Testamenta Vaovao 2023
8 ôktôbra. Ahoana no ahafahan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy manampy ahy hanamafy orina ny fianakaviako? Efesiana


“8 ôktôbra. Ahoana no ahafahan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy manampy ahy hanamafy orina ny fianakaviako? “Efesiana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023 (2022)

“8 ôktôbra. Ahoana no ahafahan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy manampy ahy hanamafy orina ny fianakaviako?,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023

Sary
reny sy zanaka vavy mahandro sakafo

8 ôktôbra

Ahoana no ahafahan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy manampy ahy hanamafy orina ny fianakaviako?

Efesiana

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kilasy na kôlejy; manodidina ny 10–20 minitra eo

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Aorian’izay, ankoatra ny fanoroana hevitra mikasika ny raharaha manokan’ny kilasy na ny kôlejy, dia azonareo atao ny mifanakalo hevitra momba ireo zavatra tsapa sy ireo lohahevitra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Mety hanampy ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona avy ireo lohahevitra na hafatra nanan-danja tamintsika? Inona no nanamafy orina ny finoantsika an’i Jesoa Kristy?

  • Inona no nampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ireo mpaminany velona? Inona no zavatra tsapantsika fa asaina ataontsika noho ny zavatra nianarantsika na tsapantsika?

  • Inona no zavatra tokony hataontsika kilasy na kôlejy manontolo mba hitadidiana sy hampiharana ireo torohevitra rentsika nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany?

Any amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy araka izay mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
sary famantarana ny ampianaro ny fotopampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; manodidina ny 25–35 minitra eo

Manomàna tena ara-panahy

Ny olona sasany ao amin’ny kilasy na ny kôlejy misy anao dia mety manana fianakaviana matanjaka sy feno fitiavana izay mamolavola ny finoana sy ny fiainam-panahy. Ny hafa indray dia mety ho irery amin’ny ezaka ataony hiaina araka ny filazantsara, ary ny sasany dia mety miatrika fifandirana na ratram-po ao an-tokantrano. Saingy tsy misy manana fianakaviana tonga lafatra sy tsy manana olana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy misy anao. Ary samy afaka mahazo ny herin’i Jesoa Kristy ny tsirairay, izay afaka manasitrana sy mampatanjaka ny fianakviana.

Te hitahy ny fianakaviana ny Mpamonjy. Indraindray dia amin’ny alalan’ny fitiavana sy ny ohatra asehon’ny zatovo iray izay miezaka manaraka Azy sy miaina araka ny filazantsarany no fomba hanaovany izany. Eo am-piomananao hampianatra ireo zatovo momba ny hery mety ho azon’izy ireo sy ny fianakaviany amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, dia saintsaino ireo fitsipika ao amin’ny Efesiana izay afaka manampy antsika hanamafy orina ny fifandraisana ao amin’ny fianakaviana. Azonao atao ihany koa ny mandalina ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” (ChurchofJesusChrist.org).

Miaraha mianatra

Rehefa avy nomena fahafahana ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy mba hizara ny zavatra nampianarin’ny Fanahy azy ireo tamin’ity herinandro ity raha nandalina ny Efesiana, dia mitadiava fomba hampidirana ny lohahevitra momba ny fomba ahafahan’i Jesoa Kristy manampy antsika hampatanjaka ny fianakaviantsika. Ohatra, azonao asaina ireo zatovo hitady sy hizara andinin-tsoratra masina ao amin’ny Efesiana izay ahitana ireo fitsipika azontsika ampiasaina mba hanamafisana orina ny fifandraisana ao amin’ny fianakaviana. Mety ho isan’ny ohatra amin’izany ny Efesiana 2:19–22; 3:14–19; 4:1–3, 25–26, 29–32; 5:1–2; 6:1–4. Ahoana no ahafahan’ny torohevitra ao amin’ireo andininy ireo mitahy fianakaviana iray? Ahoana no naha-fitahiana ny Mpamonjy sy ny filazantsarany tao an-tokantranontsika? Ireto misy hevitra vitsivitsy momba ny sahanasa mifandray amin’io lohahevitra io.

  • Raha toa ka te hifanakalo hevitra momba ny didy hoe “manajà ny ray sy ny reninao” (Efesiana 6:2) ianareo dia azonao atao ny manomboka izany amin’ny fanontaniana ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ny dikan’ny teny hoe manaja amin’izy ireo. Azon’ny olona iray atao tsara ny mizara ilay famaritana avy ao amin’ny rakibolana na ny Torolalana momba ny soratra masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Asao ny zatovo hiresaka momba ny fomba mety hampiharany io didy io eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana. Mety hitaona fanahy ihany ny mandinika ny fanajan’i Jesoa Kristy ny Rainy any An-danitra sy i Maria reniny (jereo ohatra ny Lioka 2:41–52; Dikatenin’i Joseph Smith, Jaona 2:4 , Jaona 8:29; 19:25–27). Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatr’i Jesoa izay afaka mampatanjaka ny fifandraisantsika amin’ny ray aman-drenintsika?

  • Mety hanampy ny miresaka momba ireo fitaovana ilaina hanorenana trano mafy orina. Inona avy ireo zavatra sasany ilaina hanorenana fianakaviana matanjaka? Azonao zaraina ao anatin’io fifanakalozan-kevitra io ity teny nambaran’ny Loholona L. Whitney Clayton ity: “Ny manan-danja dia ny endrika anatin’ny fanahin’ireo mponina, fa tsy ny rafitra mihitsy” (“Ny tokantrano soa indrindra,” Liahona, mey 2020, 107–9). Azonareo ifanakalozana hevitra ihany koa ireo sosokevitra efatra nomen’ny Loholona Clayton ao amin’ilay hafany momba ny fomba hanorenana ny “tokantrano soa indrindra.”

  • Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” dia ahitana izao fampanantenana izao: “Ny fahasambarana ao amin’ ny fiainam-pianakaviana dia ho tratra rehefa miorina amin’ ny fampianaran’ i Jesoa Kristy Tompo.” Ahoana no hanorenan’ny fampianaran’ny Mpamonjy ny fototry ny fianakaviana sambatra? Ny fanambarana ho an’ny fianakaviana sy ireo soratra masina ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana” dia manolotra ohatra. Ahoana no hifanampian’ny fianakaviana hiaina araka ireo fampianarana ireo?

Sary
fianakaviana miara-mandalina

Ny fampianaran’i Jesoa Kristy no fototry ny fahasambarana ao amin’ny fiainam-pianakaviana.

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba handraisana andraikitra amin’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra hoe rehefa mandray andraikitra ka mampihatra ny zavatra tsapany izy ireo dia ahoana no hanamafisan’izany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Rehefa tsapan’ny zatovo fa matoky azy ireo ianao dia hitombo ny fahatokiany an’ilay hery anaty masina ananany, ary hataony variana amin’ny zavatra azon’izy ireo tontosaina ianao. Ampio izy ireo hahatakatra izay fantatry ny Ray any An-danitra fa tokony hahatongavan’izy ireo.

Hamoaka printy