“26 febroary. Ahoana no hanampian’ny fampianaran’ny Mpamonjy ahy hanao fitsarana marina? Matio 6–7,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023 (2022)
“26 febroary. Ahoana no hanampian’ny fampianaran’ny Mpamonjy ahy hanao fitsarana marina?,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023
26 febroary
Ahoana no hanampian’ny fampianaran’ny Mpamonjy ahy hanao fitsarana marina?
Miaraha mifanakalo hevitra
Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kilasy na kôlejy; manodidina ny 10–20 minitra eo
Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny alalan’ny fampiasana ny iray na ny maromaro amin’ireo fanontaniana etsy ambany na fanontaniana nomaninao manokana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany,, 10.2, 11.2). Manomàna fomba hanaovana ireo zavatra izay ifanakalozanareo hevitra.
-
Fiainana ny filazantsara. Inona avy no lohahevitra noresahin’ny episkôpà tamin’ny fivoriana filankevitry ny zatovon’ny paroasy misy antsika? Inona no azontsika kilasy na kôlejy manontolo atao mifototra amin’ireo fifanakalozan-kevitra ireo?
-
Fikarakarana ireo sahirana. Ahoana no ahafahantsika manolo-tanana amin’ny olona araka ny fomban’i Kristy rehefa mahita olona mila fanampiana isika nefa tsy mahita holazaina?
-
Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara. Inona no hitantsika tao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ka mitondra fifaliana ho antsika? Ahoana no ahafahantsika mizara izany fifaliana izany amin’ny hafa?
-
Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay. Inona no ataontsika mba hahitana ny anaran’ireo razambentsika izay mila ôrdônansin’ny tempoly? Inona no azontsika atao mba hanampiana ny hafa hahita ny anaran’ny razambeny?
Any amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy araka izay mety izao manaraka izao:
-
Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.
-
Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.
Ampianaro ny fotopampianarana
Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; manodidina ny 25–35 minitra eo
Manomàna tena ara-panahy
Misy fironana ao anatintsika tsirairay avy, vokatry ny toetrantsika lavo, izay mitsara ny hafa, ary indray tsy ara-drariny na manamari-tena. Saingy nampianatra ny Mpamonjy hoe: “Aza mitsara araka ny tsy fahamarinana, mba tsy hotsaraina: fa mitsarà kosa araka ny fitsarana marina” (Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 7:1). Saintsaino ny fomba ahafahan’io torohevitra io mitahy anao sy ireo izay ampianarinao. Nasehon’ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny ohatra ny tiany holazaina tamin’ny hoe “fitsarana marina.” Diniho ohatra ny fomba nitondrany an’ilay vehivavy nijangajanga. Tsy nomelohiny izy kanefa tsy nekeny ihany koa ny ota nataony. Nasainy izy mba “handeha ary [tsy] hanota intsony” (Jaona 8:11). Inona no nianaranao avy tamin’ny Mpamonjy momba ny fitsarana marina?
Rehefa mandinika ny fomba hanampianao ireo zatovo hahatakatra ny fitsarana marina ianao dia azonao atao ny mandalina ny Matio 7:1–2 sy ny hafatry ny Loholona Lynn G. Robbins hoe “Ny fitsarana marina” (Liahona, nôv. 2016, 96–98).
Miaraha mianatra
Azonao atao ny manomboka fifanakalozan-kevitra momba ny fitsarana marina amin’ny alalan’ny fangatahana ireo mpianatra na ny mpikambana ao amin’ny kôlejy mba hieritreritra fotoana iray izay nahatsapany ho voatsaran’ny hafa tamin’ny fomba diso. Nanao ahoana izany? Inona no ianarantsika momba ny fitsarana avy amin’ireo fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny Matio 7:1–5? Inona no mety ho dikan’ilay andian-teny hoe “fitsarana marina”? Azonao atao ny mifanakalo hevitra momba ireo andininy ireo amin’ny alalan’ny fanasana ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hilaza ny andininy tsirairay amin’ny tenin’izy ireo manokana. Ny sahanasa tahaka ireto manaraka ireo dia afaka manampy ihany koa ireo mpianatrao mba hitsara amin’ny fitsarana marina.
-
Ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny Matio 6–7 dia afaka manampy antsika “hitsara araka ny fitsarana marina.” Mba hanampiana ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy hahita ireo fampianarana ireo dia azonao omena ny tsirairay amin’izy ireo ireto andinin-tsoratra masina ireto mba hohalalininy: Matio 6:14–15; 7:3–5; 7:12; 7:15–20. Inona no ambaran’ny tenin’ny Mpamonjy ao amin’ireo andininy ireo momba ny dikan’ny hoe mitsara amin’ny fitsarana marina? Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy ao amin’ny Jaona 8:1–11 sy ny Matio 9:10–13? Inona araka ny fahitantsika azy no tsy mampitovy ny fomba fitsaran’ny Mpamonjy antsika sy ny fomba hifampitsarantsika matetika?
-
Satria manana fahafahana misafidy isika rehetra, dia tsy maintsy mitsara foana ny zavatra hataontsika sy tsy hataontsika isika. Saingy amin’ny maha-mpanara-dia ny Mpamonjy antsika dia miezaka ny tsy mitsara na manakina ny hafa isika. Mba hanampiana ny zatovo hahatakatra ilay fahasamihafana dia zarao amin’izy ireo ny teny nambaran’ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana.” Miaraha miasa amin’ny kilasy na ny kôlejy mba hieritreritra ohatra amin’ny fitsarana toe-javatra iray, toy ny hetsika na tranga na resaka iray, fa tsy mitsara olona iray izay tafiditra ao anatin’izany. Nahoana no tsara kokoa ny mitsara toe-javatra iray toy izay mitsara olona iray? Mety hanana fanontaniana hafa ireo zatovo momba ny fitsarana marina (jereo ohatra ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana”). Iaraho midinika ny fanontanian’izy ireo amin’ny fampiasana ireo fampahalalana eo ambanin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana” mba hahitana valiny. Asao ireo zatovo hizara ny zavatra tsapany fa tokony hataony noho ny zavatra ianaran’izy ireo.
-
Tao amin’ilay hafany tamin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany izay mitondra ny lohateny hoe “Mampivelatra ny fahaizana mandanjalanja ary tsy mitsara ny hafa” (Liahona, mey 2010, 103–5) ny Loholona Gregory A. Schwitzer dia nilaza tantara anankiroa, momba an’i Marta naman’i Jesoa sy lehilahy iray izay nampian’ny Loholona Schwitzer. Inona no ampianarin’ireo tantara ireo momba ny fomba tokony hijerentsika sy hitondrantsika ny hafa? Inona no fitsipika afaka manampy antsika ho tahaka an’i Kristy bebe kokoa sy hitsara amin’ny fitsarana marina?
Manaova asa amim-pinoana
Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba handraisana andraikitra amin’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra hoe rehefa mandray andraikitra ka mampihatra ny zavatra tsapany izy ireo dia ahoana no hanamafisan’izany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
Loharanom-pitaovana enti-manohana
-
Ohatra amin’ny fanontaniana momba ny fitsarana ny hafa: “Nampianarina aho mba hitandrina rehefa mifidy namana. Ahoana anefa no anaovako izany ka tsy hitsara olona?” “Rehefa miezaka ny hiaina araka ny filazantsara aho, dia voapanga ho mitsaratsara. Ahoana no ahafahako ho mahatoky amin’ny zavatra inoako ary hampiseho fitiavana an’ireo izay tsy miombon-kevitra amiko?”
-
1 Samoela 16:7; Môrônia 7:12–19; fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:12
-
Sujets de l’Évangile, “Juger les autres,” topics.ChurchofJesusChrist.org
-
Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks hoe: Tokony hisoroka ny fitsarana olona isika, raha mbola azo atao, ary tsy tokony hitsara afa-tsy ny toe-javatra misy. Tena ilaina izany isaky ny miezaka hanao zavatra araka ny fitsipika hafa ankoatra ny hafa izay tsy maintsy arahantsika isika, any an-trano, na any am-piasana, na eny amin’ny fiarahamonina. Afaka mametraka fitsipika ho an’ny tenantsika na ny tokantranontsika isika sy manao zavatra araka izany kanefa tsy manameloka an’ireo izay manao ny mifanohitra amin’izany” (“‘Judge Not’ and Judging,” Ensign, Aug. 1999, 11).