Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Helamàna 5:12—“Eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika … no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo”


“Fifehezana fotopampianarana: Helamàna 5:12—‘Eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika … no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo,’” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Fifehezana fotopampianarana: Helamàna 5:12,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Fifehezana fotopampianarana: Helamàna 5:12

“Eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika … no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo”

Sary
fianakaviana miara-mankafỳ ny fandalinana ny soratra masina

Tamin’ny fandalinanao ny Helamàna 5:1–13, dia nianaranao ny fomba ahafahan’ny fanorenana ny fototrao amin’i Jesoa Kristy manampy anao hanohitra ny tafiotra maherin’ny devoly (jereo ny Helamàna 5:12). Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanao tsianjery ny toko sy andininy fifehezana fotopampianarana sy andianteny manan-danja ao amin’ny Helamàna 5:12, sy hanazava ny fotopampianarana ampianarina ao amin’io andalan-tsoratra masina io ary hampihatra fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Ampio hahatakatra ny mpianatra fa ny fahazoana fahalalana ara-panahy dia dingana ho an’ny isam-batan’olona. Ny fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy dia azo ampiharina amina fomba samihafa? Mety ho azon’ny mpianatra atao ny manomboka amin’ny fitsipiky izay mety hanampy indrindra amin’ny fanontanian’izy ireo ary avy eo dia mitady fomba hampiasana ireo hafa. Amporisiho hanaraka ny bitsiky ny Fanahy ny mpianatra rehefa miezaka ny hahazo fahalalana ara-panahy izy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanohy hiezaka hitadidy ny Helamàna 5:12 manontolo.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity dia natao mba hampianarina aorian’ny lesona “Helamàna 5:1–13,” izay lesona miompana amin’ny sahan-kevitr’ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Almà 34:9–10. Raha ohatra ka ilaina ny mamindra ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity amin’ny herinandro hafa dia ataovy azo antoka tsara fa lesona miresaka sahan-kevitra mifandray amin’izany ihany koa no ampianarina amin’io herinandro io.

Ianaro tsianjery sy hazavao

Tao amin’ny lesona teo aloha dia nianaranao ireto fahamarinana manaraka ireto: I Jesoa Kristy no fototra azo antoka ho antsika ary raha manorina ny fototsika amin’i Jesoa Kristy isika, dia tsy hanana fahefana amintsika ny devoly. Ny andianteny manan-danja fifehezana soratra masina ho an’ny Helamàna 5:12 dia ny hoe “Eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika … no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo”.

Ampiasao ny tekinika fitadidianao manokana na ny iray amin’ireto hevitra manaraka ireto mba hanampy anao hitadidy ilay toko sy andininy sy andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina.

Raha misafidy ny hampiasa ity hevitra manaraka ity ianao, dia manomana vato sy tapaka taratasy ampy zaraina ho an’ny mpianatra rehetra. Azon’ny mpianatra atao ny mampiasa markera, skaotsa, lakaoly, lastika raha misy.

Mitadiava vato kely misy toerana malalaka hanoratana ny hoe “Helamàna 5:12” eo amboniny. Manapaha taratasy ary soraty ny andianteny manan-danja ao amin’ny Helamàna 5:12, “Eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika … no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo.” Apetaho amin’ilay vato ilay tapaka taratasy, amin’ny alalan’ny fampiasana skaotsa, lakaoly na lastika. Avereno tsy ankijery imbetsabetsaka ilay toko sy andinin-tsoratra masina ary andianteny manan-danja mandra-pahavitanao tsianjery izany.

Sary
zatovovavy mijoro eo amina vatolampy ary mijery ambony

Mba hahitana fomba hafa hanampiana anao hitadidy, dia manaova sarina vatolampy misy olona mijoro eo amboniny. Ao anatin’ilay vatolampy, soraty ny hoe Helamàna 5:12, ary eo ambaniny dia soraty imbetsaka ny andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina mandra-pahavitanao tsianjery izany.

Amin’ity sahanasa manaraka ity, mba hanehoana ny fandrotsahana alaina sary an-tsain’izy ireo ao amina gazetibokin’ny Fiangonana, dia azon’izy ireo atao ny manao teny anatina taboika lehibe amina taratasy iray. Azon’izy ireo soratana ao anatin’ilay taboika izay zavatra holazain’izy ireo. Eo ambanin’izany, azon’izy ireo soratana ny anaran’izy ireo sy ny toerana nahaterahan’izy ireo. Hevero ny hanantona izany manerana ny efitrano sy hamporisika ny mpianatra handehandeha eran’ny trano ka hamaky ny valintenin’ny mpiara-mianatra maro.

Alaovy sary an-tsaina fa ny gazetibokin’ny Fiangonana Ho zatovo mahery! dia nangataka hevitra avy amin’ny zatovo manerana izao tontolo izao momba ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny Helamàna 5:12. Amina fehezanteny telo hatramin’ny efatra, mamoròna zavatra harotsaka izay manazava ireto manaraka ireto:

  • Ny itovian’i Jesoa Kristy amina “fototra azo antoka”

  • Ny fomba ahafahan’ny fanorenana ny fototra ara-panahintsika eo ambonin’ny “vatolampin’ny Mpanavotra antsika” miaro antsika amin’ny “rivotra mahery” sy “havandran’ny” devoly

Fampiharana hanazaran-tena

Mamerena mijery ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny alalan’ny fanasana ny mpianatra hiasa anaty vondrona misy olona telo, ka ny olona tsirairay dia mijery ny iray amin’ireo fitsipika. Avy eo dia azon’ny mpianatra atao ny manazava ilay fitsipika amin’ny tenin’izy ireo manokana amin’ny olona ao amin’ny vondrona misy azy ireo.

Rehefa avy eo dia zarao amin’ny mpianatra ity rafi-tantara manaraka ity.

Nahatsiaro ho tototry ny fampahalalana ratsy henony momba ny Fiangonana i Matilda namanao tato ho ato. Ny namana iray avy amin’ny fiarahamonina nisy an’i Matilda taloha dia nandefa tahirin-kevitra izay mamely ny fotopampianaran’ny Fiangonana sy mitsikera ny mpaminany tany aminy. Vao haingana no niala tamin’ny Fiangonana ny dadatoany satria tsy manaiky ny fitsipiky ny Fiangonana sasany. Te hijanona ho mahatoky i Matilda saingy manomboka manontany tena izy raha toa ka manana hery amin’izany. Indray andro, eny am-pandehanana mody avy any an-tsekoly, zarain’i Matilda aminao ny zavatra tsapany ary mangataka torohevitra aminao izy.

Ampiasao ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny Helamàna 5:12 mba hanampiana an’i Matilda hijanona ho mahatoky amin’ny fijoroany ho vavolombelona.

Fantaro ny fomba hanampiana ny mpianatra handray anjara amin’ny fomba mahomby amin’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Ohatra, mety hanampy raha asaina mamita ny ampahany amin’ny lesona hoe “Manao asa amim-pinoana” am-pahanginana, izy ireo irery aloha, ny mpianatra. Avy eo izy ireo dia azo asaina hitodika amina mpianatra hafa sy hizara anankiray amin’ny hevitr’izy ireo. Mety hiaina zavatra tsara kokoa ny mpianatra raha mamita ilay ampahany amin’ny lesona hoe “Fomba fijery mibanjina ny mandrakizay” ao anatina vondrona kely. Hevero ny hamita ilay fizaràna hoe “Loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra” miaraka amin’ny iray kilasy.

Manao asa amim-pinoana

  • Inona no asa marina roa na telo azon’i Matilda atao mba hianteherana amin’ny Mpamonjy sy hanamafisana orina ny fototra ara-panahiny mandritra io fotoan-tsarotra io? Inona no mety ho fiantraikan’ireo asa ireo aminy?

  • Inona avy no lesona nianaranao tany amin’ny lasa momba ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy ka mety hanampy an’i Matilda?

Fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

Hevero ny hizara ny mpianatra ho vondrona kely ary hanendry ny mpianatra tsirairay amin’iray farafahakeliny amin’ireto andalan-tsoratra masina hohalalinina manaraka ireto. Rehefa avy mandalina sy mirakitra an-tsoratra ny valintenin’izy ireo ny mpianatra, dia asao hifandimby hizara amin’ny vondrona misy azy ireo ny zavatra nianaran’izy ireo momba ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay izy ireo.

Ampio i Matilda hihevitra ny zava-tsarotra lalovany amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay, amin’ny alalan’ny fanadihadiana ireo fampianaran’ny Mpamonjy.

  • Inona avy no sasantsasany amin’ireo fampianaran’ny Mpamonjy azonao zaraina amin’i Matilda mba hanampiana azy hijery ny ahiahiny amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay? (Mihevera andalan-tsoratra masina toy ireto manaraka ireto: Jaona 6:66–69; Hebreo 10:32–36; 2 Nefia 31:20; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:2–4.)

  • Ahoana no ahafahan’ireo fampianarana ireo manampy an’i Matilda hahita ny ahiahiny amina fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?

  • Ahoana no ahafahan’ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny Helamàna 5:12 manampy an’i Matilda hijery ny ahiahiny amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?

Manorata hafatra fohy any amin’i Matilda raha mandefa hafatra an-tsoratra ho azy ianao. Ampidiro ny zavatra azonao tamin’ny fandalinanao sy fisaintsainanao, ary amporisiho hanohy amim-pahatokiana izy.

Loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

Manontany anao i Matilda momba ny zavatra azony atao rehefa ametrahana fanontaniana momba ny Fiangonana ka tsy hainy ny valiny. Saintsaino ny zavatra azonao zaraina aminy avy amin’ireto fampianaran’ny Filoha Russell M. Nelson manaraka ireto.

Misafidy ny hino an’i Jesoa Kristy. Raha manana fisalasalana momba an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanaka Malalany ianao, na ny maha-azo antoka ny Famerenana amin’ny laoniny na ny fahamarinan’ny maha-avy amin’ Andriamanitra ny fiantsoana an’i Joseph Smith ho mpaminany, dia safidio ny hino [jereo ny 2 Nefia 33:10–11] ary mitoera ho mahatoky. Ento any amin’ny Tompo sy ireo loharano azo antoka ireo fanontanianao. Manaova fandalinana omban’ny faniriana ny hino toy izay amin’ny fanantenana mba hahazoanao mahita tsy fahalavorariana eo amin’ny ambaindain’ny fiainan’ny mpaminany na ireo boky mirakitra soratra masina. Atsaharo ny fampitomboana ireo fisalasalanao amin’ny alalan’ny firesahanao izany amin’ireo mpisalasala hafa. Avelao ny Tompo hitarika anao eo amin’ny dianao mankamin’ny fahatakarana ara-panahy. (Russell M. Nelson, “Nitsangana i Kristy; hamindra tendrombohitra ny finoana Azy,” Liahona, mey 2021, 103)

  • Ahoana, araka ny eritreritrao, no mety hanampian’ny torohevitry ny Filoha Nelson an’i Matilda?

  • Inona avy no loharano mahatoky hafa azon’i Matilda itodihana mba hahitana valiny?

Asao hitady loharano azo itokiana azon’izy ireo atoro an’i Matilda ny mpianatra. Ohatra amin’izany ny Church Newsroom, Sujet de l’Evangile, ny Médiathèque de l’Évangile, na loharano hafa.

Rehefa avy nifanakalo hevitra imbetsaka tamin’i Matilda momba ny finoany sy ny fijoroany ho vavolombelona ianao, dia maneho ny fankasitrahany anao tamin’ny fanampiana azy hijoro tsara amin’ny finoany an’i Jesoa Kristy izy.

Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona fa ny fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy dia afaka manampy antsika eo amin’ny fiainantsika. Omeo fotoana hieritreretana momba ny fampiharana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny toe-javatra misy azy ireo manokana ny mpianatra. Azon’izy ireo atao ny mampiasa ny diary fandalinan’izy ireo amin’ireto manaraka ireto.

Eritrereto ny zava-tsarotra lalovanao manokana, ao anatin’izany ny fakam-panahin’i Satana izay mety “mamely anao” amin’izao fotoana izao (Helamàna 5:12). Misafidiana anankiray izay ilanao fanampiana amin’ny Tompo, ary soraty eo amin’ny tampon’ny pejy iray ao amin’ny diary fandalinanao izany. Soraty ny fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy telo, ary raketo an-tsoratra ny fomba ahafahanao mampihatra izany fitsipika izany amin’ny toe-javatra misy anao manokana.

Famerenana fifehezana fotopampianarana

Mandritra ny lesona manaraka, ampisehoy vato iray ny mpianatra ary asao hitadidy izay andalan-tsoratra masina fifehezana soratra masina mifanaraka amin’izany izy ireo. Hevero ny hanakorontana ny teny ao amin’ilay teny manan-danja eny amin’ny solaitrabe sy hanasa ny mpianatra ho avy handamina ilay andianteny amin’ny filaharany marina.

Hamoaka printy