Testamenta Vaovao 2023
22 ôktôbra. Ahoana no ahafahako mijanona ho mafy orina amin’ny fanolorantenako amin’i Jesoa Kristy? 1 sy 2 Tesaloniana


“22 ôktôbra. Ahoana no ahafahako mijanona ho mafy orina amin’ny fanolorantenako amin’i Jesoa Kristy? 1 sy 2 Tesaloniana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023 (2022)

“22 ôktôbra. Ahoana no ahafahako mijanona ho mafy orina amin’ny fanolorantenako amin’i Jesoa Kristy?,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023

Sary
zatovo mandeha an-tongotra

22 ôktôbra

Ahoana no ahafahako mijanona ho mafy orina amin’ny fanolorantenako amin’i Jesoa Kristy?

1 sy 2 Tesaloniana

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kilasy na kôlejy; manodidina ny 10–20 minitra eo

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny alalan’ny fampiasana ny iray na ny maromaro amin’ireo fanontaniana etsy ambany na fanontaniana nomaninao manokana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany,, 10.2, 11.2). Manomàna fomba hanaovana ireo zavatra izay ifanakalozanareo hevitra.

  • Fiainana ny filazantsara. Inona avy no zavatra niainana tato ho ato izay nampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika?

  • Fikarakarana ireo sahirana. Iza no mila ny fanampiantsika sy ny vavaka ataontsika? Mahatsapa ho entanim-panahy hanao inona isika mba hanampiana azy ireo?

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara. Ahoana no ahafahantsika ho tonga fahazavana ho an’ireo olona ao amin’ny fianakaviana na namana izay tsy mitovy finoana amintsika?

  • Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay. Ahoana no ahafahantsika maneho fitiavana sy fanohanana bebe kokoa ho an’ny fianakaviantsika ary manatsara ny ao an-tokantranontsika?

Any amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy araka izay mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
sary famantarana ny ampianaro ny fotopampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; manodidina ny 25–35 minitra eo

Manomàna tena ara-panahy

Ny ankamaroantsika dia mahafantatra olona izay nisy fotoana nanolo-tena tanteraka tamin’i Jesoa Kristy saingy lavo ka nivily lalana tamin’ny finoany. Tsy mahagaga ny manontany tena hoe: “Mety hitranga amiko ve izany?” Nidera an’ireo Tesaloniana i Paoly noho ny fahatokian’izy ireo saingy nahatsapa ho notaomim-panahy izy ny hampitandrina azy ireo momba ireo fampianaran-diso sy ny fitaomana hafa izay mety hamparefo ny finoan’izy ireo. Na mafy toy ny ahoana aza ny fanolorantenantsika amin’ny Mpamonjy amin’izao, dia misy zavatra betsaka azontsika atao foana mba “hahatanteraka ny tsy ampy amin’ny finoa[ntsika]” (1 Tesaloniana 3:10).

Rehefa mivavaka momba ireo olona ao amin’ny kilasy na kôlejy misy anao ianao dia henoy ireo bitsika alefan’ny Tompo aminao. Inona no tsapanao fa hanampy azy ireo hijanona ho mahatoky amin’ny Mpamonjy na inona na inona fanoherana hatrehin’izy ireo? Inona no nanampy anao? Rehefa miomana ny hampianatra ianao dia azonao dinihina ny hafatry ny Loholona Dale G. Renlund hoe “Fanolorantena tsy voahozongozona amin’i Jesoa Kristy” (Liahona, nôv. 2019 22–25) ankoatra ny 1 sy 2 Tesaloniana.

Miaraha mianatra

Mba hanampiana ny zatovo hamerina hijery ny zavatra novakiny tao amin’ny 1 sy 2 Tesaloniana sy hampidirana ny lohahevitra momba ny fijanonana ho mafy orina amin’ny fanolorantenantsika amin’ny Mpamonjy dia azonareo vakina miaraka ny 2 Tesaloniana 2:1–3. Ifanakalozy hevitra ny mety ho dikan’ilay teny hoe “fihemorana.” Midika inona manokana ho an’ny olona iray izany hoe mihemotra miala an’i Jesoa Kristy izany? Azonao ampitahaina amin’ny teny hafa ampiasain’i Paoly izany, toy ny hoe “tomoera tsara amin’ny Tompo” (1 Tesaloniana 3:8) sy ny hoe “aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa” (2 Tesaloniana 3:13). Azonao jerena avy eo ny 1 Tesaloniana 5:15–23. Manampy antsika tsy hihemotra amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy amin’ny fomba ahoana ny fanarahana ny torohevitr’i Paoly ao amin’ireo andininy ireo, na dia miatrika fanoherana aza isika? Ampiasao ny sahanasa tahaka ireto manaraka ireto mba hanampiana ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy hijanona ho matanjaka amin’ny fanolorantenan’izy ireo amin’ny Mpamonjy.

  • Mety hitaona fanahy ny mianatra avy amin’ireo ohatra asehon’ny hafa izay lasa tsy voahozongozona amin’ny fanolorantenany amin’i Kristy. Ohatra, azonareo halalinina miaraka ny ohatr’ireo Antia-Nefia-Lehia izay “vahoaka baribariana sy mafy fo ary lozabe” saingy “tsy nihemotra na oviana na oviana” rehefa “niova fo ho an’ny Tompo” (Almà 17:14; 23:6–8). Inona no ampianarin’ny Almà 24:8–18 momba ny antony nahatonga azy ireo nijanona ho mahatoky? Inona no safidy manan-danja nataon’izy ireo? Ahoana no nanampian’ny Mpamonjy azy ireo? Misy ohatra fanampiny azo jerena ao amin’ny hafatry ny Loholona Dale G. Renlund hoe “Fanolorantena tsy voahozongozona amin’i Jesoa Kristy.” Azon’ny zatovo vitsivitsy atao tsara ny mamaky ny sasany amin’ireo ohatra ireo ary hizara ny zavatra nianarany momba ny fijanonana ho mahatoky amin’i Kristy. Tamin’ny fomba ahoana no nijanonantsika ho manolo-tena amin’ny Tompo na dia eo aza ny tsy fahalavorariantsika?

  • Eo am-piezahantsika manamafy orina ny finoantsika dia manampy ny mahafantatra ireo hery izay mikatsaka ny hampalemy izany. Ny fahitan’i Lehia ny hazon’aina dia manoritsoritra ny sasany amin’ireo hery ireo. Azonareo atao tsara ny maneho ny sarin’ilay fahitana (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara [2009], lah. 69) ary miara-mijery ireo antsipirian-javatra ao anatin’izany, izay hita ao amin’ny 1 Nefia 8:10–34. Inona ao amin’ilay fahitana no nanakana ny olona tsy hihinana ny voan’ilay hazo? Inona no nanampy ny olona ho tonga teo amin’ilay hazo dia nijanona teo? Inona no asehon’ireo zavatra ireo eo amin’ny fiainantsika?

  • Ao amin’ilay hafany hoe “Hery handresena ny fahavalo” (Liahona, nôv. 2019, 110–12), ny Loholona Peter M. Johnson dia nitanisa fomba telo entin’i Satana mampihena ny tanjatsika. Azonao asaina ny zatovo tsirairay hamaky ny iray amin’izany ary hizara amin’ny iray kilasy na ny kôlejy ny ohatra momba ny fomba ampiasan’i Satana izany fitaovana izany hiadiana amin’ireo zatovo ankehitriny. Avy eo izy ireo dia afaka mamaky ny iray amin’ireo sosokevitra efatra nomen’ny Loholona Johnson handresena ny tetikadin’ny fahavalo ka hizara ny zavatra nianarany.

Sary
Jesoa Kristy

Aza manahy, nosoratan’i Michael Malm

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba handraisana andraikitra amin’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra hoe rehefa mandray andraikitra ka mampihatra ny zavatra tsapany izy ireo dia ahoana no hanamafisan’izany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Amin’ny ankapobeny dia mety tsara ny manasa ireo mpianatra mba hifanampy amin’ny fitadiavana ny valin’ny fanontaniana ananan’izy ireo. Rehefa atosiky ny Fanahy ianao dia afaka manapa-kevitra ny hanao izany na dia tsapanao aza fa fantatrao ny valiny.

Hamoaka printy