Testamenta Vaovao 2023
26 martsa. Ahoana no ahafahan’ny Zatovovavy sy ny Zatovolahy miara-miasa mba hanangana ny fanjakan’ Andriamanitra? Matio 13; Lioka 8; 13


“26 martsa. Ahoana no ahafahan’ny Zatovovavy sy ny Zatovolahy miara-miasa mba hanangana ny fanjakan’ Andriamanitra? Matio 13; Lioka 8; 13,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023 (2022)

“26 martsa. Ahoana no ahafahan’ny Zatovovavy sy ny Zatovolahy miara-miasa mba hanangana ny fanjakan’ Andriamanitra?,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023

Sary
fivoriana filankevitry ny paroasy

26 martsa

Ahoana no ahafahan’ny Zatovovavy sy ny Zatovolahy miara-miasa mba hanangana ny fanjakan’ Andriamanitra?

Matio 13; Lioka 813

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kilasy na kôlejy; manodidina ny 10–20 minitra eo

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny alalan’ny fampiasana ny iray na ny maromaro amin’ireo fanontaniana etsy ambany na fanontaniana nomaninao manokana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 10.2, 11.2). Manomàna fomba hanaovana ireo zavatra izay ifanakalozanareo hevitra.

  • Fiainana ny filazantsara. Ahoana no ahitantsika fifaliana amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy?

  • Fikarakarana ireo sahirana. Iza ao amin’ny paroasy na fiarahamonina misy antsika no mila ny fanampiantsika? Ahoana no ahafahantsika manampy azy ireo?

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara. Ahoana no ahafahantsika mifanampy amin’ny fiomanana amin’ny asa fitoriana?

  • Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay. Ahoana no ahafahantsika mandray anjara amin’ny ezaka ataon’ny paroasy misy antsika hanao tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly?

Any amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy araka izay mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
sary famantarana ny ampianaro ny fotopampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; manodidina ny 25–35 minitra eo

Manomàna tena ara-panahy

Ny Mpamonjy dia nampianatra, tamin’ny alalan’ny andiana fanoharana hita ao amin’ny Matio 13, fahamarinana manan-danja momba ny fanjakan’ Andriamanitra sy ny firoboroboan’izany amin’ny fomba miavaka amin’izao androntsika izao. Misy zavatra bitika sy tsotra lasa zavatra lehibe ao amin’ny roa amin’ireo fanoharana ireo. Ary asa nataon’ny zanakalahy na zanakavavin’ Andriamanitra iray no nahatonga ilay fahagagana hitranga. Naniry ny voan-tsinapy bitika iray ka lasa hazo lehibe tsara azon’ny vorona “[itoerana] ao amin’ny rantsany” rehefa “nalain’olona ka nafafiny tany an-tsahany” (Matio 13:31–32). Ary ny masirasira tamin’ny fatra kely dia kely dia nampitombo koba be dia be rehefa “nalain’ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin’ny koba intelon’ny famarana” (Matio 13:33). Mitombo sy miely patrana ny fanjakan’ Andriamanitra amin’izao androntsika izao satria miara-miasa Aminy ireo Olomasiny, isan’izany ny zatovovavy sy ny zatovolahy, mba hanangana izany.

Ankoatra ny famakiana ny Matio 13 sy ny Lioka 813 amin’ity herinandro ity dia hevero ny hamaky ny hafatry ny Filoha M. Russell Ballard hoe “Lehilahy sy vehivavy ao anatin’ny asan’ny Tompo” (Liahona, Apr. 2014, 46–49) sy ny Filoha Jean B. Bingham hoe “Miray hina amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra” (Liahona, mey 2020, 60–63).

Miaraha mianatra

Mba hanampiana ny zatovo ampianarinao hahita maso ireo fanoharana ao amin’ny Matio 13, dia hevero ny hampiseho sarina voan-tsinapy, lalovavay (karibônetra ohatra), voahangy, ary harato. Azon’ny zatovo atao ny mandinika ny Matio 13:31–33, 45–48 dia mizara ny zavatra ampianarin’ny tsirairay avy amin’ireo fanoharana ireo azy ireo momba ny fanjakan’ny lanitra. Ahoana no ahafahantsika mampihatra ny hafatra avy amin’ireo fanoharana ireo eo amin’ny fiainantsika manokana? Inona no ataontsika mba hanampiana ny Tompo hanangana ny fanjakany? Ireto misy sahanasa vitsivitsy afaka manampy mandritra ilay fifanakalozan-kevitra.

  • Alohan’ilay fivoriana dia asao ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy mba hianatra momba ireo vehivavy sy lehilahy izay ohatra ho azy ireo amin’izao fotoana izao na tany aloha tany amin’ny fanampiana amin’ny fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra. Ireo olona ireo dia mety ho avy ao amin’ny soratra masina (jereo ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana”), na avy amin’ny tantaran’ny Fiangonana na avy amin’ny fiainan’izy ireo manokana. Asao ny zatovo hizara ny zavatra nianarany. Ahoana no fomba nanampian’ireo olona ireo ny Tompo hanangana ny fanjakany? Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatr’izy ireo?

  • Raha mampianatra zatovolahy ianao dia asao izy ireo handinika ny hafatry ny Filoha Bonnie L. Oscarson hoe “Zatovovavy ao anatin’ilay asa” (Liahona, mey 2018, 36–38) ary hitady sy hizara ireo fomba hitondran’ny zatovovavy anjara biriky amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ny fisandratana. Afaka manao fikarohana toy izany koa ny zatovovavy ao amin’ny hafatry ny Rahalahy Douglas D. Holmes hoe “Ny zavatra tokony ho takatry ny mpihazona ny Fisoronana Aharôna tsirairay avy” (Liahona, mey 2018, 50–53). Inona no mampitovy ny andraikitry ny zatovovavy sy zatovolahy? Ahoana no ahafahantsika manatsara kokoa ny fiarahantsika miasa rehefa manao ny asan’ Andriamanitra isika?

  • Mba hanampiana ny zatovo hahatakatra ny fomba iarahan’ny lehilahy sy ny vehivavy miasa mba hanangana ny fanjakan’ Andriamanitra dia afaka manoratra fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe ianao: Nahoana no ilain’ Andriamanitra ny fiarahan’ny lehilahy sy ny vehivavy miasa mba hanampy amin’ny fananganana ny fanjakany? Ahoana no ahafahan’ireo fiadidian’ny kilasy sy ny kôlejy miara-miasa amin’ny fomba tsaratsara kokoa? Azon’ny zatovo atao ny mandinika ampahany amin’ny hafatry ny Filoha M. Russell Ballard hoe “Lehilahy sy vehivavy ao anatin’ny asan’ny Tompo” na ny hafatry ny Filoha Jean B. Bingham hoe “Miray hina amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra,” indrindra fa ilay ampahany manomboka eo amin’ny hoe “Koa midika inona ho ahy sy ho anareo izany?” Azon’ny zatovo zaraina ny valinteny hitan’izy ireo ho an’ireo fanontaniana.

  • Inona no ataontsika ao an-tokantranontsika, ao amin’ny paroasintsika, ary ao amin’ny fiarahamonina misy antsika mba hanampy amin’ny asan’ Andriamanitra? Hevero ny hangataka ny filohan’ny kilasy na ny kôlejy mba hizara ireo olana noresahina nandritra ny fivorian’ny filankevitry ny zatovo izay azo zaraina. Asao ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy hizara hevitra mikasika ny fomba azon’izy ireo hanampiana amin’ny famahana ireo olana.

Sary
zatovovavy mihady tany

Mila ny vehivavy sy ny lehilahy hiara-hiasa Andriamanitra amin’ny fananganana ny fanjakany.

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba handraisana andraikitra amin’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra hoe rehefa mandray andraikitra ka mampihatra ny zavatra tsapany izy ireo dia ahoana no hanamafisan’izany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Raha manolotra fanasana mba hiaina fitsipika iray ianao dia ampio ny mpianatra mba hahita ireo fitahiana izay nampanantenain’ Andriamanitra ho an’ireo izay miaina io fitsipika io.

Hamoaka printy