Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 18: Takaro ny fotopampianarana


“Famerenana fifehezana fotopampianarana 18: Takaro ny fotopampianarana,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Famerenana fifehezana fotopampianarana 18,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Famerenana fifehezana fotopampianarana 18

Takaro ny fotopampianarana

Sary
I Kristy mampianatra ny Nefita

Tanjona iray amin’ny fifehezana fotopampianarana ny hanampy anao hahatakatra tsara kokoa ny fampianaran’ny Mpamonjy. Ity lesona ity dia hanome anao fahafahana mampitombo ny fahatakaranao ny fahamarinana ampianarina ao amin’ireo andininy samihafa fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Manampy ny mpianatra hianatra mampifandray soratra masina. Ny fanisiana todika na rohy ny soratra masina dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra tsara kokoa ny fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara sy hahita ny fomba ampianarana azy ireny manerana ny boky samy hafa ao amin’ny soratra masina. Ampio hianatra mampiasa todika omena eny amin’ny fanamarihana ambanim-pejy na fitaovana hafa manampy amin’ny fianarana ny mpianatra. Amporisiho izy ireo hamorona ny rohin’izy ireo manokana amin’ny alalan’ny fampiasana lahateny, boky torolalana sy gazetibokin’ny Fiangonana, ary loharano azo antoka hafa.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisafidy am-bavaka andininy iray fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’ Môrmôna izay afaka mitahy ny fiainan’izy ireo rehefa mandalina izany izy ireo.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Azo ampianarina eo amin’ny toeran’ity lesona famerenana ity ny lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana anankiray. Jereo ny fandaharam-potoana izay nomen’ny tale na mpandrindra eo anivon’ny vondromparitra na ny faritra mba hahazoana antoka fa ampianarina avokoa ireo lesona momba ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra mandritra ny fotoana ampianarana seminera.

Iza moa ianao?

Alaovy sary an-tsaina hoe te hahalala misimisy kokoa anao ny olona iray vao hitanao. Raha mangataka ny tsirairay amin’ireto olona manaraka ireto hanoratra famaritana zavatra tsara momba anao ao anatina fehezanteny iray izy, inona araka ny eritreritrao no hosoratan’ny olona tsirairay?

Mba hanampiana ny mpianatra hifankafantatra tsara kokoa sy hampitombo ny firaisankinan’ny kilasy, dia asao hanoratra sy hanatitra fehezanteny heverin’izy ireo fa hampiasain’ireto olona manaraka ireto hamaritana azy ireo ny mpianatra. Ampahafantaro izy ireo fa mety hovakina mafy ny taratasin’izy ireo. Vakio amin’ny iray kilasy ny taratasy vitsivitsy, miato kely isaky ny mahavita iray mba hahitana raha afaka mamantatra ny mpiara-mianatra fariparitana ny mpianatra.

  1. Ny namanao akaiky indrindra

  2. Ny ray aman-dreninao na mpiantoka anao

  3. Ny evekanao na filohan’ny sampana misy anao

  • Ahoana no mety hahafahan’ny firesahana amin’olona samy hafa izay mahalala anao manampy ny olona iray hahatakatra anao tsara kokoa?

Toy izany koa, ny fandalinana sy fampitahana ireo fahamarinana izay hita ao amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana maromaro dia afaka manampy anao hahatakatra feno kokoa ny Mpamonjy sy ny fotopampianarany raha ampitahaina amin’ny fianteherana amin’ny andininy anankiray fotsiny ihany.

Mahatakatra andinin-tsoratra masina

Azon’ny mpianatra atao ny manao ity sahanasa manaraka ity amina taratasy ao anatina vondrona misy olona telo, na eny amin’ny solaitrabe miaraka amin’ny iray kilasy.

Manaova telozoro lehibe, ary asio soratra amin’ireto toko sy andinin-tsoratra masina telo ireto ny teboka telo amin’izany. Asao ny mpianatra mba hanoratra ao amin’ilay telozoro ny fahamarinana izay anampin’ny andininy tsirairay ny fahatakaran’izy ireo. Avy eo dia ifanakalozy hevitra ny fomba anampian’ireo andininy telo rehetra ireo amin’ny fampianarana ny dingan’ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona.

Vakio ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Môrônia 10:4–5, ary raketo an-tsoratra ny zavatra ianaranao ao amin’izy io.

Avy eo dia halalino ny 2 Nefia 28:30 sy ny Etera 12:6. Raketo an-tsoratra ny zavatra anampian’ny tsirairay ny fahatakaranao ny Môrônia 10:4–5. (Mety ho azonao heverina ny hanisy todika na hanisy rohy ifandraisan’ireo andininy ireo.)

Mahatakatra ny lohahevitry ny filazantsara

Sary
I Jesoa Kristy avy ao amin’ny horonantsarin’ny Bokin’i Môrmôna

Mety hanampy ny fampiasana andalan-tsoratra masina maro rehefa te hahafantatra misimisy kokoa mombana lohahevitra iray manokana ianao. Ohatra, mety te hahalala misimisy kokoa momba an’i Jesoa Kristy ianao. Ao amin’ity tabilao manaraka ity, misafidiana andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana telo farafahakeliny izay mampianatra momba an’i Jesoa Kristy. Ampitahao ny zavatra ianaranao momba Azy avy amin’ny andininy tsirairay.

Hevero ny hampiseho ity tabilao manaraka ity.

Fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: Almà–Môrônia

Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2024)

Toko sy andinin-tsoratra masina

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 7:11–13

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 34:9–10

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy maintsy misy sorompanavotana atao, … sorona tsisy fetra sady mandrakizay.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 39:9

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy handehananao intsony araka ny fitsiriritan’ny masonao.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 41:10

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Helamàna 5:12

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 11:10–11

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Efa niaretako ny sitrapon’ny Ray tamin’ny zava-drehetra tany am-piandohana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 12:48

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Aoka ho tanteraka tahaka Ahy, na ho tanteraka tahaka ny Rainareo izay any an-danitra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 27:20

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Mankanesa atỳ amiko ary aoka hatao batisa … mba hahazoana manamasina anareo amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Etera 12:6

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy mandray fijoroana ho vavolombelona ianareo raha tsy aorian’ny fizahan-toetra ny finoanareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Etera 12:27

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Raha manatona Ahy ny olona, … amin’izany, ny zavatra malemy dia hataoko tonga matanjaka ho azy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môrônia 7:45–48

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ny fiantrana kosa dia ny fitiavana madion’i Kristy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môrônia 10:4–5

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Manontany amin-kitsimpo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’i Kristy … [ary] amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra.”

  • Ahoana no anampian’ny andininy tsirairay nosafidianao anao hahatakatra tsara kokoa ny Mpamonjy?

Hevero ny hampisehoana sarin’i Jesoa Kristy eny amin’ny solaitrabe sy ny hanasana ny mpianatra hanoratra toko sy andininy nosafidìn’izy ireo sy fahamarinana hitan’izy ireo eo amin’ny manodidina ilay sary.

Ny safidinao

Tia anao ary mahafantatra ny zavatra ilainao eo amin’ny fiainanao, amin’izao fotoana izao sy amin’ny hoavy, ny Ray any An-danitra. Hevero ny hangataka Aminy ao anatina vavaka mba hanampy anao hisafidy andininy na lohahevitra iray avy ao amin’ilay tabilao eo ambony. Ampiasao ny fahaiza-manaon’ny fanisiana rohy sy fandalinana ara-dohavehitra izay nampiharinao androany mba hianarana misimisy kokoa momba ilay andininy na lohahevitra safidinao. Azonao ampiasaina ireto dingana manaraka ireto mba hitari-dalana anao:

Raha misafidy ny hamita ity sahanasa manaraka ity miaraka amin’ny iray kilasy ianao, dia asao hiaraka hisafidy ny andininy na lohahevitra ao amin’ny filazantsara tian’izy ireo hianarana misimisy kokoa ny iray kilasy.

Rehefa avy eo dia asao hiasa anatina vondrona kely ny mpianatra mba hahitana andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mifandray amin’izany maro araka izay azon’izy ireo atao ao anatina fotoana voafetra.

Farany, asao hanazava ny fomba ampitomboan’ireo andininy hafa hitan’izy ireo ny fahatakaran’izy ireo ilay andininy na lohahevitra nofidina ny mpianatra.

  1. Jereo ny toerana misy ilay lisitra fenon’ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andianteny manan-danja hita any amin’ny faran’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023).

  2. Misafidiana ary mamakia andininy fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna roa farafahakeliny izay mifandray amin’ny andininy na lohahevitra nosafidinao hohalalinina. Soraty ny fomba ampitomboan’ny andininy tsirairay ny fahatakaranao ilay andininy na lohahevitra nofantenanao.

  3. Misafidiana ary mamakia andininy fifehezana fotopampianarana roa hafa farafahakeliny avy amina fianarana soratra masina hafa, izay manampy ny fahatakaranao ny andininy na lohahevitra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna nofantenanao. Soraty ny fomba ampitomboan’ny andininy tsirairay ny fahatakaranao ilay andininy na lohahevitra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna nofantenanao.

Saintsaino ny fomba ahafahan’ny fampiharanao tsy tapaka ny zavatra nampiharinao androany amin’ny fandalinanao soratra masina any an-trano manampy anao.

Raha namita tsirairay ilay sahanasa teo aloha ny mpianatra, dia asao izy ireo hizara amin’ny mpianatra manodidina azy ireo ilay andininy na lohahevitra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna nosafidin’izy ireo sy ny zavatra nianaran’izy ireo tamin’ny andininy tsirairay hitan’izy ireo.

Raha misy fotoana, dia hevero ny hamerenana io sahanasa io, manomboka amina andininy na lohahevitra iray hafa.

Hamoaka printy