Testamenta Vaovao 2023
23 aprily. Ahoana no ahafahako maneho fitiavana bebe kokoa an’ireo manodidina ahy? Matio 18; Lioka 10


“23 aprily. Ahoana no ahafahako maneho fitiavana bebe kokoa an’ireo manodidina ahy? Matio 18; Lioka 10,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023 (2022)

“23 aprily. Ahoana no ahafahako maneho fitiavana bebe kokoa an’ireo manodidina ahy?,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023

Sary
Samaritana tsara fanahy, nataon’i Annie Henrie Nader

Samaritana tsara fanahy, nataon’i Annie Henrie Nader

23 aprily

Ahoana no ahafahako maneho fitiavana bebe kokoa an’ireo manodidina ahy?

Matio 18; Lioka 10

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kilasy na kôlejy; manodidina ny 10–20 minitra eo

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny alalan’ny fampiasana ny iray na ny maromaro amin’ireo fanontaniana etsy ambany na fanontaniana nomaninao manokana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 10.2, 11.2). Manomàna fomba hanaovana ireo zavatra izay ifanakalozanareo hevitra.

  • Fiainana ny filazantsara. Inona avy no zavatra niainana vao haingana nampanakaiky antsika kokoa tamin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

  • Fikarakarana ireo sahirana. Nisy olona nifindra nankao amin’ny paroasintsika ve na niditra ho mpikambana ao amin’ny Fiangonana tato ho ato? Ahoana no ahafahantsika manampy azy ireo hahatsapa ho voaray tsara?

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara. Inona avy no fiaraha-mientana hatao atsy ho atsy ka azontsika hanasana ireo namantsika hanatrika?

  • Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay. Inona no ezaka azontsika atao mba hiraketana ireo tantarantsika manokana?

Any amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy araka izay mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
sary famantarana ny ampianaro ny fotopampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; manodidina ny 25–35 minitra eo

Manomàna tena ara-panahy

Taorian’ny nampianaran’i Jesoa ny “mpahay lalàna iray” ny maha-zava-dehibe ireo didy roa lehibe, ny mitia an’ Andriamanitra sy ny mitia ny namantsika, dia nanontany ilay mpahay lalàna hoe: “Iza ary no namako?” (jereo ny Lioka 10:25–29; Matio 22:35–40). Mba hamaliana izany, ny Mpamonjy dia nizara fanoharana iray momba ny Samaritana iray izay nanao vivery ny ainy hikarakara lehilahy Jiosy iray naratra, nitondra ilay lehilahy ho any amin’ny toeram-pialofana iray mba hokarakaraina, ary nandoa ny saran’ny fitsaboana azy mandra-pahasitrany. Ilay Samaritana dia tsy nifantoka tamin’ny tsy fitovian’izy sy ilay lehilahy, izay noraisin’ny vahoakany ho fahavalo, na nitsara azy na nitady antony tsy hanampiana azy. Nanompo ilay lehilahy tao anatin’ny fahasahiranana izy, na dia teo aza ny tsy fahazoany aina sy ny fahafoizan-tenany manokana, ka naneho fitiavana an’ilay lehilahy sy an’ Andriamanitra. Rehefa misaintsaina ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny Lioka 10:25–37 ianao dia eritrereto ny tena dikan’izany hoe “tiava ny namanao tahaka ny tenanao” (andininy 27).

Ahoana no hanampianao ireo izay ampianarinao hahatakatra fa rehefa manompo ny manodidina azy izy ireo dia maneho ny fitiavan’izy ireo an’ Andriamanitra? Inona no mety hanentana azy ireo hitia sy hanompo ny hafa? Eo am-piomananao dia azonao atao ny mandinika ny hafatry ny Filoha Russell M. Nelson hoe “Ny didy lehibe faharoa” (Liahona, nôv. 2019, 96–100).

Miaraha mianatra

Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra momba ny fanehoana fitiavana bebe kokoa an’ireo olona manodidina antsika dia afaka mangataka ny mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ianao mba hizara ny zavatra nianaran’izy ireo mikasika ny fitiavana ny hafa avy amin’ilay fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy hita ao amin’ny Lioka 10:25–37. Inona no ianarantsika momba ny zavatra mampifandray ny didy lehibe voalohany sy faharoa avy amin’ny Lioka 10:27 sy ny teny nolazain’ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”? Ireto hevitra manaraka ireto dia afaka manampy anao hanohy fifanakalozan-kevitra momba ny fanehoana fitiavana lehibe kokoa amin’ireo olona manodidina anao.

  • I Jesoa Kristy no ohatra lehibe ho antsika amin’ny fanehoana fitiavana an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanompoana ny hafa, ary hahazo fitaomam-panahy ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy amin’ny alalan’ny fandalinana ny ohatra nasehony. Asao ny olona tsirairay hieritreritra ny fiainan’i Jesoa Kristy teto an-tany ary hisafidy zavatra niainana avy amin’ny fiainany izay maneho ny fitiavana lehibe tsapany ho an’ny olona hafa. Asao ny olona tsirairay hizara ny zavatra niainana nofidin’izy ireo, sy ny antony maha-manan-danja izany amin’izy ireo. Asao ireo izay ampianarinao hieritreritra fomba iray tian’izy ireo hanarahana ny ohatry ny fitiavana izay nasehon’ny Mpamonjy. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mizara ny eritreriny momba izay olona fantatr’izy ireo fa manaraka izany ohatra izany.

  • Zarao ary ifanakalozy hevitra amin’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ny teny nolazain’ny Filoha Russell M. Nelson izay hita ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Afaka manasa ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ianao mba handinika ny iray na ny maromaro amin’ireo hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany voatanisa ato amin’ity rindran-damina ity, ary hitady ireo fampianarana izay afaka mitarika antsika amin’ny ezaka ataontsika mba hitia ny hafa. Mety hifantoka amin’ireto manaraka ireto izy ireo: Ohatra mikasika ny fomba ahafahantsika manompo avy ao amin’ny “Ny didy lehibe faharoa” nataon’ny Filoha Nelson; fizarana III, ary VI ao amin’ny hafatry ny Filoha Oaks hoe “Fitiavana ny hafa sy fiainana ao anatin’ny fahasamihafana”; ary ilay tantara momba ireo bitro sy ilay torohevitra ho an’ny zatovo avy ao amin’ny “Fo mifamihina” nataon’ny Loholona Gary E. Stevenson. Azonareo atao koa ny miara-mamaky ny Môzià 2:17 sy ny Môrônia 7:45–48. Mety hanampy ny manoratra eny amin’ny solaitrabe ireo fampianarana noresadresahan’ny zatovo. Avy eo ny kilasy na ny kôlejy dia afaka miara-mifanakalo hevitra mikasika ireo fomba manokana azon’izy ireo hampiharana amin’ny fomba tsaratsara kokoa ireo fampianarana ireo amin’ny fifandraisan’izy ireo amin’ny olona ao amin’ny fianakaviana, amin’ny namana, ary ao amin’ny fiarahamonina misy azy ireo na dia toa sarotra tiavina aza ny olona.

  • Hanan-danja sy hatao amim-pifaliana kokoa ireo ezaka ataon’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy sy ny kôlejy amin’ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana rehefa ny fitiavana no manentana azy ireo. Mba hanampiana azy ireo hahita fa ny fitiavana no manosika ny lafin-javatra tsirairay amin’ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 1.2) dia soraty eny amin’ny solaitrabe ireo lafin-javatra efatra. Avy eo dia angataho ny zatovo hifanakalo hevitra mikasika ny fomba ahafahan’ny fananana fo feno fitiavana ny hafa manova ny fomba handraisan’izy ireo anjara amin’ny lafin-javatra tsirairay. Mety manana traikefa azony zaraina avy amin’ny fiainany manokana izy ireo na avy amin’ny fiainan’ny hafa.

Sary
zatovolahy sy zatovovavy manaingo mofomamy

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe “Rehefa tia an’ Andriamanitra amin’ny fontsika rehetra isika, dia mampitodika ny fontsika [Izy] hitsinjo izay mahasoa ny hafa.”

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba handraisana andraikitra amin’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra hoe rehefa mandray andraikitra ka mampihatra ny zavatra tsapany izy ireo dia ahoana no hanamafisan’izany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

  • Dallin H. Oaks, “Fitiavana ny hafa sy fiainana ao anatin’ny fahasamihafana,” Liahona, nôv. 2014, 25–28

  • Gary E. Stevenson, “Fo mifamihina,” Liahona, mey 2021, 19–23

  • Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks hoe: “Ny fahazotoantsika be hitandrina [ny] didy faharoa … dia tsy tokony hahatonga antsika hanadino ilay didy voalohany, dia ny mitia an’ Andriamanitra amin’ny fontsika rehetra sy ny fanahintsika rehetra ary ny saintsika rehetra. … Tsy maintsy miezaka mitandrina ireo didy roa lehibe isika. Mba hahafahana manao izany dia mitandrina be isika rehefa mampifandanja lalàna sy fitiavana, izany hoe sady mitandrina ireo didy sy mandeha eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana no mitia ireo namantsika eo amin’izany lalana izany. Ity dia atao ity dia mitaky antsika hikatsaka fanentanam-panahy avy amin’ Andriamanitra mikasika an’izay tokony hotohanana sy izay tokony holavina ary ny fomba hitiavana sy hihainoana amim-panajana ary hampianarana ao anatin’izany rehetra izany. Takina ao anatin’ny diantsika ny tsy hanaovantsika marimaritra iraisana amin’ireo didy, fa ny hampisehoana fangorahana sy fitiavana feno kosa” (“Ireo didy roa lehibe,” Liahona, nôv. 2019, 73–75).

  • Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ny Olomasin’ny Andro Farany … [dia] tena mikatsaka marina ny hiaina ny didy lehibe voalohany sy faharoa. Rehefa tia an’ Andriamanitra amin’ny fontsika rehetra isika, dia mampitodika ny fontsika hitsinjo izay mahasoa ny hafa amin’ny lamina iray izay kanto sy tsara. … Ny fanampiana ny hafa, ny fanaovana ezaka amin-kitsimpo mba hikarakara ny hafa tahaka, na mihoatra ny hikarakarantsika ny momba ny tenantsika, no fifaliantsika. Dia tiako hampiana hoe indrindra fa rehefa tsy mety amintsika izany ary voatery hanao zavatra tsy fanaontsika isika. Ny fiainana izany didy lehibe faharoa izany no fanalahidy hahatongavana ho mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy” ((“Ny didy lehibe faharoa,” Liahona, nôv. 2019, 97, 100).

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Ny zavatra niainanao manokana amin’ny fiainana ny filazantsara dia hanome fahafahana anao hizara fijoroana ho vavolombelona mahery vaika mikasika ireo fitsipika nampianarinao. Satria iainanao izy ireo dia afaka mijoro ho vavolombelona ny Fanahy Masina fa marina ny zavatra ampianarinao.

Hamoaka printy