Testamenta Vaovao 2023
9 jolay. Ahoana no fomba hitarihan’i Jesoa Kristy ny Fiangonany? Asan’ny Apostoly 1–5


“9 jolay. Ahoana no fomba hitarihan’i Jesoa Kristy ny Fiangonany? Asan’ny Apostoly 1–5,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023 (2022)

“9 jolay. Ahoana no fomba hitarihan’i Jesoa Kristy ny Fiangonany?,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023

Sary
Petera Apôstôly miresaka amina andian’olona

Taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty dia nitarika ny Fiangonany tamin’ny alalan’ireo apôstôliny ny Mpamonjy, ary anisan’izany i Petera.

9 jolay

Ahoana no fomba hitarihan’i Jesoa Kristy ny Fiangonany?

Asan’ny Apostoly 1–5

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kilasy na kôlejy; manodidina ny 10–20 minitra eo

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny alalan’ny fampiasana ny iray na ny maromaro amin’ireo fanontaniana etsy ambany na fanontaniana nomaninao manokana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany,, 10.2, 11.2). Manomàna fomba hanaovana ireo zavatra izay ifanakalozanareo hevitra.

  • Fiainana ny filazantsara. Inona avy no lohahevitra noresahin’ny episkôpà tamin’ny fivoriana filankevitry ny zatovon’ny paroasy misy antsika? Inona no azontsika kilasy na kôlejy manontolo atao mifototra amin’ireo fifanakalozan-kevitra ireo?

  • Fikarakarana ireo sahirana. Ahoana no ahafahantsika manolo-tanana amin’ny olona araka ny fomban’i Kristy rehefa mahita olona mila fanampiana isika nefa tsy mahita holazaina?

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara. Inona no hitantsika tao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ka mitondra fifaliana ho antsika? Ahoana no ahafahantsika mizara izany fifaliana izany amin’ny hafa?

  • Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay. Inona no ataontsika mba hahitana ny anaran’ireo razambentsika izay mila ôrdônansin’ny tempoly? Inona no azontsika atao mba hanampiana ny hafa hahita ny anaran’ny razambeny?

Any amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy araka izay mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
sary famantarana ny ampianaro ny fotopampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; manodidina ny 25–35 minitra eo

Manomàna tena ara-panahy

Tsara ny mahalala fa tsara ny Fiangonana, na hoe mampianatra fitsipika marina ny Fiangonana, na hoe ny Fiangonana dia afaka manampy anao ho lasa olona tsaratsara kokoa. Saingy hafa koa ny mahalala fa ny Fiangonana ankehitriny dia tena Fiangonan’i Jesoa Kristy, naoriny sy tarihiny manokana ary mbola tarihiny amin’ny alalan’ny mpaminany velona. Ny bokin’ny Asan’ny Apostoly dia manome porofo maro be fa ny Mpamonjy dia mandray anjara manokana amin’ny fitarihana ny Fiangonany. Rehefa mandalina ny toko 1–5 ianao dia tadiavo izany porofo izany ary saintsaino ny ahafantaranao fa mbola manohy mitarika ny Fiangonany Izy ankehitriny. Tamin’ny fomba ahoana no efa nitahian’izany fahalalana izany anao?

Manana fijoroana ho vavolombelona ve ireo tanora ampianarinao fa ny Mpamonjy mihitsy no mitarika ny Fiangonana izay misy azy ireo? Ahoana no hitahian’ny fijoroana ho vavolombelona tahaka izany azy ireo? Ahoana no ahafahanao manampy azy ireo hahazo fijoroana ho vavolombelona na hanamafy orina io fijoroana ho vavolombelona io? Ankoatra ny fandalinana ny Asan’ny Apostoly 1–5, dia azonareo vakina ihany koa ny hafatry ny Loholona Quentin L. Cook hoe “Ny fitahiana entin’ny fanambarana tsy tapaka amin’ireo mpaminany sy ny fanambarana ho an’ny tena manokana hitarihana ny fiainantsika” (Liahona, mey 2020, 96–100).

Miaraha mianatra

Hanombohana ny fifanakalozan-kevitra ataonareo dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny hoe Mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny fanambarana i Jesoa Kristy. Afaka mizara ny zavatra hitany tao amin’ny fandalinany ny Asan’ny Apostoly 1–5 izay manohana io fehezan-teny io ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy. (Raha ilaina dia azonao asaina mijery ny Asan’ny Apostoly 1:1–8; 2:36–39; 4:1–13, 31–33 izy ireo.) Inona no porofo hitantsika fa mitarika ny Fiangonany amin’ny fomba mitovy amin’izany i Jesoa Kristy amin’izao fotoana izao? Ny sahanasa tahaka ireto manaraka ireto dia afaka manampy ireo mpianatrao hanamafy orina ny finoany an’io fahamarinana manan-danja io.

  • Afaka manomana fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto ianao: Amin’ny fomba ahoana no itarihan’i Jesoa Kristy ny Fiangonany? Ahoana no ahafahantsika mampitombo ny finoantsika fa mitarika ny Fiangonany i Jesoa Kristy? Nahoana ianao no matoky ny mpaminany sy ny apôstôlin’ny Tompo? Omeo fanontaniana iray amin’ireo ny mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy tsirairay ary asao izy ireo hisaintsaina ilay fanontaniana sy hieritreritra soratra masina izay afaka manampy azy ireo hamaly izany (raha ilaina dia jereo ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana” ho an’io lohahevitra io). Avy eo dia omeo fotoana ny tsirairay hizara sy hifanakalo hevitra ny amin’ny zavatra nianarany.

  • Mba hanampiana ny kilasy na ny kôlejy hahita ny fomba fitarihan’ny Tompo ny Fiangonany dia azonao asaina izy ireo hijery ny fizarana voalohany ao amin’ny hafatry ny Loholona Quentin L. Cook hoe “Ny fitahiana entin’ny fanambarana tsy tapaka amin’ireo mpaminany sy ny fanambarana ho an’ny tena manokana hitarihana ny fiainantsika.” Azon’ny mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy tsirairay atao tsara ny mizara zavatra avy amin’ilay hafatra izay manampy azy ireo hahalala fa i Jesoa Kristy dia mitarika manokana amim-pahavitrihana ny Fiangonany. Inona koa ny hevi-baovao hafa hitantsika ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana”?

  • Mety hanampy ireo zatovo ihany koa ny mianatra bebe kokoa momba ny fomba fitarihan’ny Tompo ny paroasy misy anao. Azonao angatahana ireo zatovo hizara ohatra amin’ny fomba fitarihan’ny Tompo manokana ireo mpitarika eo anivon’ny paroasy, anisan’izany ny filohan’ny kilasy na ny kôlejy. Mandritra ny herinandro mialoha ny fotoam-pianarana dia azonao angatahana ny mpitarika sasany ao amin’ny paroasy mba hizara mivantana na amin’ny fomba elektrônika zavatra niainana izay maneho ny nitarihan’ny Tompo azy ireo. Afaka mahita ohatra fanampiny ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ao amin’ny hafatry ny Filoha Henry B. Eyring hoe “Mitarika ny Fiangonany ny Tompo” (Liahona, nôv. 2017, 81–84). Nahoana no zava-dehibe ny manana finoana fa manome fitaomam-panahy an’ireo mpitarika eo anivon’ny paroasy ny Tompo?

  • Mahatsapa ny olona sasany fa raha olona tsara isika ary manao zavatra tsara dia tsy mila fiangonana. Azonao anontaniana an’ireo zatovo ny fomba hamaliany izany. Ao amin’ilay hafany hoe “Ny ilana Fiangonana” (Liahona, nôv. 2021, 24–26), ny Filoha Dallin H. Oaks dia manome antony maromaro maha-zava-dehibe ny Fiangonana, tafiditra ao anatin’zany ny Fiangonan’ny Tompo naverina amin’ny laoniny. Azon’ireo zatovo atao ny miaraka tsiroaroa, na ao anatina vondrona kely, na indray miaraka ao amin’ny kilasy na kôlejy, mamakafaka io hafatra io.

Sary
zatovolahy mivory

Mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny mpaminaniny ny Tompo, ka tafiditra ao anatin’izany ireo fiadidian’ny kilasy na kôlejy.

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba handraisana andraikitra amin’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra hoe rehefa mandray andraikitra ka mampihatra ny zavatra tsapany izy ireo dia ahoana no hanamafisan’izany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Mba hanasana ny Fanahy ho ao amin’ny fampianaranao, dia amporisiho ny hafa mba hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo manokana momba ilay fahamarinana izay ifampiresahanareo.

Hamoaka printy