Testamenta Vaovao 2023
28 mey. Inona no azoko atao amin’izao fotoana izao mba hiomanana amin’ny fiavian’ny Mpamonjy fanindroany? Joseph Smith—Matio 1; Matio 24–25; Marka 12–13; Lioka 21


“28 mey. Inona no azoko atao amin’izao fotoana izao mba hiomanana amin’ny fiavian’ny Mpamonjy fanindroany? Joseph Smith—Matio 1; Matio 24–25; Marka 12–13; Lioka 21,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023 (2022)

“28 mey. Inona no azoko atao amin’izao fotoana izao mba hiomanana amin’ny fiavian’ny Mpamonjy fanindroany?,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023

Sary
Ho avy indray Izy hanapaka sy hanjaka, nataon’i Mary R. Sauer

Ho avy indray Izy hanapaka sy hanjaka, nataon’i Mary R. Sauer

28 mey

Inona no azoko atao amin’izao fotoana izao mba hiomanana amin’ny fiavian’ny Mpamonjy fanindroany?

Joseph Smith—Matio 1; Matio 24–25; Marka 12–13; Lioka 21

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kilasy na kôlejy; manodidina ny 10–20 minitra eo

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny alalan’ny fampiasana ny iray na ny maromaro amin’ireo fanontaniana etsy ambany na fanontaniana nomaninao manokana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany,, 10.2, 11.2). Manomàna fomba hanaovana ireo zavatra izay ifanakalozanareo hevitra.

  • Fiainana ny filazantsara. Inona no noresahintsika farany, ary inona no fanasana natao na andraikitra nomena? Inona no nataontsika mba hamaliana ireo fanasana ireo na hanatanterahana ireo andraikitra nomena ireo?

  • Fikarakarana ireo sahirana. Inona no azontsika atao na lazaina mba hanampiana ireo izay mety hahatsiaro ho irery na lavitra ny Ray any An-danitra?

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara. Inona avy ireo fomba vitsivitsy ahafahantsika manampy ny hafa hahatsapa ny fitiavan’i Jesoa Kristy?

  • Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay. Inona no hevitra azontsika ifampizarana mba hanampiana amin’ny fanamafisana orina ny fianakaviantsika?

Any amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy araka izay mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
sary famantarana ny ampianaro ny fotopampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; manodidina ny 25–35 minitra eo

Manomàna tena ara-panahy

Inona no tsapan’ireo zatovo ampianarinao mahakasika ny fiainana ao anatin’ireo andro farany mialoha ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany? Marina fa andro mahory izao, voamariky ny fahoriana sy ny faharatsiana ary ny faharavana. Kanefa rehefa namariparitra izao androntsika izao tamin’ireo mpianany ny Mpamonjy tamin’ny faramparan’ny fiainany teto an-tany dia nanome fanantenana antsika Izy. Na dia efa nahafantatra ny haizina izay ho tonga aza Izy dia nampanantena fa ny fahazavany dia “[handrakotra] ny tany manontolo” amin’ny fiverenany (jereo ny Joseph Smith—Matio 1:22–26; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:34–38).

Ahoana no hanampianao ireo zatovo hahatakatra bebe kokoa ireo fitahiana sy fahafahana manao zavatra avy amin’ny fiainana amin’izao andro farany izao? Inona no azonao atao mba hitaomana azy ireo hanomana ny tenany sy izao tontolo izao amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany? Ankoatra ny fandalinana ireo hafatra avy amin’ny soratra masina ho an’ity herinandro ity dia hevero ny hijery loharano vitsivitsy voatanisa ao amin’ny “Seconde venue de Jésus-Christ” ao amin’ny Sujets de l’Évangile (topics.ChurchofJesusChrist.org).

Miaraha mianatra

Mba hanampiana ireo zatovo hijery ny zavatra novakiny tao amin’ny soratra masina tamin’ity herinandro ity dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ireto lohateny ireto: Faminaniana manjombona sy Fanambarana be voninahitra (jereo ny Russell M. Nelson, “Raiso amim-pinoana ny hoavy,” Liahona, nôv 2020, 73–76). Avy eo ny tsirairay dia afaka mijery ny Joseph Smith—Matio 1:22–37 ary hitanisa ireo zavatra “manjombona” sy “be voninahitra” hitranga mialoha ny fiverenan’ny Mpamonjy. Nahoana no manan-danja ho antsika ny mahafantatra mialoha ireo zavatra hitranga ireo? Mba hanampiana ireo zatovo hianatra bebe kokoa momba ny fiomanana amin’ny fiavian’ny Mpamonjy dia eritrereto ireto sahanasa manaraka ireto na ny iray izay noforoninao.

  • Ireo soratra masina ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana” dia afaka manampy ireo zatovo hahatakatra ny fomba fanomanan’ny Ray any An-danitra ny lalana ho amin’ny Fiavian’ny Zanany Fanindroany. Hevero ny hanoratra ireo tranga voafaritra ao amin’ireo soratra masina eny amin’ny solaitrabe ka hangataka ny olona tsirairay hamaky ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina. Azon’ny olona tsirairay ampifandraisina amin’ny tranga iray eny amin’ny solaitrabe ny andinin-tsoratra masin’izy ireo dia mifanakalo hevitra momba izany amin’ny iray kilasy. Inona no ambaran’ireo tranga ireo momba ny anjara asantsika amin’ny fiomanana amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany? Voataona hanao inona isika rehetra ao amin’ny kilasy na kôlejy?

  • Nanoro hevitra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ahoana ary no fomba hiatrehantsika indray miaraka ireo faminaniana manjombona sy ireo fanambarana be voninahitra mikasika izao androntsika izao? Nolazain’ny Tompo tamin’ny fanomezan-toky tsotra kanefa mahagaga ny fomba hanaovana izany hoe: –raha efa miomana ianareo dia tsy hatahotra– [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:30]” (“Raiso amim-pinoana ny hoavy,” 74). Mba hanampiana ny zatovo ho vonona bebe kokoa amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy dia hevero ny hangataka ny tsirairay amin’izy ireo hamaky ny iray amin’ireo fitsipika telo momba ny fiomanana izay nozarain’ny Filoha Nelson ao amin’ny hafany. Asao izy ireo hizara ny zavatra nianarany. Voataona hanao inona isika ho setrin’ny torohevitra nomen’ny Filoha Nelson?

  • Any am-piandohan’ny hafany mitondra ny lohateny hoe “Miomana ho amin’ny fiverenan’ny Tompo,” ny Loholona D. Todd Christofferson dia manoritsoritra ny ho endrik’izao tontolo izao aorian’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany (Liahona, mey 2019, 81–84). Asao ny zatovo hijery ny fanazavany ary ampitahao amin’ny endrik’izao tontolo izao amin’izao izany. Afaka mifanakalo hevitra ny amin’ny zavatra azontsika atao izy ireo mba ho vonona hiaina ao amin’ny tontolo izay nofariparitan’ny Loholona Christofferson. (Ny andiam-pehezan-teny efatra amin’ny hafany izay manomboka amin’ny hoe “Ny voalohany, sady tena manan-danja ho an’ny fiverenan’ny Tompo” dia mety hanampy.) Amin’ny fomba ahoana no hanomanan’ny Fiangonan’ny Mpamonjy antsika amin’ny Fiaviany Fanindroany? Ny Loholona Christofferson dia nitanisa fomba telo mahatonga ny Fiangonana ho “hany manana ny fahefana sy voairaka hanatanteraka ireo fanomanana ilaina ho amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany.” Afaka mamantatra sy mifanakalo hevitra momba ireo zavatra ireo ny mpianatra.

Sary
zatovovavy iray mandalina

Raha vonona isika dia tsy mila matahotra ireo tranga mitarika amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba handraisana andraikitra amin’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra hoe rehefa mandray andraikitra ka mampihatra ny zavatra tsapany izy ireo dia ahoana no hanamafisan’izany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Ampianaro ny mpianatra fa indraindray ny Fanahy dia hampianatra azy ireo zavatra izay tsy nambara mafy am-bava velively mandritra ny fifanakalozan-kevitra iray ao amin’ny kilasy.

Hamoaka printy