Seminera
Helamàna 13–16: Topimaso ankapobeny


“Helamàna 13–16: Topimaso ankapobeny,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Helamàna 13–16,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Helamàna 13–16

Topimaso ankapobeny

Nefita maro no nikomy tamin’ Andriamanitra sy ny didiny, koa nandefa an’i Samoela ilay Lamanita tany amin’izy ireo niaraka tamin’ny hafatra mba hibebaka Andriamanitra. I Samoela dia nanao vy very ny ainy mba hampianarana azy ireo fa ny fibebahana dia fanomezana avy amin’i Jesoa kristy izay mitarika mankamin’ny fahasambarana sy famonjena. Tao anatin’ireo faminaniany, izy dia nilaza famantarana izay hilaza ny fahaterahana sy fahafatesan’i Jesoa Kristy.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Helamàna 13–16

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny anjara asan’ny mpaminany sy ny fomba anampian’izy ireny antsika.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba ho tonga efa vonona hizara ny fahafantaran’izy ireo fa ny niaraka tamin’ny mpaminany fahiny ny Tompo ary miaraka amin’ny mpaminany maoderina amin’izao fotoana izao.

  • Votoatiny haseho: Ilay tabilao any am-piandohan’ny lesona; sarin’i Samoela ilay Lamanita, i Noa, i Mosesy, i Petera, ary i Joseph Smith

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Tahadika maron’ny Liahona misy ny fihaonambe maneran-tany vao haingana.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Rehefa mamerina mijery ohatra amin’ny fomba niarahan’ Andriamanitra tamin’i Noa, i Mosesy, sy Petera ary i Joseph Smith ny mpianatra, dia hevero ny hizarana ny kilasy ho efitra fanasarahana efatra. Ny efitra tsirairay dia azo asaina handalina sy hiomana hizara momba ny iray amin’ireo mpaminany ireo rehefa miverina miaraka indray ny vondrona.

Helamàna 13, Tapany 1

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra tsara kokoa ny toetra mamindra fo sy mamela heloka ananan’ny Tompo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba ho tonga efa vonona hizara ny fahatsapan’izy ireo taorian’ny niainan’izy ireo ny toetra mamindra fo sy mamela heloka ananan’ny Tompo teo amin’ny fiainan’izy ireo. Ampahatsiahivo azy ireo ny tsy tokony hizarany zavatra izay mahakasika loatra ny tenany manokana.

  • Horonantsary:Repentance and Conversion” (14:35; jereo manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:00 hatramin’ny 0:50 sy manomboka eo amin’ny 0:50 hatramin’ny 1:27); “Tafiditra amina toerana sarotra” (3:41)

  • Votoatiny haseho: Ny torolalana amin’ny sahanasa A sy B ary D

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hanasana ireo misiônera miasa amina fotoana feno ao amin’ny faritra misy anao ho tonga ao an-dakilasy hizara tantara momba ny olona iray nampianarin’izy ireo tamin’ny asa fitoriana nataon’izy ireo, izay niainana ny famindram-po sy fitiavan’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny fibebahana. Ataovy azo antoka fa nahazo alalana avy amin’ny mpandrindra na mpitantana ny programa sy ny mpitarika ny fisoronana eo an-toerana ianao alohan’ny handefasanao ny fanasana.

Helamàna 13, Tapany 2

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra handresy ny sakana rehetra amin’ny fibebahana.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina hoe firy amin’ireto teny manaraka ireto no hampiasain’izy ireo hamaritana ny fibebahana sy ny anton’izany: famaizana, fanantenana, fitahiana, fiovana, fandrosoana, fahoriana.

  • Sary haseho: Farihin-tendrombohitra iray

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Tahadikan’ny fanambarana misy andiam-pehezanteny telo nataon’ny Filoha Russell M. Nelson ho an’ny mpianatra tsirairay

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Asehoy eo amin’ny efijery ireo teny nambaran’ny Filoha Nelson avy ao amin’ny lesona. Avelao hampiasa ny fiasa fanaovana sary ny mpianatra mba hanisian’izy ireo marika ireo andianteny heverin’izy ireo fa afaka manampy antsika handresy ireo sakana amin’ny fibebahana. Asao hizara ny antony nanisian’izy ireo marika ny zavatra nataon’izy ireo ny mpianatra.

Helamàna 14

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hanamafy orina ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy rehefa mahatakatra ireo famantarana nomen’ Andriamanitra antsika izy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hiomana hizara ny fomba mahatonga ny fahazavana ampitahaina amin’i Jesoa Kristy. Azon’izy ireo atao ny mieritreritra jiro fanao am-paosy, takamoa, na fahazavana voajanahary toy ny masoandro sy kintana.

  • Votoatiny haseho: Fanambarana ho an’ny zava-mitranga iray eo amin’ny fiaiananao izay alefanao mialoha any amin’ireo olona akaiky anao; fitsapam-pahaizana fampifandraisana

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Taratasy, feutre, markera ary fitaovana hafa hanaovana filazana

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hanasana ny mpianatra hamorona filazana nomerika momba ny fahaterahana na fahafatesan’ny Mpamonjy. Avy eo dia avelao izy ireo hizara ny efijeriny rehefa manazava ny filazana noforonin’izy ireo. Na azon’ny mpianatra atao ny mamorona filazana amina taratasy, markera, na feutre ary mampiseho izany eo amin’ny fakantsary fotsiny.

Famerenana fifehezana fotopampianarana 18

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanome ny mpianatra fahafahana mampitombo ny fahatakaran’izy ireo ny fahamarinana ampianarina ao amin’ireo andininy samihafa fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisafidy am-bavaka andininy iray fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’ Môrmôna izay afaka mitahy ny fiainan’izy ireo rehefa mandalina izany izy ireo.

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Taratasy ho an’ny isam-batan’olona sy ny vondrona

  • Votoatiny haseho: “Fifehezana ny fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: Almà–Môrônia”; sarin’i jesoa Kristy

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visio-conférence: Eo am-panombohan’ny lesona, ny mpianatra dia hasaina manoratra fehezanteny vitsivitsy momba ny tenan’izy ireo. Raha azo atao, asao handefa mivantana any aminao ny valintenin’izy ireo ny mpianatra, amin’ny alalan’ny fampiasana ny fiasa chat manokana. Izany dia hahafahan’ny mpianatra maminavina ny hoe iza no nanoratra ny valinteny rehefa vakinao amin’ny kilasy izany.

Hamoaka printy