Testamenta Vaovao 2023
14 mey. Ahoana no hanampian’ny Tompo ny lehilahy sy ny vehivavy hiara-hiasa amim-piraisan-kina ao anatin’ny fanambadiana? Matio 19–20; Marka 10; Lioka 18


“14 mey. Ahoana no hanampian’ny Tompo ny lehilahy sy ny vehivavy hiara-hiasa amim-piraisan-kina ao anatin’ny fanambadiana? Matio 19–20; Marka 10; Lioka 18,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023 (2022)

“14 mey. Ahoana no hanampian’ny Tompo ny lehilahy sy ny vehivavy hiara-hiasa amim-piraisan-kina ao anatin’ny fanambadiana?,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023

Sary
mpivady eo ivelan’ny tempoly

14 mey

Ahoana no hanampian’ny Tompo ny lehilahy sy ny vehivavy hiara-hiasa amim-piraisan-kina ao anatin’ny fanambadiana?

Matio 19–20; Marka 10; Lioka 18

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kilasy na kôlejy; manodidina ny 10–20 minitra eo

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny alalan’ny fampiasana ny iray na ny maromaro amin’ireo fanontaniana etsy ambany na fanontaniana nomaninao manokana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 10.2, 11.2). Manomàna fomba hanaovana ireo zavatra izay ifanakalozanareo hevitra.

  • Fiainana ny filazantsara. Ahoana no ahafahan’ny fitodihana amin’ny Tompo manampy antsika hiatrika ireo olana sy fitsapana?

  • Fikarakarana ireo sahirana. Iza no fantatsika fa mila ny vavaka ataontsika sy ny finamanantsika?

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara. Inona no drafitra hizarana ny filazantsara noresahina nandritra ny fivoriana filankevitry ny zatovon’ny paroasy? Ahoana no ahafahan’ny kilasy na ny kôlejy misy antsika mandray anjara?

  • Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay. Ahoana no ahafahan’ny fanaovana asa momba ny tantaram-pianakaviana manamafy orina ny fifandraisantsika amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Any amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy araka izay mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
sary famantarana ny ampianaro ny fotopampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; manodidina ny 25–35 minitra eo

Manomàna tena ara-panahy

Nanomboka tamin’i Adama sy i Eva no nikatsahan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy hanamafy orina sy hampiray hina ny mpivady ao anatin’ny fanambadiana. Nampianatra ny Mpamonjy hoe: “Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany izy roroa” (Matio 19:5). Etsy an-kilan’izay dia manao izay azo atao rehetra i Satana mba hampisaraham-bazana sy hanimbana ny fianakaviana. Mety mahalala tsara ireo olana maro mianjady amin’ny fanambadiana amin’izao fotoana izao ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy misy anao. Angamba izy ireo efa nahita ihany koa mpivady niara-niasa sy nikatsaka ny fanampian’ Andriamanitra mba hisian’ny firaisan-kina. Saintsaino ny fomba mety hampianaran’ireo zavatra niainana ireo azy ireo mikasika ny zavatra takina mba hisian’ny firaisan-kina ao anatin’ny fanambadiana iray. Inona no azonao atao mba hampianarana azy ireo ny maha zava-dehibe ny fiomanana dieny izao amin’ny fifandraisana ao anatin’ny fanambadiana amin’ny hoavy?

Nanana fahafahana ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy tamin’ny herinandro lasa namaky ny fampianaran’ny Mpamonjy momba ny fanambadiana ao amin’ny Matio 19:4–6. Mba hiomanana hampianatra dia halalino ireo andininy ireo, miaraka amin’ny hafatry ny Filoha Dieter F. Uchtdorf hoe “Ho fiderana ireo izay manavotra” (Liahona, mey 2016, 77–80) na ireo hafatra hafa aroso ato amin’ity rindran-damina ity.

Miaraha mianatra

Mety tsy ho ao an-tsain’ny tanora maro ny fanambadiana. Mila fiomanana amim-pitandremana anefa ny zavatra tena manan-danja toy izany. Azonao atao tsara ny manasa ny zatovo haka sary an-tsaina hoe mandohalika eo amin’ny alitara iray ao amin’ny tempoly izy ireo mba hofehezina ary nanoro hevitra azy ireo handalina ny Matio 19:4–6 ilay mpanao ny famehezana. Inona avy ireo fahamarinana hitantsika ao amin’ireo andininy ireo izay hanampy mpivady vao iray? Ahoana no hahatongavan’ny mpivady ho “iray”? Ahoana no anampian’ny Mpamonjy amin’izany? Afaka manampy ny kilasy na ny kôlejy misy anao ny sahanasa tahaka ireo mba hahatakatra ny fomba hisian’ny firaisan-kina ao anatin’ny fanambadiana.

  • Naneho ohatra tsara amin’izany hoe mpivady miara-miasa ao anatin’ny firaisan-kina izany i Adama sy i Eva. Afaka mampiseho sarin’izy ireo ianao (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara [2009], lah. 5) ary manasa ny kilasy na ny kôlejy misy anao hamaky ny Mosesy 5:1–12, ary hitady ireo fomba izay niarahan’i Adama sy i Eva niasa tamim-piraisan-kina. Inona no nataon’izy ireo ka nahafahan’ Andriamanitra nitahy ny fifandraisan’izy ireo? Mba hanampiana ny zatovo hianatra kokoa momba ny firaisan-kina ao anatin’ny fanambadiana dia afaka mandalina ny soratra masina ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana” izy ireo.

  • Nampianatra ny Filoha Dieter F. Uchtdorf fa eo amin’ny fiaraha-monina maro amin’izao fotoana izao dia “toa saika natao ho ariana avokoa ny zava-drehetra.” Saingy tsy tokony hihatra amin’ny fanambandiantsika sy ny fianakaviantsika izany toe-tsaina izany, fa isika kosa dia tokony “hanokana ny ezaka tsara indrindra vitantsika ho fitehirizana sy ho fanatsarantsika [izany]” (“Ho fiderana ireo izay manavotra,” 77). Mba hanomezana ohatra hanazavana io hevitra io dia afaka manasa ny zatovo ianao hieritreritra zavatra simba, na tonta, na lany andro izay vao nosoloin’izy ireo. Nahoana ny fanambadiana no tsy mitovy amin’ny zavatra azo soloina tahaka ireo zavatra ireo? Aorian’izay ny kilasy na ny kôlejy dia afaka mamaky ilay fizarana ao amin’ny hafatry ny Filoha Uchtdorf mitondra ny lohateny hoe “Manavotra ny fanambadiantsika” ary mizara fomba ahafahan’ny mpivady miara-miasa amin’ny Mpamonjy mba hanamafy orina ny fanambadian’izy ireo. Inona no azontsika atao amin’izao fotoana izao mba hiomanana amin’ny fanambadiana mafy orina sy miray hina?

  • Hevero ny hanoratra hoe Firaisan-kina ao anatin’ny fanambadiana eny amin’ny solaitrabe sy hanasa ny zatovo hitanisa ireo zavatra izay azon’ny mpivady atao mba hiray hina. Avy eo dia asao ny zatovo handinika ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” (ChurchofJesusChrist.org) mba hitadiavana ireo hevitra azon’izy ireo ampidirina ao amin’ny lisitra nataon’izy ireo. Inona ny toetra tsara hitan’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy misy anao eo amin’izy samy izy na eo amin’ireo mpivady fantatr’izy ireo izay manan-danja mba hisian’ny firaisan-kina ao anatin’ny fanambadiana? Nahoana no zava-dehibe ny mampivelatra sy mampihatra ireo fitsipika ireo eo amin’ny fifandraisana misy eo amintsika amin’izao fotoana izao?

Sary
mpivady mifamihina

Nanomboka tamin’i Adama sy i Eva no nikatsahan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy hanamafy orina sy hampiray hina ny mpivady ao anatin’ny fanambadiana.

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba handraisana andraikitra amin’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra hoe rehefa mandray andraikitra ka mampihatra ny zavatra tsapany izy ireo dia ahoana no hanamafisan’izany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Ny fanehoana amin-kitsimpo fitiavana tahaka ny an’i Kristy dia manana hery lehibe izay manalefaka ny fon’ireo mpianatra ao amin’ny kilasy izay manana fahasahiranana. Mba hanampiana ny mpianatra hahatsapa hoe ilaina sy tiana dia azonao atao ny manasa azy ireo handray anjara amin’ny lesona iray hatao manaraka amin’ny alalan’ny fizarana zavatra niainana na zavatra tsapan’izy ireo momba ny soratra masina.

Hamoaka printy