Seminera
Môrmôna 3–6: Ny fahalavoan’ny firenena Nefita


“Môrmôna 3–6: Ny fahalavoan’ny firenena Nefita,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Môrmôna 3–6,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Môrmôna 3–6

Ny fahalavoan’ny firenena Nefita

Sary
Ny ady farany nataon’ny Nefita

Efa nisy fotoana ve ianao nanahy momba ny olona iray tianao ? Rehefa niresaka momba ireo olona nanodidina azy i Môrmôna dia nilaza hoe: “efa nitarika azy aho … ary efa tia azy … tamin’ny foko manontolo” (Mormon 3:12). Na izany aza, nanahy momba ny olony i Môrmôna ary nisaona ho azy ireo rehefa nandroso nankamin’ny fandringanana noho ny fandavan’izy ireo ny hitodika amin’ Andriamanitra mba hahazo fanampiana izy ireo. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fitodihana amin’ny Ray any An-danitra eo amin’ny fiainanao.

Manomeza topimaso ankapobeny mombana tantara avy ao amin’ny soratra masina manan-danja. Afaka mahatakatra tsara kokoa ny sahan-kevitra sy ny votoatin’ny soratra masina ny mpianatra rehefa hitany ny ambangovangony. Asongadino ireo olona, sy tranga ary fampianarana ara-paminaniana manan-danja ao anatina tantara manokana iray. Amporisiho hihevitra ny fomba iantraikan’ireo singa ireo amin’ny fahatakaran’izy ireo sy ny filazantsaran’ny Tompo ny mpianatra.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hanandrana mitadidy fotoana iray nanampian’ Andriamanitra azy ireo tamina ady mafy noho ny nangatahan’izy ireo Azy hanampy.

Sahanasa fianarana azo atao

Inona no hataonao?

Ny Loholona Spencer J. Condie ao amin’ny Fitopololahy dia nilaza tantarana lehilahy iray nantsoina hoe Murray Ling, izay nitondra fiara niampita ny tetezana iray tamin’ny andro alina raha nanjavona tampoka ny fiara teo alohany. Nirodana ny ampahany lehibe tamin’ilay tetezana teo alohany. Nohitsahin’i Murray ny hisatra ary najanony ara-potoana tsara ny fiarany.

  • Raha ianao no teo amin’ny toeran’i Murray, inona no zavatra sasantsasany hataonao voalohany indrindra raha vao avy manajanona ny fiaranao?

Vakio ity tantara manaraka momba ny zavatra nosafidin’i Murray hatao ity. Azonao atao ny mijery ilay horonan-tsary hoe “Prophets Warning (Fampitandreman’ny mpaminany),” hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 0:00 hatramin’ny 0:58.

… Nanomboka nampitandrina ny fiara mifanena aminy momba ny loza mety hitranga ao aloha ao i Murray. Rehefa nikoropaka nanofahofa ny tanany izy, dia nihorin-koditra fa nisy fiara iray “nivily tampoka teo aminy ary nilatsaka tany amin’ny hantsana” (Stephen Johnson, “Over the Edge!” Reader’s Digest, nôv. 1977, p. 128). Nisy fiara iray faharo zara raha tafajanona ara-potoana, saingy nisy fiara iray fahatelo tsy naneho famantarana hoe nanena hafaingana-pandeha ary nidona tamin’ny fiaran’i Ling teo amin’ny sisin’ny tetezana.

Tampoka teo dia nisy bus nanitsy nankany amin’i Murray, tsy niraharaha ny tanany nihofahofa. (Spencer J. Condie, “A Mighty Change of Heart,” Ensign, nôv. 1993, 17)

  • Raha ianao no teo amin’ny toeran’i Murray, ahoana ny fahatsapanao raha tsy raharahain’ny olona ianao? Ho kivy ve ianao ka hajanonao ny fiezahana mamonjy azy ireo? Nahoana, na nahoana no tsia?

Mitovy be amin’i Murray Ling, i Môrmôna dia nahita fa nizotra nankany amin’ny fandringanana ny olony. Tamin’ny maha mpitarika ny tafika Nefita azy sy tamin’ny maha mpaminanin’ Andriamanitra azy, dia nataon’i Môrmôna izay azony natao mba hampitandremana azy ireo, sy hiarovana azy ireo, ary hampianarana azy ireo momba ny Mpamonjin’izy ireo. Indrisy anefa, ny ankamaroan’ny olony dia tsy niraharaha na nandà ny ezaka nataon’i Môrmôna.

Loza mitatao amin’ny olon’i Môrmôna ao aloha ao

Tamin’ny fahafantarany mialoha, Andriamanitra dia nampitandrina ny Nefita an-jato taonany momba ny zavatra hitranga raha manohy mikomy Aminy izy ireo.

Mba hahitana ohatra iray, dia vakio ny Helamàna 13:8–10, hitadiavana faminaniana iray izay nataon’ Andriamanitra tamin’ny alalan’i Samoela ilay Lamanita mihoatra ny 300 taona talohan’ny nahaterahan’i Môrmôna. Rehefa mamaky izany ianao, dia mariho ny fotoana hahatanterahan’ilay faminaniana. (Jereo ny 1 Nefia 12:6, 11–19 sy ny 3 Nefia 27:30–32 mba hahitana ohatra misimisy kokoa momba ny fahafantaran’ Andriamanitra mialoha sy ny fampitandremana nataony izay ho tanteraka amin’ny andron’i Môrmôna.)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no ampahafantarin’ Andriamanitra efa ela be any aloha izany?

Asao hamaky ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto ny mpianatra ary hieritreritra ny antony hiezahan’i Môrmôna mafy hanampy ny olony na dia fantany aza ny faminaniana ny fandringanana azy ireo. Avy eo dia asao izy ireo hizara ny fahatakaran’izy ireo amin’ny namana iray. Mety ho tafiditra ao anatin’ny valinteny ny fanirian’i Môrmôna hamonjy olona maro araka izay vitany na dia fantany aza fa hopotehina ny firenena Nefita.

  • Inona avy no fitovitoviana hitanao teo amin’ny ezaka sy fanirian’i Môrmôna sy ny an’ny Mpamonjy?

Mangataka an’ Andriamanitra hanao zavatra

Hevero ny hanoratra ity fehezan-teny tsy feno ity eny amin’ny solaitrabe sy hanasa ny mpianatra ho eny amin’ny solaitrabe hameno ny banga amina ady matetika atrehin’ny tanora.

  • “Tanora maro ankehitriny no miady mafy amin’ny .”

I Môrmôna dia nizara ny iray amin’ireo antony nahatonga ny Nefita sahirana toy izany tamin’ny adin’izy ireo. Vakio ny Môrmôna 5:2, hitadiavana ny zavatra TSY nataon’ny Nefita teo am-piadian’izy ireo mafy.

  • Ahoana no ahafahan’ny zavatra zarain’i Môrmôna ao amin’ny andininy 2 mihatra amin’olona maro ankehitriny?

Farano ilay fehezan-teny eny amin’ny solaitrabe mba hahatonga azy hivaky toy izao:

  • “Tanora maro ankehitriny no miady mafy amin’ny nefa tsy miantso an’ Andriamanitra hanampy.”

Ampio ny mpianatra hahatakatra fa tsy hanala mandrakariva ny zavatra manahirana antsika Andriamanitra fa hanampy antsika amin’izany Izy raha mitodika Aminy isika. Manasà mpianatra manolo-tena hizara fotoana izay niantsoan’izy ireo an’ Andriamanitra hanampy amin’ny anankiray amin’ireo ady eny amin’ny solaitrabe sy ny fomba nanampian’ Andriamanitra azy ireo tamin’izany. Ampitandremo ny mpianatra mba tsy hizara zavatra mahakasika ny tenan’izy ireo manokana loatra amin’ny kilasy.

Asao ny mpianatra hisaintsaina raha toa ka misy ady izay tsy mbola nangatahan’izy ireo ny fanampian’ Andriamanitra eo amin’ny fiainan’izy ireo. Amporisiho izy ireo hikatsaka ny fanampiany amin’ny iray amin’ireo sehatra ireo sy hanamarika ny fahasamihafana entin’izany rehefa mandeha ny fotoana.

Ny fandringanana ny Nefita

Hevero ny hampiseho ity sary ity sy hanasa mpianatra iray hizara ny zavatra asehony. Ampiasao ny tahirin-kevitra ato amin’ity andiam-pehezanteny manaraka ity raha tsy maintsy ilaina.

Sary
Nanao fara-veloma ny firenena iray izay lehibe tokoa fahiny i Môrmôna, nataon’i Arnold Friberg

Rehefa avy nitia, sy nampianatra ary nitarika ny tafika Nefita nandritra ny folo taona maro i Môrmôna, dia naratra mafy tamin’ny ady farany tamin’ny Lamanita. Avy eny an-tampon’ny havoana iray no nandinihany izay tavela tamin’ny firenena Nefita. Nefita 24 no hany tafavoaka velona tamin’ny famonoana, tao anatin’izany i Môrmôna sy i Môrônia zanany (jereo ny Môrmôna 6:9–15).

Ao amin’ny Môrmôna 6, i Môrmôna dia nirakitra an-tsoratra ny “ady faran’ny vahoaka[ny]” (Môrmôna 6:6). Vakio ny Môrmôna 6:7, 10–15, hitadiavana ny zavatra nitranga tamin’ny Nefita tamin’io ady farany io.

Azonao atao ny manasa ny mpianatra haminavina hoe firy ny olona niangona tany am-piandohan’ilay ady ary firy no tavela taorian’ilay ady. Mety ho voamarik’izy ireo fa nisy komandy Nefita 23 izay nanana miaramila 10.000 isanisany teo, izay mitotaly ho Nefita 230.000. Nefita 24 no hany tafavoaka velona tamin’io ady farany io.

Alaovy sary an-tsaina hoe teo amin’ny toeran’i Môrmôna ianao, misaona ny fahaverezan’ny olona tianao saingy mahafantatra fa mety mbola afaka mamela hafatra fohy ho an’ny taranaka ho avy ianao. Inona no mety ho tianao ho fantatry ny olona amin’ny andro farany?

Vakio ny Môrmôna 5:10–11, 16–18; 6:16–20 mba hahitana ny sasany amin’ireo hafatra izay nanentanam-panahy an’i Môrmôna hosokirina ho antsika. Azonao atao ny manisy marika ireo andian-teny izay heverinao fa ilain’ny olona amin’izao androntsika izao henoina indrindra.

Hevero ny hanasa ny mpianatra hizara amina namana iray ny andian-teny hitan’izy ireo. Rehefa mahita fahamarinana ny mpianatra, dia azonao atao ny manoratra izany eny amin’ny solaitrabe. Ny ambiny sisa tavela amin’ity lesona ity dia mifantoka amin’ity fahamarinana manaraka ity. Mety hahatsapa ho tarihim-panahy hifantoka amina fahamarinana iray hafa hitan’ny mpianatra ianao.

Fahamarinana iray nampianarin’i Môrmôna ny hoe i Jesoa Kristy dia mijoro mamelatra ny sandriny handray ireo izay misafidy ny hibebaka sy hanatona Azy (jereo ny Môrmôna 6:17).

Hevero ny hanakimpy ny masonao mandritra ny fotoana fohy sy haka sary an-tsaina an’i Jesoa mijoro sy mijery anao sady mamelatra ny sandriny. Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao ny eritreritra sy fihetseham-po ary fahatsapanao momba ny dikan’ny hoe i Jesoa mijoro mamelatra ny sandriny handray anao eo amin’ny fiainanao.

Amporisiho ny mpianatra hitandrina mba tsy hizara zavatra an’ny tenan’izy ireo manokana loatra raha mifanakalo hevitra amin’ny iray kilasy momba ireto fanontaniana manaraka ireto ianao.

  • Iza amin’ireo fampianaran’i Môrmôna no ilainao indrindra eo amin’ny fiainanao? Nahoana?

  • Inona no tian’i Môrmôna ho takatrao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

  • Inona, araka ny eritreritrao, no mety hiova amin’ity tontolo misy antsika ity raha olona maro kokoa no mino ny zavatra nosoratan’i Môrmôna?

Hamoaka printy