Seminera
Helamàna 11–12: Ny fitamberimberenan’ny avonavona


“Helamàna 11–12: Ny fitamberimberenan’ny avonavona,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Helamàna 11–12,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Helamàna 11–12

Ny fitamberimberenan’ny avonavona

Sary
zatovolahy miandrandra an’ Andriamanitra am-panetren-tena

Iray amin’ireo rafi-tantara manerana ny Bokin’i Môrmôna ny hoe mitady hanadino an’ Andriamanitra ny olona ary lasa feno avonavona rehefa mandeha tsara ny zava-drehetra. Etsy ankilany kosa, mirona manetry tena sy mitodika amin’ Andriamanitra ny olona rehefa sarotra ny zava-misy. Efa tsikaritrao teo amin’ny fiarahamonina na teo amin’ny fiainanao ve io lamina io? Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatsapa faniriana lehibe kokoa hitombo fanetren-tena manoloana an’ Andriamanitra.

Ampio ny mpianatra hianatra avy amina lamina ao amin’ny soratra masina. Misy lamina manerana ny soratra masina eo amin’ny toe-tsaina sy fitondrantena, ny lohahevitra ara-potopampianarana, ary ny fiteny ara-tsoratra masina. Amin’ny alalan’ny fanasongadinana ireny lamina ireny, dia afaka manampy ny mpianatra ianao hamantatra fotopampianarana sy fitsipika manan-danja . Amporisiho izy ireo hampihatra ny zavatra ianaran’izy ireo amin’ny alalan’ireo lamina ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasana ny mpianatra hamaky ny lahateny nataon’ny Filoha Ezara Taft Benson tamin’ny fihaonambe maneran-tany tamin’ny aprily 1989 mitondra ny lohateny hoe “Beware of Pride (Tandremo ny avonavona).” Io lahateny io dia azo jerena ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile na ao amin’ny Ensign, mey 1989, 7–12.

ireo sahanasa fianarana azo atao

Lamina

Jereo ireto tarehimarika manaraka ireto. Ao anatin’ny 30 segondra, mitadiava tarehimarika betsaka araka izay tratranao milahatra arakaraka ny habetsany, manomboka amin’ny “1”.

Ity sahanasa manaraka ity dia natao hanehoana ny lanjan’ny famantarana lamina. Asehoy ilay sary na soraty eny amin’ny solaitrabe ireo tarehimarika, manaraka ny lamina hazavaina eo ambany.

Sary
sahan-tarehimarika 1 ka hatramin’ny 50
  • Firy ny tarehimarika hitanao tao anatin’ny 30 segondra? Mahita lamina eo amin’ny toerana misy ireo tarehimarika ve ianao?

Raha nahita lamina ny mpianatra, dia angataho izy ireo hizara izany. Raha tsy nahita ny lamina voafaritra ao amin’ity andiam-pehezanteny manaraka ity ny mpianatra, dia ampianaro azy ireo izany. Tondroy ireo tarehimarika voalohandohany milahatra araka ny laharany mba hatao ohatra.

Manaraka lamina ireo tarehimarika eo amin’ny tabilao. Raha anatsofohanao tsipika mijidina iray sy tsipika marindrano iray eo afovoan’ilay tabilao mba hahazoana ampahefa-paribolana efatra mitovy, dia ho hitanao fa manaraka lamina manaraka fihodim-pamantaranandro ireo tarehimarika ireo, araka ny asehon’ny tondro. Ohatra, ny “1” dia ao amin’ny ampahefa-paribolana ambony ankavia, ny “2” eo ambony ankavanana ary dia toy izany hatrany hatrany.

Sary
sahan-tarehimarika 1 ka hatramin’ny 50 miaraka amin’ny lamina arahiny

Makà 30 segondra fanampiny hamerenana manao ilay fanamby sy hijerena ny fahasamihafana ateraky ny fanarahana lamina.

Azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara raha nivoatra izy ireo ary hatraiza.

  • Inona no lanjan’ny famantarana lamina toy izany?

Ny fahafahana mamantatra lamina dia fahaiza-manao izay afaka manatsara ny fandalinanao soratra masina. Ny fanaovana izany dia afaka manampy anao hampihatra tsara kokoa eo amin’ny fiainanao ny zavatra ao amin’ny soratra masina.

Ao amin’ny lesona anio ianao dia hianatra mombana lamina izay matetika no antsoina hoe fitamberimberenan’ny avonavona. Rehefa mandalina ianao, dia eritrereto ny fomba mety hitrangan’izany lamina izany eo amin’ny fiainanao manokana sy ny zavatra azonao atao mba hialana amin’ny avonavona sy hitomboana amin’ny fanetren-tena.

Ny fitamberimberenan’ny avonavona

Mety tsaroanao fa i Nefia mpaminany dia nazoto ary ny hanao ny sitrapon’ny Tompo ihany no nokatsahiny. Vokatr’izany, nitahy azy tamin’ny hery lehibe ny Tompo ary nampanantena fa ny “zava-drehetra aza dia hatao aminy araka ny teni[ny]” (Helamàna 10:5). Ny zava-niseho taorian’ny nanomezana an’i Nefia io hery io dia afaka manampy antsika hahita ohatra amin’ny fitamberimberenan’ny avonavona teo amin’ny Nefita.

Hevero ny hampisehoana ity kisary manaraka ity sy ny hanasana ny mpianatra hanao sarin-javatra mitovitovy amin’izy io ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.

Sary
kisarin’ny fitamberimberenan’ny avonavona

Hevero ny hanasaraka ny mpianatra ho vondrona misy olona efatra. Asao ny mpianatra hamita ity sahanasa manaraka ity amin’ny iray amin’ireo dingan’ny fitamberimberenan’ny avonavona. Avy eo dia azon’ny mpianatra atao ny mizara ny zavatra hitan’izy ireo amin’ny olona ao amin’ny vondrona ary manisy marika ny soratra masin’izy ireo isaky ny dingana eo amin’ny fitamberimberenan’ny avonavona. Azon’ny vondrona ifanakalozana hevitra ihany koa ity fanontaniana manaraka ity.

Vakio ireo andalan-tsoratra masina ao amin’ilay kisary, manomboka amin’ny Helamàna 10:13–15. Mitadiava teny na andian-teny izay mamaritra ny dingan’ny fitamberimberenan’avonavona nisy ny olona. Hevero ny hanisiana marika ireny teny sy andianteny ireny sy hanoratra ny anaran’ilay dingana eny amin’ny sisin’ny soratra masinao eo akaikin’ireo andininy mifandray amin’izany.

  • Nahoana no mety hanampy antsika ny fahafantarana io lamina io?

Eritrereto ny hoe aiza no ahitanao ny tenanao amin’io lamina io. Rehefa manohy ny fandalinanao ianao, dia eritrereto ny fomba ahafahanao mitombo fanetren-tena sy fianteherana amin’ny Tompo.

Mianatra avy amin’ny fitamberimberenan’ny avonavona

Aza mionona amin’ny famintinana ireto andininy manaraka ireto, fa azonao atao ny manasa mpianatra manolo-tena vitsivitsy hamaky azy ireo mafy amin’ny iray kilasy.

Taorian’ny nanesoran’ny Tompo ny mosary dia nambinina ny olona. Na izany aza, tao anatin’ny taona vitsy monja, dia lasa niavonavona indray ny olona ary niaina ady sy fahoriana (jereo ny Helamàna 11:21–33). Nofohazina izy ireo mba hahatsiaro an’ Andriamanitra saingy vetivety dia nianjera tamin’ny fiavonavonana sy faharatsiana indray (jereo ny Helamàna 11:34–38).

Mety tsikaritrao tamin’ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna fa nisy tranga izay nampiatoan’i Môrmôna ny fitantarany ny tantara sasany mba hahitana izay lesona azontsika ianarana. Nampiasainy matetika ny andianteny toy ny hoe “ary dia toy izany no ahitantsika” na ny hoe “ary dia toy izany no ahafahantsika mahita.”

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny andianteny hoe Ary dia toy izany no ahafahantsika mahita …. Manasà mpianatra maro hizara ny valintenin’izy ireo amin’ity fanontaniana manaraka ity.

  • Miainga amin’ny zavatra nohalalininao momba ny Nefita ao amin’ny Helamàna 11, ahoana no hamenoanao ity fanambarana ity: “Ary dia toy izany no ahafahantsika mahita …”?

Vakio ny Helamàna 12:1–6, hitadiavana ny sasany amin’ireo fehin-kevitra nataon’i Môrmôna taorian’ny nizarany io tantara io.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no manadino ny Tompo indraindray ny olona miaina ao anatin’ny firoboroboana?

  • Ahoana no ahafahan’ny olona iray misoroka na mandingana ny fiavonavonana sy ampaham-pijalian’ny fitamberimberenan’avonavona (efajoro 1 sy 2)?

Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra amin’ilay fanontaniana teo aloha, azonao atao ny manasa ny mpianatra hamaky ny Almà 62:48–51 ary hanamarika ny fomba nahavitan’ny andiana Nefita nisoroka ny fiavonavonana sy ny vokatr’izany.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity. Mety ho azonao heverina ihany koa ny hanao tondro eo amin’ilay kisarin’ny fitamberimberenan’avonavona izay miainga eo amin’ny efajoro 4 miverina mankeo amin’ny efajoro 3.

Fahamarinana iray izay afaka manampy antsika hijanona eo amin’ny ampahany tsara kokoa amin’io fitamberimberenana io ny hoe raha safidìntsika ny hahatsiaro ny Tompo sy hanetry tena ary hibebaka, dia afaka misoroka ny avonavona sy ny vokatr’izany isika.

Asao hieritreritra valiny maro amin’ity fanontaniana ity ny mpianatra. Azonao atao ny manome markera ny mpianatra maro ary manasa azy ireo hanoratra valiny iray eny amin’ny solaitrabe. Na azon’ny mpianatra atao ny manao lisitra ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo ary avy eo mizara ny valintenin’izy ireo.

Mety hanampy ihany koa ny fizaràna ny sasany na ny rehetra amin’ny fanambarana ao amin’ny “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” ao anatin’io fifanakalozan-kevitra io.

  • Inona no azontsika atao ka hanampy antsika hahatsiaro ny Tompo sy hisoroka ny avonavona?

Tombano ny tenanao

Eritrereto ny fomba ifandraisan’ireo fahamarinana nohalalininao androany aminao. Afaka manampy amin’izany ity fanombanan-tena manaraka ity. Omeo naoty amina ambaratonga 1 hatramin’ny 5 ny ezaka ataonao amin’ireto sehatra manaraka ireto, ka ny 1 dia “tsia mihitsy” ary ny 5 dia “mandrakariva”.

Mety ho azonao atao ny mampiseho ny fanontaniana sy manome fotoana mangina ny mpianatra mba hisaintsainana sy hanombanan’izy ireo ny tenan’izy ireo amin’ny fanontaniana tsirairay ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo. Mety hanampy ny mpianatra ihany koa ny famoronan’izy ireo ny andiam-panontanian’izy ireo manokana izay azon’izy ireo ampiasaina hanombanana ny tenan’izy ireo momba ny avonavona. Aza angatahina hizara ny valinteniny ny mpianatra.

  1. Mahatsapa sy maneho fankasitrahana an’ Andriamanitra sy ny hafa ve ianao?

  2. Manokana fotoana ho an’ Andriamanitra isan’andro ve ianao?

  3. Tsapanao ve ianao fa ny fahombiazanao dia vokatry ny ezaka nataonao manokana?

  4. Mikatsaka ny fanampian’ Andriamanitra sy ny fitarihany ve ianao eo amin’ny fiainanao?

  5. Mitondra ny hafa amin-katsaram-panahy sy fanajana ve ianao?

  6. Manakiana ny hafa na manao fitsarana tsy marina amin’izy ireny ve ianao?

Hamoaka printy