Seminera
Helamàna 7–10: Ilay mpaminanin’ny Tompo


“Helamàna 7–10: Ilay mpaminanin’ny Tompo,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Helamàna 7–10,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Helamàna 7–10

Ilay mpaminanin’ny Tompo

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Amina tontolo iray feno feo mifanohitra, aiza no ahafahantsika mitodika mba hahazo fitarihana sy fahamarinana? Fomba iray ikatsahan’ny Tompo ny hitari-dalana sy hanampy antsika amin’ny fiainana an-tany ny fiantsoana mpaminany iray. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny anjara asa tena manan-danja tanan’ny mpaminany amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.

Tiavo ireo izay ampianarinao. Miezaha mampiseho fitiavana amin’ny mpianatrao. Manehoa fahalianana amin-kitsimpo amin’ny fiainan’izy ireo, henoy tsara ny fanontaniana sy resaka ataon’izy ireo, ampandraiso anjara amin’ny lesona izy ireo, ary arahabao amin’ny hatsaram-panahy izy ireo rehefa hitanao. Asehoy ny fahatokianao fa afaka mianatra sy miaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny mpianatrao.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra amina namana iray na olona ao amin’ny fianakaviana momba ny fomba niantraikan’ny mpaminany velona tamin’ny fiainan’izy ireo.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Nahoana Andriamanitra no miantso mpaminany?

Mba hanombohana ny fotoam-pianarana dia hevero ny hanasana ny mpianatra hampihatra ny valintenin’izy ireo amin’ity toe-javatra manaraka ity. Afaka mitazona ny anjara toeran’ilay namana izay tsy mpikambana ianao. Avelao hizara ny fomba mety hamalian’izy ireo ny mpianatra maromaro. Ataovy azo antoka fa fantatry ny mpianatra hoe averina horesahana indray io rafi-tantara io any amin’ny fiafaran’ny fotoam-pianarana.

Alaovy sary an-tsaina hoe ny iray amin’ireo namanao izay tsy mpikamban’ny Fiangonana dia gaga amin’ny fahafantarana fa ianao dia mino fa miantso mpaminany ny Tompo amin’izao androntsika izao. Manontany tena ny namanao hoe nahoana no tsy maintsy ilaina amin’izao androntsika izao ny mpaminany.

  • Inona avy no fomba sasantsasany azonao amaliana ny namanao?

Eritrereto ny fahatsapanao momba ny mpaminanin’ny Tompo sy ny fahavononanao hihaino sy hanaraka azy ireny. Rehefa mandalina ianao anio dia hanana fahafahana hamantatra fahamarinana manan-danja momba ny mpaminany.

Amina pejy tsy misy na inona na inona ao amin’ny diary fandalinanao, soraty ity lohateny manaraka ity: Ireo fahamarinana momba ny mpaminanin’ny Tompo. Mandritra ny lesona dia soraty eo ambanin’io lohateny io ireo fahamarinana ianaranao momba ny mpaminany.

Azonao atao ihany koa ny manoratra io lohateny io eny amin’ny solaitrabe sy mampiditra ny hevi-baovaon’ny mpianatra ho ao amin’izy io mandritra ny lesona.

Betsaka amin’ny votoatiny hohalalinina mandritra ity herinandro ity (Helamàna 7–12) sy ny herinandro manaraka (Helamàna 13–16) no hifantoka amin’ny mpaminany. Hevero ny hanome toromarika ny mpianatra hanokana toerana ampy ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo mba hahafahan’izy ireo mampiditra ao amin’ny lisitr’izy ireo mandritra ny roa herinandro manaraka.

I Nefia mpaminany

Sary
Mivavaka eo amin’ny tilikambon-jaridainany i Nefia, nataon’i Jerry Thompson

Anio, hianatra momba an’i Nefia, ilay zanakalahin’i Helamàna ianao. Rehefa avy nolavin’ny Nefita tany amin’ny tany avaratra i Nefia, dia niverina nody tany Zarahemlà. Tena ratsy fanahy ihany koa ny olona tany. Rehefa nalahelo tamin’ny faharatsian’izy ireo i Nefia, dia nandeha tao amin’ny tilikambon-jaridainany izy ary nitomany tamin’ Andriamanitra (jereo ny Helamàna 7:1–11).

Vakio ny Helamàna 7:12–22, hitadiavana ny zavatra nolazain’i Nefia taorian’ny nahafantarany fa niangona nihaino ny fitalahoany.

  • Inona no fahamarinana iray azonao fantarina momba ny mpaminanin’ny Tompo miainga amin’ny zavatra nolazain’i Nefia ao amin’ireo andininy ireo?

Fahamarinana iray mety ho hitanao ny hoe ny mpaminanin’ Andriamanitra dia manasa ny olona hibebaka. Soraty ao amin’ilay lisitra ao amin’ny diary fandalinanao io fahamarinana io.

  • Inona no ampianarin’izany anao momba an’ Andriamanitra izay hiantso mpaminany mba hiantsoantso fibebahana Izy?

Maro ny olona lasa tezitra tamin’ny hafatra nentin’i Nefia. Mba hanampiana ny olona hahatakatra fa nilaza ny fahamarinana izy, dia nilaza tamin’izy ireo tamin’ny fomba mahagaga mombana tranga izay niseho teo am-pitoriana tamin’izy ireo i Nefia.

Hevero ny hanasana mpianatra iray hamaky ity famintinana ny Helamàna 8:25–28; 9:1–36 manaraka ity. Azo atao ihany koa ny manasa ny mpianatra iray hamaky ireo andininy ireo alohan’ny fotoam-pianarana sy hiomana hamintina io tantara io amin’ny teniny manokana. ChurchofJesusChrist.org.

Nolazain’i Nefia tamin’ny olona aloha fa nisy namono i Sezôrama lohan’ny mpitsaran’izy ireo (jereo ny Helamàna 8:27–28). Nieritreritra ny olona fa “tsy maintsy ho efa nifanaiky tamin’ny sasany mba hamono ny mpitsara i Nefia” (Helamàna 9:16). Avy eo i Nefia dia niteny tamin’ny olona mba hitady an’i Seantoma, izay rahalahin’i Sezôrama, ary hametraka fanontaniana aminy. Nolazain’i Nefia marina tsara tamin’ny olona ny fomba hamalian’i Seantoma (jereo ny Helamàna 9:26–36). Izany dia nitarika tamin’ny fiaiken’i Seantoma fa izy no mpamono ary tsy nanan-tsiny i Nefia (jereo ny Helamàna 9:37).

Vakio ny Helamàna 9:37–41, hitadiavana ny fihetsika navalin’ny olona rehefa avy nanatri-maso ireo tranga ireo.

  • Inona no fahamarinana iray ianaranao avy amin’ny zavatra niainan’i Nefia ka azonao ampidirina amin’ny lisitrao?

Fahamarinana iray mety ho hitanao ny hoe ho tanteraka ireo tenin’ny mpaminany.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no manan-danja ny fahafantarana io fahamarinana momba ny mpaminany io?

  • Inona avy no ohatra sasantsasany amin’ny fahatanterahan’ireo tenin’ny mpaminany?

Hevero ny hizara ohatry ny tenanao manokana izay maneho ny fomba nahatanterahan’ny tenin’ny mpaminany teo amin’ny fiainanao. Ohatra, angamba nisy fitahiana nampanantenaina tonga avy amin’ny fanarahana ny torohevitry ny mpaminany iray.

Fahamarinana hafa mikasika ny mpaminany

Ankoatra ireo fahamarinana efa hita dia fahamarinana maro hafa momba ny anjara asa tanan’ny mpaminanin’ny Tompo no asehon’i Nefia sy ny fifaneraserany tamin’ny olona. Manohiza mampihatra ny fahaiza-mamantatra fahamarinana rehefa mandalina ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto. Ampidiro ao amin’ny lisitrao ny zavatra hitanao.

Hevero ny hampiseho ireto toko sy andininy manaraka ireto sy hanendry ny mpianatra hiaraka tsiroaroa handalina ny andininy tsirairay na anatina vondrona kely. Azo tendrena amina andalan-tsoratra masina samy hafa hohalalinina ihany koa ny mpianatra ary avy eo dia mifampianatra.

  • Helamàna 7:29: Ny fanambaran’i Nefia tamin’ny olona izay niangona rehefa avy naheno azy nivavaka

  • Helamàna 8:1–4: Ny fihetsika navalin’ireo mpitsara ny tenin’i Nefia

  • Helamàna 8:22–23: Ny valintenin’i Nefia tamin’ny olona izay nanevateva azy sy ny teniny

  • Helamàna 10:5–7: Ny resaka nataon’ny Tompo tamin’i Nefia rehefa avy nampianatra ny vahoakany izy

  • Fahamarinana inona momba ny mpaminany no hitanao tao amin’ireo andininy ireo?

Ampidiro ao amin’ny lisitra eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ny mpianatra. Mety ho nahita fahamarinana toy ireto manaraka ireto izy ireo.

Ny mpianatra dia hanana fahafahana hianatra misimisy kokoa momba ny tsirairay amin’ireo fahamarinana ireo ao amin’ny lesona manaraka. Ny fahamarinana roa voalohany voalaza dia hohalalinina lalina kokoa ao amin’ny Helamàna 13–16. Ny fahamarinana fahatelo sy fahefatra voalaza dia hohalalinina lalina kokoa ao amin’ny lesona any amin’ny faramparan’ity herinandro ity.

Ny maha-zava-dehibe ny mpaminany velona

Asehoy ireto torolalana manaraka ireto ary omeo fotoana ampy ny mpianatra hamoronana valiny amin’ilay rafi-tantara hatrany amin’ny fanombohan’ny lesona.

Mba hanampiana amin’ny fanomanana ny mpianatra hamorona ny valintenin’izy ireo, dia mety hanampy raha angatahina ny mpianatra hilaza ny sasantsasany amin’ireo zava-tsarotra fahita matetika indrindra atrehin’ny tanora ankehitriny. Azo tanisaina eny amin’ny solaitrabe, eo akaikin’ireo fahamarinana hitan’izy ireo momba ny mpaminany, ny valintenin’izy ireo. Avy eo dia azon’ny mpianatra atao ny mizara ny fomba mety hanampian’ireo fahamarinana hitan’izy ireo androany amin’ireo zava-tsarotra noeritreretin’izy ireo.

Avereno eritreretina ilay rafi-tantara tany alohaloha tao amin’ny lesona momba ny namanao izay nanontany tena momba ny antony tsy maintsy ilana ny mpaminany.

Manorata valinteny iray any amin’ny namanao izay manazava ny antony maha-zava-dehibe ny iantsoan’ny Tompo mpaminany amin’izao androntsika izao. Tokony ho andiam-pehezanteny iray farafahakeliny no halavan’ny valinteninao.

Afaka manampy anao amin’ny valinteninao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no ahafahan’ny iray na maromaro amin’ireo fanontaniana hitanao manampy antsika amin’ireo zava-tsarotra atrehintsika?

  • Inona no zavatra niainanao nanampy anao hahafantatra ilay fitahian’ny fananana mpaminany velona eto an-tany?

Asao ny mpianatra hizara ny valinteniny amina namana iray. Azo atao ihany koa ny manasa ireo mpianatra nanolo-tena hilalao an-tsehatra ilay toe-javatra tany am-piandohan’ny fotoam-pianarana ho eny aloha ary hanao seho hafa hilalaovana ilay toe-javatra.

Mijoroa ho vavolombelona momba ny fahamarinana izay noresahinareo ary amporisiho ny mpianatra hanao zavatra amin’ny fahatsapana ara-panahy nananan’izy ireo nandritra ny lesona.

Hamoaka printy