Seminera
Môrmôna 8:1–26: Rakitsoratra misy vidiny lehibe


“Môrmôna 8:1–26: Rakitsoratra misy vidiny lehibe,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Môrmôna 8:1–26,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Môrmôna 8:1–26

Rakitsoratra misy vidiny lehibe

Sary
tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fiteny samihafa

Inona no hataonao raha ametraham-pitokisana amin-javatra iray manan-danja toy ireo takela-bolamena ianao? Rehefa naharay ireo takela-bolamena i Môrônia, dia nanao izay rehetra azony natao mba hiarovana izany. Tamin’ny farany dia nandevina azy ireo tao anaty tany izy, natoky fa izy ireo dia “nafenina ho an’ny Tompo” (pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna), mba havoaka “amin’ny alalan’ny tanan’ny Tompo” indray andro any (Môrmôna 8:26). Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny Bokin’i Môrmôna eo amin’ny fiainanao.

Mamorona tontolom-pianarana mavitrika. Hevero ny hampiasa standy samihafa ho fomba mahomby iray hizaràna votoatiny betsaka sy hamelana ny mpianatra handray an-tànana ny fianaran’izy ireo. Rehefa misafidy sy mifindrafindra amin’ireo standy izy ireo dia jereo ny mpianatra izay mety mila fanampiana manokana.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ny fomba anehoan’ny fiezahana nandalina ny Bokin’i Môrmôna nataon’izy ireo tato ho ato ny fomba anomezan’izy ireo lanja ny Bokin’i Môrmôna.

Sahanasa fianarana azo atao

Fanomezana sarobidy

Alaovy sary an-tsaina hoe misy olona iray manome anao kitapo feno diamondra sy vatosoa ho fanomezana.

  • Ahoana no ho fihetsikao? Ahoana no mety hitahian’io fanomezana io ny fiainanao?

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanome tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna ho an’ny mpanjakana foko afrikana iray ary nanazava ny maha-testamenta hafan’i Jesoa Kristy izany. Hoy ilay mpanjaka namaly:

“Azonao natao ny nanolotra diamondra sy vatosoa ahy, saingy tsy misy zavatra sarobidy hafa amiko mihoatra noho ity fahalalana fanampiny momba ny Tompo Jesoa Kristy ity.” (Russell M. Nelson, “Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?,” Liahona, nôv. 2017, 60–61)

  • Inona avy no antony sasantsasany mety ho nahatsapan’ilay mpanjaka toy izany?

Omeo fotoana hanombanana ny fahatsapan’izy ireo momba ny Bokin’i Môrmôna ny mpianatra. Mety ho azonao aseho ity fanambarana manaraka avy amin’ny Filoha Nelson ity mba hanampy azy ireo hisaintsaina.

Eritrereto ny fomba hamalianao ireto fanontaniana napetraky ny Filoha Nelson manaraka ireto:

Ry rahalahy sy ranabaviko, inona no lanjan’ny Bokin’i Môrmôna ho anao? Raha tolorana diamondra sy vatosoa na ny Bokin’i Môrmôna ianao dia inona no ho safidianao? Lazao ny marina, inona no manan-danja kokoa aminao? (Russell M. Nelson, “Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?,” Liahona, nôv. 2017, 61)

Rehefa mandalina ny Môrmôna 8 ianao, dia saintsaino ny fijoroanao ho vavolombelona manokana momba ny Bokin’i Môrmôna. Mitadiava antony mahatonga ilay vavolombelon’i Jesoa Kristy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ho sarobidy indrindra sy ny fomba ahafahan’izany mitahy ny fiainanao.

Mahita ny lanjan’ny Bokin’i Môrmôna

Ity sahanasa manaraka ity dia ahitana ampahany efatra hanampiana ny mpianatra hahita sy hanamafy indray ny lanjan’ny Bokin’i Môrmôna. Azonao atao ny manangana toby iray ho an’ny ampahany tsirairay, ary azon’ny mpianatra atao ny mifindrafindra amin’ireo toby samirery na anatina vondrona kely.

Sary
saritanin-karena miafina

Manaova soritsori-tsaritanin-karena miafina ao amin’ny diary fandalinanao. Ny teboka tsirairay eo amin’ilay sarintany dia toerana iray hiraketana an-tsoratra ny zavatra ianaranao mandritra ny fandalinanao ny Môrmôna 8. Ampidiro ny zavatra hita momba ny lanjan’ny Bokin’i Môrmôna avy amin’ny tsirairay amin’ireto fizaràna manaraka ireto. Ny zavatra tsirairay ianaranao dia hampanakaiky kokoa anao an’ilay X eo amin’ny saritanin-karena miafina. Ilay X no hahafahanao mirakitra an-tsoratra ny dikan’ny Bokin’i Môrmôna aminao.

Tapany 1. Harena miafina

Taorian’ny nahafatesan’i Môrmôna tamin’ny ady (jereo ny Môrmôna 8:3), dia nitahiry sy nanoratra misimisy kokoa tao amin’ilay rakitsoratra nataon’ny rainy tamin’ny takela-bolamena i Môrônia.

Vakio ny Môrmôna 8:1–5 sy ny pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna, hitadiavana ny antony nanoratana sy nitehirizana ny Bokin’i Môrmôna.

  • Inona no azontsika ianarana momba ny tanjon’ny Bokin’i Môrmôna?

Soraty eo akaikin’ny iray amin’ireo teboka eo amin’ilay sarintany ny valinteninao.

Fahamarinana iray azontsika ianarana ny hoe ny Bokin’i Môrmôna dia notehirizina ho an’ny androntsika mba handresena lahatra antsika fa i Jesoa no Kristy.

  • Ahoana no nitaoman’ny Bokin’i Môrmôna ny fanirianao hanaraka an’i Jesoa Kristy?

Tapany 2. Ny lanjan’ilay rakitsoratra

Sary
takelaka volamena

Mba hanampiana ny mpianatra haka sary an-tsaina sy hieritreritra momba ireo takela-bolamena, dia hevero ny hampiasa fampahalalana avy ao amin’ny Ireo lohahevitry ny tantaran’ny Fiangonana, “Takela-bolamena,” history.ChurchofJesusChrist.org.

Eritrereto ny zavatra fantatrao momba ireo takela-bolamena sy ny zavatra izay heverinao fa mety ho sandan’izy ireo. Vakio ny zavatra niainan’i Joseph Smith tamin’ny fotoana nandraisany voalohany ireo takela-bolamena avy amin’i Môrônia.

Rehefa avy nentin’i Joseph tany an-trano ireo takela-bolamena, dia niezaka nandritra ny herinandro maromaro hangalatra azy ireo ny mpikatsaka harena. Mba hiarovana ilay rakitsoratra dia tsy maintsy nafindrafindrany toerana izany, ka nafeniny tao ambanin’ny fatana ireo takelaka, sy tao ambanin’ny gorodon’ny trano fiasan-drainy, ary tao amina antontam-boan-javatra. Tsy maintsy nitandrina foana izy. (Saints: The Story of the Church of Jesus Christ in the Latter Days, bok. 1, The Standard of Truth, 1815–1846 [2018], 43)

  • Inona no nanan-danja taminao tamin’io tantara io?

Vakio ny Môrmôna 8:14, hitadiavana ny zavatra nolazain’i Môrônia momba ireo takelaka.

  • Inona, araka ny eritreritrao, no tian’i Môrônia nolazaina rehefa nilaza izy fa ireo takelaka dia “tsy misy vidiny” fa “ny rakitsoratra aminy kosa dia misy vidiny lehibe”? Inona no azontsika ianarana avy amin’izany?

Soraty eo akaikin’ny iray amin’ireo teboka eo amin’ilay sarintany ny valinteninao.

Fahamarinana iray azontsika ianarana ny hoe misy vidiny lehibe ny Bokin’i Môrmôna.

Mitanisà andininy, fampianarana, na tantara vitsivitsy avy amin’ny Bokin’i Môrmôna izay tsapanao fa misy vidiny lehibe. Hazavao ny antony mampanan-danja izany aminao na ny hafa.

Tapany 3. Fanomezana avy amin’ Andriamanitra

Sary
I Joseph Smith naka ny takela-bolamena tany amin’ny Havoana Komôra

Saintsaino ny zavatra fantatrao momba an’i Joseph Smith fony izy tanora. Afaka mieritreritra antony mety ho nisafidianan’ Andriamanitra an’i Joseph Smith handika ny Bokin’i Môrmôna ve ianao?

Vakio ny Môrmôna 8:15–16, 26, hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Môrônia momba an’i Joseph Smith sy ny Bokin’i Môrmôna.

  • Inona avy no fahamarinana azontsika ianarana momba ny fomba nisehon’ny Bokin’i Môrmôna?

Soraty eo akaikin’ny iray amin’ireo teboka eo amin’ilay sarintany ny valinteninao.

Fahamarinana iray azontsika ianarana ny hoe nomen’ Andriamanitra hery namoahana ny Bokin’i Môrmôna i Joseph Smith.

Manorata zavatra iray na roa fantatrao momba an’i Joseph Smith nandika ny Bokin’i Môrmôna. (Jereo ny Ireo lohahevitry ny tantaran’ny Fiangonana, “Dikantenin’ny Bokin’i Môrmôna,” history.ChurchofJesusChrist.org na Lohahevitry ny filazantsara, “Dikantenin’ny Bokin’i Môrmôna,” history.ChurchofJesusChrist.org.)

Tapany 4. Ny zavatra omeko lanja momba ny Bokin’i Môrmôna

Miainga amin’ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna any an-trano, any am-piangonana, ary any amin’ny seminera, soraty ny zavatra omenao lanja momba ny Bokin’i Môrmôna. Mety ho afaka manampy ireto fanontaniana manaraka ireto.

Soraty eo akaikin’ny X eo amin’ny sarintaninao ny valin’ny farafahakeliny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana ianao no ankasitrahinao ny nitehirizana ny Bokin’i Môrmôna?

  • Inona no nianaranao momba ireo mpaminanin’ny Tompo nantsoina mba hitondra ny Bokin’i Môrmôna eo amintsika?

  • Inona no hataonao mba hanehoana amin’ny Tompo ny fanomezanao lanja ny Bokin’i Môrmôna?

Rehefa avy manoratra ny valintenin’izy ireo ny mpianatra, dia hevero ny hanasa azy ireo hieritreritra olona iray mety homen’izy ireo tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna na rohy hakana izany. Azonao atao ny mamporisika azy ireo hampiditra ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo rehefa mizara ny boky. Hevero ny hanao ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna.

Hamoaka printy