Seminera
Helamàna 1–4, 6: “Nisy fifandirana be”


“Helamàna 1–4, 6: -Nisy fifandirana be,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Helamàna 1–4, 6,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Helamàna 1–4, 6

“Nisy fifandirana be”

Sary
zatovovavy malahelo mieritreritra

Aiza no ahitanao fifandirana, fizarazaràna, fisaraham-bazana, na fikomiana eo amin’ny tontolo manodidina anao? Tsy ela taorian’ny nahafatesan’ny Kapiteny Môrônia, sy i Helamàna ary i Pahôrana lohan’ny mpitsara, dia nizaka ny vokatry ny fifandirana be ireo Nefita. Na izany aza, dia nisafidy ny hikatsaka fiadanana tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy ny sasany. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny vokatry ny fifandirana sy ny fomba ahitana fiadanana ao amin’i Kristy ao anatin’ny tontolo feno fifandirana.

Ampio ny mpianatra hamboly fahatsapana ho manan-toerana. Ny seminera dia tokony ho fialofana azo antoka ho an’ny mpianatra. Omeo fahafahana ireo mpianatra hampitombo ny firaisan-kina sy fahatakarana rehefa mifampiresaka sy mifampihaino. Amporisiho ny mpianatra hanaja sy hanome lanja ny traikefa sy fomba fijerin’ny hafa.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hivavaka ho an’ny olona iray na momba ny zavatra iray izay niteraka fifandirana teo amin’ny fiainan’izy ireo.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Fanamarihana: Ny fitamberimberenan’avonavona ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia resahina ao amin’ny drafi-pandalinana amin’ny Helamàna 1–6 ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2024.

Fifandirana

Mba hanampiana ny mpianatra hahita ny fiantraikan’ny fifandirana, dia diniho ny hanaovana kisarin-taboika toy ity manaraka ity eny amin’ny solaitrabe sy ny hanasana ny mpianatra hanao toy izany koa ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.

Sary
kisarin-taboika tsy misy n’inona n’inona

Soraty eo afovoan’ny kisarin-taboika ny teny hoe fifandirana. Manodidina io teny io, manorata sehatra amin’ny fiainanao ahitanao fifandirana, toy ny ao amin’ny tamba-tsera sosialy na amin’ny namana. Hanampy zavatra ao amin’io kisary io ianao ao aoriana kely ao amin’ny lesona.

Mety ho afaka manasa ny mpianatra ianao hisaintsaina na hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Ahoana no fiantraikan’ny fifandirana, na mivantana na ankolaka, eo amin’ny fiainanao?

  • Ahoana no fomba famalinao rehefa tsy mitovy hevitra amin’ny hafa ianao na rehefa mifanehatra amin’olona tia fifandirana?

Rehefa manomboka ny fandalinanao ny bokin’i Helamàna ianao, dia jereo tsara ny fomba fiantraikan’ny fifandirana teo amin’ireo Nefita. Mieritrereta ihany koa fomba ahafahanao mikatsaka fiadanana avy amin’i Jesoa Kristy ao anatina tontolo feno fifandirana.

Fifandirana eo anivon’ny fianakaviana, sy ny Fiangonana, ary ny fiarahamonina

Taorian’ny taona maro niadiana, dia afaka nitaky ny tanin’izy ireo tamin’ny Lamanita ireo Nefita. Ny Kapiteny Môrônia sy i Helamàna dia maty nandritra ny fotoanan’ny fandriam-pahalemana izay nanaraka izany. Nomena ny zanakalahin’i Helamàna, izay nantsoina ihany koa hoe Helamàna, ireo rakitsoratra masina. Tsy ela taorian’izany, dia lasa feno avonavona ny Nefita ary niaina fifandirana.

Mba hanampiana ny mpianatra hahita amin’ny ankapobeny ireo tranga ao amin’ireo toko ireo, dia mety ho azonao atao ny manasa azy ireo hamaky ny sasintenin’ny toko Helamàna 1–6.

Ao amin’ny Bokin’i Helamàna isika dia mamaky tantara maro izay maneho ny fiantraikan’ny fifandirana eo amin’ny fianakaviana, sy ny Fiangonana, ary ny fiarahamonina.

Raha vitsy ny olona ao amin’ny kilasinao, dia azon’ny mpianatra atao ny maka iray na roa amin’ireto fizaràna manaraka ireto hiarahan’ny iray kilasy mandalina. Raha maro kokoa ny olona ao amin’ny kilasinao, dia azo atao ny mitsinjara ny mpianatra ho andiany maromaro hiaraka handalina fizaràna iray na maromaro. Raha vao vitan’ny mpianatra ny fifanakalozan’izy ireo hevitra, dia manasà olona iray hizara ny zavatra nianaran’izy ireo avy tamin’ny fizaràna tsirairay.

Halalino ny iray na maromaro amin’ireto fizaràna manaraka ireto.

  • Fianakaviana: Vakio ny Helamàna 1:1–13 hitadiavana ny fomba fiantraikan’ny fifandirana tamin’ny fianakavian’i Pahôrana taorian’ny nahafatesany.

  • Fiangonana: Vakio ny Helamàna 4:1–13 hitadiavana ny fomba fiantraikan’ny avonavona sy ny fifandirana tao amin’ny Fiangonana teo amin’ilay firenena iray manontolo.

  • Fiarahamonina: Noho ny fifandirana momba izay tokony ho lohan’ny mpitsara, dia nanangana vondrona miafina ny lehilahy ratsy fanahy iray nantsoina hoe Kiskomena. Vetivety foana izy dia nampian’ny lehilahy ratsy fanahy iray hafa nantsoina hoe Gadiantôna (jereo ny Helamàna 2). Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, dia nantsoina hoe tsikombakomba miafina ireny karazana vondrona ireny (jereo ny Helamàna 3:23). Vakio ny Helamàna 6:15–21, 37–41, hitadiavana ny zavatra nitranga tamin’ireo Nefita noho ny fifandirana sy ny faharatsiana nateraky ny mpangalatr’i Gadiantôna.

  • Inona avy ny sasantsasany tamin’ny vokatry ny avonavona sy fifandirana?

Ampio ireo mpianatra hanampy zavatra ao amin’ilay kisarin-taboika. Afaka manampy boribory izy ireo ary avy eo mitanisa ny vokatry ny avonavona sy ny fifandirana eo amin’ny sehatra tsirairay eo amin’ny fiainana izay notanisainao teo aloha.

Avy amin’ny zavatra novakinao dia mety ho hitanao fa ny avonavona sy ny fifandirana dia afaka miteraka fizarazaràna eo amin’ny fianakaviana, sy ny fiarahamonina, ary ny firenena. Mety ho azonao heverina ny hirakitra io fahamarinana io ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Helamàna 1:4; 4:12–13; na ny 6:38–40.

Ny Mpamonjy dia nampianatra ny Nefita momba ny maha mandravarava ny fifandirana. Vakio ny 3 Nefia 11:29–30 hitadiavana ny zavatra nolazainy.

  • Avy aiza no iavian’ny fifandirana? Nahoana izany no mandravarava mandrakariva?

  • Nahoana no ho zava-dehibe ny fahafantarana izany rehefa alaim-panahy ianao hanao zavatra am-pahatezerana na rehefa miatrika fifandirana?

  • Inona no maha-ohatra ny Mpamonjy eo amin’ny zavatra nampianariny ao amin’ny 3 Nefia 11:29–30?

Mikatsaka fandriampahalemana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanome fanasana mitovitovy amin’izany momba ny ady sy fifandirana eo amin’ny fiainantsika. Jereo ilay horonantsary hoe “Ny herin’ny fahavitrihana ara-panahy” manomboka eo amin’ny marim-potoana 1:38 ka hatramin’ny 3:31, na vakio ny fanambarana etsy ambany.

Ny antso ataoko anio, ry rahalahy sy anabavy malala isany, dia ny hampitsaharana ireo fifandirana izay mirongatra ao am-ponareo, sy ao an-tokantranonareo, ary eo amin’ny fiainanareo. Aleveno avokoa izay fironana rehetra handratra ny hafa, na izany fisafoahana, na teny tsy voalanjalanja, na lolompo amin’olona izay nandratra anao. Nandidy antsika ny Mpamonjy hanolotra ny takolaka ilany, sy hitia ny fahavalontsika, ary hivavaka ho an’ireo izay manararaotra antsika. …

Mpanara-dia an’ilay Andrian’ny Fiadanana isika. Izao indrindra mihoatra noho ny hatramin’izay no ilantsika ilay fiadanana izay Izy ihany no afaka mitondra azy. Ahoana no ahafahantsika manantena ny hisian’ny fiadanana eto amin’izao tontolo izao raha tsy mikatsaka fiadanana sy filaminana isika tsirairay? Ry rahalahy sy anabavy, fantatro fa tsy mora ny zavatra arosoko. Saingy ny mpanara-dia an’i Jesoa Kristy dia tokony haneho ohatra mba harahin’izao tontolo izao. Miangavy anareo aho mba hanao izay rehetra azonareo atao hampitsaharana ireo fifandirana an’ny tena manokana izay mirongatra ao am-ponareo sy eo amin’ny fiainanareo. (Russell M. Nelson, “Ny herin’ny fahavitrihana ara-panahy,” Liahona, mey 2022, 97)

  • Ahoana no mety hahafahan’ny fanasan’ny Filoha Nelson manampy antsika hanaraka an’i Jesoa Kristy?

Jereo indray ny kisarin-taboika nataonao. Asio marika kely eo akaikin’izay sehatry ny fifandirana izay tsapanao fa azonao taomina ho amin’ny tsara.

Manaova tabilao misy tsanganana roa eny amin’ny solaitrabe, ary soraty ny hoe Afaka mahita fiadanana ao amin’i Kristy aho amin’ny alalan’ny … eo amin’ny tampony. Mety mila mamafa ilay kisarin-taboika ianao mba hahazoana toerana malalaka. Soraty eo amin’ny farany ambony amin’ny tsanganana tsirairay ny iray amin’ireto andian-tsoratra masina manaraka ireto ary asao ny antsasaky ny kilasy handalina ny andiany tsirairay: Helamàna 3:32–36; Helamàna 6:1–9.

Asao ny mpianatra hamita ilay fanambarana eny amin’ny solaitrabe avy amin’ny zavatra hitan’izy ireo tao amin’ny vakiteny nataon’izy ireo ary hifanakalo hevitra momba ny fomba ahafahan’ny zavatra hitan’izy ireo manampy azy ireo hahita fiadanana ao amin’i Kristy.

  • Ampiasao ny zavatra novakinao tao amin’ny Helamàna 3:32–36 na ny Helamàna 6:1–9, dia farano ilay fehezanteny hoe Afaka mahita fiadanana ao amin’i Kristy aho amin’ny alalan’ny …

  • Ahoana no ahafahan’ny fanatonantsika tsirairay an’i Jesoa Kristy mitondra fiadanana sy firaisan-kina amin’ny hafa?

  • Misafidiana iray amin’ireo fomba notanisainao hahitana fiadanana ao amin’i Kristy. Ahoana no ahafahanao mampihatra izany eo amin’ny fiainanao?

Amporisiho ny mpianatra hikatsaka ilay fiadanana izay i Jesoa Kristy ihany no afaka manome azy (jereo ny Jaona 14:27).

Hamoaka printy