Seminera
Fifehezana fotopampianarana: 3 Nefia 27:20—“Mankanesa atỳ amiko ary aoka hatao batisa … mba hahazoana manamasina anareo amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina”.


“Fifehezana fotopampianarana: 3 Nefia 27:20—-Mankanesa atỳ amiko ary aoka hatao batisa … mba hahazoana manamasina anareo amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina,-” Boy torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Fifehezana fotopampianarana: 3 Nefia 27:20,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Fifehezana fotopampianarana: 3 Nefia 27:20

“Mankanesa atỳ amiko ary aoka hatao batisa … mba hahazoana manamasina anareo amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina”.

Sary
ankizy raisina ho mpikambana

Tamin’ny fandalinanao ny 3 Nefia 27, dia nianatra momba ny fanamasinana azonao iainana avy amin’ny Fanahy Masina rehefa miaina ny filazantsaran’ny Mpamonjy ianao. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanao tsianjery ny toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andianteny manan-danja ao amin’ny 3 Nefia 27:20 sy hanazava ny fotopampianarana ampianarina ao amin’io andalan-tsoratra masina io ary hampihatra fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Manampy ny mpianatra hampivelatra ny fahaizana mifanakalo hevitra momba ireo zavatra inoany ao amin’ny filazantsara amin’ny hafa. Mitombo ny fahatakaran’ny mpianatra rehefa mifanazava ny filazantsara izy ireo. Mamoròna tontolo ahazoan’ny mpianatra aina hizarana amin’ny hafa ny fahatakaran’izy ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara.

Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hanomboka hanao tsianjery ny toko sy andinin-tsoratra masina sy andianteny manan-danja ao amin’ny 3 Nefia 27:20: “Mankanesa aty Amiko ary aoka hatao batisa … , mba hahazoana manamasina anareo amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina”.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity dia natao mba hampianarina aorian’ny lesona “3 Nefia 27, Tapany 2,” izay lesona miompana amin’ny sahan-kevitry ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 3 Nefia 27:20. Raha ohatra ka ilaina ny mamindra ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity amin’ny herinandro hafa dia alaivo antoka tsara fa lesona miresaka sahan-kevitra mifandray amin’izany ihany koa no ampianarina amin’io herinandro io.

Hazavao sy ianaro tsianjery

Tamin’ny fandalinanao ny 3 Nefia 27:20dia nianatra ity fahamarinana manaraka ity ianao: raha mibebaka, manatona an’i Jesoa Kristy, ary atao batisa isika, dia afaka ny hohamasinina amin’ny alalan’ny fandraisana ny Fanahy Masina sy mijoro tsy misy pentina eo anatrehan’ny Mpamonjy amin’ny andro farany.

Alaivo sary an-tsaina hoe manana fahafahana hampianatra io fahamarinana io amina zaza iray ianao.

Alohan’ny hanasana ny mpianatra hamaly amin’ny feo mafy ity fanontaniana manaraka ity, dia hevero ny hanasa azy ireo hanoratra ny fanazavan’izy ireo ao amin’ny diary fandalinany. Avy eo dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara amina namana iray na vondrona kely iray ny zavatra nosoratan’izy ireo.

  • Ahoana no hanazavanao io fahamarinana io amin’ny ankizy kely iray amin’ny fomba ahatakarany izany?

Ampiharo ny fanaovana tsianjery ny andian-teny manan-danja ao amin’ny 3 Nefia 27:20: “Mankanesa atỳ amiko ary aoka hatao batisa … mba hahazoana manamasina anareo amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina”.

Zarao ho lasa ireto fizarana manaraka ireto ny toko sy andinin-tsoratra masina sy ny andianteny manan-danja. Ampiharo ny fitenenana ny fizaràna tsirairay imbetsaka. Avy eo dia atambaro ireo fizarana tsirairay ary tonony ilay toko sy andininy sy ilay andianteny manan-danja manontolo.

Mba hanovaovana izany rehetra izany, dia azonao atao ny mangataka mpianatra samy hafa na vondro-mpianatra hitadidy ny iray amin’ireto ampahany manaraka ireto. Tondroy ny mpianatra na vondrona iray ary asaovy manonona ny ampahany nanendrena azy ireo izy ireo. Tohizo mandra-pahavoaverina ny toko sy andinin-tsoratra masina sy ny andianteny manan-danja manontolo izany. Avy eo dia azonao atao ny manendry ny mpianatra na vondrona tsirairay ary hamerina io sahanasa io.

  • 3 Nefia 27:20

  • Mankanesa atỳ Amiko

  • ary aoka hatao batisa

  • mba hahazoana manamasina anareo

  • amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina

Fampiharana hanazaran-tena

Mba hanampiana anao hanao famerenana, dia tanisao ao anatin’ny 30 segondra ny zavatra rehetra tadidinao momba ny iray amin’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Manaova toy izany koa amin’ireo fitsipika roa hafa. Raha mila fanampiana amin’ny fitadidiana ireo fitsipika ianao, dia azonao atao ny mijery ny andiam-pehezanteny 5–12 ao amin’ny fizarana hoe “Fahazoana fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023).

Safidy hafa hamerenana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy ny fizarana ny kilasy ho vondrona telo ary hanendry ny vondrona tsirairay hanao famerenana fitsipika iray. Azon’ny mpianatra iray isaky ny vondrona atao ny manoratra eny amin’ny solaitrabe ny zavatra tsaroan’ny vondrona misy azy momba ny fitsipika nampandraiketina azy ireo.

Rehefa vitan’ny mpianatra ny famerenana ny fitsipika nampanaovina azy ireo, dia zarao amin’ny kilasy ity rafi-tantara manaraka ity. Azonao atao ny mampiseho ilay rafi-tantara mba hahafahan’ny mpianatra mijery izany mandritra ny lesona.

Mifanakalo hevitra momba ny filazantsara ianao sy i Meagan namanao eny an-dalana avy nianatra. Manontany i Meagan: “Efa nisy fotoana ve ianao natahotra ny hoe hihaona amin’ Andriamanitra indray? Miezaka miaina am-pahamarinana aho ary mibebaka rehefa manao fahadisoana, saingy mampivarahontsana ahy ny mieritreritra ny hoe hijoro eo anoloan’ Andriamanitra hotsaraina”.

Asao hifanakalo hevitra momba ny fomba ahafahan’izy ireo mampiasa ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny 3 Nefia 27:20 ny mpianatra, mba hanampiana an’i Meagan amin’ny ahiahiny.

Mety ho azonao heverina ny hanomboka ny fifanakalozan-kevitra amin’ny alalan’ny fangatahana ny mpianatra hizara ny hoe iza amin’ireo fitsipika no mety hanombohan’izy ireo, ary ahoana no ahafahan’izany fitsipika izany manampy. Avy eo dia manohiza mifanakalo hevitra momba ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy hafa mandra-pahavitanareo mifanakalo hevitra momba ny fomba ahafahan’ireo fitsipika telo rehetra manampy amina ahiahy toy ny an’i Meagan.

Araka izay ilaina, ampiasao ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo ireto fanontaniana manaraka ireto: Tsy voatery hampiasa ireo fanontaniana rehetra ireo ianao ary azonao atao ny mametraka azy ireo amina filaharana izay manampy indrindra.

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

  • Inona no mety ho fiheveran-diso ananan’i Meagan momba ny Ray any An-danitra na ny drafiny?

  • Inona avy no fahamarinana sasantsasany tianao ho takatr’i Meagan momba ny Ray any An-danitra sy drafiny?

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

  • Inona avy no fampianarana avy ao amin’ny 3 Nefia 27:20 afaka manampy amin’io toe-javatra io?

  • Inona avy ireo andinin-tsoratra masina hafa na teny hafa nambaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay heverinao fa afaka manampy?

Manao asa amim-pinoana

  • Inona no asa azon’i Meagan atao ka afaka manampy azy hahatsapa filaminana kokoa eo anatrehan’ny ahiahiny? Nahoana araka ny eritreritrao no afaka manampy izany asa izany?

Famerenana fifehezana fotopampianarana

Ity sahanasa manaraka ity dia azo ampiasaina amina lesona amin’ny hoavy mba hanampiana ny mpianatra hitadidy ny toko sy andinin-tsoratra masina sy andianteny ao amin’ny 3 Nefia 27:20. Io sahanasa io dia azo atao miaraka amin’ny iray kilasy, ao anatina vondrona kely, na tsiroaroa.

Asao hanoratra amina taratasy ny toko sy andinin-tsoratra masina sy ny andianteny ao amin’ny 3 Nefia 27:20 ny mpianatra ary hanonona mafy ilay toko sy andininy sy andianteny intelo. Angataho hanapatapaka ny teny sy hanafangaro izany izy ireo. Avy eo dia asaovy mandamina ireo teny ny mpianatra.

Hamoaka printy