Seminera
3 Nefia 20–22: “Izaho hanangona ny oloko”


“3 Nefia 20–22: -Izaho hanangona ny oloko,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“3 Nefia 20–22,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

3 Nefia 20–22

“Izaho hanangona ny oloko”

Sary
I Jesoa Kristy maninjitra ny sandriny

Afaka mieritreritra fotoana teo amin’ny fiainanao nanampian’ny hoe niaraka tamin’olon-kafa ve ianao? Nahoana araka ny eritreritrao no namerimberina nanome toromarika ny olony mba hiangona ara-batana sy ara-panahy ny Tompo? Nandritra ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teo amin’ny Nefita, dia nanambara Izy fa ny Ray any An-dantra dia hahatsiaro ny fanekempihavanany hanangona an’i Isiraely niely patrana. Nanambara famantarana Izy mba hanampiana antsika hahafantatra hoe oviana no nanombohan’ny fanangonan’ny andro farany. Afaka manampy anao handray anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely ity lesona ity.

Manampy ny mpianatra hahatsapa ho omen-danja. Mitadiava fomba tsara hankasitrahana ny anjara birikin’ny mpianatra. Manehoa fankasitrahana rehefa mandray anjara amin’ny dingan’ny fianarana ny mpianatra, ary ampio hahatsapa ho tsy misy atahorana ny mpianatra rehetra rehefa mizara ny eritreritra sy fahatsapan’izy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra mandritra ny famakian’izy ireo soratra masina isan’andro ny fomba nanampian’ny Bokin’i Môrmôna azy ireo hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Angonina

Hanombohana azy, mihazòna rantsankazo, na tahona gilasy na fisokira-nify iray. Omeo toromarika hanao izao manaraka izao ny mpianatra.

Makà fotoana hieritreretana toe-javatra nahatsapanao na ny olona fantatrao ho irery, na tsy voaro, na toy ny hoe tsy manana ny toeranao ianao.

Ampiaraho amin’ireo zavatra mitovy aminy ilay rantsankazo na ilay tahona gilasy na koa ilay fisokira-nify.

  • Ahoana no mety hanampian’ny maha-ao anaty vondrona amin’ireo olana ireo?

    Hevero ny haneho ny maha mora tapaka ny hazokely na fisokira-nify mandeha irery, saingy sarotra tapahina kokoa rahamaromaro ireo.

    Mba hanehoana an-tsary ny fanontaniana manaraka, dia mampidira hazo matevina iray, na fantsika lehibe iray, na bolongam-by iray ho ao amin’ilay vondrona.

  • Inona avy no tombontsoan’ny hoe ao anatina vondrona iray miaraka amin’ny Tompo sy ireo izay manara-dia Azy?

    Hevero ny hampiseho ireto fanambarana manaraka ireto sy hanome fotoana kely mangina ny mpianatra hisaintsainana sy hanombanan-tena.

Saintsaino ireto fanambarana manaraka ireto. Omeo naoty ny fampiharanao ireto fanambarana ireto amin’ny alalan’ny fampiasana ny teny hoe “matetika,” “indraindray,” na “mahalana”.

  • Tsapako fa manana fifandraisana amin’ny Tompo aho ary miaro sy manavotra ary tia ahy Izy.

  • Fantatro ny fomba anasan’ny Tompo ahy hanatona Azy sy handray ireo fitahiana ireo.

  • Mikatsaka ny hanangonana ny hafa ho ao amin’ny Tompo aho ary mahatsapa ho tsy misy atahorana sy manana ny toerako.

Rehefa mandalina ity lesona ity ianao, dia mihevera fomba ikatsahan’ny Tompo hanangona soa aman-tsara anao sy ny hafa ho ao Aminy sy ny Fiangonany. Saintsaino ny fomba ahafahanao manampy ny Tompo amin’ny asa fanangonany masina.

“Hanangona aho”

Tamin’ny andro faharoa tamin’ny fitsidihan’ny Mpamonjy an’i Amerika, rehefa avy nivavaka ho an’ny olona sy nitsodrano azy ireo ny Mpamonjy, dia nampandray ny fanasan’ny Tompo azy ireo tamin’ny fomba mahagaga Izy. Avy eo dia naminany momba ny olon’ny fanekempihavanany amin’ny andro farany Izy. Mba hahatakarana ny faminaniany, dia zava-dehibe ny mahatsiaro ireto manaraka ireto:

  • Tany aloha ny Tompo dia nampanantena an’i Abrahama sy ny taranany, tao anatin’izany i Jakoba (izay nantsoina ihany koa hoe Isiraely), fa izy ireo dia hahazo ny fitahian’ny filazantsara sy ny fisoronana rehetra (jereo ny Abrahama 2:6–11).

  • Ny taranak’i Isiraely, ao anatin’izany ny Nefita, dia niely patrana nanerana izao tontolo izao. Nampanantena ny hanangona azy ireo indray mba handray ireo fitahian’ny filazantsara ny Tompo.

  • Izay rehetra miditra ao amin’ny Fiangonana ka tsy taranak’i Isiraely ara-bakiteny, dia atsangana ho zanak’i Isiraely ary afaka mahazo ireny fitahiana rehetra ireny.

Vakio ny 3 Nefia 20:11–13, 18, 22 hitadiavana ny zavatra nampanantenain’ny Tompo fa hataony. Mety hanampy ny fahafantarana ireto manaraka ireto:

  • Ny amboara (3 Nefia 20:18) dia antontam-boa nojinjaina.

  • Amin’ny andro farany, ny Tompo dia handringana amin’ny fahamarinany ny ratsy fanahy izay tsy hibebaka (jereo ny 3 Nefia 20:15–17, 19–20), ary ny Olomasina dia hiangona ao amin’ny toerana iray antsoina hoe Jerosalema Vaovao any Amerika (jereo ny Fanekem-pinoana 1:10).

  • Inona no hitanao?

Henoy tsara ny mpianatra. Rehefa mizara izy ireo, dia asao izy ireo hanasongadina izay andianteny na fahamarinana rehetra nanan-danja tamin’izy ireo.

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo ny hoe hanatanteraka ny fanekempihavanany hanangona ny mpianakavin’i Isiraely amin’ny andro farany Andriamanitra.

Hevero am-bavaka ny fomba mety hahafahanao manampy ny mpianatrao hahafantatra ny ezaka ataon’ny Tompo hanangona azy ireo. Hevero ny hampiseho ilay sary any am-piandohan’ny lesona, ary mametraha fanontaniana toy ireto manaraka ireto:

  • Inona avy no fomba sasantsasany itondran’ny Tompo antsika “amin’ny fahalalana ny Tompo … izay nanavotra [antsika]”? (3 Nefia 20:13).

  • Na dia ho tanteraka amin’ny Arivotaona aza ireo faminaniana momba ny Jerosalema Vaovao, dia ahoana no ananan’ireo izay manara-dia ny Mpamonjy “ny herin’ny lanitra … eo afovoan’[izy ireo]” amin’izao fotoana izao? (3 Nefia 20:22). Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika manana ny Tompo “eo afovoantsika”? (3 Nefia 20:22).

  • Ahoana no ahafahan’ireo fitahiana ireo manampy antsika eo amin’ny fiainantsika (ao anatin’izany ny hoe rehefa mahatsapa ho irery, na tsy voaro, na toy ny hoe tsy manana ny toerantsika isika)?

Ireo famantarana ny fanangonan’ny andro farany

Ny Tompo dia nampanantena famantarana amin’izao androntsika izao hilazana fa efa nanomboka ny fanangonana ny olony Izy.

Hevero ny hampiseho na hanome ny mpianatra tahadika iray amin’ity sahanasa fampifandraisana manaraka ity. Asao hiasa tsiroaroa sy anatina vondrona kely ny mpianatra mba hamita izany. Ny valiny dia 1-d, 2-b, 3-a.

  1. 3 Nefia 20:25–27

  1. Ny “asa lehibe sy mahagaga” na ny Famerenana tamin’ny laoniny ny Fiangonan’i Kristy tamin’ny alalan’i Joseph Smith mpanompony, dia famantarana ny fanangonana.

  1. 3 Nefia 21:1–2, 7

  1. Ny fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna, “ireo zavatra izay [nambaran’ny Tompo],” dia famantarana fa manangona ny mpianakavin’i Isiraely ny Tompo.

  1. 3 Nefia 21:9–11

  1. Amin’ny alalan’ireo izay nanao fanekempihavana tamin’ny Tompo, “hotahiana ny firenena rehetra amin’ny tany”.

  • Nahoana araka ny hevitrao no tian’ny Tompo hahafantatra ireo famantarana ny fanangonany isika?

Ahoana no nanangonana anao?

  • Ahoana no nanampian’ny iray amin’ireto manaraka ireto anao ho voangona ao amin’ny Tompo sy hisitraka ireo fitahiana atolony?

    • Mpikamban’ny Fiangonana izay mitandrina ny fanekempihavanan’izy ireo

    • Ny Bokin’i Môrmôna

    • Ny Fiangonana

Amporisiho hizara ny eritreritr’izy ireo sy ny zavatra niainan’izy ireo ny mpianatra. Hevero ihany koa ny hizara ny anao.

“Hotahiana ny firenena rehetra amin’ny tany”

Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana nanao fanekempihavanana antsika, dia anjarantsika ny manampy “ny firenena rehetra amin’ny tany mba hotahina” amin’ny alalan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (3 Nefia 20:27). Ireto sahanasa manaraka ireto dia afaka manampy anao hisaintsaina ny fomba anampiana ny Tompo amin’ny fanangonany.

  1. Mamakia mandritra ny minitra maromaro ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, ka mitadiava andininy na andianteny izay manampy anao hanatona ny Tompo, hahatsapa ny fitiavany, ary hahazo ireo fitahiana atolony. Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao ny toko sy andininy na andianteny manan-danja. Mieritrereta fomba mety hahafahanao mizara ireo andininy ireo amin’ny hafa.

  2. Omano ny zavatra mety holazainao na hosoratanao mba hizaràna ny Bokin’i Môrmôna amin’ny olona iray. Ampidiro ny fahatsapanao momba ilay boky sy ny fomba heverinao fa ahafahan’izany manampy azy ireo hanakaiky kokoa ny Mpamonjy.

  3. Omano ny zavatra azonao lazaina mba hanasana ny olona iray hanatrika fotoam-piangonana na fiarahamientana ao am-piangonana miaraka aminao. Ampidiro ny eritreritrao momba ny fomba ahafahan’izany manampy azy ireo, indrindra fa ny fomba ahafahan’izany manampy azy ireo hanakaiky kokoa ny Tompo.

Rehefa mandalina ianao amin’ity herinandro ity, dia fanteno am-bavaka ny fomba iray ahafahanao manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely. Hatolotra ao amin’ny lesona manaraka ny hevitra hafa. Katsaho ny fitarihan’ny Tompo mba hahalalana ny hoe inona no zavatra tsara indrindra azonao atao.

Hamoaka printy