Testamenta Vaovao 2023
27 aogositra. Ahoana no ahafahako maneho fa fantatro fa fanomezana masina avy amin’ Andriamanitra ny vatako? 1 Korintiana 1–7


“27 aogositra. Ahoana no ahafahako maneho fa fantatro fa fanomezana masina avy amin’ Andriamanitra ny vatako? 1 Korintiana 2–7,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023 (2022)

“27 aogositra. Ahoana no ahafahako maneho fa fantatro fa fanomezana masina avy amin’ Andriamanitra ny vatako?,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023

Sary
tempoly

Tempolin’i Indianapolis, Indiana

27 aogositra

Ahoana no ahafahako maneho fa fantatro fa fanomezana masina avy amin’ Andriamanitra ny vatako?

1 Korintiana 1–7

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kilasy na kôlejy; manodidina ny 10–20 minitra eo

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny alalan’ny fampiasana ny iray na ny maromaro amin’ireo fanontaniana etsy ambany na fanontaniana nomaninao manokana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 10.2, 11.2). Manomàna fomba hanaovana ireo zavatra izay ifanakalozanareo hevitra.

  • Fiainana ny filazantsara. Inona avy no zavatra niainana vao haingana nampanakaiky antsika kokoa tamin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

  • Fikarakarana ireo sahirana. Nisy olona nifindra nankao amin’ny paroasintsika ve na niditra ho mpikambana ao amin’ny Fiangonana tato ho ato? Ahoana no ahafahantsika manampy azy ireo hahatsapa ho voaray tsara?

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara. Inona avy no fiaraha-mientana hatao atsy ho atsy ka azontsika hanasana ireo namantsika hanatrika?

  • Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay. Inona no ezaka azontsika atao mba hiraketana ireo tantarantsika manokana?

Any amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy araka izay mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
sary famantarana ny ampianaro ny fotopampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; manodidina ny 25–35 minitra eo

Manomàna tena ara-panahy

Na an-kafaliana na an-karatsiana dia toa malaza amin’ny zavatra tsy ataontsika isika Olomasin’ny Andro Farany. Maro amin’ireo zavatra tsy ataontsika ireo no misy ifandraisany amin’ny fomba hitondrantsika ny vatantsika. Misy fahamarinana mandrakizay vitsivitsy ao ambadiky ny tsirairay avy amin’ireo safidy ataontsika mikasika ny zavatra tokony hatao ireo, dia ny zavatra fantatsika. Rehefa ny fahamarinana mandrakizay no mitarika ny safidy ataontsika dia lasa mora atao, mahafaly kokoa, ary maharitra kokoa ireo safidy ireo. Manampy antsika ihany koa hanazava amin’ireo namantsika ny safidy ataontsika ny fahamarinana mandrakizay. Ankoatra ny fahafantaran’ny olona antsika amin’ny zavatra tsy ataontsika angamba dia afaka ny ho be mpahafantatra amin’ny zavatra fantatsika koa isika.

Eritrereto ireo fahamarinana mandrakizay fantatrao momba ny vatantsika, nahoana isika no manana izany, inona ny zavatra tsapan’ Andriamanitra momba izany, ary inona no tiany ho tsapantsika momba izany. Nitahy anao sy nanova ny safidy nataonao tamin’ny fomba ahoana ny fahalalana ireo fahamarinana ireo? Ahoana no ahafahan’io fahalalana io mitahy ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy misy anao? Rehefa misaintsaina izany ianao dia vakio ny Genesisy 1:27; 1 Korintiana 6:19–20; ary ny lahatsoratra nosoratan’ny Filoha Russell M. Nelson hoe “Votre corps : un don magnifique à chérir” (Liahona, août. 2019, 50–55).

Miaraha mianatra

Rehefa nandalina ny soratra masina ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy misy anao tamin’ity herinandro ity dia mety nisy eritreritra tonga tao an-tsain’izy ireo momba ny fampianaran’i Paoly mikasika ny vatantsika ao amin’ny 1 Korintiana 6. Fomba iray hanasana azy ireo hizara ireo eritreritra ireo ny manome an’ny tsirairay avy amin’izy ireo taratasy ary manasa azy ireo hanoratra valinteny azo omena miisa telo farafahakeliny ho an’ilay fanontaniana hoe “Inona no mampitovy ny vatantsika amin’ny tempoly?” Amporisiho izy ireo hamaky ny 1 Korintiana 6:19–20 eo am-pisaintsainany an’io fanontaniana io. Avy eo izy ireo dia afaka mifampizara ny valinteniny. Inona no fiantraikan’ny fampianaran’ny Mpamonjy momba ny vatantsika amin’ny safidy ataontsika? Ireto misy hevitra vitsivitsy fanampiny hanaovana sahanasa momba io lohahevitra io. Misafidiana amin’ireo na manomàna iray izay nataonao manokana.

  • Raha te hanao fifanakalozan-kevitra bebe kokoa momba ny fampitahan’i Paoly ny vatana amin’ny tempoly ianao dia hevero ny hampiseho sarina tempoly maro samihafa. Afaka mahita maromaro ianao ao amin’ny temples.ChurchofJesusChrist.org. Afaka mifanakalo hevitra momba ny fahasamihafana hitany eo amin’ireo tempoly ireo ny mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy, ary koa ny zavatra itovizan’izy ireo. Afaka miresaka momba ny zavatra tsapany rehefa ao anatin’ny tempoly ihany koa izy ireo. Inona no mahatonga ny tempoly ho toerana ara-panahy sy masina toy izany? Azonao atao avy eo ny mamporisika ny kilasy na ny kôlejy hampifandray amin’ny vatantsika ireo zavatra noresadresahan’izy ireo momba ny tempoly. Ahoana no ahafahan’ireo fampianarana momba ny tempoly ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:15–16; 109:8, 12 mifandray amin’ny vatantsika nofo sy taolana?

  • Mety ho efa nanana, na hanana fafahafana hanazava ny antony hanarahany ny fampianaran’ny Mpamonjy momba ny fikarakarana ny vatan’izy ireo ny mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy misy anao. Azonao anontaniana ny sasany amin’izy ireo ny zavatra mety holazainy raha, ohatra hoe, misy olona manontany azy ireo ny antony tsy hisotroany toaka, dite, na kafe, na ny antony tsy hanaovan’izy ireo karazan’akanjo sasantsasany. Inona avy ireo fahamarinana avy amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay misy fiantraikany eo amin’ny fomba itondranao ny vatanao? Afaka mijery ny sasany amin’ireo fahamarinana ireo ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana” ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy.

  • Mba hanampiana an’ireo izay ampianarinao hampitombo ny fanajana lalina tsapany ho an’ny vatantsika mahagaga dia jereo ny Russell M. Nelson, “Votre corps : un don magnifique à chérir,” 50–55). Inona no tian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho tsapantsika momba ny vatantsika? Azonareo hifanakalozana hevitra ihany koa ireo fomba hiezahan’i Satana mandresy lahatra antsika tsy hanisy lanja na hankahala mihitsy ny vatantsika. Inona no azontsika atao mba handresena ny laingany sy ny fakam-panahiny? Inona avy ireo fahamarinana hanampy antsika? Mety hanampy ny sasany amin’ireo loharanon-kevitra eo ambanin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana.”

Sary
tanora mihazakazaka

Fanomezana avy amin’ Andriamanitra ny vatantsika ary manampy antsika hikarakara izany ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara.

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba handraisana andraikitra amin’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra hoe rehefa mandray andraikitra ka mampihatra ny zavatra tsapany izy ireo dia ahoana no hanamafisan’izany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

  • Genesisy 1:27; 1 Korintiana 6:19–20; Almà 11:42–44; 40:23; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89; 130:22

  • Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” indrindra fa ireo andiam-pehezan-teny telo voalohany.

  • Ny Tompo dia nanome ahy tempoly,” Bokin-kiran’ny ankizy, 73

  • Lahatsoratra momba ny vatantsika taolana sy nofo ao amin’ny Liahona août 2019

  • Nampianatra ny Filoha Russell M Nelson hoe: “Rehefa nomen’ Andriamanitra vatana isika, dia nomeny fahafahana hanao dingana manan-danja mankany amin’ny fitoviana bebe kokoa Aminy. Takatr’i Satana izany. … Noho izany dia maro, raha tsy izany, dia maro dia maro, amin’ireo fakam-panahy apetrany eo amin’ny lalantsika no mahatonga antsika hanararaotra ny vatantsika na ny vatan’ny hafa. … Tempolinao manokana ny vatanao izay nohariana mba hitoeran’ilay fanahinao mandrakizay [jereo ny 1 Korintiana 3:16–17; 6:18–20]. Zava-dehibe ny fikarakaranao izany tempoly izany. Ankehitriny, manontany anareo aho …: Moa ve mahaliana anareo kokoa ny mampiakanjo sy mikarakara ny vatanareo mba hahasarika an’izao tontolo izao noho ny hoe mba hahafaly an’ Andriamanitra aminareo? Ny valinteninareo dia mampita hafatra mivantana any Aminy mikasika ireo zavatra tsapanareo momba ilay fanomezana tsara dia tsara nomeny anareo” (“Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika,” Liahona, mey 2019, 68).

  • Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson hoe: “Ireo izay mino fa ny vatantsika dia tsy inona akory fa vokatry ny kisendrasendran’ny fivoarana ihany dia tsy hahatsapa ho tompon’andraikitra eo anatrehan’ Andriamanitra na amin’olon-kafa amin’ny zavatra ataon’izy ireo amin’ny vatany. Isika izay manana fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinana bebe kokoa mikasika ny mandrakizay talohan’ny nahaterahana sy amin’ny fiainana an-tany ary ny aorian’ny fahafatesana anefa dia tsy maintsy manaiky fa manana adidy amin’ Andriamanitra isika mikasika izany fahatontosana lehibe tamin’ny fahariany ny vatana izany. … Noho ny maha-fitaovan’ny fanahintsika an’izany vatana izany dia zava-dehibe ny mikarakara tsara araka izay tratrantsika azy io. Tokony hatokantsika mba hanompoana sy hampandrosoana ny asan’i Kristy ny heriny” (“Fanehoan-kevitra momba ny fanokanana ny fiainana ho masina,” Liahona, nôv. 2010, 17).

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Mitandrema tsara amin’ireo mpianatra ao amin’ny kilasy na ny kôlejy misy anao izay manana fahasembanana na olana ara-batana. Ampio izy ireo hahatakatra fa sarobidy sy mendrika ny hohajaina ny vatan’ny olona rehetra. Ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy izay asehonao amin’ny rehetra dia afaka ny hanana fiantraikany mahery vaika eo amin’ny fomba ahitan’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy azy ireo tsirairay avy sy ny tenany.

Hamoaka printy