Seminera
Helamàna 7–12: Topimaso ankapobeny


“Helamàna 7–12: Topimaso ankapobeny,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Helamàna 7–12,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Helamàna 7–12

Topimaso ankapobeny

I Nefia mpaminany izay zanakalahin’i Helamàna dia niaina tamina fotoan’ny faharatsiana lehibe. Rehefa nanontanian’ny Nefita ratsy fanahy momba ny antony nitenenany mafy momba azy ireo izy, dia nijoro ho vavolombelona momba ny Mpamonjy tamim-pahasahiana. Nampitandrina ny vahoakany izy fa hofongorana izy ireo raha tsy mibebaka. Taorian’ny faminaniany manodidina ny famonoana ny lohan’ny mpitsara, dia nandinika ny zavatra rehetra nasehon’ny Tompo azy izy. Rehefa nanao izany izy, dia niaina zavatra nisongadina izay nitahian’ny Tompo azy noho ny fahatokiany. Nangataka tamin’ny Tompo mba handefa mosary teo amin’ny Nefita izy mba hibebahan’izy ireo. Vokatr’izany, maro tamin’ireo Nefita no nanetry tena, ary dia notahiana tamin’ny ranonorana indray ny olona. Na dia teo aza io fahagagana io, rehefa nandeha ny fotoana dia nitodika niala tamin’ny Tompo indray ny olona ary nanohy ny faharatsian’izy ireo.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Helamàna 7–10

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny anjara asa tena manan-danja tanan’ny mpaminany amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra amina namana iray na olona ao amin’ny fianakaviana momba ny fomba niantraikan’ny mpaminany velona tamin’ny fiainan’izy ireo.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio conférence: Mba hanomanana ny mpianatra handalina sy hahita fahamarinana momba ny mpaminanin’ny Tompo, dia hevero ny hampiasa solaitrabefotsy mba hanoratana ny lohateny hoe Ireo fahamarinana momba ny mpaminanin’ny Tompo. Asao hitanisa fahamarinana eo ambanin’io lohateny io mandritra ny lesona ny mpianatra.

Helamàna 8

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra fa ny mpaminany dia mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy, ary afaka manampy azy ireo hahatsapa ny fahamarinan’ny fijoroana ho vavolombelon’ny mpaminany.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hitady ohatra iray na mihoatra amin’ny mpaminany na apôstôly mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ao amina fihaonambe maneran-tany vao haingana.

  • Votoatiny haseho: Ny lisitr’ireo mpaminany sy soratra masina ho an’ny safidy A

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio conférence: Ho an’ny mpianatra izay misafidy ny safidy A, asehoy ilay lisitra mpaminany sy toko sy andinin-tsoratra masina avy ao amin’ny lesona.

Helamàna 10

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra fahamarinana avy amin’ny zavatra niainan’i Nefia izay afaka manasa ny fitarihan’ny Tompo sy ny heriny ho eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Helamàna 11–12

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa faniriana lehibe kokoa hitombo amin’ny fanetren-tena manoloana an’ Andriamanitra.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hamaky ny lahateny nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson tamin’ny fihaonambe maneran-tany tamin’ny aprily 1989 mitondra ny lohateny hoe “Beware of Pride”. Io lahateny io dia azo jerena ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile na ao amin’ny Ensign, mey 1989, 4–7.

  • Votoatiny haseho: Ilay sary misy tarehimarika; ilay kisarin’ny fitamberimberenan’avonavona

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hampiseho ny kisarin’ny fitamberimberenan’avonavona any am-piandohan’ny lesona mba hahafahan’ny mpianatra mandika izany ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo mba hamitana ilay sahanasa fandalinana. Azo ampifanoloina amin’izany, azonao atao ny manapaingotra ilay sary izay azon’ny mpianatra sokafana ao amin’ny solosain’izy ireo sy angamba hataony pirinty mba hampiasaina mandritra ny fotoam-pianarana.

Famerenana fifehezana fotopampianarana 17

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hanao tsianjery toko sy andininy ary andianteny manan-danja maro avy ao amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana miisa 12 farany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao hieritreritra zavatra teo amin’ny fiainan’izy ireo nataon’izy ireo tsianjery ny mpianatra. Ahoana no nahavitan’izy ireo nanao tsianjery izany zavatra izany, ary ahoana no nanampian’izany azy ireo?

  • Votoatiny haseho: “Fifehezana ny fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: Almà–Môrônia”

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Taratasy, pensilihazo, ary hety hanaovana fisy fitadidiana

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Any am-piandohan’ny lesona dia hevero ny hamelana ny mpianatra hizara ny valintenin’izy ireo avy ao amin’ny sahanasa fanomanana ny mpianatra.

Hamoaka printy