika ny jirik’i Gadiantôna dia nanoratra taratasy ho an’i Lakôneo, ilay lohan’ny mpitsaran’ny Nefita. Tao anatin’izany dia nandrahona ny handringana ny Nefita izy raha tsy mitolo-batana izy ireo (jereo ny 3 Nefia 3:1–10).

Vakio ny 3 Nefia 3:11–12, mba hitadiavana ny zavatra nataon’i Lakôneo ho setrin’izany.

  • Inona no porofo hitanao momba ny finoan’i Lakôneo ny Tompo?

Soraty eo amin’ny solaitrabe ny hoe Fiomanan’ny Nefita. Hevero ny hanome ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto mba hosahanin’ny mpianatra na ny vondrona samihafa. Asao ny mpianatra hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny zavatra nataon’ny olona mba hiomanana ara-nofo sy ara-panahy.

Mba hanampiana ny mpianatra hahafantatra ireo fiomanana ara-nofo, dia azonao atao ny manazava ny fomba nanorenan’ny Nefita manda, nametrahany mpiambina ary nanangonan’izy ireo vatsy sy sakafo. Ho an’ny fiomanana ara-panahy, dia azonao atao ny manazava ny fomba nibebahan’izy ireo sy nivavahan’izy hahazoana fanafahana.

  • Inona no fiomanana heverinao fa nanampy indrindra? Nahoana?

  • Ahoana, araka ny eritreritrao, no nanampian’ireo fiomanana ireo azy ireo hiantehitra amin’ny Tompo?

Vakio ny 3 Nefia 4:7–12, hitadiavana ny fomba nitahiana ny Nefita noho ny fiomanan’izy ireo ara-panahy sy ara-nofo.

  • Inona avy no fitsipika azontsika ianarana avy amin’io tantara io? (Jereo ny 3 Nefia 4:10.)

isan’ireo fitsipika azontsika ianarana avy amin’io tantara io ny hoe rehefa miomana ara-panahy sy ara-nofo isika, dia hampatanjaka antsika handresy na hiaritra zava-tsarotra ny Tompo.

Fiomanana amin’izao androntsika izao

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe Zavatra maoderina mifanindran-dalana amin’izany ary ampio ny mpianatra hanao lisitry ny fiomanana azontsika atao amin’izao androntsika izao. Izany dia mety ho fiomanana mitovy amin’ny an’ny Nefita na fiomanana hafa nasain’ny mpaminany hataontsika. Mifanakaloza hevitra momba ireo olana voafaritra mazava tsara izay atrehintsika amin’izao androntsika izao sy ny fomba ahafahan’izany fiomanana izany manampy antsika ho vonona amin’ny herin’ny Tompo. Mba hanampiana ny mpianatra hieritreritra hevitra, dia hevero ny handefa ilay horonan-tsary “Documentation pour la préparation temporelle” (3:09), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  • Makà fiomanana iray na mihoatra izany avy ao amin’ny lisitra nataonao. Ahoana no ahafahan’izany manampy antsika handresy ireo olana manokana izay atrehintsika amin’izao androntsika izao?

  • Mamela ny Tompo hanatanjaka antsika amin’ny fomba ahoana, araka ny eritreritrao, ny fiomanana ataontsika?

Nanao fahirano izay tsy nahomby ny jirik’i Gandiantôna satria ny Nefita dia nahazo fanampiana avy amin’ Andriamanitra tamin’ny fiomanana nataon’izy ireo. Tamin’ny farany dia nihemotra ny jirik’i Gandiantôna. Nosarahin’ny miaramila Nefita izy ireo ary nitolo-batana ho babo na novonoina (jereo ny 3 Nefia 4:16–27).

Vakio ny 3 Nefia 4:30–33; 5:1–4, hitadiavana ny fihetsika nasehon’ny olona rehefa nohatanjahin’ny Tompo izy ireo.

  • Naneho ny finoan’izy ireo an’Andriamanitra tamin’ny fomba ahoana ny fihetsika nasetrin’izy ireo?

Azonao atao ny mampiseho ity fanasana manaraka mba hisaintsaina ity ary ihany koa ilay teny nambaran’ny Filoha Nelson mba hosaintsainin’ny mpianatra.

Misaintsaina fotoana iray mety nahatsapanao ny herin’ny Tompo tamin’ny alalan’ny fiomanana ara-nofo sy ara-panahy.

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nijoro ho vavolombelona momba ireo fitahiana avy amin’ny fahavononana:

Tsy mitsahatra manafika ny fahavalo. Ka noho izany dia tsy afaka mitsahatra miomana mihitsy isika! Arakaraka ny mampizaka tena antsika, ara-nofo sy ara-pihetseham-po ary ara-panahy, no maha vonona kokoa antsika hanohitra ny fanafihana tsy an-kiato ataon’i Satana. …

Tsy milaza akory aho hoe ho mora ireo andro izay miandry, saingy mampanantena anareo aho fa ho feno voninahitra ny hoavy ho an’ireo izay vonona sy manohy miomana mba ho fitaovana eo am-pelantanan’ny Tompo. (Russell M. Nelson, “Raiso amim-pinoana ny hoavy,” Liahona, nôv. 2020, 75–76)

Raha ilaina dia mizarà ohatra amin’ny zavatra mety hilain’ny mpianatra mba hiomanana—ohatra, fanompoan’ny misiônera, làla-misokatra ara-pianarana, asa atao, loza voajanahary, na ny fahatongavan’ny Mpamonjy.

Mieritrereta zava-tsarotra, toe-javatra misy, na zava-miseho tsy maintsy iomananao. Saintsaino ny fahatsapanao ny fahavononanao ankehitriny. Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy rehefa mamaly ireo fanontaniana ireo ianao.

  • Inona no asa manokana azonao atao mba hiomanana?

  • Ahoana no ahafahanao mampandray anjara ny Tompo amin’ny fiomananao?

Ijoroy ho vavolombelona ireo fitahiana izay tonga avy amin’ny fahavononana. Amporisiho ny mpianatra hiresaka amin’ny fianakavian’izy ireo momba ireo olana mety hatrehin’izy ireo sy ny fomba hiomanana ara-nofo sy ara-panahy.

Hamoaka printy