Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Etera 12:27—Mandresy ny fahalementsika


“Fifehezana fotopampianarana: Etera 12:27—Mandresy ny fahalementsika,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Fifehezana fotopampianarana: Etera 12:27,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Fifehezana fotopampianarana: Etera 12:27

Mandresy ny fahalementsika

Sary
Zatovovavy manao bokona hozatra

Tamin’ny fandalinanareo ny Etera 12:23–27, ianareo dia nianatra fa raha manetry tena isika ary mampihatra finoana ny Tompo, dia afaka mamadika ny fahalementsika ho tanjaka Izy. Ity lesona ity dia afaka manampy anareo hanao tsianjery ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny Etera 12:27, sy hanazava ny fotopampianarana ary hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amin’ireo toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Omeo fotoana hampiharana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy ny mpianatra. Omeo torolalana mazava ny mpianatra, ary avy eo dia omeo fotoana izy ireo hampiharana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Avelao izy ireo hahita valiny ho an’ny tenany. Amporisiho ny mpianatra hitodika sy hatoky amim-pahatokiana ny Tompo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hiezaka hanao tsianjery ny Etera 12:27.

Sahanasa fianarana azo atao

Ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity dia natao hampianarina aorian’ny lesona momba ny “Etera 12:23–27,” izay lesona miompana amin’ny sahan-kevitr’ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Etera 12:27. Raha ohatra ka ilaina ny mamindra ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity amin’ny herinandro hafa dia alaovy antoka fa lesona miresaka sahan-kevitra mifandray amin’izany ihany koa no ampianarina mandritra io herinandro io.

Tadidio sy hazavao

Omeo sahanasa tsotra ny mpianatra mba hanampy azy ireo hanazava ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny Etera 12:27. Sahanasa iray azo hatao ity manaraka ity.

Tsy ankijery ny Etera 12:27, zahao raha afaka mameno ny banga amin’ity fehezanteny ity miainga amin’ny fampianaran’ny Tompo tamin’i Môrônia ianareo:

  • Raha toa aho ka , , sy , dia hataon’i Jesoa Kristy tonga matanjaka ho ahy ny zavatra malemy.

  • Inona momba io fehezan-teny io no heverinareo fa zava-dehibe ho an’ny olona iray ny hahatsiarovany azy?

Ampio ny mpianatra hanazatra tena hanao tsianjery ilay andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina. Azon’ny mpianatra atao tsiroaroa na ao anatina vondrona kely ity manaraka ity. Hevero ny hametraka fe-potoana mba hahazoana antoka fa manana fotoana ampy hizarana mampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy ao amin’ny fizaràna hoe “Fizàrana mampihatra” ao amin’ny lesona ny mpianatra.

Mba hanampiana anao hanao tsianjery ny andinin-tsoratra masina sy ao amin’ny soratra masina dia avereno imbetsaka izany ary avy eo dia miezaha manoratra izany tsy ankijery ao amin’ny diary fandalinanao.

Etera 12:27: “Raha manatona Ahy ny olona, … amin’izany, ny zavatra malemy dia hataoko tonga matanjaka ho azy.”

Ampitahao amin’ilay andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ilay soratra masina etsy ambony ny zavatra nosoratanao tsy ankijery, ary ataovy izay fanitsiana ilaina rehetra. Ezaho soratana intelo na inefatra fanampiny na mandra-pahavitanao manoratra izany tsy ankijery manoratra ilay andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja.

Fizàrana mampihatra

Omeo fahafahana hamerina hijery ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy ny mpianatra. Hevero ny hanasa mpianatra telo hanoratra tsirairay eny amin’ny solaitrabe ny iray amin’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Manasà mpianatra hafa hanoratra tsy ankijery ny fanazavana eo akaikin’ny fitsipika tsirairay. Omeo minitra vitsy ny mpianatra hamerenana mijery ireo fitsipika ireo ao amin’ny andiam-pehezanteny 5–12 ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023) ary hampiditra izay antsipiriany mety ho tsy hitan’izy ireo.

Ity sahanasa manaraka ity dia natao hanampy ny mpianatra hizatra hampiasa ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amina fahalemena mifandray amin’izany. Amin’ny voalohany dia azon’ny mpianatra atao ny mamita ilay sahanasa ao anatina vondrona kely, tsiroaroa, na miaraka amin’ny iray kilasy. Avy eo dia azon’ny mpianatra atao ny mamerina samirery ilay sahanasa ka miompana amina fahalemena iray hafa na fahalemena mahakasika ny tena kokoa.

Raha tianao kokoa ny hampiasa rafi-tantara iray, dia jereo ireo sosokevitra ao amin’ny fizaràna hoe “Sahanasa fianarana fanampiny” ao amin’ny lesona.

  • Tanisao ao amin’ny diary fandalinanao ny sasany amin’ireo fahalemena izay mety hahatonga ny zatovo hahatsapa ho tsy mahavita azy na tsy sahaza.

  • Misafidiana iray amin’ireo fahalemena ireo izay tsapanao fa mifandray amin’ny zatovo maro, ary raketo an-tsoratra ny fomba ahafahan’ny zatovo iray mampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy mba handresena io fahalemena io.

  • Mety ho fomba iray hanaovana izany ny fanoratana ny tsirairay amin’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy ao amin’ny diary fandalinanao eo ambanin’ny fahalemena izay nosafidìnao hifantohana. Avy eo dia azonao soratana eo ambanin’ny fitsipika tsirairay ny fomba azo ampiharana izany amin’ilay fahalemena, na azonao atao ny mirakitra an-tsoratra ny fanontaniana mety hapetraky ny olona iray momba ilay fitsipika.

Azonao atao ny mampiseho ity ohatra manaraka ity ho an’ny mpianatra. Izy io dia afaka manampy azy ireo rehefa manao ny fampiharan’izy ireo manokana izy ireo.

Ohatra, raha misafidy fahalemena na ahiahy iray toy ny hoe “Mandany fotoana be loatra eo amin’ny findain’izy ireo ny zatovo” ianao, dia mety ho toy ity manaraka ity ny endriky ny teny iditra ao amin’ny diarinao:

Mandany fotoana be loatra eo amin’ny findainy ny zatovo

Manao asa amim-pinoana
  • Angamba ireo izay sahirana amin’izany dia mivavaka manokana kokoa mba hahazo fanampiana amin’io olana io. Alohan’ny hivavahana, dia azon’izy ireo atao ny misaintsaina ny fanampiana mety hilain’izy ireo amin’izany andro izany. Angamba mety ho azon’izy ireo atao mihitsy aza ny mivavaka alohan’ny hampiasana ny findain’izy ireo.

  • Nomen’ Andriamanitra tekinôlôjia isika mba hitahiana ny fiainantsika sy hanampy antsika sy ny hafa ho akaiky Azy kokoa; ahoana no ahafahantsika mampiasa izany ho amin’izany fomba izany?

  • Etera 12:27: Ahoana no ahafahantsika mampiseho amin’ny Tompo fa isika dia manetry tena, matoky Azy ary mila ny fanampiany mba hihatsarana kokoa amin’izany?

Fomba fijery mibanjina ny mandrakizay
  • Raha tsy maharesy izany ny olona iray dia ahoana no hiantraikan’izany amin’ny fifandraisany, ny asany, ny mandrakizainy sy ny sisa any amin’ny hoavy?

  • Inona no fantatro momba an’ Andriamanitra sy ny feniny? Nahoana no mikaonty Aminy ny fampiasantsika tekinôlôjia?

Loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra
  • Fantatro fa niresaka momba izany ny evekako, ary tsaroako izy niresaka mombana zavatra nataony. Hanontaniako azy ireo loharano nampiasainy sy ny zavatra nanampy azy.

Rehefa vitanao izany, dia vitao indray ilay sahanasa teo aloha. Amin’ity indray mandeha ity dia mifantoha amina fahalemena tianao hanampiana. Tsy hasaina mizara izany amin’ny hafa akory ianao.

Hevero ny hanome fotoana ny mpianatra hisaintsainan’izy ireo ny zavatra niainan’izy ireo sy hizaran’izy ireo ny zavatra nianaran’izy ireo tamin’ilay sahanasa androany. Mijoroa ho vavolombelona momba ny herin’ny Mpamonjy sy faniriany hanampy antsika hihatsara sy ho tonga tahaka Azy kokoa.

Famerenana fifehezana fotopampianarana

Ampiasao ity sahanasa famerenana manaraka ity ao amin’ny lesona iray izay hampianarinao tsy ho ela aorian’ity anankiray ity.

Anontanio ny mpianatra raha tsaroan’izy ireo ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny Etera 12:27. Avereno imbetsabetsaka miaraka amin’ny iray kilasy ilay toko sy andininy ary andianteny manan-danja “Etera 12:27: Raha manatona Ahy ny olona, … amin’izany, ny zavatra malemy dia hataoko tonga matanjaka ho azy”.

Hamoaka printy