Seminera
3 Nefia 27, Tapany 1: “Miorina amin’ny filazantsarako”


“3 Nefia 27, Tapany 1: -Miorina amin’ny filazantsarako,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“3 Nefia 27, Tapany 1,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

3 Nefia 27, Tapany 1

“Miorina amin’ny filazantsarako”

Sary
zatovolahy manao lahateny amina fivoriana fanasan’ny Tompo

Inona avy no sasantsasany amin’ireo toetoetra manan-danjan’ny Fiangonan’ny Mpamonjy? Nampianatra ny mpianany Nefita i Jesoa Kristy fa tokony hantsoina amin’ny anarany sy haorina eo amin’ny filazantsarany ny Fiangonany. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny hoe inona no atao hoe filazantsaran’ny Mpamonjy sy ny maha-zava-dehibe ny anaran’ny Fiangonana.

Omano ho fitaovan’ny Fanahy Masina ny tenanao. Nampianatra izao ny Tompo: “ary raha tsy mandray ny Fanahy ianareo dia tsy hampianatra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:14). Rehefa miezaka ny hanaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy amin’ny fankatoavana ianao ka miaina ny filazantsara amin’ny fonao rehetra, dia hanampy anao hampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny Fanahy.

Fanomanana ny mpianatra: Azo asaina hamaky ny 3 Nefia 27:1–10 ny mpianatra ary hijery ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy ny mpianany Nefita momba ny Fiangonany.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Ahoana no ho fihetsikao?

Zarao amin’ny mpianatra ity rafi-tantara manaraka ity. Azonao atao koa ny manasa mpianatra vonona roa hilalao azy io an-tsehatra.

Indray andro teo am-pizaràna ny zavatra nataon’izy ireo nandritra ny faran’ny herinandro, dia noresahin’i Naomi tamin’i Marco namany fa nandeha nivavaka izy ny alahady.

Nanontany i Marco hoe: “Môrmôna ianao, sa tsy izany moa?”

Hoy i Naomi: “Antsoin’ny olona toy izany izahay indraindray, fa tianay kokoa ny antsoina hoe mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.”

Namaly i Marco: “Ohatran’ny lava be izy izany. Maninona no tsy miteny fotsiny ianareo hoe ao amin’ny fiangonana Môrmôna? Tsy mamaky ao amin’ny Bokin’i Môrmôna angaha moa ianareo?”

Azo asaina hifanakalo hevitra momba ity fanontaniana manaraka ity miaraka amina namana iray na vondrona kely ny mpianatra.

  • Inona avy no fomba sasantsasany azon’i Naomi namaliana ny fanontanian’i Marco?

Anio ianao dia handalina ny sasany amin’ireo fampianaran’ny Mpamonjy ny mpianany Nefita izay voarakitra ao amin’ny 3 Nefia 27. Rehefa mandalina ianao, dia mitadiava fahamarinana nampianarin’i Jesoa momba ny Fiangonany ka afaka manampy anao rehefa miatrika toe-javatra mitovy amin’ilay anankiray vao avy novakinao io.

Ny anaran’ny Fiangonana

Tsy ela taorian’ny fitsidihan’i Kristy ny Nefita, ny mpianany Nefita roa ambin’ny folo dia niray hina tamin’ny fifadian-kanina sy vavaka. Tian’izy ireo ho fantatra hoe inona no tokony ho anaran’ny Fiangonana. Rehefa nivavaka izy ireo, dia niseho ny Mpamonjy ary nanomboka nampianatra azy ireo (jereo ny 3 Nefia 27:1–3).

Vakio ny 3 Nefia 27:4–7 hitadiavana ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy ny mpianany momba ny anaran’ny Fiangonany.

  • Ahoana hoy ny Mpamonjy no tokony hiantsoana ny Fiangonany?

Hevero ny hanoratra ity fahamarinana manaraka ity eny amin’ny solaitrabe sy hamela toerana eny amin’ny solaitrabe amin’ny farany, mba hahafahanao manampy ao amin’ilay fahamarinana aoriandriana ao amin’ny lesona.

Fahamarinana iray izay ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo ny hoe ny Fiangonana marin’i Jesoa Kristy dia tsy maintsy antsoina amin’ny Anarany.

  • Inona avy no antony nomen’ny Mpamonjy momba ny antony tokony hiantsoana ny Fiangonany amin’ny Anarany?

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nizara antony maha-zava-dehibe ny hampiasantsika ny anarana marin’ny Fiangonana:

Tsy azo ovaina ny anaran’ny Fiangonana. Rehefa milaza mazava ny anarana tokony hiantsoana ny Fiangonany ny Mpamonjy, ary manomboka mihitsy ny fanambarany amin’ny hoe “Toy izany no hiantsoana ny fiangonako,” dia matotra Izy izay. Ary rehefa mamela ireo anaram-bosotra ho ampiasaina na manomboka mampiasa na mamporisika ny fampiasana ireo anaram-bosotra ireo isika, dia tohina Izy.

Inona no lanjan’ny anarana iray na ny anaram-bosotra iray amin’ity toe-javatra ity? Amin’ny resaka anaram-bosotry ny Fiangonana, toy ny “Église SDJ,” ny “Fiangonana Môrmôna,” na ny “Fiangonan’ny Olomasin’ny Andro Farany,” ny tena manan-danja indrindra ao anatin’izany anarana izany dia ny fahabangan’ny anaran’ny Mpamonjy. Ny fanesorana ny anaran’ny Tompo amin’ny Fiangonan’ny Tompo dia fandresena lehibe ho an’i Satana. Rehefa tsy mampiasa ny anaran’ny Mpamonjy isika dia mandà tsimoramora ny zava-drehetra izay nataon’i Jesoa Kristy ho antsika, dia ny Sorompanavotany izany. (Russell M. Nelson, “Ny anarana marin’ny Fiangonana,” Liahona, nôv. 2018, 87–88)

  • Inona no manan-danja aminao ao amin’ireo teny nambaran’ny Filoha Nelson?

  • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny ezaka ataontsika hampiasa ny anarana marin’ny Fiangonana miantraika amin’ireo izay tsy mpikamban’ny Fiangonana?

Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra momba ilay fanontaniana teo aloha, hevero ny hijery iray na maromaro amin’ireo horonantsary avy ao amin’ny fizaràna hoe “Fanamarihana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” eo ambanin’ny lohateny hoe “Inona no afaka hitranga rehefa mampiasa ny anarana marin’ny Fiangonana isika?

“Miorina amin’ny filazantsarako”

Ankoatra ny fanantitranterana fa tokony hantsoina amin’ny anarany ny Fiangonany, ny Mpamonjy dia nampianatra ny mpianany Nefita toetoetra fototra hafan’ny Fiangonany.

Vakio ny 3 Nefia 27:8–10, hitadiavana izany toetra izany.

  • Inona no azonao anampiana avy amin’ireo andininy ireo ao amin’ilay fahamarinana natao sora-matevina hitanao teo aloha momba ny Fiangonan’ny Mpamonjy?

Hevero ny hanavao ilay fahamarinana nosoratanao teo aloha teny amin’ny solaitrabe amina zavatra iray mitovitovy amin’ity manaraka ity.

Fomba iray ahafahantsika mamintina ireo fampianaran’ny Mpamonjy nohalalinin’izy ireo hatreto ny hoe ny Fiangonana marin’i Jesoa Kristy dia tsy maintsy antsoina amin’ny anarany sy miorina amin’ny filazantsarany.

  • Inona araka ny eritreritrao no hevitry ny hoe Fiangonan’ny Mpamonjy miorina amin’ny filazantsarany?

Mety hanampy ny fahatakarana fa ny teny hoe filazantsara dia midika hoe “vaovao mahafaly” (jereo ny Bible Dictionary, “Gospels”).

Mba hanampiana anao hahatakatra lafiny manan-danja amin’ny filazantsaran’ny Mpamonjy, dia manaova sarina trano fiangonana tsotsotra ao amin’ny diary fandalinanao, toy ity manaraka ity. Ataovy azo antoka fa mamela toerana hanoratana teny sy andianteny eo ambanin’ilay fiangonana ianao.

Mamoròna sarina fiangonana iray eny amin’ny solaitrabe mba hahafahana mampiasa izany ao anatin’ny fifanakalozanareo hevitra.

Sary
sarina trano fiangonana atao amina tsipika fotsiny ihany

Vakio ny 3 Nefia 27:13–22 hitadiavana ny zavatra nolazain’i Jesoa Kristy momba ny filazantsarany. Manorata teny na andianteny hitanao ao amin’ilay toerana eo ambanin’ilay sary nataonao.

Manasà mpianatra samihafa hitanisa teny na andianteny hitan’izy ireo teo ambanin’ny sarin’ilay fiangonana eny amin’ny solaitrabe. Avy eo dia resaho ny zavatra nianaran’ny mpianatra tamin’ny fandalinan’izy ireo ireo andininy ireo, amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana toy ity manaraka ity.

  • Miainga amin’ireo andininy nohalalininao, ahoana no hamaritanao hoe inona no atao hoe filazantsaran’ny Mpamonjy?

Manasongadìna lafiny manokana amin’ny filazantsaran’ny Mpamonjy izay voatanisa eny amin’ny solaitrabe. Ampio hahatakatra ny maha-zava-dehibe ireo lafiny ireo amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana toy ireto ny mpianatra: Nahoana, araka ny eritreritrao, no azo raisina ho vaovao mahafaly io lafiny amin’ny filazantsaran’ny Mpamonjy io? Nahoana, araka ny eritreritrao no zava-dehibe amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy ny “miorina” (na mifantoka) amin’io fampianarana na fitsipika io? Ahoana no ahafahan’io lafiny amin’ny filazantsaran’ny Mpamonjy io miantraika amin’ny fiainanao?

Rehefa mahavita ilay fifanakalozan-kevitra ianareo, dia azonareo atao ny manavao ilay rafi-tantara tany am-piandohan’ny lesona na asaovy mizatra mamaly amin’ny alalan’ny fampiasana ny zavatra nianaran’izy ireo ny mpianatra.

Hamoaka printy