Seminera
Tombano ny fianaranao 7: Almà 53–3 Nefia 7


“Tombano ny fianaranao 7: Almà 53–3 Nefia 7,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Tombano ny fianaranao 7,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Tombano ny fianaranao 7

Almà 533 Nefia 7

Sary
zatovolahy misaintsaina eo am-pandalinana ny soratra masina

Ny fisaintsainana sy fanombanana ny fianaranao ara-panahy dia afaka manampy anao hanakaiky kokoa ny Mpamonjy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatsiaro sy hanombana ny fomba nanampian’ny zavatra tsapanao tamin’ny Almà 533 Nefia 7 anao hitombo ara-panahy.

Asao hanombana tsy tapaka ny fianaran’izy ireo ny mpianatra. Amin’ny alalan’ny fisaintsainana tsy tapaka ny fianarana sy ny fandrosoan’izy ireo dia afaka manombana ny fomba ampiharan’izy ireo fitsipiky ny filazantsara eo amin’ny fiainany ny mpianatra. Mamoròna fotoana ahafahan’ny mpianatra mahatakatra sy mahatsapa ny maha-zava-dehibe ireo fanovana azon’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy entina eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao hamerina hijery ny zavatra nianaran’izy ireo tao anatin’ireo herinandro farany ny mpianatra ary ho tonga ao am-pianarana efa vonona hizara fomba iray mety hahafahan’izy ireo mamarana ity fehezan-teny manaraka ity : “Lesona iray avy ao amin’ny Almà 533 Nefia 7 izay heveriko fa zava-dehibe amiko ny mahatsiaro azy ny hoe … satria …”

Sahanasa fianarana azo atao

Ao amin’ity lesona ity ny mpianatra dia hanana fahafahana hanazava ny anjara asan’ny mpaminany, hanombana ny toe-tsaina sy fanirian’izy ireo, ary hisaintsaina ireo drafitra nataon’izy ireo mba hampiharana fampianaran’ny filazantsara. Ny fandalinan’ny kilasinao ny Almà 533 Nefia 7 dia mety ho nanantitrantitra fahamarinana hafa ankoatra ireo ao amin’ireto sahanasa manaraka ireto. Raha izany no izy, dia azonao atao ny manamboatra ireo sahanasa mba hampidirana ireo fahamarinana ireo.

Ny maha zava-dehibe ny fahatsiarovana

Ity ampahany amin’ny lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fahatsiarovana lesona manan-danja nianaran’izy ireo tamin’ny fandalinana ny Almà 533 Nefia 7. Mety ho toerana tsara hanasana ny mpianatra hizara ny valintenin’izy ireo avy amin’ny sahanasa fiomanana izany.

Ny Filoha Spencer W. Kimball dia nampianatra fa mety ho ny hoe mahatsiaro no teny manan-danja indrindra ao amin’ny rakibolana. (Jereo ny “Circles of Exaltation” [address to Church Educational System religious educators, June 28, 1968], 5.)

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no nilaza ny zavatra nataony momba ny teny hoe mahatsiaro ny Filoha Kimball?

  • Inona no lesona vitsivitsy nianaranao avy amin’ny Almà 533 Nefia 7 ka hanan-danja aminao ny fahatsiarovana azy? Nahoana?

Mety ho tsaroanao fa i Helamàna dia namporisika an’i Nefia sy i Lehia zanany lahy hahatsiaro lesona sy olona manan-danja (jereo ny Helamàna 5:4–14). Mitovitovy amin’izany, ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatsiaro ireo fahamarinana nianaranao sy ireo fanoloran-tena nataonao tao anatin’ireo herinandro lasa.

Hazavao ny anjara asan’ny mpaminany

Amin’ity ampahany amin’ny lesona ity ianao dia hanasa ny mpianatra hanazava ny anjara asan’ny mpaminany amin’ny alalan’ny fampiasana ny tantaran’i Nefia (Helamàna 7–11) na i Samoela ilay Lamanita (Helamàna 13–16). Azonao heverina ny hametraka tsiroaroa ny mpianatra ary hamela ny mpinamana tsirairay haka mpaminany iray hafa mba hilalaovana an-tsehatra ny rafi-tantara eo ambany na rafi-tantara iray hafa safidinao.

Alaovy sary an-tsaina hoe ianao dia mahatsapa ho entanim-panahy hanasa namana iray hijery fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany miaraka aminao. Eo am-piomananao am-bavaka hanao izay nolazain’io bitsika io dia manapa-kevitra ianao ny hanazava amin’ny namanao hoe inona izany mpaminany izany ary nahoana ianao no mientanentana hihaino azy. Tsaroanao fa ianao dia efa nianatra mombana mpaminany lehibe sasantsasany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay afaka manampy anao hanazava ny anjara asan’ny mpaminany amin’ny namanao.

Sary
I Nefia mivavaka eo amin’ny tilikambon’ny sahany
Sary
I Samoela ilay Lamanita eo ambonin’ny manda

Azon’ny mpianatra atao ny mijery ireo teny iditra ao amin’ny diary eo ambanin’ny hoe “Fahamarinana momba ny mpaminanin’ny Tompo” avy amin’ny lesona “Helamàna 7–10”.

Fanteno ilay tantaran’i Nefia (Helamàna 7–11) na ny an’i Samoela ilay Lamanita (Helamàna 13–15). Avereno jerena ao amin’ireo toko mifandray amin’izany ny tantaran’izy ireo, amin’ny alalan’ny famakiana haingana ireo andininy sy ny fijerena ireo sasin-tenin’ny toko na ireo fanamarihana izay mety ho nataonao tao amin’ny diary fandalinanao.

  • Ahoana no ahafahanao mampiasa io tantara io mba hanazavana ny anjara asan’ny mpaminany amin’ny namanao?

  • Inona avy ireo andininy avy ao amin’ny soratra masina mety hampidirinao ao anatin’ny fanazavanao?

    Raha mila fanampiana amin’ny fitadiavana soratra masina ny mpianatra, dia azonao atao ny manoro azy ireo andininy toy ny Helamàna 7:29; 8:22–23; 10:4–7; 11:23; 13:5; ary ny 14:11–12.

  • Inona avy no fahamarinana fanampiny na zavatra niainana manokana azonao zaraina mba hanampiana ny namanao hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny mpaminany?

Rehefa vitan’ny mpianatra ny fijerena ireo mpaminany, dia hevero ny hanasa azy ireo hilalao an-tsehatra ilay rafi-tantara eo ambony amin’ny alalan’ny fampiasana ny zavatra nianaran’izy ireo.

Tombano ny toe-tsainao sy fanirianao

Ity sahanasa ity dia afaka manampy ny mpianatra hanombana ny toe-tsaina sy ny fanirian’izy ireo hiaina am-panetren-tena ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Hevero ny hangataka olona iray manolo-tena mba hanao ny sarin’ny fitamberimberenan’avonavona eny amin’ny solaitrabe araka ny fitadidiany azy. Azonao atao ny mamporisika ny mpiara-mianatra hanampy araka izay ilaina.

Sary
kisarin’ny fitamberimberenan’avonavona

Rehefa mijery io kisary io ianao, dia mety hahatsiaro ny porofon’ny fitamberimberenan’avonavona manerana ny Helamàna 1–16 sy ny 3 Nefia 1–7. Mety hahafantatra ohatra hitanao teo amin’ny fiainanao manokana na teo amin’ny tontolo manodidina anao ihany koa ianao.

Ampiasao ny fanamboarana rehetra mety efa nataonao tamin’ny ampahan’ny fanombanan-tena amin’ny lesona “Helamàna 11–12” mba hamitana ity sahanasa manaraka ity.

Rehefa nandalina ny Helamàna 11–12 ianao, dia mety ho efa nanombana ny ezaka nataonao mba hanetry tena. Mety ho efa nirakitra an-tsoratra ny fanoloran-tena iray tao amin’ny diary fandalinanao koa ianao mba hitomboan’ny fanetren-tena anananao sy handresena ny avonavona. Avereno jerena ny zavatra nosoratanao ary saintsaino ny fomba nahavitanao izany fanoloran-tena izany. Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto ary raketo an-tsoratra ao amin’ny diarinao ny valinteninao.

Noho ny toetra maha an’ny tena manokana ananan’ity sahanasa ity, dia tokony ho fantatry ny mpianatra fa tsy hozarain’izy ireo ny valintenin’izy ireo.

  • Inona no nataonao tao anatin’ireo herinandro farany mba hahatsiarovana ny Tompo sy ny zavatra rehetra nataony ho anao? Toy ny ahoana no halehiben’ny fahatsapanao fa nanampy anao hijanona ho manetry tena ny fahatsiarovana ny Tompo?

  • Misy fanovana tianao hatao ve mba hanampiana anao hahatsiaro ny Tompo isan’andro sy hanana fanetren-tena misimisy kokoa?

Misaintsaina drafitra hanorenana ny fototrao amin’i Jesoa Kristy

Ity ampahany amin’ny lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hisaintsaina ireo drafitra nataon’izy ireo mba hanorenana ny fototr’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy sy hanoherana ireo fakam-panahin’ny devoly.

Tao amin’ireo lesona farany ianao dia nandalina tantara maro mombana olona izay nandresy ireo fanakianana mafy natao momba ny fiainan’izy ireo, ny fivavahan’izy ireo, ary ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy. Teo am-pandalinana dia mety nanao fanoloran-tena ianao mba hanampy anao hanorina fototra matanjaka kokoa eo amin’i Jesoa Kristy mba hanoherana ny fanafihan’i Satana.

Asao ny mpianatra hisaintsaina sy hizara ireo tantara nohalalinin’izy ireo izay nanampy tamin’ny fanamafisana ny fototr’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy sy handresena ny fanafihan’i Satana. Raha mila fanampiana amin’ny fitadiavana ohatra izy ireo, dia hevero ny hampiseho ireto sary manaraka ireto miaraka amin’ny toko sy andininy miaraka amin’izy ireo. Azonao atao ny mizara ho telo ny kilasy ary manasa ny vondrona tsirairay hamerina hijery tantara iray hafa sy hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nianaran’izy ireo.

Sary
I Lehôntia sy i Amalikià

I Lehôntia sy i Amalikià (Almà 47:10–18)

Sary
tanàna mimanda misy hadivory

Ny Kapiteny Môrônia nanangana toerana mimanda (Almà 50:1–6)

Sary
trano eo ambonina fototra

Ny torohevitr’i Helamàna tamin’ireo zanany lahy (Helamàna 5:12)

  • Inona avy ireo lesona vitsivitsy azontsika ianarana avy amin’ireo tantara ireo ka afaka manampy antsika hanohitra fakam-panahy?

Hazavao amin’ny mpianatra fa izy ireo dia hasaina hanombana ireo tanjona napetrak’izy ireo mba hanorenana ny fototr’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy. Avy eo dia hifanakalo hevitra momba ny sasany amin’ireo zavatra niainan’izy ireo sy ny fanamarihana nataon’izy ireo miaraka amin’ny iray kilasy izy ireo.

Azonao atao ny mitondra singa fanorenan-javatra (bloc de construction), kaopy plastika, na zavatra hafa ao an-dakilasy izay azon’ny mpianatra ampiasaina hanorenana fototra. Omeo iray amin’ny singa fanorenan-javatra ny mpianatra tsirairay, ary asao izy ireo hisaintsaina ireo fanontaniana eo ambany sy hanombana ny fivoaran’izy ireo. Rehefa avy omena fotoana ampy izy ireo, dia asao ny mpianatra tsirairay hizara ny valinteny rehetra izay mampahazo aina azy ireo ny hizara azy. Rehefa mizara izy ireo, dia azon’izy ireo atao ny manampy ny singa fanorenana eny amin’izy ireo eo amin’ny rafitra iray ataon’ny kilasy, hanorenana fototra mafy orina amin’ny farany. Raha tsy misy ny zavatra azo aorina, dia azonao atao ny manasa ny mpianatra tsirairay hanao sarina biriky eny amin’ny solaitrabe rehefa mizara izy ireo, ka hanampy izany eo amin’ny sary nataon’ny mpianatra hafa mba hamoronana fototra mafy. Ampio ny mpianatra hahatakatra fa afaka mifanohana izy ireo rehefa miezaka manorina ny fototr’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy.

Saintsaino ireo tanjona napetrakao vao haingana mba hanorenana ny fototrao amin’i Jesoa Kristy.

  • Inona avy no fahombiazana niainanao tamin’ny ezaka nataonao mba hanorina ny fototrao amin’i Jesoa Kristy?

  • Inona avy no sakana hitanao tamin’ny fanorenana fototra matanjaka? Ahoana no niezahanao nandresy izany?

  • Inona no fitahiana azonao noho ny fiezahanao nanorina ny fototrao tamin’i Jesoa Kristy? Nanova inona ho anao izany?

Vakio indray ny Helamàna 5:12 ary eritrereto ombam-bavaka raha misy zavatra tokony hatombokao, hajanonao, na hotohizanao hatao mba hanorenana fototra matanjaka kokoa eo amin’i Jesoa Kristy. Raha tsapanao fa mila manitsy izay mety ho tanjona napetrakao ianao, dia mety ho azonao atao ny manoratra izany ao amin’ny diary fandalinanao na amin’ny toerana hafa izay ahafahanao misaintsaina izany tsy tapaka.

Hamoaka printy