Testamenta Vaovao 2023
13 aogositra. Ahoana no ahafahan’i Jesoa Kristy manampy ahy hiova? Romana 1–6


“13 aogositra. Ahoana no ahafahan’i Jesoa Kristy manampy ahy hiova? Romana 1–6,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023 (2022)

“13 aogositra. Ahoana no ahafahan’i Jesoa Kristy manampy ahy hiova?,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023

Sary
batisa

13 aogositra

Ahoana no ahafahan’i Jesoa Kristy manampy ahy hiova?

Romana 1–6

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kilasy na kôlejy; manodidina ny 10–20 minitra eo

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny alalan’ny fampiasana ny iray na ny maromaro amin’ireo fanontaniana etsy ambany na fanontaniana nomaninao manokana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany,, 10.2, 11.2). Manomàna fomba hanaovana ireo zavatra izay ifanakalozanareo hevitra.

  • Fiainana ny filazantsara. Ahoana no ahitantsika fifaliana amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy?

  • Fikarakarana ireo sahirana. Iza ao amin’ny paroasy na fiarahamonina misy antsika no mila ny fanampiantsika? Ahoana no ahafahantsika manampy azy ireo?

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara. Ahoana no ahafahantsika mifanampy amin’ny fiomanana amin’ny asa fitoriana?

  • Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay. Ahoana no ahafahantsika mandray anjara amin’ny ezaka ataon’ny paroasy misy antsika hanao tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly?

Any amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy araka izay mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
sary famantarana ny ampianaro ny fotopampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; manodidina ny 25–35 minitra eo

Manomàna tena ara-panahy

“Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia filazantsaran’ny fiovana!” hoy ny Filoha Russell M. Nelson (“Fanapahan-kevitra ho an’ny Mandrakizay,” Liahona, nôv. 2013, 108). Toy izany koa, ny Apôstôly Paoly dia nanazava fa rehefa atao batisa isika dia “tokony handeha kosa amin’ny fiainam-baovao” (Romana 6:4). Noho i Jesoa Kristy dia afaka mitondra “fiainam-baovao” na fahafahana hiala lavitra ny fahotana sy hanatona kokoa an’ Andriamanitra ny andro tsirairay, fa tsy ny andro izay hanaovana batisa antsika fotsiny ihany. Ny hoe miaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia midika hoe mibebaka sy manatona kokoa an’ Andriamanitra (tsy miova, indraindray mandeha tsikelikely) sady mahafantatra fa ny ezaka ataontsika dia hitondra antsika ho amin’ny fifaliana feno.

Saintsaino ny fomba hanovan’ny Tompo anao sy ny olona ampianarinao. Ahoana no ahafahantsika mahazo bebe kokoa ny herin’ny Mpamonjy mba hiova? Eritrereto izany eo am-pamakianao ny Romana 1–6 sy eo am-piomananao mba hampianatra. Azonao jerena ihany koa ny hafatry ny Filoha Russell M. Nelson hoe “Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika”, (Liahona, mey 2019, 67–69) na ny hafatry ny Rahavavy Becky hoe “Tazony ny fiovana” (Liahona, nôv 2020, 58–60).

Miaraha mianatra

Ho an’ny sasany amintsika ny “fiainam-baovao” izay atolotr’i Kristy (Romana 6:4) dia sarotra fantarina satria mitranga tsikelikely, raha toa ka mitranga haingana kokoa izany ho an’ny hafa. Azonao asaina ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy mba hizara ny dikan’ny hoe “mandeha amin’ny fiainam-baovao” amin’izy ireo. Inona avy ireo teny na andian-teny sasany ao amin’ny Romana 6 izay manoritsoritra ny fiainantsika misy sy tsy misy ny fitaoman’ny Mpamonjy? (Raha mila fanampiana ireo zatovo dia afaka mijery ao amin’ny andininy 6, 11, 22–23 izy ireo.) Teny na andian-teny inona no azontsika eritreretina? Amin’ny fomba ahoana no hanoloran’ny Mpamonjy fanampiana ho antsika? Ny sahanasa tahaka ireto manaraka ireto dia afaka mitarika fifanakalozan-kevitra lalina kokoa momba ity lohahevitra ity.

  • Mba hanampiana ny kilasy na ny kôlejy hieritreritra momba ireo fiovana azon’ny Mpamonjy hanampiana azy ireo mba hataon’izy ireo dia asao izy ireo hamaky ny famaritana eo ambanin’ny hoe “Mibebaka, Fibebahana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Azon’izy ireo ifanakalozana hevitra ihany koa ny famaritana nataon’ny Filoha Russell M. Nelson momba ny fibebahana ao amin’ireo andiam-pehezan-teny fito voalohany ao amin’ny hafany hoe “Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika.” Inona avy ireo fahamarinana manan-danja ianarantsika momba ny fibebahana avy amin’ireo famaritana ireo? Azonao omena fotoana ihany ny kilasy na ny kôlejy hisaintsainana ny lisitra nataon’ny Filoha Russell M. Nelson momba ireo zavatra angatahin’i Jesoa mba hovaintsika (ao amin’ny andiam-pehezan-teny fahadimy amin’ny hafany). Amporisiho izy ireo mba hanoratra zavatra manokana izay tsapany fa hanentanan’ny Fanahy azy ireo mba hovaina. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny herin’ny Mpamonjy mba hanampy antsika hibebaka sy hiova.

  • Nilaza ny Rahavavy Becky Craven fa indraindray ireo namany taloha dia milaza hoe “Tena tsy miova mihitsy ianao!” Azonao zaraina ny fanamarihana nataon’ny Rahavavy Craven momba izany (jereo ny “Tazony ny fiovana,” 59–60). Asao ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy mba haka sary an-tsaina fa afaka dimy na folo taona dia hifanena amin’ny namany iray taloha izy ireo. Inona no fiovana mety ho hita mibaribary amin’ireo namantsika? Ahoana no hanantenantsika fa tsy maintsy hiova isika? Ahoana no ahafahan’nyfinoana an’i Jesoa Kristy manampy antsika hiova? (jereo ny Môzià 5:2–5, 7; Almà 5:11–13; Etera 12:27, na ilay “lamina mitohy ho an’ny fiovana” izay nofaritan’ny Rahavavy Craven ao amin’ny andiam-pehezan-teny fahaefatra amin’ny hafany izay manomboka amin’ny hoe “Fony aho mbola tanora”). Azonao angatahina ireo zatovo hizara zavatra niainana izay nanampian’i Jesoa Kristy azy ireo hiova.

  • Indraindray isika dia mety hihevitra fa andrasana hitondra fanovana sy fanatsarana amin’ny herin’ny tenantsika eo amin’ny fiainantsika isika. Inona no tsy mampitovy izany amin’ny tena fibebahana? Mba hanampiana ny kilasy na ny kôlejy misy anao hifanakalo hevitra momba io fanontaniana io dia azonareo iarahana mijery ireo teny nambara ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana.” Inona no azontsika atao izao mba hikatsahana ny fanampian’ny Mpamonjy sy ny heriny mba hahatonga ny fiovana ataontsika haharitra sy hahafaly? Afaka ny ho fahafahana tsara ho an’ireo zatovo izany hieritreretana ny drafitra hivoaran’izy ireo manokana. Ahoana no ahafahantsika mampiditra ny Mpamonjy ao amin’ny tanjontsika?

Sary
zatovovavy mandeha an-tongotra

Ny finoana an’i Jesoa Kristy dia manampy antsika hibebaka sy ho lasa tahaka Azy kokoa isan’andro.

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba handraisana andraikitra amin’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra hoe rehefa mandray andraikitra ka mampihatra ny zavatra tsapany izy ireo dia ahoana no hanamafisan’izany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

  • Nanazava ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Afaka manova ny fitondran-tenantsika isika. Na ny faniriantsika aza dia afaka miova. Amin’ny fomba ahoana? Fomba iray ihany no misy. Ny fiovana marina—ny fiovana maharitra—dia tsy afaka ny ho tonga raha tsy amin’ny alalan’ny hery manasitrana sy manadio ary mahatanteraka ao amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ihany. Tia anareo izy—ianareo tsirairay avy! Mamela anao hahazo ny heriny Izy rehefa mitandrina ny didiny ianao, amim-pahazotoana, sy amim-pahamatorana, ary araka ny tokony ho izy.” (“Fanapahan-kevitra ho an’ny mandrakizay,” 108).

  • Nampianatra ny Loholona Dale G. Renlund hoe: “Ilay hery izay mahatonga ny fahafahana mibebaka izany, dia ny sorompanavotan’ny Mpamonjy antsika. Ny fibebahana marina dia tsy maintsy ahitana ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo, finoana fa afaka manova antsika Izy, finoana fa afaka mamela ny fahotantsika Izy, ary finoana fa hanampy antsika tsy hanao fahadisoana hafa Izy. Izany karazana finoana izany no mampahomby ny fiasan’ny Sorompanavotana eo amin’ny fiainantsika. Rehefa … -mitodika- [mibebaka] miaraka amin’ny fanampian’ny Mpamonjy [isika], dia afaka mahatsapa fanantenana amin’ny fampanantenana nomeny ary ny fifaliana avy amin’ny famelan-keloka. Raha tsy eo ny Mpanavotra dia manjavona ny fanantenana sy fifaliana miaraka Aminy, ary ho fadiranovana fotsiny ny fibebahana. Fa rehefa mampihatra finoana Aminy kosa isika dia lasa miova fo amin’ny fahafahany sy ny fahavononany hamela heloka.” (Dale G. Renlund, “Ny fibebahana: Safidy mahafaly,” Liahona, nôv. 2016, 122).

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Ny sahanasa ao amin’ity lesona ity dia manolotra fomba azo hanampiana ny kilasy sy ny kôlejy misy anareo hianatra momba ny Mpamonjy sy ny heriny hanampiana antsika hiova. Mety misy fomba hafa mahomby kokoa ho an’ireo izay ampianarinao. Katsaho ombam-bavaka ny fitarihan’ny Fanahy rehefa manomana fomba hanorenana finoana an’i Jesoa Kristy ianao.

Hamoaka printy