Seminera
Helamàna 8: Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny mpaminany


“Helamàna 8: Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny mpaminany,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Helamàna 8,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Helamàna 8

Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny mpaminany

Sary
Jesoa Kristy

Ao anatina tontolo iray izay misy feo be dia be misintona antsika amina zotra be dia be, Andriamanitra dia nanome antsika mpaminany hihazona antsika Aminy. Rehefa nanontanian’ny Nefita ratsy fanahy momba ny antony nitenenany mafy momba azy ireo i Nefia, dia nijoro ho vavolombelona momba ny Mpamonjy tamim-pahasahiana izy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra fa ny mpaminany dia mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy, ary afaka manampy anao hahatsapa ny fahamarinan’ny fijoroana ho vavolombelon’izy ireo izy ity.

Asongadino ny fomba ijoroan’ny mpaminany ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Ny andraikitra voalohan’ny mpaminany dia ny mijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Mpaminany,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Miresaha andalan-tsoratra masina sy fampianarana ara-paminaniana izay mijoro ho vavolombelona momba ny toetra, fiainana, ary iraka avy amin’ Andriamanitra ananan’ny Mpamonjy. Amporisiho ny mpianatra hieritreritra ny fomba iantraikan’ny fijoroana ho vavolombelona ara-paminaniana amin’ny fahatakaran’izy ireo sy fankasitrahan’izy ireo an’i Jesoa Kristy.

Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hitady ohatra iray na mihoatra amin’ny mpaminany na apôstôly mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ao amina fihaonambe maneran-tany vao haingana.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Ny fijoroana ho vavolombelon’ny vavolombelona iray

Hevero ny hitondra voan-javatra misy akorany, toy ny voanjo, noix, na voan-javatra hafa. Afeno ao an-tananao na ao anatina harona iray izany. Ilazao ny mpianatra fa misy zavatra tsy mbola hitan’ny mason’olombelona na nokasihin’ny tanan’olombelona mihitsy any aminao (ilay voa ao anaty akorany). Manasà mpianatra iray ho avy hijery. Avy eo dia asaovy miteny amin’ny iray kilasy izany mpianatra izany raha milaza ny marina ianao. Anontanio ny mpianatra raha mino anao izy ireo, ary ny antony inoan’izy ireo na tsy inoan’izy ireo. Rehefa avy mifanakalo hevitra miaraka amin’ny iray kilasy ianareo raha mino anao ny mpianatra, dia asehoy azy ireo ilay voan-javatra.

Ny ankamaroan’ny olona dia tsy mbola nahita an’i Jesoa Kristy, saingy betsaka ny mbola mino Azy.

  • Inona avy no antony sasantsasany inoan’ny olona an’i Jesoa Kristy?

  • Inona no anjara asa tanan’ny mpaminany amin’ny fanampiana anao hino ny Mpamonjy?

Ny fijoroana ho vavolombelon’ny mpaminany taloha

Ny asa fanompoan’i Nefia mpaminany dia noresahina tao amin’ny lesona momba ny Helamàna 7–10. Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatra hifantoka amin’ireo fampianaran’i Nefia ao amin’ny Helamàna 8 momba ny andraikitry ny mpaminany hijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy. Mba hanampiana ny mpianatra hamerina hijery ny hodidina misy ireo fampianaran’i Nefia ao amin’ny Helamàna 8, dia hevero ny hamintina ireto fampahalalana manaraka ireto.

Mety tsaroanao fa i Nefia mpaminany dia naminany tamin’ny Nefita ratsy fanahy fa hofongorana izy ireo raha tsy mibebaka (jereo ny Helamàna 7:22–29). Maro tamin’ireo Nefita no lasa tezitra tamin’i Nefia noho ny nitenenany nanohitra ny faharatsian’izy ireo (jereo ny Helamàna 8:1–7). Niteny mafy ireo olona ireo i Nefia ary nilaza tamin’izy ireo fa tsy ny teniny ihany no nolavin’izy ireo fa ny tenin’ny mpaminany taloha koa, anisan’izany i Mosesy izay nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy (jereo ny Helamàna 8:10–13).

Vakio ny Helamàna 8:13–23, hitadiavana ny zavatra nozarain’i Nefia momba an’i Mosesy sy mpaminany taloha hafa. Azonao atao ny manisy marika ny anaran’ireo mpaminany nolazain’i Nefia.

  • Inona no zavatra niraisan’ireo mpaminany rehetra ireo?

Fahamarinana iray azontsika ianarana amin’ireo andininy ireo ny hoe mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny mpaminany.

Nilaza toy izao ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Ny anjara asa manan-danja indrindra sahanin’ny mpaminanin’ny Tompo dia ny mampianatra antsika momba ny Mpamonjy sy ny mitarika antsika hankany Aminy. …

Tsy mijoro manelanelana anao sy ny Mpamonjy ny mpaminany. Fa mijoro eo anilanao kosa izy ary manondro ny lalana mankany amin’ny Mpamonjy. Ny andraikitra lehibe indrindra izay sahanin’ny mpaminany iray sy ny fanomezana sarobidy indrindra izay omen’ny mpaminany iray antsika dia ny tenivavolombelony sy ny fahalalany azo antoka fa i Jesoa no Kristy. (Neil L. Andersen, “Ilay mpaminanin’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2018, 25, 27)

  • Nahoana araka ny hevitrao no ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy no fanomezana lehibe indrindra omen’ny mpaminany antsika?

Ohatra amin’ny mpaminany mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy

Makà fotoana handalinana ny sasany amin’ireo fijoroan’ny mpaminany ho vavolombelon’i Jesoa Kristy. Rehefa mandalina ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona ianao, ny Fanahy Masina dia afaka mijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinan’ny tenin’izy ireo ao am-ponao sy ao an-tsainao.

Asao hamita ny iray na ny roa amin’ireto sahanasa manaraka ireto ny mpianatra, na, azonao atao ny mamela ny mpianatra hisafidy izay sahanasa tian’izy ireo hovitaina. Azo ampifanoloana amin’izany, azonao atao ny mizara ny mpianatra ho vondrona ary manendry ny vondrona tsirairay amin’ny iray amin’ireo safidy hovitaina. Avy eo dia azon’ny olona ao amin’ny vondrona tsirairay atao ny mizara ny zavatra nisongadina tamin’izy ireo ao amin’ny fijoroana ho vavolombelona nohalalinin’izy ireo.

Safidy A: Nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny mpaminany fahiny

Hevero ny hampiseho ao amin’ny efitrano ny anaran’ny tsirairay amin’ireto mpaminany voalaza ao amin’ny Helamàna 8:13–23 manaraka ireto, ireto andininy manohana manaraka ireto ary ny sary anankirain’ny mpaminany tsirairay (raha azo atao). Raha vao avy mandalina fijoroana ho vavolombelona maro ny mpianatra, dia azon’izy ireo atao ny mirakitra izay fahatsapana rehetra nananan’izy ireo sy mizara ireny fahatsapana ireny amin’ny mpiara-mianatra iray.

Vakio ny telo farafahakeliny amin’ireto fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny mpaminany noresahin’i Nefia manaraka ireto. Ataovy lisitra ny zavatra ampianarin’ireo fijoroana ho vavolombelona ireo anao momba an’i Jesoa Kristy.

Avereno jerena ilay lisitra nosoratanao. Hevero ny hirakitra an-tsoratra ny hevi-baovao na fahatsapana rehetra nanananao momba ny Mpamonjy rehefa nandalina ianao. Manorata fehezanteny vitsivitsy manazava ny mety hahahafa ny fiainanao raha tsy nampianatra antsika ireo zavatra momba an’i Jesoa Kristy ireo ny mpaminany.

Safidy B: Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny mpaminan’ny andro farany

Mba hanampiana ny mpianatra hamita io safidy io dia hevero ny hanomezana loharano, toy ny tahadika maro amin’ny famoahan’ny fihaonambe maneran-tany ny gazetiboky Liahona.

Hevero ny hizarana ny sasany amin’ireo fijoroana ho vavolombelon’ny mpaminany voatondro ao amin’ny fizarana hoe “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” araka izay ilaina.

Mitadiava ohatra roa na mihoatra amin’ny mpaminanin’ny andro farany mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Mety ho avy amina fihaonambe maneran-tany vao haingana na avy amin’ny tantaran’ny Fiangonana izany. Hevero ny hampiasa ny ChurchofJesusChrist.org na ny application Médiathèque de l’Évangile amin’ny fikarohana ataonao. Azonao atao ihany koa ny mamaky na mihaino ny “Ilay Kristy velona: Teny vavolombelon’ny Apôstôly” ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Rehefa mamita ny sahanasan’izy ireo ny mpianatra, dia asao hizara ohatra hitan’izy ireo mombana mpaminany mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Ataovy azo antoka fa omenao fahafahana hizara ny mpianatra maro. Mety hanampy ny fametrahana fanontaniana toy ny hoe “Iza amin’ireo faminanian’ny mpaminany no nanaitra anao?” na ny hoe “Nahoana araka ny eritreritrao no maha-manandanja ny hoe mpaminany be dia be no nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy?”

Raha misy fotoana dia mety hahasoa an’ny mpianatra ny mizara ny fijoroana ho vavolombelon’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy.

Hamoaka printy