Testamenta Vaovao 2023
12 martsa. Ahoana no ahafahan’ny Mpamonjy manampy ahy handresy ny tahotro? Matio 9–10; Marka 5; Lioka 9


“12 martsa. Ahoana no ahafahan’ny Mpamonjy manampy ahy handresy ny tahotro? Matio 9–10; Marka 5; Lioka 9,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023 (2022)

“12 martsa. Ahoana no ahafahan’ny Mpamonjy manampy ahy handresy ny tahotro?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023

Sary
Kristy manangana ny zanakavavin’i Jairo

Daughter, Arise (Ry zazavavy, mitsangàna), nataon’i Simon Dewey

12 martsa

Ahoana no ahafahan’ny Mpamonjy manampy ahy handresy ny tahotro?

Matio 9–10; Marka 5; Lioka 9

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kilasy na kôlejy; manodidina ny 10–20 minitra eo

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny alalan’ny fampiasana ny iray na ny maromaro amin’ireo fanontaniana etsy ambany na fanontaniana nomaninao manokana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany,, 10.2, 11.2). Manomàna fomba hanaovana ireo zavatra izay ifanakalozanareo hevitra.

  • Fiainana ny filazantsara. Tamin’ny fomba ahoana no nahitantsika ny fiasan’ny tanan’ny Tompo teo amin’ny fiainantsika?

  • Fikarakarana ireo sahirana. Ahoana no ahafahantsika mifanampy amin’ireo zavatra lalovantsika?

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara. Ahoana no ahafahantsika mampiasa tsara kokoa ny teknôlôjia ho fitaovana fizarana ny filazantsara?

  • Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay. Inona no ataontsika mba hanampiana ny fianakaviantsika hanatona an’i Kristy?

Any amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy araka izay mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
sary famantarana ny ampianaro ny fotopampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; manodidina ny 25–35 minitra eo

Manomàna tena ara-panahy

Ny toko 5 ao amin’ny bokin’i Marka dia mirakitra fa nisy olona telo nanatona an’i Jesoa izay samy nanana antony natahorana. Nisy “lehilahy azom-panahy maloto” nitoka-monina, “nitoetra teny amin’ny fasana sy teny an-tendrombohitra izy ka ninananana sady niteti-tena tamin’ny vato” (Marka 5:2, 5). I Jairo, mpanapaka iray tao amin’ny synagoga, dia natahotra ny amin’ny fahalasanan’ny zanany vavy izay “efa ho faty” (Marka 5:23). “Ary nisy vehivavy anankiray izay efa narary nandeha rà roa ambin’ny folo taona” tsy nety sitrana rehefa nandany “ny fananany rehetra” tamin’ny “mpanao fanafody maro” (Marka 5:25–26). Samy manana ny mampiavaka azy ny olona tsirairay izay ampianarinao ary samy miatrika ny tahony manokana. Saingy tahaka ny nahafahan’ny Mpamonjy nandroaka fanahy ratsy, sy nanangana ny maty, ary nanasitrana aretina nahatsiravina, dia afaka manampy antsika Izy rehefa matahotra isika. Ny torohevitra nomeny an’i Jairo dia mbola manana hery lehibe eo amin’ny fiainantsika ankehitriny: “Aza matahotra, minoa fotsiny ihany” (Marka 5:36).

Mba hiomanana hampianatra dia hevero ny handalina ny hafatry ny Loholona Ronald A. Rasband hoe “Aza matahotra” (Liahona, nôv. 2018, 18–21) sy ny hafatry ny Rahavavy Lisa L. Harkness hoe “Mangina, mitsahara” (Liahona, nôv. 2020, 80–82).

Miaraha mianatra

Azonao atao ny manasa mpianatra na mpikambana iray ao amin’ny kôlejy mba hamintina ilay tantara ao amin’ny Marka 5 momba an’i Jesoa manasa an’i Jairo hoe “aza matahotra” (jereo ny andininy 22–24, 35–43), na azonareo jerena ao anatina vondrona ilay tantara. Azonao atao torak’izany koa ireo tantara hafa ao amin’io toko io, ilay lehilahy miaraka amin’ny fanahy ratsy sy ilay vehivavy nandeha rà. Ahoana no itovizan’ireo tahotra ireo amin’izay tsapantsika eo amin’ny fiainantsika? Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo tantara ireo momba ny Mpamonjy sy ny fomba hikatsahana ny fanampiany? Ireto sahanasa manaraka ireto dia afaka manampy ny zatovo hampitombo ny finoana an’i Jesoa Kristy sy hianatra ny hanaraka ny toroheviny hoe “Aza matahotra, minoa fotsiny ihany” (Marka 5:36).

  • Ny fanasan’ny Tompo mba tsy hatahotra, izay miverimberina manerana ny soratra masina, dia hitahy ireo zatovo rehefa matahotra izy ireo. Asao izy ireo hamaky ireo soratra masina ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana” ary hanao sary azon’izy ireo aseho ao an-trano, na sary nomerika azon’izy ireo zaraina amin’ny internet, avy amin’ireo soratra masina novakiny. Rehefa mifampizara ny zavatra noforoniny izy ireo dia asao mba hizara ihany koa ny zavatra izay nianarany ka afaka manampy azy ireo rehefa matahotra izy ireo. Oviana ny Mpamonjy no nanampy antsika nandritra ny fotoana nampatahotra?

  • Hevero ny hampiseho ny sarin’ny Mpamonjy mampitony ny tafio-drivotra, tahaka ilay ao amin’ny hafatry ny Rahavavy Lisa L. Harkness hoe “Mangina, mitsahara” (jereo koa ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara [2009], lah. 40). Avy eo ianao na ny olona iray notendrenao dia afaka mizara ny tantaran’ny Mpamonjy nampitony ny tafio-drivotra ao amin’ny Marka 4:35–41 na avy amin’ny hafatry ny Rahavavy Harkness. Inona indraindray no mampitovy antsika amin’ireo olona tao anatin’ilay sambo? Inona no ianarantsika avy amin’io tantara io momba ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy manampy antsika rehefa matahotra isika? Asao ireo zatovo hamerina hijery ny hafatry ny Rahavavy Harkness, ka hitady andian-teny na fehezan-teny izay manampy azy ireo hanana finoana bebe kokoa an’i Jesoa Kristy. Azon’izy ireo soratana eny amin’ny solaitrabe izany. Ahoana no ahafahan’ny finoantsika ny Mpamonjy manampy antsika rehefa tsy sitrapony ny hampitony ireo tafiotra eo amin’ny fiainantsika?

  • Maro ireo fihirana midera ny Mpamonjy noho ny fampiononana sy hery omeny ao anatin’ny fotoan-tsarotra sy mampisalasala, toy ny “Mila anao aho” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, pejy 23, na “Reste avec nous, Seigneur” (Cantiques, no 92). Angamba azonareo atao ny miaraka mihira na mamaky andininy vitsivitsy amin’ireo, ary hitady ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy manampy antsika.

  • Tsy mahagaga ny tahotra sy ny fanahiana rehefa miatrika ireo fanamby eo amin’ny fiainana isika. Mampitondra takaitra ny sasany ireo fahatsapana ireo. Mety hahasoa an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy ny mifanakalo hevitra momba ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy manampy ireo izay sahirana amin’ny tebitebin-tsaina isan-karazany. Azon’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy averina jerena miaraka ilay hafatry ny Loholona Ronald A. Rasband hoe “Aza matahotra” na ny hafatry ny Loholona Erich W. Kopischke hoe “Firesahana momba ny fahasalamana ara-tsaina” (Liahona, nôv. 2021, 36–38), ka hitady ireo fahamarinana izay manan-danja amin’izy ireo ary hizara ny zavatra hitany. Amporisiho ny zatovo hiresaka amina ray aman-dreny na mpitarika azo itokisana na hitsidika ny MentalHealth.ChurchofJesusChrist.org raha mila fanampiana izy ireo.

Sary
zatovolahy mianatra

Nampanantena ny Tompo fa hanampy antsika rehefa mitodika Aminy isika ao anatin’ireo fotoan’ny tahotra sy ny fisalasalana.

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba handraisana andraikitra amin’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra hoe rehefa mandray andraikitra ka mampihatra ny zavatra tsapany izy ireo dia ahoana no hanamafisan’izany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Rehefa mampianatra ianao dia ampio ny zatovo hahita amin’ny alalan’ny tenany manokana ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara ao anatin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany fa aza manome fampahalalana tsotra fotsiny.

Hamoaka printy