Seminera
Helamàna 3; 6: “Ary dia toy izany no ahitantsika”


“Helamàna 3; 6: -Ary dia toy izany no ahitantsika,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Helamàna 3; 6,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Helamàna 3; 6

“Ary dia toy izany no ahitantsika”

Sary
I Môrmôna misaintsaina eo am-panoratana

Alaovy sary an-tsaina hoe ianao manoratra taratasy hanampiana olona izay hiaina an-jato taonany any aoriana. Izany mihitsy no nataon’i Môrmôna mpaminany tamin’ny ankapobeny. Rehefa namintina ny tantaran’ireo Nefita izy ka nisokitra izany tamin’ireo takela-bolamena, dia nanasongadina ombieny ombieny fahamarinana manan-danja tamin’ny alalan’ny fampiasana fanambarana toy ny hoe “ary dia toy izany no ahitantsika.” Ireo fahamarinana nasongadiny dia afaka manampy antsika amin’ireo zava-tsarotra atrehintsika ankehitriny. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hamantatra ireo fahamarinana avy ao amin’ny soratra masina sy hanadihady ny fomba ahafahan’ireo fahamarinana ireo hiantraika amin’ny fiainanao.

Ampio ny mpianatra hianatra avy amin’ireo teny sy andianteny manan-danja. Ny teny sy andianteny sasany ao amin’ny soratra masina dia afaka manome famantaran-tsahan-kevitra ho an’ny mpamaky. Ampio ny mpianatra hamantatra teny izay manondro fotopampianarana sy fitsipika ilaina ankehitriny.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitady fahamarinana manan-danja iray na roa mandritra ny fandalinana soratra masina ataon’izy ireo manokana na miaraka amin’ny fianakaviana. Angataho izy ireo hiomana hanazava ny fomba ahitan’izy ireo fahamarinana manan-danja ao amin’ny soratra masina.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Boky torolalana fiavotana

Atombohy ny lesona amin’ny fanaovana sahanasa izay manampy ny mpianatra hieritreritra momba ny ilana ny soratra masina eo amin’ny fiainan’izy ireo. Izany dia afaka manampy azy ireo haniry hikaroka am-pahazotoana kokoa ireo fotopampianarana sy fitsipika ao amin’ny soratra masina. Fomba iray hanaovana izany ity manaraka ity.

  • Raha angatahina ianao hanoratra boky torolalana momba ny hatafavoahana velona any an-tsekoly ho an’ny ankizy 12 sy 13 taona, dia inona no mety hampidirinao?

Vakio ny zavatra nolazain’ny Filoha Russell M. Nelson momba ny boky torolalana fiavotana ho an’ny fiainanao:

Ireo mpaminany ao amin’ny [Bokin’i Môrmôna], rehefa notaomin’ Andriamanitra dia nahita izao androntsika izao ary nifantina ireo fotopampianarana sy fahamarinana izay hanampy antsika indrindra. Ny Bokin’i Môrmôna no boky torolalana fiavotana ho antsika amin’izao andro farany izao. (Russell M. Nelson, “Raiso am-pinoana ny hoavy,” Liahona, nôv. 2020, 75)

  • Ahoana no fomba ahafahan’ny fotopampianarana sy fahamarinana hitanao ao amin’ny soratra masina manampy anao ho tafavoaka velona ara-panahy? Misy ohatra vao haingana tonga ao an-tsainao ve?

Rehefa mandalina ny Helamàna 3 sy ny Helamàna 6 ianao, dia hanana fahafahana hampihatra ny famantarana fotopampianarana sy fitsipika avy ao amin’ny soratra masina. Izany dia afaka manampy anao hanao fandalinana soratra masina manan-danja kokoa ary mitondra anao sy ny fianakavianao hanakaiky kokoa an’i Kristy.

“Ary dia toy izany no ahitantsika …”

Tamin’ireo fifandirana rehetra voarakitra ao amin’ny  Helamàna 1–6, dia nisy fotoana nisian’ny fandriampahalemana nihelina. Ao amin’ny Helamàna 3 dia an’arivony maro no natao batisa ho ao amin’ny Fiangonana, ary dia niroborobo ny Fiangonana. Ao amin’ny Helamàna 6, taorian’ny fiovam-pon’ny Lamanita maro, dia niaina tamim-piraisan-kina ny Nefita sy ny Lamanita satria samy nitodika tamin’ny Tompo ireo vondrona ireo. Ao amin’ireo toko roa ireo, i Môrmôna dia nampiato kely ny fitantarany ny tantaran’ny Nefita mba hanasongadinana fotopampianarana sy fitsipiky ny fahamarinana manan-danja. Nanao izany izy tamin’ny alalan’ny fampiasana ny fanambarana hoe “ary dia toy izany no ahitantsika.”.

Ity sahanasa manaraka ity dia natao hanazarana ny mpianatra hitady teny na andianteny izay manampy azy ireo hamantatra fotopampianarana na fitsipika ary hijery ny fomba ahafahan’ireny fahamarinana ireny miantraika amin’ny fiainan’izy ireo.

Diniho ny hametrahana ny mpianatra ho ao anatina vondrona kely na tsiroaroa ary hampiseho ireo torolalana ho arahin’izy ireo.

Vakio ny Helamàna 3:27–30; 6:34–36 mba hahitana ireo fanambarana fahamarinana hoe “ary dia toy izany no ahitantsika”. Diniho ny hanisiana marika ireo fahamarinana ireo ao amin’ny soratra masinao sy ny hirakitra an-tsoratra azy ireo amin’ny teninao manokana ao amin’ny diary fandalinanao.

Na dia mety hampiasa teny hafa aza ny mpianatra dia mety hahita fitsipika mitovitovy amin’ity manaraka ity izy ireo:

  • Ny Tompo dia feno famindram-po amin’ireo rehetra izay miantso Azy amin’ny fahatsoram-po (jereo ny Helamàna 3:27).

  • Ny vavahadin’ny lanitra dia mivoha ho an’izay rehetra mino ny anaran’i Jesoa Kristy (jereo ny Helamàna 3:28).

  • Na iza na iza maniry dia afaka mandalina ny tenin’ Andriamanitra, izay hitarika azy ho amin’ny fanjakan’ Andriamanitra (jereo ny Helamàna 3:29–30).

  • Arakaraka ny ahafantarantsika kokoa an’ Andriamanitra no mety hitandremantsika kokoa ny didiny (jereo ny Helamàna 6:34).

  • Raha ratsy fanahy sy manamafy ny fontsika isika, dia hiala amintsika ny Fanahin’ny Tompo (jereo ny Helamàna 6:35).

  • Raha misafidy ny hinia hino ny tenin’ny Tompo isika, dia handrotsaka ny Fanahiny amintsika Izy (jereo ny Helamàna 6:36).

Raha toa ka hahazoan’ny mpianatra tombony ny fandalinana ny iray na mihoatra amin’ireo fitsipika ireo, dia jereo ny fizaràna hoe “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” sy ny “Ireo sahanasa fianarana fanampiny azo atao” mba hahitana hevitra hita ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile na ny Médiathèque de l’Évangile an-jotra.

Safidy hafa azo atao ny manome fotoana misimisy kokoa ny mpianatra mba hanao fanazarana hamantatra fahamarinana. Diniho ny hangatahana azy ireo hanoratra fanambarana “ary dia toy izany no ahitantsika” hafa avy amina andininy fifehezana fotopampianarana iray, na zavatra iray nohalalinin’izy ireo vao haingana tany an-trano, na andininy hafa tena tian’izy ireo izay safidìn’izy ireo.

Manaraka izany, misafidiana iray amin’ireo fahamarinana hitanao, ary mitanisà sasany amin’ireo loza, na fanamby, na fanafihana ara-panahy mihatra amin’ny finoana ka azon’io fahamarinana io anampiana anao ho tafavoaka velona. Ohatra, raha ilay fahamarinana hoe Raha misafidy ny hinia hino ny tenin’ny Tompo isika, dia handrotsaka ny Fanahiny amintsika Izy (jereo ny Helamàna 6:36) no nampiasainao, dia mety ho azonao atao ny mitanisa loza toy ny filàna porofo ara-tsiansa izay vao hino ny soratra masina, na ny finoana kokoa ny manam-pahaizana manokana eo amin’izao tontolo izao toy izay ny finoana ireo mpaminany, na ny fahatokiana ny lôjika toy izay ny fahatsapana ara-panahy.

Tsarovy ny teny nambaran’ny Filoha Nelson tany am-piandohan’ity lesona ity momba ny Bokin’i Môrmôna izay boky torolalana fiavotantsika amin’ny andro farany.

Raha misy dia omeo crayons à cire, na pensilihazo miloko, na markera ny mpianatra mba hamoronana “boky torolalana fiavotana” iray pejy. Azon’izy ireo atao ny manao ity manaraka ity tsirairay na mitambatambatra ho vondrona.

Amina taratasy iray, soraty ny hoe “Ny fomba ahatafavoahana velona amin’ny …” ary farano amin’ny iray amin’ireo loza, na fanamby, na fanafihana ara-panahy notanisainao ilay fanambarana. Ohatra, raha nampiasa ny fahamarinana nampiasainao tetsy ambony ianao, dia azonao soratana ny hoe: “Ny fomba ahatafavoahana velona amin’ny fanafihana mihatra amin’ny fahatsapana ara-panahy”. Ampiasao ilay fahamarinana nosafidinao hamoronana boky torolalana hiavotana iray pejy. Hazavao amina sary na teny ny fomba ahafahan’io fahamarinana io manampy zatovo iray ho tafavoaka velona ara-panahy. Ampidiro ao anatin’ny boky torolalana fiavotanao ny roa farafahakeliny amin’ireto hevitra manaraka ireto:

  • Ny antony ahafahan’io fahamarinana io manampy olona iray ho tafavoaka velona ara-panahy amin’ny fahasarotana nolazainao

  • Soratra masina hafa izay mifandray amin’io fahamarinana io na manampy amin’ny fahasarotana nolazainao

  • Ny fomba itondran’io fahamarinana io anao na ny hafa ho eo amin’i Jesoa Kristy na anampiany anao handray ny heriny

  • Ny zavatra mety hiseho amin’olona raha tsy mahafantatra na tsy manaraka io fahamarinana io

  • Ny fomba hiovan’izao tontolo izao raha misafidy ny hiaina araka io fahamarinana io ny rehetra

Asao ny mpianatra hizara ny boky torolalana fiavotan’izy ireo amin’ny vondrona hafa na amin’ny kilasy iray manontolo. Rehefa manao izany izy ireo, dia hevero ny hanasana azy ireo hizara zavatra niainan’izy ireo manokana izay mifandray amin’ireo fahamarinana nasongadin’izy ireo. Ohatra, raha ilay fahamarinana hoe Raha misafidy ny hinia hino ny tenin’ny Tompo isika, dia handrotsaka ny Fanahiny amintsika Izy (jereo ny Helamàna 6:36) no nampiasain’ny mpianatra, dia azonao atao ny manontany azy ireo ny fomba nahatsapan’izy ireo ny Fanahiny teo am-pandalinana sy eo am-pampiharana ny teniny ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Amporisiho ny mpianatra hitady fotopampianarana sy fahamarinana manan-danja rehefa mandalina ny soratra masina. Mijoroa ho vavolombelona momba ny herin’ny tenin’ Andriamanitra.

Hamoaka printy