Seminera
Helamàna 5:14–52: “Hoesorina ny rahon’ny haizina”


“Helamàna 5:14–52: -Hoesorina ny rahon’ny haizina,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Helamàna 5:14–52,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Helamàna 5:14–52

“Hoesorina ny rahon’ny haizina”

Sary
I Nefia sy i Lehia tany am-ponja, voahodidin’afo

Rehefa ao amina efitrano maizina isika dia afaka mandrehitra jiro. Fa inona kosa no azontsika atao rehefa ao amin’ny haizina isika eo amin’ny ara-panahy? Rehefa nanaloka ny andiana Lamanita ratsy fanahy ny rahon’ny haizina, dia nampianarina hibebaka sy hanam-pinoana an’i Jesoa Kristy izy ireo. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hiantehitra amin’i Jesoa Kristy eo amin’ny fanalana ny fahatsapana tahotra sy haizina ary hanolo izany ho fifaliana sy fiadanana ary fahazavana.

Amporisiho ny mpianatra hisaintsaina. Rehefa manana fotoana ny mpianatra hieritreretana lalina momba ny fiainan’izy ireo sy ny zavatra ianaran’izy ireo, dia afaka manambara fahamarinana manokana sy ilaina amin’izy ireo ny Fanahy Masina. Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fomba anasan’izy ireo ny fahazavana sy ny herin’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny itovian’i Jesoa Kristy amin’ny fahazavana (jereo ny Jaona 8:12).

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Haizina sy fahazavana

Ampio ny mpianatra hanomboka hieritreritra momba ny fahazavana sy haizina. Azonao atao ny mampiasa jiro fanao am-paosy na finday hanehoana ny fomba ahafahan’ny fampidirana hazavana manala ny haizina ao amin’ny efitrano. Mety ho azonao atao ny manoratra eny amin’ny solaitrabe ny fanamarihana ataon’ny mpianatra ary miezaka mampifandray ny hevitr’izy ireo ao amin’ny lesona rehefa avy eo rehefa mahita fitsipika momba an’i Jesoa Kristy izy ireo.

Mieritrereta fotoana iray teo amin’ny fiainanao naha-tao amin’ny toerana maizina anao izay zara fa nisy hazavana na tsy nisy hazavana mihitsy. Tadidinao ve hoe inona no nanahirana tamin’ilay hoe tsy afaka nahita tsara?

  • Ankoatra ny hoe ao anaty efitrano maizina, inona no fomba hafa mety hiainantsika fahamaizinana eo amin’ny fiainantsika? Inona avy no fahatsapana azonao hampifandraisina amin’ny haizina?

Tokony ho takatry ny mpianatra mandritra ny lesona fa tsy ny haizina rehetra no vokatry ny safidy ratsy fa ny haizina dia azo esorina amin’ny alalan’ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy.

Eritrereto ny fiainanao sy izay haizina rehetra mety hiainanao. Rehefa mandalina ianao anio, dia tadiavo izay azonao atao hamenoana ny fiainanao amin’ny fahazavana mba hanesorana ny haizina.

Ny asa fanompoan’i Nefia sy Lehia

I Nefia sy i Lehia zanakalahin’i Helamàna, dia nitory ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Izy ireo dia nampianatra Nefita maro izay nisintaka ka nitambatra tamin’ny Lamanita. Nibebaka ireo Nefita ireo ary niezaka nanarina ny fahasimbana rehetra naterak’izy ireo. I Nefia sy i Lehia dia nitory tamin-kery lehibe, ary Lamanita 8000 no nisafidy ny hibebaka sy hatao batisa (jereo ny Helamàna 4:4; 5:14–19).

Vakio ny Helamàna 5:20–22 hitadiavana ny fomba nampitsahatra ny fahombiazan’izy ireo.

Na oviana na oviana isika no miatrika fanoherana na mandalo fizahan-toetra, dia mety ho raisintsika ho fotoana maizina eo amin’ny fiainantsika izy ireo. Mety hametra-panontaniana mihitsy aza isika hoe nahoana no avelan’ Andriamanitra hitranga ireny zavatra ireny. Kanefa, raha mandinika tsara isika, dia ho hitantsika fa miasa mandrakariva eo amin’ny fiainantsika Andriamanitra ary te hitahy antsika.

Mba hanampiana ny mpianatra handray anjara amin’ny fianarana, dia mety ho azonao zaraina tsiroaroa ny kilasy hamaky ireto andininy manaraka ireto. Azon’ny mpianatra iray atao ny mitady porofon’ Andriamanitra teo amin’ny fiainan’i Nefia sy i Lehia (jereo ny Helamàna 5:23–26). Ilay mpianatra iray hafa kosa dia afaka mamaky momba an’ Andriamanitra nanatona ny Lamanita (jereo ny Helamàna 5:28–33).

Vakio ny Helamàna 5:23–33 hitadiavana ny zavatra nataon’ Andriamanitra sy nolazainy. Raha misy ny raki-peon’ny Helamàna 5, dia azonao atao ny mihaino sy mamaky izany. Aza hadinoina ny miato kely sy mamerina araka izay ilaina.

  • Inona no ianaranao momba an’ Andriamanitra avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? Inona no fahatsapana anananao Aminy noho ny zavatra ianaranao?

    Azonao atao ny mangataka ny mpianatra hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny zavatra hitan’izy ireo. Ifanakalozy hevitra ny fomba anampian’ Andriamanitra sy itahiany antsika am-pahavitrihana.

  • Ahoana no ahafahan’ny fanasan’ Andriamanitra ao amin’ny andininy 29 sy 32 manampy anao hahita ny fitiavany ny rehetra?

Mety ho azonao atao ny manisy tsipika eo ambanin’ny teny ao amin’ny Helamàna 5:29, 32 izay ahitana ilay fanasana avy amin’ Andriamanitra.

Ireo izay tao am-ponja dia nalofan’ny rahon’ny haizina. Tsy nahalala izay tokony hatao izy ireo, ary noho ny tahotra dia tsy tafahetsika (jereo ny Helamàna 5:34, 40).

Vakio ny Helamàna 5:35–41 mba hahitana ny fomba nanampian’ny lehilahy iray nantsoina hoe Aminadaba azy ireo hahatakatra ny fomba fanesorana ilay haizina.

  • Inona avy no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny zavatra nolazain’i Aminadaba ao amin’ny andininy 41?

Fitsipika iray azontsika ianarana ny hoe afaka manala ny haizina eo amin’ny fiainantsika i Jesoa Kristy rehefa mampihatra finoana Azy isika sy mibebaka isika.

Ny zavatra nolazain’i Aminadaba ao amin’ny andininy 41 dia mendrika ny hifanakalozan-kevitra amin’ny antsipiriany kokoa. Mety ho tombony ho an’ny mpianatra ny fifanakalozan-kevitra momba ny antony nilazan’i Aminadaba hoe “tsy maintsy mibebaka ianareo” sy ny antony nanomezany azy ireo torolalana hivavaka amin’ Andriamanitra mandra-pananan’izy ireo finoana an’i Jesoa Kristy.

Mety ho azonao atao ny manampy ny mpianatra hampitaha ny fandefasana jiro fanao am-paosy na fanapihana jiro amin’ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fibebahana.

  • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny fananana finoana an’i Jesoa Kristy sy fibebahana manampy amin’ny fanesorana ny haizina?

Ny Loholona Robert D. Hales (1932–2017) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara fomba manokana azontsika anasana ny fahazavan’ny Tompo ho eo amin’ny fiainantsika.

Ny fahazavan’i [Jesoa Kristy] dia handrafitra ampinga fiarovana eo anelanelanao sy ny haizin’ny fahavalo rehefa miaina mendrika izany ianao. Mila io fahazavana io ianao. Mila io fahazavana io isika. Halalino tsara ny soratra masina sy ny Ho zatovo mahery [kiboky] ary henoy ny fampianaran’ireo ray aman-dreninareo sy ny mpitarika anareo. Avy eo, amin’ny alalan’ny fankatoavana torohevitra feno fahendrena, dia mianara mitaky ilay fahazavana miaron’ny filazantsara.

Mety hanontany tena ianao hoe “Ahoana no ahafahako manao izany?” Fomba iray ihany no misy: tsy maintsy mianatra miteraka izany fahazavana izany isan’andro amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fanarahana ny didiny ianao. (Robert D. Hales, “Out of Darkness into His Marvelous Light,” )

  • Inona no zavatra fantatrao momba an’i Jesoa Kristy ka manampy anao hahatakatra fa afaka miaro antsika amin’ny haizina na manala izany eo amin’ny fiainantsika Izy?

Azo atao ny manasa ny mpianatra hieritreritra ny anarana fiantsoana an’i Jesoa Kristy hoe Fahazavan’izao tontolo izao sy ny fomba mety hanampian’io anarana io ny fahatakaran’izy ireo. (Jereo ny Jesus Christ, Light of the World, Topical Guide; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:6–13.)

Avy eo dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity andianteny manaraka ity.

  • Ireo fitahiana avy amin’ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy sy fibebahana

Vakio ny Helamàna 5:42–49 ary ataovy lisitra ireo fitahiana niainan’ny olona rehefa nibebaka sy nampihatra finoana an’i Jesoa Kristy izy ireo. Mariho ireo fitahiana tsapanao fa ilain’ny olona indrindra ankehitriny.

Azonao atao ny mangataka ny mpianatra hiditra anatina vondrona kely sy hifanakalo hevitra amin’ireo fitahiana hitan’izy ireo. Mety ho azon’izy ireo atao ihany koa ny miara-miasa amin’ny tsirairay amin’ireo fisarahana eo ambany.

Misafidiana fitahiana iray tsapanao fa manan-danja ary ampiasao hanazavana fohifohy ny antony hamporisihanao ny olona iray hampihatra finoana an’i Jesoa Kristy izany.

Misafidiana fitahiana iray tsapanao fa tonga taminao noho ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy. Hazavao fohifohy ny antony maha-manan-danja izany aminao.

Avy amin’ny zavatra nianaranao sy tsapanao androany, saintsaino ny zavatra mety hataonao mba hianteherana amin’i Jesoa Kristy sy handraisana ny fitahiany. Manaova fanoloran-tena ary hevero ny hametraka na hanamboatra tanjona iray hanampy anao hihazona izany.

Amporisiho hanao asa amim-pinoana araka izay nianaran’izy ireo androany ny mpianatra. Mijoroa ho vavolombelona momba ny fahafahan’ny Tompo sy faniriany hitahy azy ireo amin’ny fahazavany.

Hamoaka printy