Seminera
Helamàna 13–16: Mahatakatra ny mpaminanin’ny Tompo


“Helamàna 13–16: Mahatakatra ny mpaminanin’ny Tompo,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Helamàna 13–16,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Helamàna 13–16

Mahatakatra ny mpaminanin’ny Tompo

Sary
Samoela ilay Lamanita eo ambonin’ny manda

Ahoana no fahatsapanao tamin’ny fotoana nahenoanao olona naneho ahiahy na fanakianana momba ny mpaminany? Rehefa nitsangana teo amin’ny manda i Samoela ilay Lamanita ary niantso ny olona hibebaka, dia samy hafa ny fihetsika navalin’izy ireo ny teniny. Miaina valiny mitovitovy amin’izany amin’ny mpaminany ny olona amin’izao androntsika izao. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny anjara asan’ny mpaminany sy ny fomba ahafahan’izy ireny manampy antsika.

Ampio ny mpianatra hamaly fanontaniana miainga amina finoana. Rehefa mieritreritra ny fanontanian’izy ireo manokana sy ny an’ny hafa momba ny fotopampianarana sy finoan’ny Fiangonana ny mpianatra, dia asao hiezaka mba hahazo ny fitaoman’ny Fanahy izy ireo. Amporisiho ny mpianatra hahatsiaro ny zavatra efa fantatr’izy ireo sy hizaha ny soratra masina mba hahazoana fahatakarana fanampiny. Omeo fotoana hampiharana ny zavatra mety holazain’izy ireo amin’ny olona iray manana fomba fijery hafa izy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba ho tonga efa vonona hizara ny fahafantaran’izy ireo fa efa niaraka tamin’ny mpaminany fahiny ny Tompo ary miaraka amin’ny mpaminany maoderina amin’izao fotoana izao.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Matoky ny mpaminanin’ny Tompo

Mba hanomanana ny mpianatra hieritreritra momba ireo mpaminany, dia hevero ny hanaovana ity tabilao manaraka ity eny amin’ny solaitrabe sy ny hikaonan-doha amin’ny valinteny miaraka amin’ny iray kilasy na hanasana ny mpianatra hanao izany ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo sy hamita izany isam-batan’olona na anatina vondrona kely.

Sary
sary mampiseho olona iray ambanin’ny lohateny hoe ireo izay mino sy manaraka ny mpaminany, ary olona iray hafa eo ambanin’ny lohateny hoe ireo izay tsy mino sy manakiana ireo mpaminany mihitsy aza

Manodidina ilay sary maneho ny vondrona tsirairay, mitanisà antony sasantasany mahatonga ny olona mino sy manaraka mpaminany na tsy mino sy manakiana azy ireny mihitsy aza.

Raha nanao ilay sahanasa tao anatina vondrona kely na isam-batan’olona ny mpianatra, dia asao izy ireo hizara ny eritreriny.

Makà fotoana hisaintsainana ny zavatra efa nianaranao sy fantatrao momba ny mpaminany ka afaka manampy anao sy ny hafa hino fa avy amin’ Andriamanitra izy ireny. Ohatra, mety nanao lisi-pahamarinana momba ny mpaminany ianao rehefa nandalina momba an’i Nefia ao amin’ny Helamàna 7–10.

Ao amin’ny Helamàna 13, nandefa mpaminany fanampiny ny Tompo, i Samoela ilay Lamanita. Ity lesona ity dia topimaso ankapobeny amin’ireo fampianarany (jereo ny Helamàna 13–16). Rehefa mandalina ianao, dia afaka manampy ao amin’ny lisi-pahamarinana momba ny mpaminany nataonao. Mikatsaha hevi-baovao izay mety hanampy ny olona iray izay sahirana mafy amin’ny finoana.

Miainga amin’ny filan’ny mpianatrao sy ny bitsiky ny Fanahy, fantaro ny fomba hanaovana ireto sahanasa manaraka ireto. Afaka mifantoka amin’ny iray na roa ianareo iray kilasy ary mamintina ny hafa. Azonao atao ny mizara ny mpianatra ho vondrona, mampanao azy ireo ny iray amin’izy telo, ary mitatitra amin’ny ambin’ny kilasy. Azonao atao amina taratasy iray amina toerana samy hafa manerana ny efitrano ny sahanasa tsirairay, ary angataho hihodina amin’ny toerana tsirairay ny mpianatra ka handalina ny sahanasa telo rehetra.

Sahanasa A: Nitory tamin’ny Nefita i Samoela

Vakio ny Helamàna 13:1–7; 14:9, ary tadiavo ny zavatra manaitra anao momba an’i Samoela.

  • Avy amin’ny ohatra nasehon’i Samoela, inona no nianaranao momba ny mpaminany? (Hevero ny hampidirana ny fahamarinana rehetra hitanao ao amin’ny lisitrao.)

Iray amin’ny fahamarinana mety hitanao ny hoe ny hafatry ny mpaminany iray dia tsy avy amin’ny tenany fa avy amin’ny Tompo izany. Hevero ny hanisy marika ireo andianteny ao amin’ny Helamàna 13:5, 7; 14:9 izay manohana io fahamarinana io. Azonao atao ihany koa ny mamaky ny Helamàna 7:29 sy ny Fotopampianarana sy Fanekepihavanana 1:38; 21:4–5 amin’ny maha soratra masina mifandray azy ireo ary ampifandraiso amin’ireo andininy ao amin’ny Helamàna 13 izy ireo.

  • Ahoana no mety hahafahan’ny fahatakarana io fahamarinana io miantraika amin’ny fomba ihainoantsika ny mpaminany?

  • Ahoana no mety hahafahan’izany manampy rehefa alaim-panahy hiahiahy na hanakiana azy ireny isika?

Hevero ny hanomezana tahadika vitsivitsy ny Liahona misy ny fihaonambe maneran-tany vao haingana mba hahafahan’ny mpianatra mamita ity sahanasa manaraka ity.

Makà minitra vitsy hamerenana mijery ampahan’ny lahateny nataon’ny mpaminany tao amin’ny fihaonambe maneran-tany vao haingana. Mieritrereta ny Tompo sy ny ahiahiny momba anao. Miezaha mamaky ilay lahateny toy ny hoe hafatra avy amin’ny Tompo. Omano ny iray amin’ireto manaraka ireto:

  • Mitadiava andianteny na fampianarana manokana inoanao fa nomen’ny tsindrimandrin’ny Tompo. Zarao hoe nahoana.

  • Lazalazao ny zavatra azonao atao mba handraisana fijoroana ho vavolombelona manokana fa ny hafatra iray avy amin’ny mpaminany dia avy amin’ny Tompo.

Sahanasa B: Namaly ny mpaminany ny Nefita

Vakio ny Helamàna 13:24–29; 14:10, hitadiavana ny fihetsiky ny Nefita nanoloana ny mpaminany.

  • Inona avy no fahamarinana azonao fantarina ao amin’ireo andininy momba ny mpaminany ireo?

Mety nahita fahamarinana mitovitovy amin’ity manaraka ity ianao: tsy dia tian’ny ratsy fanahy ny mpaminanin’ny Tompo. Azonao atao ny mirakitra an-tsoratra io fahamarinana io eo akaikin’ireo andininy ireo.

  • Amin’ny lafiny inona no ahitanao io fahamarinana io amin’izao androntsika izao?

  • Ahoana no mety haha “mpitarika adala sy jamba” ireo izay manakiana sy manohitra ny mpaminany? (Helamàna 13:29).

  • Raha tsy manatona ny Mpamonjy hibebaka sy hihatsara isika, ahoana no mety itovian’izany amin’ny fisafidianana kokoa ny “haizina raha mihoatra amin’ny fahazavana”? (Helamàna 13:29).

Nampianatra toy izao ny Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985):

Ny mpaminany … dia tsy afaka manova ny hafatry ny Tompo mba hanaovana izay hahazoan’ny olona aina fotsiny. Tena tsara fanahy izy ireny ka tsy ho olon-doza be. Tena ankasitrahako ny tsy fitadiavan’ny mpaminany laza. (Spencer W. Kimball, “Listen to the Prophets,” Ensign, mey 1978, 77)

Alaovy sary an-tsaina hoe mino ny olona iray fa tokony ho afaka “manao izay rehetra irian’ny fo[ny] izy” (Helamàna 13:27). Vokatr’izany, sosotra izy ireo rehefa manasa azy ireo hibebaka ny mpaminany. Miainga amin’ny zavatra nianaranao, manomàna valinteny iray amin’io ahiahy na fanakianana io.

Hevero ny hanasana ny mpianatra hizara ampahany iray amin’ny valintenin’izy ireo amin’ny iray kilasy. Avy eo dia anontanio izay afaka manampy izany valinteny izany. Tohizo mandra-piheveran’ny iray kilasy fa nanampy tamin’ilay ahiahy izy ireo.

Sahanasa D: Niaro an’i Samoela ny Tompo

Hevero ny hampiseho ilay sarin’i Samoela ilay Lamanita miteny avy eny amin’ny manda, hita any am-piandohan’ny lesona.

Jereo tsara ilay sary avy any amin’ny fanombohan’ilay lesona. Izy io dia maneho ny zavatra nitranga tany amin’ny fiafaran’ny toritenin’i Samoela.

Vakio ny Helamàna 16:1–8, hitadiavana sy hanisiana marika ny porofon’ny fahamarinana hoe Miaraka amin’ny mpaminaniny ny herin’ Andriamanitra. (Hevero ny hampiditra io fahamarinana io ao amin’ny lisitrao.)

  • Inona no porofo nahitanao fa niaraka tamin’i Samoela Andriamanitra?

Na dia tsy ny mpaminany rehetra aza no arovana amin’io fomba io, Andriamanitra dia miaro ny mpaminaniny mandra-pahavitan’izy ireo ny asany (jereo ny Môzià 13:1–4; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:9).

Raha manao io sahanasa io miaraka amin’ny iray kilasy, dia hevero ny hampisehoana ireto sary manaraka ireto. Raha ilaina dia hazavao fohifohy ireo tantara mifandray amin’izany.

Mifantena mpaminany iray avy ao amin’ny soratra masina na tantaran’ny Fiangonana. Tanisao ny porofo fa niaraka tamin’izany mpaminany izany Andriamanitra. Hevero ny hijery ireto ohatra manaraka momba an’i Noa, i Mosesy, i Petera ary i Joseph Smith ireto.

Sary
I Noa teo amin’ny sambofiara niaraka tamina biby

(jereo ny Genesisy 7:7, 10–13, 17, 23)

Sary
I Mosesy nanasaraka ny Ranomasina Mena

(jereo ny Eksodosy 14:21–30)

Sary
Anjely iray nanafaka an’i Petera tao am-ponja

(jereo ny Asan’ny Apostoly 12:4–11)

Sary
I Elia namerina tamin’ny laoniny ny fanalahidin’ny fisoronana

(jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:15–25)

Tanisao amin’izay ny porofo fa miaraka amin’ny mpaminaniny maoderina ihany koa Andriamanitra. Mety ho ohatra tafiditra amin’izany ny fomba nanampian’ny fampianarana sy fanasan’ny mpaminany maoderina antsika hitety ny fahasarotan’izao androntsika izao.

Raha ilaina dia hevero ny hizara iray na maromaro amin’ireto ohatra manaraka ireto:

  • Ny fanambarana ho an’ny fianakaviana dia nipoitra talohan’ny nahitan’ny maro ny ilana izany.

  • Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanatanteraka ny Avia, hanaraka Ahy fandaharam-pampianarana, izay nampiditra lamina atao any an-trano sy atao any am-piangonana mba handalinana ny soratra masina, tamin’ny ôktôbra 2018, talohan’ny naneren’ny valan’aretina COVID-19 ny maro hivavaka any an-trano mandritra ny fotoana lava.

  • Nahoana no mety hanampy ny fahatsiarovana ireny porofo ireny?

Tahaka ireo vahoakan’i Nefia, isika dia manana hery hisafidianana raha hanaiky ireo fampianaran’ny mpaminany na hamaly amin’ny fanakianana sy fahatezerana. Ao amin’ny diary fandalinanao, raketo an-tsoratra ny zavatra nianaranao momba ny mpaminany sy ny fahatsapanao momba azy ireny. Rehefa manohy mandalina ny zavatra nampianarin’i Samoela ilay Lamanita ianao amin’ity herinandro ity, dia katsaho am-bavaka ny hianatra sy hampihatra ny fampianarana nentanim-panahy nataony.

Mijoroa ho vavolombelon’ny Tompo sy ireo mpaminaniny. Hevero ny hanasa mpianatra vonona mba hizara ihany koa ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo.

Hamoaka printy