Testamenta Vaovao 2023
24 septambra. Ahoana no ahafahako manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy amin’ny fanampiana ireo sahirana? 2 Koritiana 8–13


“24 septambra. Ahoana no ahafahako manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy amin’ny fanampiana ireo sahirana? 2 Korintiana 8–13,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023 (2022)

“24 septambra. Ahoana no ahafahako manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy amin’ny fanampiana ireo sahirana?,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023

Sary
vehivavy mifamihina

24 septambra

Ahoana no ahafahako manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy amin’ny fanampiana ireo sahirana?

2 Koritiana 8–13

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kilasy na kôlejy; manodidina ny 10–20 minitra eo

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny alalan’ny fampiasana ny iray na ny maromaro amin’ireo fanontaniana etsy ambany na fanontaniana nomaninao manokana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany,, 10.2, 11.2). Manomàna fomba hanaovana ireo zavatra izay ifanakalozanareo hevitra.

  • Fiainana ny filazantsara. Inona no noresahintsika farany, ary inona no fanasana natao na andraikitra nomena? Inona no nataontsika mba hamaliana ireo fanasana ireo na hanatanterahana ireo andraikitra nomena ireo?

  • Fikarakarana ireo sahirana. Inona no azontsika atao na lazaina mba hanampiana ireo izay mety hahatsiaro ho irery na lavitra ny Ray any An-danitra?

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara. Inona avy ireo fomba vitsivitsy ahafahantsika manampy ny hafa hahatsapa ny fitiavan’i Jesoa Kristy?

  • Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay. Inona no hevitra azontsika ifampizarana mba hanampiana amin’ny fanamafisana orina ny fianakaviantsika?

Any amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy araka izay mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
sary famantarana ny ampianaro ny fotopampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; manodidina ny 25–35 minitra eo

Manomàna tena ara-panahy

Inona avy ireo fahafahana anananao sy ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy misy anao hanompoana ireo izay sahirana manodidina anareo? Tamin’ny fotoana iray nilan’ireo Olomasina tao Jerosalema izay nijaly sy sahirana fanampiana dia nanoratra tamin’ireo Korintiana i Paoly mba hamporisihana azy ireo hanome amin-kalalahan-tanana, “tsy amin’ny alahelo, na amin’ny faneriterena; fa ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’ Andriamanitra.” Nampanantena izy fa raha nanao izany izy ireo dia “Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra [amin’izy ireo]” mba hahafahan’izy ireo “hitombo amin’ny asa tsara rehetra” (2 Korintiana 9:7–8).

Nilaza ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy ihany koa i Paoly, hoe “na dia nanan-karena aza Izy, dia tonga malahelo noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo ny alahelony” (2 Korintiana 8:9). Vonona ny hanao sorona ireo harena any an-danitra ny Mpamonjy mba hahafahany manompo antsika sy hanao izay hampanan-karena antsika mandrakizay. Mieritrereta ohatra tamin’ny fiainany izay nanolorany tanana mba hanompo ny manodidina Azy. Ankoatra ny famakiana ny 2 Korintiana 8–9 eo am-piomananao hampianatra, dia hevero ny hamaky ny hafatry ny Rahavavy Michelle D. Craig hoe “Maso hahita” (Liahona, nôv 2020, 15–17).

Miaraha mianatra

Mba hanombohana ny fifanakalozan-kevitra dia asaivo ataon’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy lisitra ny sasany amin’ireo antony mahatonga ny olona iray mety tsy hanompo ny hafa izay mila fanampiana. Inona no ianarantsika avy amin’ny hafatr’i Paoly ao amin’ny 2 Korintiana 8:9; 9:7–8 izay manentana ny fanahintsika hanao bebe kokoa amin’ny fanompoana ireo izay sahirana? Ireto sahanasa manaraka ireto dia afaka manampy ireo izay ampianarinao hahatakatra bebe kokoa ny fomba hikarakarana ny manodidina azy ireo.

  • Imbetsaka ny Tompo ao amin’ny soratra masina no mampianatra ny zavatra tsapany momba ny fikarakarana ny mahantra sy ny sahirana. Misy ohatra vitsivitsy voatanisa ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana.” Fomba iray handinihana ireo fampianarana ireo ny mizara ny kilasy na ny kôlejy misy anao ho tsiroaroa ary angataho ny ekipa tsirairay handalina ny sasany amin’ireo soratra masina. Angataho izy ireo hifanakalo hevitra momba ny zavatra ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo momba ny fikarakarana ny mahantra sy ny sahirana. Nahoana ny fikarakarana ny mahantra sy ny sahirana no tena manan-danja amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? Asao ireo zatovo mba hanomana fomba azon’izy ireo tsirairay avy hanampiana ny sahirana.

  • Indraindray isika dia sahirana loatra amin’ny olantsika manokana ka tsy mahita ny fahasahiranan’ny manodidina antsika. Nodinihin’ny Rahavavy Michelle D. Craig ao amin’ilay hafany hoe “Maso hahita” ilay tantara momba ny nanokafan’ Andriamanitra ny mason’ny zatovolahy iray (jereo ny 2 Mpanjaka 6:15–17). Inona no ianarantsika avy amin’io tantara io? Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo tantara hafa izay nozarainy momba ny fahafantarana ny filan’ny hafa sy ny fanampiana azy ireo?. Azon’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy atao koa ny mizara zavatra niainany izay nahitan’ny olona ny fahasahiranan’izy ireo ka nanompoany azy ireo. Oviana isika no nahatsikaritra ny filan’ny hafa ka nanompo azy ireo? Inona no tsapantsika rehefa mandray na manolotra fanompoana toy izany?

  • Takatr’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy misy anao ve ny fomba hanatanterahan’izy ireo ny andraikiny mba hikarakara ireo sahirana? Hevero ny hiaraka handinika ny Môzià 4:16–21 sy ny 18:8–10, ary koa ireo fizarana miresaka momba izany ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany (10.2.2 ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna na ny 11.2.2 ho an’ny zatovovavy). Entanim-panahy hanao inona isika vokatry ny fandalinana ireo loharanom-pitaovana ireo? Hevero ny hanomana fomba azonareo iarahana miasa mba hanolorana tanana an’ireo izay mila fanampiana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy na ny paroasy na ny fiarahamonina misy anareo. Raha hijery fahafahana hanompo ao amin’ny faritra misy anao dia jereo ny JustServe.org.

Sary
zatovovavy iray mandray anjara amina tetikasa fanompoana

Ny fanompoana tahaka ny an’i Kristy izay ataontsika dia afaka mitahy ny fiainan’ireo manodidina antsika.

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba handraisana andraikitra amin’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra hoe rehefa mandray andraikitra ka mampihatra ny zavatra tsapany izy ireo dia ahoana no hanamafisan’izany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminanin’ny andro farany no loharanon’ireo fahamarinana ampianarintsika. Amporisiho amin’ny fotoana rehetra azo anaovana izany ireo izay ampianarinao mba hitodika any amin’ny tenin’ Andriamanitra rehefa hitady fitarihana sy valim-panontaniana ary fanohanana.

Hamoaka printy