Seminera
Helamàna 10: Nitahy an’i Nefia ny Tompo


“Helamàna 10: Nitahy an’i Nefia ny Tompo,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Helamàna 10,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Helamàna 10

Nitahy an’i Nefia ny Tompo

Sary
zatovovavy misaintsaina

Taorian’ny faminanian’i Nefia momba ny namonoana ny lohan’ny mpitsara, dia nandinika ny zavatra rehetra nasehon’ny Tompo azy izy, saingy kivy ihany koa noho ny faharatsian’ny olona. Rehefa teny an-dalana hody izy, dia niaina zavatra nisongadina izay nitahian’ny Tompo azy noho ny fahatokiany tamin’ny fanaovana ny sitrapony. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra fahamarinana avy amin’ny zavatra niainan’i Nefia izay afaka manasa ny fitarihan’ny Tompo sy ny heriny ho eo amin’ny fiainanao.

Asao ny mpianatra ho tompon’andraikitra amin’ny fianaran’izy ireo manokana. Na dia manan-danja aza ny anjara asan’ny mpampianatra dia ny mpianatra no tompon’andraikitra tanteraka amin’ny fianaran’ny tenany manokana. Ny mpianatra dia mivoatra rehefa mizaha ny tenin’ Andriamanitra mba hahitana fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany amin’ny tenan’izy ireo ihany. Ampio ny mpianatrao hahita ny lanjan’ny fandinihan-tena, sy ny fisaintsainana ary ny fifampiresahana ao amin’ny kilasy.

Fanomanana ny mpianatra: Asao hamaky ny Helamàna 10 ny mpianatra ary hitady izay zavatra azon’izy ireo ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’i Nefia ka afaka mitahy ny fiainan’izy ireo.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Lasa mahafeno fepetra

Hevero ny hanomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fanasana mpianatra iray izay mahay ny fomba fanaovana fahaiza-manao iray, toy ny famatorana karavato mba hanazava amin’ny mpianatra iray hafa ny fomba fanaovana izany. Rehefa avy manao fanandramana fohifohy ilay ankizy mahay, dia azony atao avy eo ny mampiseho amin’ilay mpianatra hafa ny fomba fanatanterahana ilay fahaiza-manao. Raha misafidy ny hanao izany ianao, dia dingano ilay fanontaniana faharoa manaraka an’ity.

  • Afaka mieritreritra fotoana iray nianaranao zavatra avy amin’ny ohatra nasehon’ny olona iray hafa ve ianao? Inona ilay izy?

  • Nahoana no tena hahomby ny fianarana amin’ny alalan’ny ohatra?

Anio ianao dia hanana fahafahana hianatra fahamarinana avy amin’ny ohatr’i Nefia mpaminany. Mety tsaroanao fa i Nefia dia nampangaina lainga ho nandray anjara tamin’ny famonoana ny lohan’ny mpitsara Nefita (jereo ny Helamàna 9:16–20). Tamin’ny alalan’ny fanentanam-panahy, i Nefia dia nahafantatra ny mpamono ary nafahina (jereo ny Helamàna 9:20–38). Rehefa nody i Nefia, dia niaina zavatra manan-danja niaraka tamin’ny Tompo izy, izay voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Helamàna 10. Ireto sahanasa telo manaraka ireto dia hitari-dalana anao amin’ny fandalinanao ilay toko.

Hevero ny hizarana amin’ny mpianatra ireto taratasy zaraina manaraka ireto sy hanasa azy ireo hamita ireo sahanasa.

Azonao atao ny mizara ny mpianatra ho vondrona kely hamita ny iray amin’ireo sahanasa fandalinana. Aza hadinoina ny manendry mpitarika fifanakalozan-kevitra iray isaky ny vondrona. Rehefa avy mahazo fotoana ampy hamitana ilay sahanasa fandalinana voalohany ny mpianatra, dia mamoròna vondrona vaovao ary asaovy mamita sahanasa fandalinana hafa izy ireo. Azo averina io dingana io mandra-pahavitan’ny mpianatra ny sahanasa fandalinana telo rehetra.

Hevitra iray hafa ny fanomezana fotoana ny mpianatra handalinan’ny tsirairay ireo fitaovana avy ao amin’ny iray amin’ireo taratasy zaraina sy hanomanana lesona fohy momba ny zavatra nianaran’izy ireo. Avy eo dia azo omena fahafahana mampianatra ny leson’izy ireo amina vondrona kely ny mpianatra, na azon’ny mpianatra manolo-tena vitsivitsy atao ny mampianatra ny leson’izy ireo amin’ny iray kilasy.

Sahanasa fandalinana 1: Fisaintsainana sy fanambarana ho an’ny tena manokana

Inona no nianaranao momba ny fandraisana fanambarana eo amin’ny fiainanao? Ao amin’ny fizaràna voalohany amin’ny Helamàna 10, isika dia mianatra mombana zavatra niainan’i Nefia nandraisany fanambarana sy hery avy amin’ Andriamanitra. Ny ohatr’i Nefia dia mampianatra antsika ny fomba ahafahantsika mampitombo ny fahafahantsika mandray sy mahafantatra fanambarana avy amin’ny Tompo.

Vakio ny Helamàna 10:1–3, hitadiavana ny zavatra nitarika an’i Nefia tamin’ny fandraisana fanambarana avy amin’ny Tompo.

  • Inona no hitanao?

Mariho ilay teny hoe nisaintsaina ao amin’ny andininy 2 sy 3. Azonao atao ny manisy marika izany teny izany ao anatin’ny soratra masinao.

Fahamarinana iray azontsika ianarana amin’ireo andininy ireo ny hoe ny fisaintsainana ny zavatry ny Tompo dia manomana antsika handray fanambarana.

  • Ahoana no mety hahafahanao mamaritra ny hoe misaintsaina amin’ny olona izay tsy mahazo antoka hoe inona izany?

  • Nahoana no mety ho afaka manampy antsika handray fanambarana ny fisaintsainana?

Nampianatra toy izao ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Zava-dehibe ny mitony sy mihaino ary manaraka ny Fanahy. Manana fialamboly betsaka loatra fotsiny isika mba hisarika ny saintsika, mihoatra noho izay nisy tamin’ny fotoana rehetra teo amin’ny tantara.

Mila fotoana hisaintsainana sy handinihana lalina avokoa ny tsirairay. Na ilay Mpamonjy izao tontolo izao aza, nandritra ny asa fanompoany tetỳ an-tany, dia nahita fotoana nanaovana izany. (M. Russell Ballard, “Mitonia, ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra” [Fampaherezam-panahin’ny Departemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony, 4 mey, 2014], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org)

  • Inona avy no sasantsasany amin’ireo fanelingelenana izay mety hahasarotra ny fisaintsainana ireo zavatra ara-panahy?

  • Inona avy no sasantsasany amin’ireo “zavatry ny Tompo” mety hakanao fotoana hosaintsainina?

  • Inona avy no zavatra niainanao na fantatrao izay nahitana fisaintsainana nitarika nankany amin’ny fandraisana fanambarana?

Mieritrereta tanjona iray azonao apetraka mba hampiharana io fahamarinana io amin’ny fiainanao. Hevero ny hirakitra an-tsoratra ny tanjonao ao anatin’ny diary fandalinanao.

Sahanasa fandalinana 2: Mikatsaka izay hanaovana ny sitrapon’ny Tompo tsy mitandro hasasarana

Mieritrereta fotoana iray nangatahana anao hanao zavatra iray izay toa tena sarotra. Nanome didy sarotra an’i Nefia mpaminany ny Tompo tamin’ny fotoana nangatahiny azy hiantso ny Nefita ratsy fanahy hibebaka. Na dia sarotra aza izany, dia niasa tamim-pahazotoana mba hanarahana ny sitrapon’ny Tompo i Nefia.

Vakio ny Helamàna 10:4–5 ary tadiavo ny zavatra nolazain’ny Tompo tamin’i Nefia vokatry ny fahatokiany.

  • Inona avy no sasantsasany amin’ireo teny na andianteny izay manan-danja aminao ao amin’ireo andininy ireo? Nahoana?

Fahamarinana iray izay azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo ny hoe rehefa mikatsaka ny hanao ny sitrapon’ny Tompo isika ary manompo azy tsy mitandro hasasarana, dia hitahy antsika amin’ny lafiny maro ny Tompo.

  • Inona no mety hahasarotra ny hoe te hanao ny sitrapon’ny Tompo?

  • Inona no azonao tsaroana momba ny Tompo ka hahamora kokoa ny fanarahana ny sitrapony fa tsy ny anao?

Ny teny hoe tsy nitandro hasasarana, nampiasaina ao amin’ireo andininy ireo dia midika hoe tsy nety vizana na nazoto.

Mety hanampy raha asaina mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:33 sy ny fampianarana mifandray amin’izany nozarain’ny Tompo momba ny hoe tsy mitandro hasasarana ny mpianatra. Azon’ny mpianatra atao ny manoratra io toko sy andininy io eo akaikin’ny Helamàna 10:4–5 ao amin’ny soratra masin’izy ireo.

  • Inona avy no fomba sasantsasany nanompoan’i Jesoa Kristy ny Ray any An-danitra tsy nitandroany hasasarana?

  • Ahoana no mety hahafahanao manompo ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy tsy mitandro hasasarana amin’izao androntsika izao?

Mieritrereta tanjona iray azonao atao hikatsahana ny sitrapon’ny Ray any An-danitra sy hanompoana azy tsy mitandro hasasarana. Hevero ny hirakitra an-tsoratra ny tanjonao ao anatin’ny diary fandalinanao.

Sahanasa fandalinana 3: Ny herin’ny famehezana

Alaovy sary an-tsaina ny Tompo manome anao hery hanaovana izay rehetra angatahinao Aminy. Andriamanitra dia niteny tamin’i Nefia mpaminany fa hanome ny zavatra rehetra irian’i Nefia satria “tsy hangataka izay mifanohitra amin’ny sitrapon’ [Andriamanitra]” izy (Helamàna 10:5).

Vakio ny Helamàna 10:7, hitadiavana ny iray amin’ireo zavatra nanomezan’ny Tompo hery an’i Nefia ny hanao azy.

Ny hery voafaritra eo amin’ny andininy 7 dia antsoina hoe herin’ny famehezana. Manomboka eo amin’io andininy io dia, ianarantsika fa ny herin’ny famehezana dia mamatotra sy mamaha etỳ an-tany sy any an-danitra. Mety hanampy ny fahafantarana fa ny hoe mamatotra dia midika hoe mampifandray ary ny hoe mamaha dia mampisaraka.

Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny andininy voatanisa ao amin’ity andiam-pehezanteny manaraka ity ary hanasa ny mpianatra hanoratra azy ireo ho soratra masina mifandray eo akaikin’ny Helamàna 10:7 ao amin’ny soratra masin’izy ireo.

Ilay herin’ny famehezana voaresaka ao amin’ny andininy 7 dia ilay herin’ny famehezana nohazonin’i Elia (jereo ny 1 Mpanjaka 17:1), sy Petera ary ny apôstôly (jereo ny Matio 16:15–19; 18:18), ary i Joseph Smith ihany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:46). Ankehitriny, ny fanalahidin’io hery io dia hazonin’ny Filohan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany sy ireo izay mety hampandraiketiny izany. Io fahefana io no hahafahan mamehy ny fianakaviana hiaraka mandrakizay amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny tempoly.

  • Nahoana, araka ny hevitrao, no tian’ny Ray any An-danitra hanao fanekempihavanana izay mihatra amin’ity fiainana ity sy ny fiaianana ho avy isika?

  • Inona no fitahiana azonao tamin’ny alalan’ny fahalalana fa afaka ny ho fehezina mandrakizay ny fianakaviana?

  • Ahoana no iantraikan’ny fahalalana eo amin’ny fisainanao na safidinao amin’izao fotoana izao momba ny fahafahana mampiray mandrakizay ny fianakaviana?

Rehefa avy mahavita ireo sahanasa fandalinana ny mpianatra, dia hevero ny hanasa mpianatra maro hizara zavatra iray tsapan’izy ireo ho zava-dehibe indrindra tamin’ny fandalinan’izy ireo. Raha misy fotoana dia mety hanampy ihany koa ny famakiana ny Helamàna 10:11–19 mba hahitana ny zavatra nataon’i Nefia taorian’ny zava-masina niainany niaraka tamin’ny Tompo.

Mijoroa ho vavolombelona momba ireo fahamarinana nohalalinina androany, ary amporisiho hanao zavatra amin’ny fahatsapana ara-panahy nananan’izy ireo nandritra ny lesona ny mpianatra.

Hamoaka printy