Testamenta Vaovao 2023
25 jona. Midika inona amiko ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy? Matio 27; Marka 15; Lioka 23; Jaona 19


“25 jona. Midika inona amiko ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy? Matio 27; Marka 15; Lioka 23; Jaona 19,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023 (2022)

“25 jona. Midika inona amiko ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023

Sary
The Savior’s Atonement: Foundation of True Christianity (Ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy: fototry ny tena maha-kristianina), nataon’i Kirk Richards

The Savior’s Atonement: Foundation of True Christianity (Ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy: fototry ny tena maha-kristianina), nataon’i Kirk Richards

25 jona

Midika inona amiko ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

Matio 27; Marka 15; Lioka 23; Jaona 19

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kilasy na kôlejy; manodidina ny 10–20 minitra eo

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny alalan’ny fampiasana ny iray na ny maromaro amin’ireo fanontaniana etsy ambany na fanontaniana nomaninao manokana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany,, 10.2, 11.2). Manomàna fomba hanaovana ireo zavatra izay ifanakalozanareo hevitra.

  • Fiainana ny filazantsara. Ahoana no nanakaikezantsika kokoa ny Mpamonjy? Ahoana no hiezahantsika hitovy kokoa Aminy?

  • Fikarakarana ireo sahirana. Iza no tao an-tsaintsika tato ho ato? Ahoana no ahafahantsika manampy ireny olona tsirairay ireny?

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara. Ahoana no ahafahantsika mamaly ny fanontanian’ny namantsika momba ny Fiangonana amin’ny fomba izay manamafy orina ny finoan’izy ireo ny Mpamonjy?

  • Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay. Inona avy ireo fomba vitsivitsy ahafahantsika mifandray tsara kokoa amin’ireo havana, toy ny raibe sy renibe sy ny zanaky ny mpiray tampo amin’ny ray aman-dreny?

Any amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy araka izay mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
sary famantarana ny ampianaro ny fotopampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; manodidina ny 25–35 minitra eo

Manomàna tena ara-panahy

Nahatsapa ny Loholona David A. Bednar fa ny Olomasin’ny Andro Farany sasany dia “toa mino ny Mpamonjy …, saingy tsy mino fa ireo fitahiana nampanantenainy dia afaka ho azon’izy ireo na afaka miasa eo amin’ny fiainany.” (“Raha nahafantatra Ahy hianareo,” Liahona, nôv. 2016, 104). Raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe na dia mino aza isika fa nijaly sy maty noho ny fahotan’izao tontolo izao i Jesoa Kristy, dia mety hanontany tena isika raha toa ka nijaly sy maty ho an’ny fahotantsika manokana Izy. Efa nanana fahatsapana toy izany ve ianao? Inona no tombony ho azon’ireo mpianatra ao amin’ny kilasy na ny kôlejy misy anao avy amin’ny fahatakarana fa mihatra amin’izy ireo manokana ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy? Ahoana no ahafahanao manampy azy ireo?

Saintsaino ireo fanontaniana ireo rehefa mamaky momba ny fanomboana ny Mpamonjy ianao amin’ity herinandro ity. Rehefa miomana ny hampianatra momba ny toetra mijery manokana ny olona tsirairay ananan’ny Sorompanavotan’i Kristy ianao dia azonao atao ny mandalina ny hafatry ny Filoha Dallin H. Oaks hoe “Inona no nataon’ny Mpamonjintsika ho antsika?” (Liahona, mey 2021, 75–77).

Miaraha mianatra

Asao ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy hizara ny zavatra nianarany momba ny Fanomboana ny Mpamonjy tamin’iny herinandro lasa iny tao amin’ny Testamenta Vaovao sy ny fahatsapany momba ny Mpamonjy. Mba hamporisihana azy ireo dia afaka mametraka fanontaniana ianao toy ny hoe: “Inona no ianarantsika momba an’i Jesoa Kristy momba ireo zavatra nolazainy sy nataony nandritra ireo ora farany teo amin’ny fiainany?” Ohatra, afaka mikaroka ohatra ianao izay nanehoan’ny Mpamonjy fangorahana ny hafa teo am-pijaliana ho an’ny hafa (jereo ohatra ny Lioka 23:34, 39–43; Jaona 19:25–27). Afaka mitarika ho amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny maha-zavatra iombonana sy mahakasika ny tena manokana ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izany. Ny sahanasa tahaka ireto manaraka ireto dia afaka manampy anao hifanakalo hevitra lalina kokoa momba ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.

  • Ao amin’ny andiam-pehezan-teny voalohany amin’ny hafany hoe “Inona no nataon’ny Mpamonjy ho antsika?” ny Filoha Dallin H. Oaks dia nanoritsoritra resaka natao tamin’ny vehivavy iray izay tsy resy lahatra hoe nanao zavatra ho azy i Jesoa Kristy. Azon’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy atao tsara ny mamaky izany andiam-pehezan-teny izany, ka hametraka ny tenany ho eo amin’ny toeran’ny Filoha Oaks. Inona no holazaintsika amin’io vehivavy io? Azonao omena iray amin’ireo fizarana maro ao amin’ny hafatry ny Filoha Oaks ny mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy tsirairay. Azon’izy ireo atao avy eo ny mizara, amin’ny alalan’ny fampiasana ny zavatra nianarany miaraka amin’ny zavatra niainany manokana, ny valintenin’izy ireo manokana amin’ilay fanontaniana hoe “Inona no nataon’i Jesoa Kristy ho ahy?”

  • Mba hanentanana fifanakalozan-kevitra momba ny fiantraikan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy amintsika manokana dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny fehezan-teny toy ny hoe Satria nijaly sy maty ho an’ny olona rehetra i Jesoa Kristy dia … . Afaka manolotra fomba hamenoana ilay fehezan-teny ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy. Avy eo dia azonao ovaina ilay fehezan-teny mba hivaky hoe Satria nijaly sy maty ho an’ny olona rehetra i Jesoa Kristy dia … ary asao handroso sosokevitra fanampiny ny mpianatra. Eo am-piresahan’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy momba ireo fehezan-teny ireo dia amporisiho izy ireo hamaky ireo soratra masina ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana.” Inona no ampianarin’ireo soratra masina ireo antsika mikasika ny fiantraikan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainantsika manokana?

  • Afaka ny ho fomba iray handalinana ireo soratra masina ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana” ny fanasana ireo tanora hanolo ireo teny ao amin’ireo andininy mba hahatonga izany hiresaka mivantana amin’izy ireo. Inona no fiantraikan’ny fanaovana izany eo amin’ny fahatsapantsika momba ireo fahamarinana ao amin’ireo andiny ireo? Ahoana no anehoantsika ny fankasitrahantsika ny sorona nataon’ny Mpamonjy ho antsika?

  • Afaka mijoro ho vavolombelona amin’ny fomba mahery vaika momba an’i Jesoa Kristy ny fihirana masina. Hevero ny hanasa ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy mba ho tonga ka vonona hizara fihirana izay manampy azy ireo hahatsapa ny herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainany manokana. (Afaka mijery ireo hira ao amin’ny fihirana momba ny fanasan’ny Tompo izy ireo na ny teny iditra hoe “Jesoa Kristy—Mpamonjy” ao amin’ny fanoroam-pejy araka ny lohahevitra amin’ny Fihirana.) Asao ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy mba hamantatra ireo andian-teny ao amin’ilay hira izay manampy azy ireo hahatsapa ny fitiavan’ny mpamonjy azy ireo manokana. Afaka miresaka momba ny fiantraikan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainantsika andavanandro ihany koa ianareo. Ohatra, inona no fiantraikan’izany amin’ireo safidy ataontsika?

Sary
I Kristy tao Getsemane

Christ in Gethsemane (I Kristy tao Getsemane), nataon’i Dan Burr

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba handraisana andraikitra amin’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra hoe rehefa mandray andraikitra ka mampihatra ny zavatra tsapany izy ireo dia ahoana no hanamafisan’izany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Ny fanehoana amin-kitsimpo fitiavana tahaka ny an’i Kristy dia manana hery lehibe izay manalefaka ny fon’ireo mpianatra izay manana fahasahiranana amin’ny filazantsara. Matetika ireo olona ireo dia mila mahafantatra fotsiny hoe ilaina sy tiana izy ireo.

Hamoaka printy