Seminera
Helamàna 1–6: Topimaso ankapobeny


“Helamàna 1–6: Topimaso ankapobeny,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Helamàna 1–6,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Helamàna 1–6

Topimaso ankapobeny

Tsy ela taorian’ny nahafatesan’ny Kapiteny Môrônia, sy i Helamàna ary i Pahôrana lohan’ny mpitsara, dia nizaka ny vokatry ny fifandirana be ireo Nefita. I Nefia sy i Lehia, zanakalahin’i Helamàna, dia nahatsiaro ny fomba nanambaran’ny rain’izy ireo fa ireo izay manorina ny fototr’izy ireo eo amin’ny “vatolampin’ny Mpanavotra antsika” (Helamàna 5:12) dia hanana hery hanoherana ny ratsy sy hitoerana ho mahatoky. Rehefa nanaloka ny andiana Lamanita ratsy fanahy ny rahon’ny haizina, dia nampianarina hibebaka sy hanam-pinoana an’i Jesoa Kristy izy ireo. Taona maro tatỳ aoriana, rehefa namintina ny tantaran’ny Nefita i Môrmôna mpaminany sy nirakitra izany an-tsoratra teo amin’ireo takela-bolamena, dia matetika izy no nanasongadina fahamarinana manan-danja amin’ny alalan’ny fampiasana fanambarana toy ny hoe “toy izany no ahitantsika”. Ireo fahamarinana nasongadiny dia afaka manampy antsika amin’ireo zava-tsarotra atrehintsika ankehitriny.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Helamàna 1–4; 6

Fanamarihana: Ny fitamberimberenan’ny avonavona ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia resahina ao amin’ny drafi-pandalinana ny Helamàna 1–6 ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2024. Ao amin’ity boky torolalana ity, ny fitamberimberenan’ny avonavona dia hasongadina ao amin’ny lesona momba ny Helamàna 11–12.

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny vokatry ny fifandirana sy ny fomba ahitana fiadanana ao amin’i Kristy eo anivon’ny tontolo feno fifandirana.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hivavaka ho an’ny olona iray na momba ny zavatra iray izay niteraka fifandirana teo amin’ny fiainan’izy ireo.

  • Votoatiny haseho: Kisary miendrika taboika hadikan’ny mpianatra ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo

  • Horonantsary:Ny herin’ny fahavitrihana ara-panahy” (17:17; jereo manomboka eo amin’ny marim-potoana 1:38 hatramin’ny 3:31)

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visio-conférence: Azon’ny mpianatra atao ny mampiseho ny kisarin-taboika vitan’izy reo sy ny fanambarana fitsipika hitan’izy ireo tamin’ny fandalinana nataon’izy ireo. Izany dia azon’izy ireo atao amin’ny alalan’ny fakana sary nomerika ny kisarin-taboikan’izy ireo sy fizaràna ny efijerin’izy ireo, na azon’izy ireo atao ny mihazona ny kisarin’izy ireo hifanitsy amin’ny fakantsarin’izy ireo.

Helamàna 3; 6

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hamantatra fahamarinana avy ao amin’ny soratra masina sy hanadihady ny fomba ahafahan’ireo fahamarinana ireo miantraika amin’ny fiainan’izy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitady fahamarinana manan-danja iray na roa mandritra ny fandalinana soratra masina ataon’izy ireo manokana na miaraka amin’ny fianakaviana. Angataho izy ireo hiomana hanazava ny fomba ahitan’izy ireo fahamarinana manan-danja ao amin’ny soratra masina.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visio-conférence: Diniho ny hanasana ny mpianatra hizara ao amin’ny chat ireo fahamarinana samihafa hitan’izy ireo ao amin’ny Helamàna 3 sy ny Helamàna 6.

Helamàna 5:1–13

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hanohitra ny devoly sy hanorina ny fototr’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny Helamàna 5:12 ary hanisy marika ny teny na andianteny izay manan-danja amin’izy ireo. Diniho ihany koa ny hanasana ny mpianatra hanomboka hitadidy ilay andalan-tsoratra masina iray manontolo.

  • Sary: Sarin’ny Tempolin’i Salt Lake

  • Horonantsary:Ny tempoly sy ny fototra ara-panahinao” (18:59; jereo manomboka eo amin’ny marim-potoana 3:19 hatramin’ny 4:26); “Tadio ara-panahy” (2:24)

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visio-conférence: Rehefa mizara fomba hanorenana ny fototr’izy ireo amin’i Jesoa Kristy ny mpianatra, dia diniho ny hampiasana ilay fitaovana “solaitrabe fotsy” mba hamoahana ny lisitry ny valintenin’izy ireo sy hanampiana azy ireo hanadihady ny vitsivitsy amin’izany.

Fifehezana fotopampianarana: Helamàna 5:12

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hitadidy ny toko sy andininy fifehezana fotopampianarana sy andianteny manan-danja ao amin’ny Helemàna 5:12 sy hanazava ny fotopampianarana ampianarina ao amin’io andininy io, ary hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanohy hiezaka hitadidy ny Helamàna 5:12 manontolo.

  • Horonantsary:Nitsangana i Kristy; hamindra tendrombohitra ny finoana Azy” (16:22; jereo manomboka eo amin’ny marim-potoana 8:42 hatramin’ny 9:43)

  • Sary: Sarina zatovo mijoro eo ambony vatolampy

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Vato kely, tapaka taratasy lavalava, lakaoly, scotch, lastika, ary markera

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visio-conférence: Diniho ny hizarana ireo mpianatra amina vondrona misaraka mba hifanakalo hevitra momba ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Azonao atao ny mametraka azy ireo amina vondrona samy hafa isaky ny fitsipika tsirairay.

Helamàna 5:14–52

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hatoky an’i Jesoa Kristy hanala ny fahatsapana tahotra sy haizina ary hanolo izany ho fifaliana sy fiadanana ary fahazavana avy Aminy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny itovian’i Jesoa Kristy amin’ny fahazavana (jereo ny Jaona 8:12).

  • Fampianarana amin’ny alalana zavatra: Jiro fanao am-paosy

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visio-conférence: Hanombohana ny fotoam-pianarana dia diniho ny hifanakalozana hevitra amin’ny fiantraikan’ny fahazavana ampy tsara sy ny tsy fahampiana fahazavana amin’ny fisehon’ny mpianatra eo amin’ny fakantsary. Azonao atao ny manasa ny mpianatra handrehitra jiro fanampiny mba hanampiana azy ireo ho mora hita kokoa eo amin’ny efijery.

Hamoaka printy