Seminera
Helamàna 5:1–13: “Ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika”


“Helamàna 5:1–13: -Ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Helamàna 5:1–13,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Helamàna 5:1–13

“Ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika”

Sary
Ny Mpamonjy mipetraka eo ambony vatolampy, mampianatra

Moa ve efa nisy fotoana nahatsapanao ho voahodidina fitaoman-dratsy na fakam-panahin’ny devoly? I Helamàna mpaminany dia nampitaha ny fanafihan’i Satana tamina tafiotra misy rivo-mahery sy havandra izay mamely antsika. Nambarany ihany koa fa ireo izay manorina ny fototry ny fiainan’izy ireo “eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika” (Helamàna 5:12) dia hanana hery hanoherana ny ratsy sy hitoerana ho mahatoky. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanohitra ny devoly sy hanorina ny fototrao eo amin’i Jesoa Kristy.

Ampio ny mpianatra hampitombo ny fankasitrahany sy fitiavan’izy ireo an’i Jesoa Kristy. Rehefa mianatra momba an’i Jesoa Kristy ny mpianatra, dia ampio izy ireo hanao mihoatra noho ny fianarana izay zavatra nolazainy sy nataony ka hianatra hoe iza Izy. Fomba iray hanaovana izany ny fifantohana amin’ireo toetoetrany sy ny mampavaka Azy. Amporisiho ny mpianatra hisaintsaina ny fomba ampiharan’ny Mpamonjy ny heriny eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny Helamàna 5:12 ary hanisy marika ny teny na andianteny izay manan-danja amin’izy ireo. Diniho ihany koa ny hanasana ny mpianatra hanomboka hitadidy ilay andalan-tsoratra masina iray manontolo.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Ny fototra ara-panahinao

Ataovy lisitra eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ny mpianatra amin’ity fanontaniana manaraka ity.

  • Inona avy no fanamby na olana sasantsasany izay mety hanozongozona ny finoana na fototra ara-panahin’ny olona iray? Hevero ny hitanisana izany ao anatin’ny diary fandalinanao.

Hevero ny hampisehoana sarin’ny Tempolin’i Salt Lake.

Sary
ny Tempolin’i Salt Lake

Nandritra ny fihaonambe maneran-tany tamin’ny ôktôbra 2021, dia noresahin’ny Filoha Russell M. Nelson ny momba ny antony tsy maintsy ilana manamafy ny fototra voalohan’ny Tempolin’i Salt Lake. Avy eo izy dia nanasa ny mpikamban’ny Fiangonana hihevitra ny fototra ara-panahin’izy ireo manokana. Vakio ity fanambarana manaraka ity ary mariho ny fomba ampitahan’ny Filoha Nelson ny fanamafisana ny tempoly amin’ny fiainantsika manokana.

Toraka izany koa, fotoana ho antsika izao mba handraisana fepetra tsy mahazatra, angamba fepetra mbola tsy noraisintsika mihitsy taloha, hoentina hanamafisana orina ireo fototra ara-panahintsika. Mitaky fepetra tsy manam-paharoa ny fanamby tsy manam-paharoa.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, andro farany izao. Raha tiantsika ny hahatohitra ireo fahasarotana sy ireo fampahoriana ho avy, dia tsy maintsy manana fototra ara-panahy mafy orina miorina eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika, Jesoa Kristy isika.

Koa manontany ny tsirairay aminareo aho hoe mafy orina toy ny ahoana ny fototrareo? Ary inona avy ny fanamafisana orina ilaina ho an’ny fijoroana ho vavolombelona anananareo sy ny fahatakaranareo ny filazantsara? (Russell M. Nelson, “Ny tempoly sy ny fototra ara-panahinao,” Liahona, nôv. 2021, 93)

  • Inona no hitanao ho niavaka indrindra tao amin’ny tenin’ny Filoha Nelson?

Hevero ny hampisehoana na hanoratana ireo fanontanian’ny Filoha Nelson eny amin’ny solaitrabe rehefa misaintsaina sy manoratra ny mpianatra.

Saintsaino ny fomba azonao hamaliana ireo fanontanian’ny Filoha Nelson momba ny fototra ara-panahinao. Katsaho ny fitaoman’ny Fanahy Masina ary soraty ny valinteninao.

Namporisika ireo zanany lahy i Helamàna hahatsiaro

Nandritra ny faha-54 taonan’ny fanjakan’ny mpitsara, dia maro tamin’ny Nefita no lasa nivaona sy nisafidy ny ratsy toy izay ny tsara. Vokatr’izany, nametra-pialana tamin’ny naha-lohan’ny mpitsara azy i Nefia ary nanampy an’i Lehia rahalahiny tamin’ny fitoriana ny tenin’ Andriamanitra tamin’ny olona (jereo ny Helamàna 5:1–4), tsy misy hafa amin’ny nataon’i Almà Zanany, dadan’ny dadabeny, 60 taona talohan’io (Almà 4:15–20). I Lehia sy i Nefia dia afaka nijanona ho mahatoky, tamin’ny ampahany noho izay ireo nahatsiaro ireo fampianaran’i Helamàna rain’izy ireo.

Diniho ny hanoratana ny teny hoe Tsarovy, tsarovy eny amin’ny solaitrabe, atao lohateny. Asao ny mpianatra hamaky ny Helamàna 5:5–11, ary avy eo ho eny amin’ny solaitrabe hanoratra zavatra iray nasaina notsaroan’i Nefia sy i Lehia. Raha efa eo amin’ny solaitrabe ny zavatra tian’ny mpianatra iray hosoratana, dia azon’ilay mpianatra atao ny manisy marika eo akaikin’izany. Raha tsy afaka nanoratra teny amin’ny solaitrabe ny mpianatra, dia azon’izy ireo atao ny misafidy zavatra iray eo amin’ny lisitra ary mizara ny fomba anampian’ny fatsiarovana izany zavatra izany azy ireo hanamafy orina ny fototra ara-panahin’izy ireo.

Ny fototsika azo antoka.

Vakio ny Helamàna 5:12 hitadiavana fahamarinana hafa tian’i Helamàna hotsaroan’ireo zanany lahy.

Ny Helamàna 5:12 dia andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanisiana marika ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita azy ireny mora foana. Ao amin’ny lesona manaraka ianao dia hanana fahafahana hanao fanazarana mampihatra ny fotopampianarana nampianarina tao amin’io andininy io amina fanontaniana na toe-java-misy iray.

Raha nandray anjara tamin’ny fanomanana ireo mpianatra, dia jereo ny fandrosoan’izy ireo eo amin’ny fitadidiana ny Helamàna 5:12. Hevero ny hanasana azy ireo hizara teny sy andianteny izay nanan-danja tamin’izy ireo.

  • Inona avy no fahamarinana sasantsasany hitanao tao amin’ny Helamàna 5:12?

Fahamarinana roa manan-danja hita ao amin’ny Helamàna 5:12 ny hoe I Jesoa Kristy no fototsika azo antoka sy ny hoe raha manorina ny fototsika eo amin’i Jesoa Kristy isika, dia tsy hanana fahefana amintsika ny devoly.

  • Inona no mampitovy an’i Jesoa Kristy amina vatolampy sy fototra azo antoka ho an’ny fiainantsika?

  • Ahoana no mety hahafahan’ny fanafihan’ny devoly ny finoantsika ho tsapa toy ny tafiotra na tadio?

Azonareo atao ny mifanakalo hevitra amin’ny fomba anafihan’ny devoly ny fiarahamonina, ny fianakaviana, ny Fiangonana, ary ny tsirairay. Mety ho azonareo ifanakalozana hevitra ny fomba itovian’ny fanamby sy ny olana voatanisa eny amin’ny solaitrabe tany am-piandohan’ny lesona amin’ny tafiotra sy tadio. Asao ireo mpianatra hisaintsaina izay rehetra mety ho tafiotra na tadio mety hatrehin’izy ireo manokana.

Raha misy dia jereo ilay horonantsary hoe “Tadio ara-panahy” (2:24) ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org mba hianarana amin’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny fomba handresena ny tadion’ny devoly.

Hevero ny hanoratana ny hoe I Jesoa Kristy no fototra azo antoka ho antsika eny amin’ny solaitrabe. Asao ny mpianatra hanoratra ny valin-tenin’izy ireo ho an’ny fanontaniana voalohany eo akaikin’ilay fanambarana . Miomàna hizara fomba maro ahafahan’ny mpianatra manorina ny fototr’izy ireo amin’i Kristy ary entano hanome valinteny maro. Mety ho ao anatin’ny fomba sasany ny fanarahana ny ohatra nasehony tamin’ny fomba nivavahany tamin’ny Rainy, nitiavany ny fahavalony, na nandaniany fotoana nandalinany ny soratra masina mba hahatonga izany ho voasoratra tao am-pony. Rehefa avy mitanisa ny valinteniny ny mpianatra, dia angataho izy ireo haka vitsivitsy hohadihadiana. Ifanakalozy hevitra ny hetsika manokana azon’izy ireo atao amin’izany sehatra izany.

  • Inona avy no fomba sasantsasany azontsika anorenana ny fototra ara-panahintsika eo ambonin’ny “vatolampin’ny Mpanavotra antsika”?

  • Inona avy no sakana sasantsasany amin’ny fanorenana ny fototsika eo amin’ny Mpamonjy amin’ireo fomba ireo?

  • Ahoana no mety hahafahan’ny fanaovana ireo zavatra ireo manakana ny devoly tsy hanana fahefana amintsika?

Fampiharana ataon’ny tena manokana

Mieritrereta tafiotra na zava-tsarotra manokana atrehinao amin’izao fotoana izao na mety hatrehinao amin’ny hoavy. Hevero am-bavaka ny fomba hanampian’ny fanorenana na fanamafisana orina ny fototrao amin’i Jesoa Kristy hahatohitra ireo fanamby ireo.

Manaova sary iray maneho anao mitsangana amina fototra mafy. Asio soratra hoe “Jesoa Kristy” ilay fototra. Manaova sarina zana-tsipika mirehitra (toy ny lefona maivana) na tadio ary asio soratra milaza fakam-panahy na fanamby manokana atrehinao ilay zana-tsipika na tadio.

Eo ambonin’ilay fototra na eo akaikiny, manorata zavatra manokana ataonao na mety hatombokao hatao mba hanorenana ny fototrao amin’i Jesoa Kristy.

Ohatra, mety ho tanjon’ny tena manokana handany fotoana hanao asan’ny tantaram-pianakaviana na fanatrehana ny fotoana ao amin’ny tempoly izany. Mety ho fandalinana ny filazantsaran’ny Mpamonjy isan’andro ao amin’ny soratra masina izany na fahitsiana kokoa amin’ny vavaka ataon’ny tena manokana. Ny fandalinana fifehezana fotopampianarana dia afaka manampy anao ihany koa hanamafy orina ny fototrao.

Eritrereto izay mety ho sakana rehetra mety mila resenao, ary soraty ny zavatra hataonao mba handresena azy ireny.

Raha azo atao, asio fampahatsiahivana ny telefaoninao mba hanampy anao hanohy ny fanoloran-tena nataonao nandritra ity lesona ity. Hevero ny hizarana ny fanoloran-tenanao amin’ny olona iray azo itokiana ao amin’ny fianakaviana, na namana, ary hangataka azy ireo hanampy anao hihazona izany.

Raha azo atao, omeo fotoana ao an-dakilasy ny mpianatra hanombohana ny zavatra anoloran’izy ireo tena hatao. Amporisiho hanohy any an-trano ny mpianatra. Hevero ny hanao fijoroana ho vavolombelona momba ny Mpamonjy amin’ny maha fototra azo antoka ho antsika Azy sy hanasa ny mpianatra hanao toy izany koa.

Hamoaka printy