Testamenta Vaovao 2023
9 aprily. Ahoana no ahafahako manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty? Paska


“9 aprily. Ahoana no ahafahako manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty? Paska,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023 (2022)

“9 aprily. Ahoana no ahafahako manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty?,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023

Sary
Niseho tamin’i Maria Magdalena i Jesoa

9 aprily

Ahoana no ahafahako manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty?

Paska

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kilasy na kôlejy; manodidina ny 10–20 minitra eo

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Aorian’izay, ankoatra ny fanoroana hevitra mikasika ny raharaha manokan’ny kilasy na ny kôlejy, dia azonareo atao ny mifanakalo hevitra momba ireo zavatra tsapa sy ireo lohahevitra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Mety hanampy ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona avy ireo lohahevitra na hafatra nanan-danja tamintsika? Inona no nanamafy orina ny finoantsika an’i Jesoa Kristy?

  • Inona no nampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ireo mpaminany velona? Inona no zavatra tsapantsika fa asaina ataontsika noho ny zavatra nianarantsika na tsapantsika?

  • Inona no zavatra tokony hataontsika kilasy na kôlejy manontolo mba hitadidiana sy hampiharana ireo torohevitra rentsika nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany?

Any amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy araka izay mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
sary famantarana ny ampianaro ny fotopampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; manodidina ny 25–35 minitra eo

Manomàna tena ara-panahy

Samy mijoro ho vavolombelona ireo apôstôly taloha na ankehitriny fa velona i Jesoa Kristy! Nijaly sy maty teo amin’ny hazofijaliana Izy, nalevina tao am-pasana Izy, ary nitsangana indray tamin’ny andro fahatelo. Noho ny fandreseny ny fahafatesana dia hitsangana amin’ny maty avokoa isika rehetra. Ny fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty no nitondra ny fampanantenana ho an’ny tsy fahafatesana sy ny fanantenana ho an’ny fiainana mandrakizay. Io fampanantenana io no ivon’ny Paska.

Amin’ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika dia manana antony manokana isika hinoana fa nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy. Ankoatra ny tenivavolombelon’ireo olona ao amin’ny Testamenta Vaovao dia manana ny fijoaroana ho vavolombelon’ireo olona izay niaina tamin’ny andron’ny Bokin’i Môrmôna sy ny an’ny Mpaminany Joseph Smith ary ny an’ireo mpaminany sy apôstôly velona isika. Afaka mahazo ihany koa ny tenivavolombelontsika manokana momba ny fitsanganana amin’ny maty amin’ny alalan’ny Fanahy Masina isika. Ahoana no hanampianao ny zatovo hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo fa nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy? Eo am-piomananao dia hevero ny handalina ny hafatry ny Rahavavy Reyna I. Aburto hoe “Tsy manam-pandresena ny fasana” (Liahona, mey 2021, 85–86) sy ny hafatry ny Loholona Elder S. Mark Palmer hoe “Hody fifaliana ny alahelontsika” (Liahona, mey 2021, 88–89).

Miaraha mianatra

Azonao atao ny manomboka fifanakalozan-kevitra momba ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty amin’ny fanasana ireo tanora hizara ny zavatra nataony tamin’ity herinandro ity hankalazana ny Paska. Azonao anontaniana azy ireo ny zavatra nohalalininy manokana na niaraka tamin’ny fianakaviany mba hanamafisana orina ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty. Ireto ambany ireto misy sahanasa hanampiana ireo mpianatrao na ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy misy anao hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananany.

  • Iaraho midinika ny antony maha-zava-dehibe ny vavolombelona eo amin’ny fiainana andavanandro. Avy eo dia ataovy lisitra ireo vavolombelon’ny Fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty betsaka indrindra azon’ny kilasy na ny kôlejy misy anao omena. Avy eo ny tsirairay dia afaka misafidy soratra masina iray avy amin’ireo voatanisa ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana” mba hahafantarana zavatra momba ny sasany amin’ireo vavolombelona ireo. Asao ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy hizara izay nianarany. Amporisiho izy ireo mba hizara ihany koa ny fomba nentin’ireo vavolombelona ireo nanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty.

  • Inona avy ireo toe-javatra sasany izay mety ahafahantsika mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty? Raha misy olona ao amin’ny kilasy na kôlejy manana traikefa momba ny firesahana tamin’ny olona iray momba ny fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty dia hevero ny hanasa azy hizara izany traikefa izany. Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy hieritreritra momba ny fomba ahafahan’izy ireo manampy olona iray hahatakatra ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty sy hahazo fijoroana ho vavolombelona fa noho Izy dia afaka ny hitsangana amin’ny maty avokoa isika rehetra. Inona avy ireo fahamarinana manan-danja momba ny fitsanganan’ny olona rehetra amin’ny maty izay mety ho zava-dehibe ny hampianarana azy amin’ny hafa. Afaka mahita valiny ao amin’ireo soratra masina ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana” ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy.

  • Rehefa nilaza tamin’i Tomasy ireo apôstôly fa nahita ny Mpamonjy efa nitsangana tamin’ny maty izy ireo dia nilaza i Tomasy fa tsy hino izy raha tsy mahita maso izany. Avy eo i Jesoa dia nilaza tamin’i Tomasy hoe: “Sambatra kosa izay tsy nahita nefa nino.” Iaraho jerena ny zavatra niainan’i Tomasy hita ao amin’ny Jaona 20:24–29. Tamin’ny fomba ahoana no efa nitahiana antsika noho ny finoantsika ny Mpamonjy kanefa tsy nahita Azy? Ahoana no hanamafisantsika orina ny finoantsika an’i Jesoa Kristy? Asao ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hamakafaka ny iray na ny maro amin’ireo hafatry ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana” ary hizara ny antony maha-feno fankasitrahana azy ireo noho ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty. Inona no fiantraikan’ny fahalalantsika hoe hitsangana amin’ny maty isika eo amin’ny fomba fieritreretantsika ny vatantsika sy ireo fanapahan-kevitra raisintsika?

Sary
Mba hahafantaranareo, nataon’i Gary L. Kapp

Mba hahafantaranareo, nataon’i Gary L. Kapp

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba handraisana andraikitra amin’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra hoe rehefa mandray andraikitra ka mampihatra ny zavatra tsapany izy ireo dia ahoana no hanamafisan’izany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Ny olona izay mahafantatra ny fomba hisintonana ny hevitra fonosin’ny soratra masina sy mamaky izany isan’andro dia ho afaka ny hahazo fitarihana masina mba handresena izay olana misy. Rehefa mampianatra ianao dia mametraha fanontaniana izay mitaky ny mpianatra mba hitady ny valiny ao amin’ny soratra masina.

Hamoaka printy