Seminera
Helamàna 14: Famantaran’ny Mpamonjy


“Helamàna 14: Famantaran’ny Mpamonjy,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Helamàna 14,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Helamàna 14

Famantaran’ny Mpamonjy

Sary
zatovolahy mandalina ny soratra masina

Ny Ray any An-danitra dia mandefa mpaminany mba hanampy ireo zanany hino ny Zanany malalany, toy ny tamin’ny fotoana nanomezany toromarika an’i Samoela ilay Lamanita haminany tamin’ny Nefita. Tao anatin’ireo faminaniany, i Samoela dia nilaza famantarana izay hilaza ny fahaterahana sy fahafatesan’i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanamafy orina ny finoanao an’i Jesoa Kristy rehefa mahatakatra ireo famantarana nomen’ Andriamanitra antsika ianao.

Amporisiho handray anjara amin’ny fianarana ny mpianatra tsirairay. Manomeza fomba maro ahafahan’ny mpianatra mandray anjara ao amin’ny kilasy. Izany dia mety hahitana fanaovana sary, fanoratana eny amin’ny solaitrabe, fanazavana ny zavatra takatr’izy ireo, na fijoroana ho vavolombelona. Ankasitraho ny ezaka ataon’ny mpianatra ary amporisiho hanohana ny fandraisana anjaran’ny mitovy aminy ny rehetra.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hiomana hizara ny fomba mahatonga ny fahazavana ampitahaina amin’i Jesoa Kristy. Azon’izy ireo atao ny mieritreritra jiro fanao am-paosy ao amin’ny toerana maizina, takamoa ao amin’ny trano iray, na fahazavana voajanahary toy ny masoandro sy kintana.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Filazana

Mieritrereta fotoana lehibe eo amin’ny fiainanao izay tena manan-danja ka hanaovanao filazana mialoha amina namana sy fianakaviana. Amina kolontsaina maro, ny filazana amin’ny fomba ôfisialy ho an’ny fizaràna diplaoma, ny fanambadiana, ny tsingerintaona nahaterahana manan-danja, sy ireo zavatra manan-danja hafa dia amboarina ary alefa herinandro na volana maromaro mialoha.

Hevero ny hampisehoana amin’ny mpianatra ohatra amin’ny filazana na ny hitenenana amin’izy ireo mombana fotoana lehibe eo amin’ny fiainanao izay nanaovana filazana mialoha tamin’ny olona akaiky.

  • Inona no antony sasantsasany andefasan’ny olona ireny filazana ireny alohan’ilay andron’ilay fotoana lehibe?

  • Inona avy no fotoana lehibe sasantsasany izay nosafidin’ny Ray any An-danitra hanaovana filazana mialoha tamin’ny alalan’ny mpaminaniny? Nahoana araka ny eritreritrao no tena manan-danja ny hampahafantarana izany fotoana lehibe izany?

Tamin’ny alalan’ny faminanian’i Samoela ilay Lamanita, Andriamanitra dia nilaza tamin’ny Nefita zavatra manan-danja hiseho amin’ny hoavy sy famantarana izay hiaraka amin’izany.

Vakio ny Helamàna 14:12, hitadiavana ireo antony nandidian’ Andriamanitra an’i Samoela haminany momba izany famantarana izany.

Ampio hitady fitsipika iray ny mpianatra, amin’ny alalan’ny fanasana azy ireo hamintina ny zavatra nianaran’izy ireo tamin’io andininy io. Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra azy, saingy ny fahamarinana hitan’izy ireo dia mety hitovitovy amin’ity manaraka ity.

Fahamarinana iray azontsika ianarana ny hoe ny fahafantarana ireo famantarana nomen’ Andriamanitra dia afaka manamafy ny finoantsika an’i Jesoa Kristy.

Ahoana araka ny eritreritrao no mety ho niantraikan’ny fanatreha-maso ireo famantarana nomen’i Samoela mba hilazana ny fahaterahana sy ny fahafatesan’i Jesoa Kristy taminao? Saintsaino hoe inona avy no famantarana na zavatra niainana nomen’ Andriamanitra anao mba hanamafisana ny finoanao ny Mpamonjy. Mety ho ao anatin’izany ny famantarana izay mialoha ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.

Famantarana ny fahaterahana sy fahafatesan’ny Mpamonjy

Raha mampiasa ity sahanasa manaraka ity ianao, dia omeo fe-potoana ny mpianatra mba hisian’ny fotoana ho an’ny fitaovana ambiny ilain’ny mpianatrao. Azon’ny mpianatra atao ny miasa amina vondrona kely, ary azonao atao ny manendry vondrona samy hafa handalina ny fahaterahan’i Kristy na ny fahafatesany. Ampahatsiahivo ny mpianatra hanao ny fahaterahany sy fahafatesany am-panajana rehefa mamorona ny filazana ataon’izy ireo.

Safidy iray hafa ho an’ny vondrona rehetra ny mamorona filazana momba ny fahaterahan’i Kristy sy hifanakalo hevitra ao amin’ny vondron’izy ireo momba ny fomba ijoroan’ireo famantarana ireo ho vavolombelona momba Azy. Aorian’izany, azon’ny mpianatra atao ny mandalina ireo famantarana momba ny fahafatesan’i Kristy miaraka amin’ny iray kilasy ary hifanakalo hevitra amin’ny fomba ijoroan’ireo famantarana ireo ho vavolombelona momba Azy.

Manomeza fitaovana toy ny feutre sy taratasy, araka izay ilaina. Azon’ny mpianatra atao ny mampiasa fitaovana nomerika raha misy, fa tsy taratasy.

Amin’ny alalan’ny fampiasana ireto faminaniana manaraka ireto, mamoròna filazana ho an’ny Nefita tamin’ny andron’i Samoela momba ny fahaterahana sy fahafatesan’ny Mpamonjy. Miezaha maneho ny fientanentanana tamin’ny fahaterahan’ny Mpamonjy sy ny vesatry ny fahafatesany. Ampidiro ihany koa ny antony tokony hiomanan’ny olona amin’ny fotoana lehibe ho avy.

Asao hanolotra ny filazana nataon’izy ireo amina vondrona hafa ny vondrona tsirairay. Raha nifantoka tamina famantarana samy hafa ny vondrona samy hafa, dia asao hanao fanolorana amina vondrona iray izay nandalina famantarana hafa izy ireo.

Avy eo dia manasà fifanakalozan-kevitra ataon’ny iray kilasy momba ny Mpamonjy, amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana mitovy amin’ireto manaraka ireto.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nampilaza ny fahaterahan’ny Mpamonjy sy ny fahafatesany ny famantarana nahitana hazavana sy haizina?

  • Ahoana no mety ho nanamafisan’ny fahitana ireny famantarana ireny ny finoan’ny Nefita ny Mpamonjy?

Raha manampy ny mpianatra, dia hevero ny hanasana azy ireo hitady toerana ao amin’ny soratra masina izay ampitahana ny Mpamonjy amina hazavana—ohatra, Jaona 8:12. Hevero ny hanontany ny hoe: “Ahoana no naha-fahazavana an’i Jesoa Kristy taminao?”

Ireo famantarana ny Fiaviana Fanindroany

Sary
ny Fiaviana Fanindroany

Tahaka ny nampiasan’ny Ray any An-danitra famantarana mba hanomanana ireo Nefita fahiny amin’ny fahatongavan’ny Zanany, dia mampiasa famantarana Izy amin’izao androntsika izao mba hanomanana antsika amin’ny Fiavian’ny Zanany Fanindroany.

Ity fizarana ity dia natao hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny sasany amin’ireo famantarana mialoha ny Fiaviana Fanindroany. Ny andiam-panontaniana fampifandraisana eo ambany dia fomba iray anampiana ny mpianatra hanao izany. Azonao atao ihany koa ny mampiasa fomba fiasa hafa, toy ny fampisehoana ny lisitry ny famantarana mandritra ny fotoana amalian’ny mpianatra ireo fanontaniana any amin’ny faran’ny lesona. Na azonao atao ny mangataka ny ankizy tsirairay hisafidy toko sy andininy iray hovakina ary avy eo hanao tatitra amin’ny iray kilasy ny famantarana hitan’izy ireo.

Fanalahidin’ny valiny: 1-e, 2-b, 3-a, 4-d, 5-f

Mba hanampiana anao ho lasa zatra na hahatsiaro ny sasany amin’ireo famantarana mialoha ny Fiaviana Fanindroany, dia vakio ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto ary ampifandraiso amin’ny famaritana ny famantarana izy ireo. Raha te handalina famantarana misimisy kokoa ianao, dia jereo ny “Famantaran’ireo Fotoana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

  1. 1 Nefia 14:14

  1. Hosintonina ho ao amin’ny tempolin’ Andriamanitra ny olona avy amin’ny firenena rehetra

  1. 2 Nefia 3:6, 11, 15

  1. Taranak’i Josefa avy any Egypta (Joseph Smith) no hitondra ny tenin’ Andriamanitra (ny Bokin’i Môrmôna)

  1. Isaia 2:2–3

  1. Hotorina manerana izao tontolo izao ny filazantsara

  1. Matio 24:14

  1. Ho hita manerana ny tany ny olon’ny Tompo ary hotahin’ny herin’ Andriamanitra izy ireo

  1. 2 Timoty 3:1–7

  1. Ho tia tena sy ho mpanota ny olona ary hihodina hiala amin’ Andriamanitra

  • Ahoana no nahitanao ny fahatanterahan’ny sasany amin’ireo famantarana momba ny Fiaviana Fanindroany?

Ity fanontaniana manaraka ity dia mety ho zava-dehibe ny hisaintsainan’ny mpianatra azy. Alohan’ny hamalian’izy ireo dia hevero ny hanome azy ireo fotoana handinihana ny fomba niantraikan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny, ny asa fitoriana, ny tempoly sy ny Mpaminany Joseph Smith, ary ny Bokin’i Môrmôna teo amin’ny finoan’izy ireo ny Mpamonjy.

  • Ahoana no nanamafisan’ny fahatanterahan’ireo famantarana ireo ny finoanao ny Mpamonjy?

  • Araka ny Helamàna 14:13, 28–29, nahoana no tena zava-dehibe amintsika ny mino an’i Kristy?

  • Tamin’ny lafiny inona no naha-fitahiana taminao ny finoanao an’i Jesoa Kristy?

Hevero ny hanasana ny mpianatra hirakitra an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo ny fahatsapana voarain’izy ireo momba ity manaraka ity.

Rehefa mandalina ny 3 Nefia 1–10 ianao amin’ny lesona ho avy, dia hamaky momba ny fahatanterahan’ny famantarana nomen’i Samoela momba ny fahaterahana sy fahafatesan’ny Mpamonjy ianao. Ny olona tamin’ny andron’i Samoela izay nino ny faminaniana sy vonona tamin’ny fahatongavan’i Kristy dia niaina zavatra tena hafa tamin’ireo izay tsy nino.

Ao amin’ny diary fandalinanao, manorata momba ny finoanao ny Mpamonjy sy ireo zavatra niainana nitarika anao tamin’izany. Mety ho azonao ampidirina ihany koa ny fomba ahafahanao manamafy orina izany finoana izany (ohatra, amin’ny alalan’ny fanohizana mandalina ny Bokin’i Môrmôna na amin’ny alalan’ny fanatrehana fivoriam-bavaka any amin’ny tempoly).

Hamoaka printy