Testamenta Vaovao 2023
23 jolay. Midika inona izany hoe mpianatr’i Jesoa Kristy izany? Asan’ny Apostoly 10–15


“23 jolay. Midika inona izany hoe mpianatr’i Jesoa Kristy izany? Asan’ny Apostoly 10–15,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023 (2022)

“23 jolay. Midika inona izany hoe mpianatr’i Jesoa Kristy izany?,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023

Sary
I Jesoa sy ireo mpanara-dia Azy

Jesus and His Disciples (I Jesoa sy ny mpianany), © Balage Balogh/Art Resource, NY

23 jolay

Midika inona izany hoe mpianatr’i Jesoa Kristy izany?

Asan’ny Apostoly 10–15

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kilasy na kôlejy; manodidina ny 10–20 minitra eo

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny alalan’ny fampiasana ny iray na ny maromaro amin’ireo fanontaniana etsy ambany na fanontaniana nomaninao manokana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 10.2, 11.2). Manomàna fomba hanaovana ireo zavatra izay ifanakalozanareo hevitra.

  • Fiainana ny filazantsara. Tamin’ny fomba ahoana no nahitantsika ny fiasan’ny tanan’ny Tompo teo amin’ny fiainantsika?

  • Fikarakarana ireo sahirana. Ahoana no ahafahantsika mifanampy amin’ireo zavatra lalovantsika?

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara. Ahoana no ahafahantsika mampiasa tsara kokoa ny teknôlôjia ho fitaovana fizarana ny filazantsara?

  • Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay. Inona no ataontsika mba hanampiana ny fianakaviantsika hanatona an’i Kristy?

Any amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy araka izay mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
sary famantarana ny ampianaro ny fotopampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; manodidina ny 25–35 minitra eo

Manomàna tena ara-panahy

Milaza ny Toko 11 ao amin’ny Asan’ny Apostoly fa izay no fotoana voalohany “nanaovana ny anaran’ny mpianatra hoe [Kristianina]” (andininy 26). Tombontsoa sy andraikitra masina izany hoe fantatry ny olona fa isan’ny mpianatr’i Kristy sy antsoina amin’ny anarany izany. Hoy ny Filoha M. Russell Ballard hoe:“Moa ve isika mahatsapa fa tena voatahy tokoa noho ny fitondrantsika eo amintsika ny anaran’ilay Zanaka malala sy Lahitokan’ Andriamanitra? Moa ve takatsika ny lanjan’izany? Ny anaran’ny Mpamonjy no hany anarana eto ambanin’ny lanitra izay ahafahan’ny olona ho voavonjy” (“Ny maha-zava-dehibe ny Anarana,” Liahona, nôv. 2011, 79).

Midika inona aminao izany hoe Kristianina, mpianatr’i Jesoa Kristy izany? Midika inona amin’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy misy anao izany? Inona no fiantraikan’ny fitondranao eo aminao ny anarany? Azonao atao ihany koa ny mieritreritra ireo fotoana nahazoanao fitaomam-panahy avy amin’ny ohatra nasehon’olona izay naneho tamin’ny asany fa tena mpianatr’i Kristy marina.

Eo am-piomananao hampianatra, ankoatra ny famakiana ny Asan’ny Apostoly 10–15, dia hevero ny hamaky ny iray na ny maromaro amin’ireo hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana izay hita ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana.”

Miaraha mianatra

Mba hanampiana ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy misy anao hahatakatra ny dikan’izany hoe mpianatr’i Jesoa Kristy izany, dia azonao atao ny manasa azy ireo hanohy ity teny nambara manaraka ity: “Ny mpianatr’i Jesoa Kristy dia olona …” Afaka mandinika ny Asan’ny Apostoly 11:19–26 izy ireo ary mitady hevitra ao amin’ny andininy 21, 23–24, 26 mikasika ny fomba nanehoan’ireo mpikamban’ny Fiangonana ireo fa mpianatra izy ireo. Inona no fiantraikan’ny maha-mpanara-dia an’i Jesoa Kristy antsika eo amin’ny eritreritsika sy ny fitondrantenantsika? Afaka manome hevitra fanampiny amin’ity fifanakalozan-kevitra ity ny sahanasa tahaka ireto.

  • Mety hanampy ny mifanakalo hevitra mikasika ny atao hoe mpianatr’i Jesoa Kristy (jereo ny teny nambaran’ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana”). Azonao atao ny mangataka ny zatovo hizara fampianaran’i Jesoa Kristy vitsivitsy izay nanentana ny fanahin’izy ireo sy zavatra vitsivitsy nianaran’izy ireo avy amin’ny ohatra nasehony. Azon’izy ireo atao ny mamakafaka ny sasany amin’ireo soratra masina ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana,” na soratra masina hafa fantatr’izy ireo, mba hitadiavana hevitra. Azon’izy ireo soratana eny amin’ny solaitrabe ny zavatra nianaran’izy ireo mikasika ny Mpamonjy avy amin’ireo soratra masina ireo. Avy eo izy ireo dia afaka miresaka ireo fomba azon’izy ireo hanarahana amin-kitsimpo ireo fampianarana sy ohatra voatanisa eny amin’ny solaitrabe.

  • Asao ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy mba hieritreritra ny dikan’izany hoe olona Kristianina izany. Afaka mitanisa ireo toetra tsara andrandrain’izy ireo mba ho hita eo amin’ny fiainan’ny olona iray manara-dia an’i Jesoa Kristy izy ireo (jereo ohatra ny Jaona 13:34–35). Afaka mizara ny zatovo ho vondrona maromaro ianao dia mangataka ny vondrona tsirairay hamaky ny iray amin’ireto hafatra manaraka ireto mba hitadiavana toetra tsara fanampiny izay ho ampidirin’izy ireo amin’ny lisitra nataony: Loholona Terence M. Vinson, “Tena mpianatry ny Mpamonjy” (Liahona, nôv. 2019, 9–11) sy ny Loholona Massimo De Feo, “Ny fitiavana madio no tena ahafantarana ny tena mpianatr’i Jesoa Kristy rehetra” (Liahona, mey 2018, 81–83). Asao ny zatovo hisaintsaina zavatra iray ao amin’ilay lisitra izay tian’izy ireo hatsaraina eo amin’ny fiainany.

  • Azonao atao ny manontany an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ny dikan’izany hoe antsoina amin’ny anaran’i Jesoa Kristy izany ho azy ireo. Azon’izy ireo atao tsara ny mizara ny zavatra niainany rehefa nisy olona nahafantatra fa mpikambana ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izy ireo. Inona no tsapantsika rehefa fantatry ny olona fa mpanara-dia an’i Jesoa Kristy sy mpikambana ao amin’ny Fiangonany isika? Azon’ny zatovo atao ihany koa ny mamakafaka soratra masina maro na ny iray amin’ireo hafatra ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana,” dia mitady hevitra izay mitaona azy ireo ho mendrika ny anaran’i Jesoa Kristy izay nentin’izy ireo teo amin’ny tenany. Inona no fiantraikan’ny fiantsoana antsika amin’ny anaran’i Jesoa Kristy eo amin’ny safidy ataontsika?

Sary
zatovovavy mandeha an-tongotra

Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Kristy antsika dia mpianany isika ary antsoina amin’ny anarany.

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba handraisana andraikitra amin’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra hoe rehefa mandray andraikitra ka mampihatra ny zavatra tsapany izy ireo dia ahoana no hanamafisan’izany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Amin’ny maha-mpampianatra anao dia afaka mamporisika ny mba hisian’ny fifanakalozan-kevitra mitondra fahavitrihana ianao izay hampivelarina amin’ny alalan’ny zavatra iainan’ireo mpianatra sy ny fijoroany ho vavolombelona.

Hamoaka printy