Seminera
Helamàna 13, Tapany 1: Ny famindram-pon’ny Tompo


“Helamàna 13, Tapany 1: Ny famindram-pon’ny Tompo,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Helamàna 13, Tapany 1,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Helamàna 13, Tapany 1

Ny famindrampon’ny Tompo

Sary
I Jesoa Kristy mamihina olona iray

Ahoana, araka ny eritreritrao, no fahatsapan’ Andriamanitra rehefa nanota isika? Nefita maro no nikomy tamin’ Andriamanitra sy ny didiny, koa nandefa an’i Samoela ilay Lamanita tany amin’izy ireo niaraka tamin’ny hafatra mazava mba hibebaka Andriamanitra mba ho voavela ny helok’izy ireo. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra tsara kokoa ny toetra mamindra fo sy mamela heloka ananan’ny Tompo.

Mifantoha amin’ny toetran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ny fiainana mandrakizay dia ny fahatongavana amin’ny fahafantarana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy (jereo ny Jaona 17:3). Asao hifantoka amin’ny zavatra ampianarin’ny soratra masina momba ny toetran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny mpianatra. Ny fahatakarana tsara kokoa ny toetran’Izy reo dia afaka manamafy ny fifandraisan’ny mpianatra amin’Izy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba ho tonga efa vonona hizara ny hoe nanao ahoana ny fahatsapan’izy ireo taorian’ny niainan’izy ireo ny toetra mamindra fo sy mamela heloka ananan’ny Tompo teo amin’ny fiainan’izy ireo. Ampahatsiahivo azy ireo ny tsy tokony hizarany zavatra izay mahakasika loatra ny tenany manokana.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Fahoriana amin’ny ota

Mariho fa ny lesona manaraka dia hifantoka amin’ny fibebahana. Hevero izany rehefa mamaritra ny fomba tsara indrindra hampianarana ity lesona ity ianao.

Asehoy na vakio ity fanambarana manaraka ity. Azo ampifanoloana amin’izy io, asao ny mpianatra hamorona toe-javatra sainina saingy maneho zava-misy momba ny olona iray izay mety hahatsapa ho ory na very noho ny fahotana, ary ampiasao ho solon’ity tantara manaraka ity izany.

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nilaza ity tantara manaraka mombana vehivavy iray tao anatina toe-javatra sarotra ity. Eritrereto ny zavatra tianao ho fantany momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Jereo ny “Repentance and Conversion,” hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:00 hatramin’ny 0:50, na vakio ity fanambarana manaraka ity.

Raha nandeha fiara hamonjy fihaonamben’ny tsatòka iray izaho sy ny Loholona David S. Baxter, dia nijanona tao amin’ny trano fisakafoanana iray izahay. Taty aoriana, rehefa niverina tao amin’ny fiaranay izahay dia nanatona anay ny vehivavy iray izay niantso anay. Taitra be tamin’ny fahitana azy izahay. Ny fikarakarany vatana (na ny tsy fisian’izany) dia ilay mety hantsoiko amim-pahalalam-pomba hoe “faratampony”. Nanontany izy raha toa loholona ao amin’ny Fiangonana izahay. Eny hoy izahay. Saika notantarainy avokoa ny mombamomba ny fiainany feno zava-doza, izay novesaran’ny fahotana. Izao izy dia 28 taona, ary mampalahelo izy. Mahatsapa ho tsy misy lanjany izy, ary tsy misy tanjona ny fiainany. … Tao anatin’ny fitalahoana feno tomany dia nanontany izy raha toa mbola misy ny fanantenana ho azy, mba hialany amin’ny fahakiviana misy azy. (Russell M. Nelson, “Repentance and Conversion,” Liahona, mey 2007, 102)

  • Raha hiresaka amin’io vehivavy io ianao, inona avy no fahamarinana momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy tianao ho fantany?

  • Inona no hataonao mba hiezahana manampy io vehivavy io?

  • Ahoana no mety hiantraikan’ny fahatsapany amin’izao fotoana izao amin’ny faniriany hitodika amin’ny Mpamonjy?

Angamba efa nahatsapa ho tsy misy vidiny na tsy azo avela heloka ianao na ny olona iray fantatrao. Saintsaino ny zavatra tena inoanao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny famelan-keloka.

Rehefa mandalina ity lesona ity ianao, dia mitadiava fahatakarana ny toetran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy sy ny fahatsapan’Izy Ireo amintsika na dia amin’ny fotoana anotantsika aza. Saintsaino ny fomba mety hahafahan’ireo fahamarinana ireo manampy anao sy ny olona fantatrao.

I Samoela ilay Lamanita

Tahaka io vehivavy io, ny Nefita dia tonga raiki-tampisaka tamin’ny fahotana. Tamin’ny fitiavany, ny Tompo dia naniraka an’i Samoela mpaminany niaraka tamina hafatra ho azy ireo.

Asehoy ireto toko sy andininy manaraka ireto. Hevero ny hametrahana tsiroaroa ny mpianatra ka hanasa ny mpianatra iray hamaky ireo andininy ao amin’ny toko 13 ary ny iray hafa hamaky ireo andininy ao amin’ny toko 14 sy 15. Rehefa avy mahazo fotoana ampy ny mpianatra, dia asao hifampianatra ny zavatra hitan’izy ireo sy ny antony maha-zava-dehibe izany amin’izy ireo.

Vakio ny Helamàna 13:5–8, 11, 39; 14:11–13; 15:3, ary tadiavo ny zavatra ianaranao momba ny Tompo, indrindra fa ny hevi-baovao izay mety hanampy antsika rehefa nanota isika. (Mety hanampy ny fahafantarana fa ny hoe manafay [jereo ny Helamàna 15:3] dia midika hoe manitsy na mametraka fitsipi-pifehezana. Jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Famaizana,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org)

Asao ny mpianatra hizara ny zavatra nianaran’izy ireo. Soraty eny amin’ny solaitrabe izay fitsipika marina rehetra zarain’izy ireo. Raha ilaina dia hevero ny hametraka ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Nahoana no fitahiana ny mandray fampitandremana momba ny voka-dratsy hatrehintsika raha tsy mibebaka isika? Ahoana no anehoan’ny fanitsian’ny Tompo ny fitiavany?

  • Nahoana no “vaovao mahafaly” ny hafatra momba an’i Jesoa Kristy tonga etỳ an-tany, miaraka amin’ny fahafahantsika mibebaka? (Helamàna 13:7).

  • Inona avy no andianteny maneho ny fahavononan’ny Tompo hamela heloka raha mibebaka ny Nefita, na dia nanao fahotana goavana aza izy ireo?

Rehefa mizara andianteny ny mpianatra, dia ataovy azo antoka fa mazava ny andininy misy izany mba hahafahan’ny mpianatra hafa manisy marika ireny andianteny ireny ihany koa.

Ny famindram-po sy famelan-keloky ny Tompo

Fahamarinana iray azontsika ianarana amin’ireo andalan-tsoratra masina ireo ny hoe mampitandrina am-pamindram-po ny olona amin’ny vokatry ny fahotana ny Tompo ary mamela ireo izay mibebaka.

Ny Mpaminany Joseph Smith (1805–44) dia nijoro ho vavolombelona fa “ny olona rehetra dia afaka mahazo famindram-po” (“Discourse, 3 ôktôbra 1841, araka ny namoahana azy tao amin’ny Times and Seasons,” 577, josephsmithpapers.org).

  • Ahoana no mety hahafahan’ny fahatakarana ny toetra mamindra fo sy mamela heloka ananan’ny Tompo miantraika amin’ny fahatsapantsika ny fahotantsika sy ny fibebahana?

Zava-dehibe ny mahatakatra fa na dia mamindra fo aza ny Tompo, dia marina tanteraka ihany koa Izy. Tsy odiany tsy hita na ailiny ny vokatry ny fahotantsika. Saingy noho ny Mpamonjy nanefa ny saran’ny fahotantsika tamin’ny Sorompanavotana nataony sy “nanefa ny fitakian’ny fahamarinana” (Môzià 15:9), dia omeny famelan-keloka isika rehefa mibebaka.

  • Ahoana no mety hahafahan’ny fahafantarana ny fahamarinana tonga lafatry ny Tompo sy ny famindram-pony miantraika amin’ny fifandraisanao Aminy?

Alaovy sary an-tsaina ny fahasamihafana mety hateraky ny fahatakarana lalina kokoa ny Tompo eo amin’ilay vehivavy noresahin’ny Filoha Nelson tany am-piandohan’ny lesona. Manomàna fanazavana ho azy amin’ny alalan’ny fanaovana ity manaraka ity:

Ampahatsiahivo hampiasa ny fiomanany ho amin’ny fotoam-pianarana ny mpianatra amin’ity sahanasa manaraka ity. Azon’izy ireo atao ny mamita tsiroaroa ilay sahanasa. Afaka mamita ilay sahanasa A ny mpianatra iray, ary ny iray mamita ny sahanasa B. Azon’izy ireo atao ny mifampizara ny zavatra nataon’izy ireo ary avy eo dia miaraka mamita ny sahanasa D.

Ho an’ny sahanasa D, azon’ny mpianatra atao ny milalao izany toy ireny hoe mampianatra ilay vehivavy ireny. Mandehandehana eran’ny trano ary mihainoa rehefa mampianatra izy ireo. Fantaro raha mila fanampiana fanampiny amin’ny fanakarana ny hafatr’i Samoela izy ireo. Raha mila izany izy ireo, dia hevero ny hanondroana teny na andianteny manokana avy ao amin’ny andininy mba hanampiana azy ireo amin’ny sahanasa A.

Azonao atao ny mampiseho ny torolalana amin’ny sahanasa tsirairay.

  1. Mifantena andianteny roa farafahakeliny avy ao amin’ny andininy novakinao tao amin’ny Helamàna, na mitadiava andininy hafa izay maneho ny toetra mamela heloka ananan’ny Tompo rehefa mibebaka isika, toy ny Môzià 26:30 na Môrônia 6:8. Ahoana no ahafahan’ireo andianteny ireo manampy io vehivavy io?

  2. Raha tsy mizara antsipiriany momba ny fahotana taloha, manomeza ohatra avy amin’ny fiainanao, na ny fiainan’ny hafa, na ny soratra masina izay ahitana mazava ny toetra mamindra fo sy mamela heloka ananan’ny Tompo. Mba hahitana ohatra maromaro, dia azonao atao ny mamerina mijery ny Lioka 7:36–50 na Enôsa 1:1–8 na jereo ny “Painted into a corner (Tafiditra amina toerana sarotra)” (3:41). Io horonantsary io dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  3. Amin’ny alalan’ny fampiasana ireo andininy na ohatra hitanao, ampio hahatakatra ilay vehivavy fa ny Tompo dia manolotra antsika ny famindram-pony sy famelany heloka rehefa mibebaka isika.

Hevero ihany koa ny hizarana andianteny na zavatra niainana.

Ny Filoha Neslon dia nizara ny zavatra niseho tamin’io vehivavy io. Jereo ny “Repentance and Conversion” manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:50 hatramin’ny 1:27, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, na vakio ity fanambarana manaraka ity.

Teo am-piresahany dia nanomboka nipoitra ny fahatsaran’ny fanahiny. Tao anatin’ny fitalahoana feno tomany dia nanontany izy raha toa mbola misy ny fanantenana ho azy, mba hialany amin’ny fahakiviana misy azy.

“-Eny,- hoy izahay, -misy ny fanantenana. Mifamatotra amin’ny fibebahana ny fanantenana. Afaka miova ianao. Afaka “manat[ona] an’i Kristy, ary hatao tanteraka ao Aminy” ianao- [Môrônia 10:32].” Namporisika azy mafy izahay mba tsy hanemotra izany [jereo ny Almà 13:27; 34:33]. Nitomany tamim-panetrentena izy ary nisaotra anay tamin-kitsim-po. (Russell M. Nelson, “Repentance and Conversion,” Liahona, mey 2007, 102)

Mijoroa ho vavolombelona momba ny famindram-po sy famelan-keloky ny Tompo. Amporisiho hisaintsaina amin-kitsimpo ity manaraka ity ny mpianatra.

Ny lesona manaraka dia hifantoka amin’ny fibebahana sy ny fomba ahafahantsika mandresy ny sakana rehetra atrehintsika amin’ny fibebahantsika.

Makà fotoana hisaintsainana amin-kitsimpo ny fomba ahafahan’ny fahatakarana tsara kokoa ny Tompo manampy anao rehefa nanota ianao. Soraty ny zavatra nianaranao sy tsapanao ka nanan-danja indrindra taminao sy ny anton’izany. Eritrereto ny fomba ahafahan’ny fahatakarana tsara kokoa ny toetra mamindra fo sy mamela heloka ananan’ny Tompo ary ny fibebahana matetika mitondra fiadanana eo amin’ny fiainanao.

Hevero ny hizara ny zavatra nianaranao sy tsapanao androany amin’ny olona iray tianao.

Hamoaka printy