Seminera
Tombano ny fianaranao 8: 3 Nefia 8–Môrmôna 6


“Tombano ny fianaranao 8: 3 Nefia 8–Môrmôna 6,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Tombano ny fianaranao 8,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Tombano ny fianaranao 8

3 Nefia 8Môrmôna 6

Sary
zava-maniry tanora amina dingam-pitomboana samy hafa

Ny fisaintsainana sy fanombanana ny fianaranao ara-panahy dia afaka manampy anao hanakaiky kokoa ny Mpamonjy. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanombana ireo tanjona napetrakao sy ny fitomboana izay niainanao hatreto nandritra ny fandalinanao vao haingana ny 3 Nefia 8 hatramin’ny Môrmôna 6.

Omeo fotoana hisaintsainana ny mpianatra. Manomeza fotoana mba hahafahan’ny mpianatra mahatsiaro sy misaintsaina ny zavatra nianaran’izy ireo. Mametraha fanontaniana na manomeza sahanasa hanampiana ny mpianatra hikaroka fahatsapana ao amin’ny fitadidian’izy ireo. Azonao atao ny manasa fotoana hanginana amin’ny alalan’ny fangatahana ny mpianatra hieritreritra sy hahatsapa ary hanoratra.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra ho tonga efa vonona hizara ny zavatra nianaran’izy ireo na fomba nitomboan’izy ireo ara-panahy tao anatin’ny herinandro vitsivitsy lasa. Mety hanampy ny fanasana ny mpianatra hamerina hijery ny diary fandalinan’izy ireo na fanamarihana nosoratana ao amin’ny soratra masin’izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Fanamarinana alohan’ny sidina

Ny Loholona Dieter F. Uchtdorf izay tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany, dia nizara lesona manan-danja iray avy amin’ny fotoana naha-mpanamory fiaramanidina azy:

Amin’ny fanamoriana fiaramanidina, dia haingana no ianaranao fa ny lalan’ny sidina ataonao dia miankina lehibe amin’ny fomba fisahananao ny hery mitarika ivelany manahirana toy ny rivotra sy toetrandro. Mbola manan-danja noho izany aza ny fanapahan-kevitra raisinao asetry ireny hery mitarika ivelany ireny. … Mba tsy ho diso amin’ny fandraisana ireny fanapahan-kevitra ireny, dia manampy ny fahalalana ny tena toerana misy anao. (Dieter F. Uchtdorf, “As You Embark upon This New Era,” BYU Speeches, 23 apr. 2009, 4)

  • Nahoana no zava-dehibe amin’ny mpanamory fiaramanidina ny fahafantarana ny toerana misy azy alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra?

  • Ahoana no ifandraisan’ny ohatry ny mpanamory fiaramanidina mamantatra ny toerana tena misy azy amin’ny fanatsarana ny tenanao ara-panahy?

Alohan’ny hamerenana mijery lohahevitra manokana nianaranao tamin’ny seminera, dia hevero ny zavatra nanan-danja taminao amin’ny ankapobeny kokoa. Mety hanampy ireto fanontaniana manaraka ireto. Hevero ny hirakitra an-tsoratra ny valinteninao ao amin’ny diary fandalinanao.

Asehoy ireto fanontaniana manaraka ireto. Aorian’ny fotoana anoratana, dia asao hizara ny valintenin’izy ireo amin’ny iray kilasy ny mpianatra.

  • Inona no nianaranao tamin’ny fandalinanao vao haingana ka nisy fiantraikany indrindra?

  • Inona avy no fiovana voamarikao tamin’ny fahatsapanao na toe-tsainao tato ho ato?

  • Inona avy no fomba sasantsasany nampiharanao ny zavatra nianaranao?

Ao amin’ity lesona ity, ny mpianatra dia hanana fahafahana hanazava ny fotopampianaran’i Kristy, sy hanombana ny fiantraikan’ny fandalinan’izy ireo ny 3 Nefia tamin’ny fahatsapan’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy, ary hisaintsaina ny fomba andraisan’izy ireo anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely. Raha tena ilaina, dia amboary ireo sahanasa ao amin’ity lesona ity mba hanampy ny mpianatrao hanombana ny tenan’izy ireo amina zavatra izay nantitranterina nandritra ny fandalinan’ny kilasinao ny 3 Nefia hatramin’ny Môrmôna 6.

Manazava ny fotopampianaran’i Kristy

Ity ampahany amin’ny lesona ity dia natao hanomezana ny mpianatra fahafahana hanazava ny fotopampianaran’i Kristy amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fampianarany ao amin’ny 3 Nefia 11:31–39 sy ny 3 Nefia 27:13–22.

Mety tsaroanao fa fotoana fohy taorian’ny nisehoan’ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty voalohany tamin’ny Nefita, dia nizara fahamarinana manan-danja momba ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba handraisana ireo fitahian’ny fiainana mandrakzay Izy (jereo ny 3 Nefia 11:31–39 sy ny 3 Nefia 27:13–22). Matetika isika no miantso ireo fampianarana ireo hoe “fotopampianaran’i Kristy” (2 Nefia 31:21). Hanana fahafahana hanazava ireo fampianaran’ny Mpamonjy amin’ny teninao manokana amin’ny alalan’ny fampiasana ity rafi-tantara manaraka ity ianao:

Hevero ny hizara ny mpianatra ho tsiroaroa hisahana ity rafi-tantara manaraka ity. Rehefa avy mamaly ny fanontaniana ny mpiara-miasa voalohany, dia mety ho azonao atao ny manasa ny mpianatra izay tsy mbola nizara mba hitady mpiara-miasa vaovao hizaràna ny valinteniny mba tsy hahatsapana izany ho miverimberina.

Alaovy sary an-tsaina hoe manana namana iray antsoina hoe Josh izay lasa liana amin’ny Fiangonana ianao. Na dia mahafinaritra azy aza ny zavatra ianarany, dia tsy hitany izay ilana ny hoe hatao batisa.

  • Andininy inona ao amin’ny Bokin’i Môrmôna no mety hampiasainao hanampiana an’i Josh hahatakatra ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy? (Raha tsy azonao antoka hoe aiza no hanombohana azy, dia mety ho azonao atao ny mijery ny 3 Nefia 11:31–39 na ny 3 Nefia 27:13–22.)

  • Ahoana araka ny hevitrao no mety hanampian’ireo fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ireo andininy ireo amin’ny fisahanana ny olan’i Josh?

Saintsaino ny fahatsapanao momba an’i Jesoa Kristy

Ity ampahany amin’ny lesona ity dia natao hanomezana ny mpianatra fahafahana hisaintsaina ny fomba niantraikan’ny zavatra nianaran’izy ireo momba ny Mpamonjy nandritra ny fandalinana ny 3 Nefia tamin’ny fihetsem-pon’izy ireo Aminy.

Ny soratra masina dia loharano manan-danja ahafahantsika mianatra misimisy kokoa momba ny toetran’i Jesoa Kristy. Tamina lesona maro, nanomboka tamin’ny 3 Nefia 8–10, ianao dia nasaina hanao lisitra ireo zavatra nianaranao momba an’i Jesoa Kristy rehefa nanao asa fanompoana tamin’ny Nefita taorian’ny fitsanganany tamin’ny maty Izy. Mety nisy fotoana ihany koa nakanao sary an-tsaina hoe teo ianao tamin’ny fotoana nanaovan’ny Mpamonjy asa fanompoana tamin’ny Nefita. Ny fandinihana ny fanamarihana fohy noraisinao na ny sasany amin’ireo fotoana nalainao sary an-tsaina, dia afaka manampy anao hahatsapa fitiavana ny Mpamonjy na fitiavana avy Aminy.

Raha nanao ilay lisitra voaresaka ao amin’ny andiam-pehezan-teny teo aloha niaraka tamin’ny iray kilasy ianao, dia mety hanampy ny hanehoana izany mba hahafahan’ny mpianatra mijery izany mandritra ity sahanasa ity.

Makà minitra vitsy hamerenana mijery ny lisitra nataonao ao amin’ny diary fandalinanao, hitadiavana ny zavatra nianaranao momba an’i Kristy ka mety hisy fiantraikany amin’ny fahatsapanao momba Azy. Raha tsy izany dia azonao atao ny mamerina mijery ireo lohatenin’ny toko na soratra masina nomarihinao tamin’ny fandalinanao ny 3 Nefia ka izany zavatra izany ihany no ao an-tsaina.

  • Inona avy no sasantsasany amin’ireo zavatra manan-danja nianaranao na tsapanao momba an’i Jesoa Kristy rehefa nandalina ny asa fanompoany tamin’ny Nefita ianao? Nahoana?

Rehefa avy omena fotoana hieritreretana sy hanoratana valiny amin’ireo fanontaniana ireo ny mpianatra, dia azonao atao ny mizara ny mpianatra ho vondrona kely hizara ny zavatra nosoratan’izy ireo. Izany dia afaka ny ho fahafahana tsara ihany koa hanasana mpianatra manolo-tena hizara amin’ny iray kilasy ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny zavatra nianaran’izy ireo sy tsapan’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy.

Mandray anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely

Ity ampahany amin’ny lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hieritreritra momba ny fomba andraisan’izy ireo na ahafahan’izy ireo mandray anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely.

Teo am-pandalinanao ny 3 Nefia 15–16; 20–22; sy ny 25, dia nianatra momba ny fanirian’ny Tompo hanangona an’i Isiraely ianao. Mety nanao drafitra hanampy olona iray hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy sy handray anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana ianao.

Raha nanasa ny mpianatra hanao drafitra hanampiana amin’ny fanangonana an’i Isiraely ianao teo am-pandalinanareo ireo toko voaresaka ao amin’ny andiam-pehezanteny teo aloha, dia omeo fotoana izy ireo hamerenana mijery ny drafitra nataon’izy ireo.

Ho an’ny mpianatra izay tsy mbola nanao drafitra dia mety hanampy ny fanaovana faribolana eny amin’ny solaitrabe. Ny ao anatin’ilay faribolana dia mety haneho ireo izay voaangona ho ao amin’i Isiraely. Asao ny mpianatra hanoratra ao anatin’ilay faribolana ny fomba samy hafa azon’ny zatovo anampiana ny Tompo hanangona an’i Isiraely. Ohatra amin’izany ny fizaràna fampianarana avy ao amn’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny hafa, na mivantana izany, na amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera, na amin’ny fomba hafa.

Makà iray minitra hamerenana mijery ireo drafitra mety nataonao tato ho ato mba handraisana anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely.

Ampiasao ny sasany na ny rehetra amin’ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampy amin’ny fanombanana ny fandrosoanao amin’ny drafitrao:

  • Inona no nataonao mba hihetsehana amin’ny drafitra nataonao?

  • Inona no nianaranao tamin’ny fanaovana zavatra amin’ny drafitra nataonao? Ahoana no nitomboanao?

  • Inona no mbola tianao hatao mba handraisana anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely?

Hamoaka printy