Testamenta Vaovao 2023
11 jona. Ahoana no ahafahako manakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? Jaona 14–17


“11 jona. Ahoana no ahafahako manakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? Jaona 14–17,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023 (2022)

“11 jona. Ahoana no ahafahako manakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023

Sary
Zatovovavy mivavaka

11 jona

Ahoana no ahafahako manakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Jaona 14–17

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kilasy na kôlejy; manodidina ny 10–20 minitra eo

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny alalan’ny fampiasana ny iray na ny maromaro amin’ireo fanontaniana etsy ambany na fanontaniana nomaninao manokana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 10.2, 11.2). Manomàna fomba hanaovana ireo zavatra izay ifanakalozanareo hevitra.

  • Fiainana ny filazantsara. Inona avy no zavatra niainana tato ho ato izay nampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika?

  • Fikarakarana ireo sahirana. Iza no mila ny fanampiantsika sy ny vavaka ataontsika? Mahatsapa ho entanim-panahy hanao inona isika mba hanampiana amin’izany?

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara. Ahoana no ahafahantsika ho tonga fahazavana ho an’ireo olona ao amin’ny fianakaviana na namana izay tsy mitovy finoana amintsika?

  • Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay. Ahoana no ahafahantsika maneho fitiavana sy fanohanana bebe kokoa ho an’ny fianakaviantsika ary manatsara ny ao an-tokantranontsika?

Any amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy araka izay mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
sary famantarana ny ampianaro ny fotopampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; manodidina ny 25–35 minitra eo

Manomàna tena ara-panahy

Tsy afaka maniry amin’ny sampana misaraka amin’ny hazo niaviany ny voankazo. Tahaka izany ihany, isika koa dia tsy afaka mitombo ara-panahy raha misaraka amin’ Andriamanitra (jereo ny Jaona 15:4–6). Kanefa maro be ireo hery mikatsaka ny hampisaraka antsika Aminy, indraindray dia ny avonavontsika na ny safidy ratsy ataontsika manokana, fa matetika dia ireo toe-javatra misy eto amin’ny fiainana an-tany. Rehefa nihaona farany tamin’ireo mpianany teto amin’ny fiainana an-tany i Jesoa dia fantany fa vetivety taorian’izay Izy dia hosarahana tamin’izy ireo. Noho izany dia nampianariny azy ireo ny maha-zava-dehibe ny fananana fifandraisana akaiky Aminy sy ny Rainy, mba hiray amin’Izy ireo tahaka ny hiraisan’ny sampana amin’ny hazo iray. Nantsoiny hoe “[mitoetra]” Aminy izany. Ary nampianariny an’ireo mpianany ny fomba hanaovana izany. Ny tena zava-dehibe indrindra dia nataony lasa nisy tamin’ny alalan’ny sorompanavotany izany fifandraisana izany.

Saintsaino ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy eo am-pandalinanao ny Jaona 14–17. Eritrereto ihany koa ireo olona ampianarinao sy ny fanirian’izy ireo ho akaiky kokoa an’ Andriamanitra. Inona no hataonao mba hanampiana azy ireo? Azonao atao ny misaintsaina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:62–68 rehefa miomana hampianatra ianao.

Miaraha mianatra

Saintsaino ny fomba azonao hanentanana ny zatovo hifanakalo hevitra momba ny fampianaran’ny Mpamonjy mikasika ny voaloboka sy ny sampany ao amin’ny Jaona 15:1–12. Azonao atao tsara ny mampiasa sary natao, na sary nalaina, na sampan-kazo tena izy mba hanampiana azy ireo hahita maso ny zavatra nampianarin’i Jesoa. Azonao atao ny manasa azy ireo hiresaka momba ireo fotoana nahatsapany ho akaiky ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, na ireo fotoana nahatsapany ho lavitra Azy ireo. Inona no ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo momba ny fomba ahafahantsika mijanona eo akaikin’Izy ireo? Afaka manampy mba hampivelarana kokoa ity fifanakalozan-kevitra ity ny sahanasa tahaka ireto manaraka ireto.

  • Mety hitondra vokatsoa ny mandany fotoana kely handinihana ilay fanontaniana hoe “Inona no manalavitra antsika amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?” Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ilay fanontaniana dia mangataka ny mpianatra hanome valiny ianao. Azonao atao tsara avy eo ny miresaka mikasika ny zavatra ataontsika mba hanorina fifandraisana amina namana iray na olona ao amin’ny fianakaviana. Inona no mampitovy an’izany, sy tsy mampitovy an’izany, amin’ny fomba hanorenantsika fifandraisana amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? Ahoana no hanampian’i Jesoa Kristy antsika hanatona Azy sy ny Rainy? Amporisiho ny mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy hamaky ireo soratra masina ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana” mba hanampiana azy ireo hamaly io fanontaniana io. Mety hahazo tombontsoa avy amin’ny fiarahana tsiroaroa mandalina sy mizara ny zavatra nianarany avy amin’ireo andininy ireo ny zatovo.

  • Tsy misy olona akaiky kokoa an’ Andriamanitra Ray mihoatra an’i Jesoa Kristy Zanany Malalany. Inona no ianarantsika avy amin’ny Mpamonjy momba ny fanakaikezana kokoa an’ Andriamanitra? Azon’ny mpikambana ao amin’ny kilasy sy ny kôlejy atao ny misaintsaina io fanontaniana io eo am-pamakian’izy ireo ny Lioka 22:41–43; Jaona 6:38; 17:3, 20–23; 3 Nefia 11:11; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:43. Ahoana no ahafahantsika ho lasa iray amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

  • Ao amin’ilay hafany hoe “Ny Mpamonjy antsika manokana,” ny Loholona Michael John U. Teh dia nahatsiaro fotoana iray izay nahatsapany hoe “Ny zavatra haiko momba ny Mpamonjy dia nihoatra lavitra noho ny fahafantarako Azy.” (Liahona, mey 2021, 99). Azonao atao ny manasa ny kilasy na ny kôlejy misy anao hifanakalo hevitra momba ny maha-samy hafa ny fahalalana zavatra momba an’i Jesoa Kristy sy ny tena fahafantarana azy marina. Azon’izy ireo atao ny miresaka mikasika ny zavatra ataony mba hahafantatra zavatra momba Azy sy ny zavatra ataony mba tena hahafantatra Azy marina. Azon’izy ireo atao avy eo ny mandalina ampahany amin’ny hafatra nozarain’ny Loholona Teh mba hahitana ny torohevitra nomeny mikasika ny fahafantarana marina ny Mpamonjy. Inona no fitahiana azontsika teo amin’ny fiainantsika rehefa nikatsaka ny hahafantatra Azy?

  • Azon’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy sy ny kôlejy atao tsara ny mitanisa ireo hevitra mikasika ny fomba hanatsarany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Rainy any An-danitra. Asao izy ireo hizara zavatra avy amin’ny lisitra nataony. Raha azo atao dia mety hahafinaritra azy ireo ny hanao horonan-tsary fohy azy ireo manokana izay mamariparitra ny fomba hanatonan’izy ireo an’ Andriamanitra.

Sary
zatovovavy mamaky ny soratra masina

Rehefa lasa mahafantatra ny Mpamonjy isika ary mitandrina ny didiny dia hitoetra ao amin’ny fitiavany (jereo ny Jaona 15:10).

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba handraisana andraikitra amin’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra hoe rehefa mandray andraikitra ka mampihatra ny zavatra tsapany izy ireo dia ahoana no hanamafisan’izany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Niomana ho amin’ny fanompoany teto an-tany tamin’ny alalan’ny fivavahana sy ny fifadian-kanina ny Mpamonjy mba ho akaiky kokoa ny Rainy (jereo ny Matio 4:1–2; Lioka 4:1–2). Eo am-piomananao hampianatra dia makà fotoana hikatsahana ny fitarihan’ny Ray any An-danitra satria zanany no ampianarinao!

Hamoaka printy