Seminera
Etera 13–15: Mandresy ny fahatezerana


“Etera 13–15: Mandresy ny fahatezerana” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Etera 13–15,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Etera 13–15

Mandresy ny fahatezerana

Sary
Zatovolahy kivy miaraka amin’ny rainy tazana eo ambadimbadika

Amin’ny fitiavany lehibe no amelan’ny ny Ray any An-danitra antsika hiaina fihetseham-po isan-karazany mandritra ny fiainana an-tany, toy ny fitiavana, fiadanana, alahelo ary ny fahasorenana. Ny fiainana ireny fihetseham-po ireny dia mamela antsika hianatra. Rehefa nanohy nikomy tamin’ny Tompo ny Jaredita, dia navelan’izy ireo ny fihetseham-pony hitarika tamina fanapahan-kevitra izay nahatonga fahapotehan’ny sivilizasiônan’izy ireo. Ity lesona ity dia afaka manampy anao handresy ny fakam-panahy hanao zavatra amim-pahatezerana mandritra ny fiainanao.

Asao ny mpianatra hanao zavatra mahakasika ny zavatra ianaran’izy ireo. Omeo fahafahana ny mpianatra hanao drafitra hanaovana asa amin’ny zavatra nianarany. Amporisiho ny mpianatra hamita izany hatramin’ny farany. Ampio izy ireo hahita ireo fitahiana amin’ny fanaovana asa amin’ny fomba mitovy amin’ny an’i Kristy.

Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hisaintsaina ny dikan’ny hoe i Jesoa Kristy dia “Andrian’ny fiadanana” (Isaia 9:6) sy ny dikan’izany hoe mpanara-dia Azy izany amintsika.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny vokatry ny fahatezerana

Vakio na jereo ity tantara manaraka nozarain’ny Filoha Thomas S.Monson (1927–2018) mombana mpirahalahy izay niara-nipetraka nandritra ny fiainan’izy ireo.

Taona maro lasa izay no namakiako ity lahatsoratra an-gazety iray novokarin’ireo Fikambanan’ny mpanao gazety ity: Lehilahy lehibe iray no nanambara ampahibemaso nandritra ny fandevenana ny rahalahiny izay niara-nipetraka taminy hatramin’ny fahakeliny tao anatin’ny efitrano kely iray akaikin’i Canisteo New York, fa taorian’ny fifamaliana iray dia nozarain’izy ireo roa tamin’ny alalan’ny tsipika nosoritana tamin’ny tsaoka ilay efitrano ary tsy nisy niampita ilay tsipika izy ireo na nifampiteny nanomboka tamin’izay andro izay, 62 taona talohan’izay. Mba eritrereto fotsiny hoe ny vokatr’izany hatezerana izany. (Thomas S. Monson, “Sois vainqueur de tes sentiments, ô mon frère [Beazo ny fihetseham-ponao ry rahalahiko],” Liahona, Nov. 2009, 68–69)

  • Inona no ianaranao avy amin’ny tantaran’ny Filoha Monson momba ireo mpirahalahy? Nahoana araka ny eritreritrao no manan-danja eo amin’izao tontolo izao io hafatra io ankehitriny?

Eritrereto ny fihetseham-ponao manokana sy ny hatetiky ny fahatezeranao. Hevero hoe inona no toe-javatra mety hahatezitra anao ary ahoana no iantraikan’izany fahatezerana izany amin’ny fisainanao, zavatra ataonao ary ny fifandraisanao aman’olona.

Toe-javatra manahirana vao mainka miharatsy vokatry ny fahatezerana

Tamin’ny andron’i Etera mpaminany dia tena mamohehatra ny olona. Tsy maintsy nipetraka tany an-davabato i Etera mba hiafenany ireo izay nikatsaka ny hamono azy. Niady lalandava ny miaramila mpifahavalo. Notarihin’ny mpanjaka iray nantsoina hoe Kôriantomira ny tafika iray, ary ny iray hafa dia notarihina mpikomy isan-karazany tamina fotoana samy hafa, anisan’izany ny lehilahy iray nantsoina hoe Sareda. Nampitandrina an’i Kôrinatomira hibebaka i Etera fa raha tsy izany dia hofongorana ny vahoaka.

Vakio ny Etera 13:22–31, hitadiavana ny fomba niantraikan’ny fahatezerana tamin’ny zavatra nataon’ny olona.

  • Inona no hitanao?

Ny famongorana ny Jaredita dia maneho ny loza ateraky ny famikirana amin’ny fahatezerana. Nahomby tamin’ny fandresena an’i Sareda i Kôriantomira sy ny tafiny tamin’ny farany. Saingy nisy hafa nitsangana hitarika ireo mpikomy, tao anatin’izany i Siza. Taorian’ny namonoana an-tapitrisany tamin’ny olony, i Kôriantomira dia niezaka nanajanona ny fandatsahan-drà tamin’ny alalan’ny fanoratana taratasy maro tany amin’i Siza mba hikatsahana fandriampahalemana.

Vakio ny Etera 15:5–6, 15–30, hitadiavana ny fiantraikan’ny fahatezeran’ny Jaredita tamin’ny isam-batan’olona sy vondron’olona.

  • Tamin’ny fomba ahoana no niantraikan’ny fahatezerana tamin’olona tahaka an’i Kôriantomira sy i Siza ary ny hafa? Ahoana no niantraikan’ny fahatezeran’izy ireo tamin’ny olona nanodidina azy ireo?

Fahamarinana iray ampianarin’io tantara io ny hoe ny fahatezerana dia mety hitarika antsika hanao safidy izay mandratra ny tenantsika sy ny hafa.

Noho ny toetra manahirana fonosin’ity fanontaniana manaraka ity, dia mety ho tsara kokoa amin’ny mpianatra ny misaintsaina mangina izany sy mirakitra an-tsoratra ny valin-tenin’izy ireo ao amin’ny diarin’izy ireo.

  • Toy ny ahoana no nahitanao fiantraikan’ny fahatezerana tamina mpinamana, mpiray ekipa, mpikamban’ny paroasy, na olona ao amin’ny fianakaviana?

Nanazava ny antony tokony hikatsahantsika ny handresy ny fihetseham-pon’ny fahatezerana sy fifandirana ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Nangatahan’i Jesoa isika ny “hiara-honina amim-pitiavana” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:45] ka “tsy hisy fifanjihirana eo anivonareo” [3 Nefia 11:22]. “Izay manana ny fanahin’ ny fifandirana dia tsy Ahy,” hoy Izy nampitandrina ny Nefita [3 Nefia 11:29]. Mazava ho azy fa hamaritra be ny fifandraisantsika amin’i Kristy, na farafahakeliny hitondra fiantraikany eo amin’izany, ny fifandraisana misy eo amintsika. (Jeffrey R. Holland, “Ny fanompoana fampihavanana,” Liahona, nôv. 2018, 78)

Ampio ny mpianatra mba hieritreritra ny fomba mety hiantraikan’ny fahatezerana amin’ny fiainan’izy ireo sy ny zavatra azon’izy ireo atao mba handresena izany. Mety hanampy ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana araka ny eritreritrao no misy fiantraikany amin’ny fifandraisantsika amin’i Jesoa Kristy ny fifandraisantsika amin’ny hafa?

  • Inona no mahasarotra ny miala amin’ny fanaovana zavatra amim-pahatezerana?

  • Ahoana no ahafahan’i Jesoa Kristy manampy antsika handresy ny fahatezerana?

Mba hanampiana ny mpianatra hahita fomba ahafahan’izy ireo mikatsaka ny fanampian’ny Tompo handresena ny fahatezerana, dia azonao atao ny manasa azy ireo hamita ny iray na izy roa amin’ireto sahanasa manaraka ireto. Azon’izy ireo atao ny mamita safidy iray miaraka amin’ny iray kilasy ary ilay iray hafa atao samirery. Mampisehoa torolalana harahin’ny mpianatra.

Safidy A. Ny ohatry ny Mpamonjy amin’ny hatsaram-panahy

Mandalìna farafahakeliny ohatra iray teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy izay azony nanaovana fihetsika tamim-pahatezerana saingy nisafidianany ny hamaly tamim-pitiavana sy hatsaram-panahy. Azonao atao ny mandalina ny Fanomboana Azy tamin’ny hazofijaliana (jereo ny Lioka 23:33–43) na tamin’ny fotoana nitondrana teo Aminy ny vehivavy iray nijangajanga (jereo ny Jaona 8:1–11).

Asao ny mpianatra hizara ny fomba ahafahan’izy ireo manaraka ny ohatry ny Mpamonjy. Azon’izy ireo atao ny mieritreritra zavatra niainana tany aloha izay nanaovan’izy ireo zavatra tamim-pahatezerana sy mirakitra ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo ny mety hiova amin’ny vokatra raha nanao fihetsika tahaka ny Mpamonjy kokoa izy ireo.

Safidy B. Manaraka ny ohatry ny Mpamonjy amin’ny hatsaram-panahy

Amin’ity sahanasa manaraka ity, ampio ny mpianatra hahatsiaro ny hihazona ny rafi-tantara tsy hivaona.

Mamoròna rafi-tantara maneho toe-java-misy izay ahitana olona iray tezitra amin’ny olona iray hafa. Asio antsipiriany, isan’izany ny anarana sy ny anton’ilay fahatezerana.

Hevero ny hanasa ny mpianatra hanoratra ny rafi-tantaran’izy ireo amina taratasy iray ary hanome izany anao. Azonao atao ny manao jery maika vetivety izany ary avy eo mamaky ny maromaro amin’ireo rafi-tantara, ka manasa ny mpianatra handroso fomba famaly mitovy amin’ny fomban’i Kristy.

Azo ampifanoloana amin’izany ny hoe azon’ny mpianatra atao ny miara-miasa amina mpiara-mianatra iray ary milalao ny famaliana ny rafi-tantaran’izy ireo.

Fanasana hiala amin’ny fahatezerana

Nilaza toy izao ny Filoha Russell M. Nelson: “Tsy misy amintsika afaka mifehy firenena na mifehy ny zavatra ataon’ny hafa na dia ny ataon’ireo olona ao amin’ny fianakaviantsika aza. Saingy afaka mifehy ny tenantsika isika tsirairay” (“Ny herin’ny fahavitrihana ara-panahy,” Liahona, mey 2022, 97).

Manaova drafitra amin’ny zavatra azonao atao mba hifehezana ny tenanao sy handresena ny fahatezerana. Mety hifandray amin’ny fomba itondranao olona manokana na anaovanao fihetsika mamaly azy ny drafitra ataonao. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny fomba ahafahanao manaraka ny ohatry ny Mpamonjy izany. Ataovy azo antoka ny mampiditra fomba azonao anatonana ny Ray any An-danitra mba hahazoana fanampiana avy amin’ Andriamanitra na mandritra ny toe-javatra sarotra.

Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona fa hanampy ny mpianatra ny Mpamonjy rehefa mikatsaka ny fanampiany amin’ny fialana sy fandresena ny fahatezerana izy ireo.

Hamoaka printy