Testamenta Vaovao 2023
10 septambra. Ahoana no ahazoako fiononana ao amin’i Jesoa Kristy rehefa misy olona akaikin’ny fo nindaosin’ny fahafatesana? 1 Korintiana 14–16


“10 septambra. Ahoana no ahazoako fiononana ao amin’i Jesoa Kristy rehefa misy olona akaikin’ny fo nindaosin’ny fahafatesana? 1 Korintiana 14–16,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023 (2022)

“10 septambra. Ahoana no ahazoako fiononana ao amin’i Jesoa Kristy rehefa misy olona akaikin’ny fo nindaosin’ny fahafatesana?,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023

Sary
vehivavy mandeha an-tongotra

10 septambra

Ahoana no ahazoako fiononana ao amin’i Jesoa Kristy rehefa misy olona akaikin’ny fo nindaosin’ny fahafatesana?

1 Korintiana 14–16

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kilasy na kôlejy; manodidina ny 10–20 minitra eo

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny alalan’ny fampiasana ny iray na ny maromaro amin’ireo fanontaniana etsy ambany na fanontaniana nomaninao manokana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 10.2, 11.2). Manomàna fomba hanaovana ireo zavatra izay ifanakalozanareo hevitra.

  • Fiainana ny filazantsara. Ahoana no ahafahan’ny fitodihana amin’ny Tompo manampy antsika hiatrika ireo olana sy fitsapana?

  • Fikarakarana ireo sahirana. Iza no fantatsika fa mila ny vavaka ataontsika sy ny finamanantsika?

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara. Inona no drafitra hizarana ny filazantsara noresahina nandritra ny fivoriana filankevitry ny zatovon’ny paroasy? Ahoana no ahafahan’ny kilasy na ny kôlejy misy antsika mandray anjara?

  • Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay. Afaka manamafy orina ny fifandraisantsika amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa amin’ny fomba ahoana ny fanaovana asa momba ny tantaram-pianakaviana?

Any amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy araka izay mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
sary famantarana ny ampianaro ny fotopampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; manodidina ny 25–35 minitra eo

Manomàna tena ara-panahy

Rehefa maty ny olona iray tiantsika dia mety hahatoro fo izany. Mitondra fahatsapana fangirifiriana sy alahelo lalina ny fisarahana amin’ireo olona lalaintsika. Saingy nampianatra i Paoly fa any am-parany any “ny fahafatesana [dia horesena] ka levona” (1 Korintiana 15:54) noho ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. Raha lazaina amin’ny fomba hafa, ny “fanindronan’ny fahafatesana”, ny fanaintainana sy ny hakiviana izay tsapantsika mandritra ny fiainana an-tany, “dia efa voatelina ao amin’i Kristy” (Môzià 16:7–8; jereo koa ny 1 Korintiana 15:54–57).

Tsy maintsy misy fotoana iainan’ny rehetra ny fahafatesan’ny olon-tiana iray. Ahoana no hanampianao ireo izay ampianarinao hahazo fampiononana mandritra ireny fotoan-tsarotra ireny amin’ny alalan’ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy? Eritrereto io fanontaniana io eo am-piomananao hampianatra amin’ny alalan’ny famakiana ny 1 Korintiana 15, Môzià 16:7–9, sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:44–46.

Miaraha mianatra

Azonao atao ny manasa ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy hizara mikasika ny fotoana iray nahatsapan’izy ireo zavatra nanindrona. Azonao atao avy eo ny manontany azy ireo hoe nahoana i Paoly, araka ny hevitr’izy ireo, no nampiasa ny teny hoe “fanindronana” mba hamaritana ny fahafatesana (jereo ny 1 Korintiana 15:54–56). Omeo minitra vitsivitsy izy ireo handinihana ny 1 Korintiana 15 ary hizara ireo fahamarinana izay hitany mikasika ny fomba handresena ny fanindronan’ny fahafatesana. Avy eo dia mieritrereta sahanasa tahaka ireto eto ambany ireto mba hanampiana ny zatovo hahatakatra bebe kokoa ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy mampionona antsika rehefa misy olona tiantsika maty.

  • Azonao atao ny mizara ho tsiroaroa ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ary manasa ny olon-droa isan’isany hiara-handinika andinin-tsoratra masina vitsivitsy ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana.” Azon’izy ireo atao ny manoratra valiny ho an’ny fanontaniana toy ny hoe “Inona avy ireo fahamarinana manan-danja antenaiko fa ho tadidiko rehefa mamoy havan-tiana aho? Asao izy ireo hampiditra fampahalalana avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny valintenin’izy ireo. Asao izy ireo avy eo hizara amin’ny iray kilasy ireo fahamarinana izay manan-danja indrindra amin’izy ireo sy ny antony maha-manan-danja izany.

  • Hevero ny hiara-handinika tantara iray avy amina hafatra tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany izay maneho ny fomba nahazoan’ny olona iray fanantenana tao amin’i Jesoa Kristy rehefa nodimandry ny olona iray izay tiany. Isan’ny ohatra amin’izany ny hafatry ny Rahavavy Reyna I. Aburto hoe “Tsy manam-pandresena ny fasana” (Liahona, mey 2021, 85–86) na ny hafatry ny Loholona S. Mark Palmer hoe “Hody fifaliana ny alahelontsika” (Liahona, mey 2021, 88–89). Mety hotaomim-panahy ianao hizara ny zavatra niainanao na hanasa ny zatovo hizara ny fomba nahazoany fiononana sy fanantenana tao amin’i Jesoa Kristy taorian’ny nahafatesan’ny olon-tiana iray.

  • Asao ny zatovo hizara ny zavatra tsapany. Rehefa mahafantatra isika fa efa nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy, dia inona ny fiantraikan’izany amin’ny fomba fijerintsika ny fahafatesana? Asao ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy misy anao mba hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny Mpamonjy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty ary ny fomba nitondran’izany fahalalana izany fanantenana teo amin’izy ireo.

  • Ny Jaona 11 dia mamariparitra ny zavatra niainan’ny Mpamonjy rehefa namoy olon-tiana iray Izy, dia i Lazarosy namany. Azon’ny kilasy na ny kôlejy atao tsara ny miara-mamaky ny andininy 1–45 ary eo am-pamakian’izy ireo dia afaka mizara ny zavatra nianarany avy amin’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy izy ireo. Inona no azontsika ianarana avy amin’io tantara io izay afaka manome antsika fiononana rehefa nindaosin’ny fahafatesana ny olona tiantsika? Ahoana no hanarahantsika ny ohatry ny Mpamonjy mba “hiara-malahelo amin’izay malahelo; …, ary hampionona ireo izay mila fampiononana”? (Môzià 18:9). Inona no ianarantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:45–46 izay afaka manampy antsika hanao izany?  .

Sary
zatovolahy misaintsaina

Manome antsika fanantenana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty rehefa misy olon-tiana iray nodimandry.

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba handraisana andraikitra amin’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra hoe rehefa mandray andraikitra ka mampihatra ny zavatra tsapany izy ireo dia ahoana no hanamafisan’izany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Ahitana fanompoana amim-pitiavana sy fanampiana ny hafa mba handray ireo fitahian’ny filazantsara izany, ary io fanampiana io matetika no tena ilain’ny olona iray malaindaina ao amin’ny kilasy. Mila miara-miasa isika mba hanolo-tanana an’ireo izay sahirana, ary amin’ny maha-mpampianatra anao dia mety eo amin’ny toerana iray manokana ahafahana manampy ianao.

Hamoaka printy